1 ULB Izao no lalàna amin'ny fanatitra nohon'ny heloka. Izany no masina indrindra. BSB BSB: “Now this is the law of the guilt offering, which is most holy:
2 ULB Aoka izy ireo hamono ny fanatitra nohon'ny heloka eo amin'ny toerana famonoana izany, ary aoka izy ireo hanaparitaka ny rà isaky ny lafin'ny alitara. BSB BSB: The guilt offering must be slaughtered in the place where the burnt offering is slaughtered, and the priest shall splatter its blood on all sides of the altar.
3 ULB Ny sabora rehetra eo amin'izany dia ho atolotra: ny rambo matavy, ny sabora izay manodidina ny ao anatiny, BSB BSB: And all the fat from it shall be offered: the fat tail, the fat that covers the entrails,
4 ULB ny voa roa sy ny sabora eo amin'izany, izay manakaiky ny valahany, ary izay mandrakotra ny aty, miaraka amin'ireo voa—dia aoka ho esorina avokoa izany rehetra izany. BSB BSB: both kidneys with the fat on them near the loins, and the lobe of the liver, which is to be removed with the kidneys.
5 ULB Aoka handoro ireo faritra ireo eo amin'ny alitara ny mpisorona mba ho fanatitra natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh. Izany no fanatitra nohon'ny heloka. BSB BSB: The priest shall burn them on the altar as a food offering to the LORD; it is a guilt offering.
6 ULB Ny lehilahy tsirairay eo amin'ny mpisorona dia aoka hihinana ny ampahany amin'io fanatitra io. Aoka hohanina eo amin'ny fitoerana masina izany satria masina indrindra. BSB BSB: Every male among the priests may eat of it. It must be eaten in a holy place; it is most holy.
7 ULB Tahaka ny fanatitra nohon'ny heloka ny fanatitra nohon'ny ota. Mitovy ny lalàna mihatra amin'izy ireo. Ireo dia an'ny mpisorona izay manao fanonerana amin'izy ireo. BSB BSB: The guilt offering is like the sin offering; the same law applies to both. It belongs to the priest who makes atonement with it.
8 ULB Ny mpisorona izay manolotra fanatitra doran'ny olona dia tokony hanana ny hoditr'izany sorona izany ho azy. BSB BSB: As for the priest who presents a burnt offering for anyone, the hide of that offering belongs to him.
9 ULB Ny fanatitra voa rehetra izay nandrahoina tao anaty lafaoro, sy ny fanatitra toy izany rehetra izay nendasina tamin'ny lasitra fanendasana na nandrahoina tamin'ny lasitra fandrahoana dia ho an'ny mpisorona izay nanolotra izany. BSB BSB: Likewise, every grain offering that is baked in an oven or cooked in a pan or on a griddle belongs to the priest who presents it,
10 ULB Ny fanatitra voa rehetra, na maina na nafangaro tamin'ny menaka, dia ho an'ny taranak'i Arona rehetra ihany koa. BSB BSB: and every grain offering, whether dry or mixed with oil, belongs equally to all the sons of Aaron.
11 ULB Izao no lalàna amin'ny soron'ny fanati-pihavanana izay ho hatolotry ny olona ho an'i Yaveh. BSB BSB: Now this is the law of the peace offering that one may present to the LORD:
12 ULB Raha misy manatitra izany mba ho fanomezam-pisaorana, dia aoka izy hanolotra izany miaraka amin'ny soron'ny mofo tsy misy lalivay saingy nafangaro tamin'ny menaka, ny mofo tsy misy lalivay, saingy mihosotra menaka, ary ny mofo natao tamin'ny koba tsara toto izay nolaroina tamin'ny menaka. BSB BSB: If he offers it in thanksgiving, then along with the sacrifice of thanksgiving he shall offer unleavened cakes mixed with olive oil, unleavened wafers coated with oil, and well-kneaded cakes of fine flour mixed with oil.
13 ULB Ao anatin'ny tanjon'ny fanomezam-pisaorana ihany koa, dia aoka izy hanolotra ampempa-mofo nasiana lalivay miaraka amin'ny fanati-pihavanany. BSB BSB: Along with his peace offering of thanksgiving he is to present an offering with cakes of leavened bread.
14 ULB Aoka izy hanolotra karazany iray avy amin'ireo sorona ireo ho fanatitra haseho eo amin'i Yaveh. Ho an'ny mpisorona izay nanaparitaka ny ràn'ny fanati-pihavanana teo amin'ny alitara izany. BSB BSB: From the cakes he must present one portion of each offering as a contribution to the LORD. It belongs to the priest who sprinkles the blood of the peace offering.
15 ULB Aoka ilay olona izay maneho ny fanati-pihavanana mba ho fanomezam-pisaorana hihinana ny henan'ny fanatiny amin'ny andron'ny sorona. Aoka tsy hamela sisa amin'izany mandra-paharainan'ny andro izy. BSB BSB: The meat of the sacrifice of his peace offering of thanksgiving must be eaten on the day he offers it; none of it may be left until morning.
16 ULB Fa raha ho amin'ny voady ny soron'ny fanatiny, na ho amin'ny fanatitra an-tsitrapo, dia aoka hohanina amin'ny andro izay hanaterany ny sorony ny hena, fa na inona na inona mety ho sisa amin'izany dia azo hanina ny ampitson'iny. BSB BSB: If, however, the sacrifice he offers is a vow or a freewill offering, it shall be eaten on the day he presents his sacrifice, but the remainder may be eaten on the next day.
17 ULB Na izany aza, na inona na inona henan'ny sorona tavela amin'ny andro fahatelo dia aoka ho dorana. BSB BSB: But any meat of the sacrifice remaining until the third day must be burned up.
18 ULB Raha misy henan'ny sorona amin'izay fanati-pihavanana nohanina amin'ny andro fahatelo, dia tsy ho ekena izany, na ho tanan'izay nanolotra izany. Ho zavatra maharikoriko izany, ary ny olona izay mihinana izany dia hitondra ny heloky ny otany. BSB BSB: If any of the meat from his peace offering is eaten on the third day, it will not be accepted. It will not be credited to the one who presented it; it shall be an abomination, and the one who eats of it shall bear his iniquity.
19 ULB Izay hena mikasika zavatra maloto dia aoka tsy hohanina. Aoka ho dorana izany. Ny amin'ny sisan'ny hena, dia azon'ireo olona madio hoanina izany. BSB BSB: Meat that touches anything unclean must not be eaten; it is to be burned up. As for any other meat, anyone who is ceremonially clean may eat it.
20 ULB Na izany aza anefa, izay olona maloto mihinana hena avy amin'ny soron'ny fanati-pihanavanana izay an'i Yaveh— dia aoka izany olona izany ho esorina eo amin'ny vahoakany. BSB BSB: But if anyone who is unclean eats meat from the peace offering that belongs to the LORD, that person must be cut off from his people.
21 ULB Raha misy olona mikasika zavatra maloto—na fahalotoan'olona, na biby maloto, na zavatra maloto sy maharikoriko hafa, ary raha mihinana tamin'ilay soron'ny fanati-pihavanana izay an'i Yaveh izy avy eo, dia aoka izany olona izany ho esorina eo amin'ny vahoakany.'" BSB BSB: If one touches anything unclean, whether human uncleanness, an unclean animal, or any unclean, detestable thing, and then eats any of the meat of the peace offering that belongs to the LORD, that person must be cut off from his people.”
22 ULB Ary niteny tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: Then the LORD said to Moses,
23 ULB "Miresaha amin'ny vahoakan'Israely ary lazao hoe: 'Aoka ianareo tsy hihinana ny saboran'ny omby na ondry na osy. BSB BSB: “Speak to the Israelites and say, ‘You are not to eat any of the fat of an ox, a sheep, or a goat.
24 ULB Ny saboran'ny biby izay maty tsy tamin-tsorona, na ny saboran'ny biby noviravirain'ny bibidia, dia azo ampiasaina amin'ny zavatra hafa, fa aoka ianareo tsy hihinana izany mihitsy. BSB BSB: The fat of an animal found dead or mauled by wild beasts may be used for any other purpose, but you must not eat it.
25 ULB Na iza na iza olona mihinana ny saboran'ny biby izay mety ataon'ny olona ho sorona natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh, dia aoka ho esorina amin'ny vahoakany izany olona izany. BSB BSB: If anyone eats the fat of an animal from which a food offering may be presented to the LORD, the one who eats it must be cut off from his people.
26 ULB Aoka ianareo tsy hihinana rà na avy amin'inona na avy amin'ny inona ao an-tranonareo, na avy amin'ny vorona izany na biby. BSB BSB: You must not eat the blood of any bird or animal in any of your dwellings.
27 ULB Na iza na iza mihinana rà, dia aoka ho esorina eo amin'ny vahoakany izany olona izany.'" BSB BSB: If anyone eats blood, that person must be cut off from his people.’”
28 ULB Koa niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh ary niteny hoe: BSB BSB: Then the LORD said to Moses,
29 ULB "Miresaha amin'ny vahoakan'Israely ary lazao hoe: 'Aoka hitondra anjara sorona ho an'i Yaveh izay manatitra ny fanatitry ny sorom-pihavanana ho an'i Yaveh. BSB BSB: “Speak to the Israelites and say, ‘Anyone who presents a peace offering to the LORD must bring it as his sacrifice to the LORD.
30 ULB Ny fanatitra ho an'i Yaveh izay hatao amin'ny afo, dia aoka ny tanany ihany no hitondra izany. Aoka izy hitondra ny sabora miaraka amin'ny tratra, ka aoka hahevaheva ho fanatitra ahevaheva eo anoloan'i Yaveh izany. BSB BSB: With his own hands he is to bring the food offerings to the LORD; he shall bring the fat, together with the breast, and wave the breast as a wave offering before the LORD.
31 ULB Aoka ny mpisorona handoro ny sabora eo amin'ny alitara, fa ny tratrany dia an'i Arona sy ireo taranany. BSB BSB: The priest is to burn the fat on the altar, but the breast belongs to Aaron and his sons.
32 ULB Aoka homenareo ny mpisorona ny feny havanana ho fanatitra aseho ao amin'ny soron'ny fanati-pihavananareo. BSB BSB: And you are to give the right thigh to the priest as a contribution from your peace offering.
33 ULB Ny mpisorona, iray amin'ireo taranak'i Arona, izay manolotra ny ràn'ny fanati-pihavanana sy ny sabora—dia hahazo ny feny havanana izy ho toy ny anjarany amin'ny fanatitra. BSB BSB: The son of Aaron who presents the blood and fat of the peace offering shall have the right thigh as a portion.
34 ULB Fa efa noraisiko tamin'ny vahoakan'Israely, ny tratran'ny fanatitra ahevaheva, sy ny feny izay fandraisana anjara, ary ireo dia nomena an'i Arona mpisorona sy ireo zanany lahy ho anjara mahazatra ho azy ireo. BSB BSB: I have taken from the sons of Israel the breast of the wave offering and the thigh of the contribution of their peace offerings, and I have given them to Aaron the priest and his sons as a permanent portion from the sons of Israel.’”
35 ULB Izany no anjara ho an'i Arona sy ny taranany avy amin'ny fanatitra natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh, tamin'ny andro izay nanoloran'i Mosesy azy ireo mba hanompo an'i Yaveh amin'ny asa maha mpisorona. BSB BSB: This is the portion of the food offerings to the LORD for Aaron and his sons since the day they were presented to serve the LORD as priests.
36 ULB Izany no anjara izay nandidian'i Yaveh homena azy ireo avy amin'ny vahoakan'Israely, tamin'ny andro nanosorany ny mpisorona. Izany hatrany no ho anjaran'izy ireo hatramin'ny taranaka fara-mandimby. BSB BSB: On the day they were anointed, the LORD commanded that this be given them by the sons of Israel. It is a permanent portion for the generations to come.
37 ULB Izany no lalàna amin'ny fanatitra dorana, amin'ny fanatitra voa, amin'ny fanatitra nohon'ny ota, amin'ny fanatitra nohon'ny heloka, ny fanati-panokanana, sy ny soron'ny fanati-pihavanana, BSB BSB: This is the law of the burnt offering, the grain offering, the sin offering, the guilt offering, the ordination offering, and the peace offering,
38 ULB izay efa nanomezan'i Yaveh didy an'i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay tamin'ny andro izay nandidiany ny vahoakan'Israely mba hanolotra ny soron'izy ireo ho an'i Yaveh tany an-tany efitr'i Sinay.'" BSB BSB: which the LORD gave Moses on Mount Sinai on the day He commanded the Israelites to present their offerings to the LORD in the Wilderness of Sinai.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.