1 ULB Yaveh niteny tamin'i Mosesy, nanao hoe: BSB BSB: Then the LORD said to Moses,
2 ULB "Alaivo i Arona sy ireo zanany lahy miaraka aminy, ireo fitafiana sy ny diloilo fanosorana, ny omby lahy ho an'ny fanatitra nohon'ny ota, ny ondry lahy roa, ary ny harona fitoeran-mofo tsy misy masirasira. BSB BSB: “Take Aaron and his sons, their garments, the anointing oil, the bull of the sin offering, the two rams, and the basket of unleavened bread,
3 ULB Avondrony eo amin'ny fidiran'ny trano-lay fihaonana ny fiangonana rehetra." BSB BSB: and assemble the whole congregation at the entrance to the Tent of Meeting.”
4 ULB Ka dia nanao araka izay nandidian'i Yaveh azy i mosesy, ary tonga niangona teo amin'ny fidirana mankany amin'ny tranolay fihaonana ny fiangonana. BSB BSB: So Moses did as the LORD had commanded him, and the assembly gathered at the entrance to the Tent of Meeting.
5 ULB Avy eo niteny tamin'ny fiangonana i Mosesy hoe: "Izao no nandidian'i Yaveh ho tanterahina." BSB BSB: And Moses said to them, “This is what the LORD has commanded to be done.”
6 ULB Nentin'i Mosesy i Arona sy ireo zanany lahy ary nosasainy tamin'ny rano izy ireo. BSB BSB: Then Moses presented Aaron and his sons and washed them with water.
7 ULB Nampanaoviny an'i Arona ny akanjo lava ary nafatony teo amin'ny andilany ny hetra, nampitafiany tohitena izy ary nasiany efoda teny aminy, ary dia nafatony teo aminy ny efoda niaraka tamin'ny lamba voatenona madinika ka nofatorana teny aminy izany. BSB BSB: He put the tunic on Aaron, tied the sash around him, clothed him with the robe, and put the ephod on him. He tied the woven band of the ephod around him and fastened it to him.
8 ULB Napetrany teo aminy ny saro-tratra, ary tao anatin'ilay saro-tratra no nasiany ny Orima sy ny Tomima. BSB BSB: Then he put the breastpiece on him and placed the Urim and Thummim in the breastpiece.
9 ULB Nametraka ny hamama teo amin'ny lohany izy, ary tao anatin'ny hamama, teo anoloana, no nanasiany ny takela-bolamena, sy ny diadema masina, araka ny nandidian'i Yaveh azy. BSB BSB: Moses also put the turban on Aaron’s head and set the gold plate, the holy diadem, on the front of the turban, as the LORD had commanded him.
10 ULB Nandray ilay diloilo fanosorana i Mosesy, ka nanosotra ny tabernakely sy izay rehetra tao aminy ary nanokana ireny ho an'i Yaveh. BSB BSB: Next, Moses took the anointing oil and anointed the tabernacle and everything in it; and so he consecrated them.
11 ULB Namafy ny diloilo teo amin'ny alitara impito izy, ary nanosotra ny alitara sy ireo fanaka rehetra tao anatiny, ary ny tavy sy ny faladiany, mba hanokanana ireo ho an'i Yaveh. BSB BSB: He sprinkled some of the oil on the altar seven times, anointing the altar and all its utensils, and the basin with its stand, to consecrate them.
12 ULB Nandraraka ny sasany tamin'ny diloilo fanosorana tamin'ny lohan'i Arona izy ka nanosotra azy mba hanokanana azy. BSB BSB: He also poured some of the anointing oil on Aaron’s head and anointed him to consecrate him.
13 ULB Nentin'i Mosesy ireo zanaka lahin'i Arona ary nampitafiany akanjo lava izy ireo. Namatotra hetra tamin'ny andilan'izy ireo izy ary namono lamba rongony fotsy teny an-dohan'izy ireo, araka ny nandidian'i Yaveh azy. BSB BSB: Then Moses presented Aaron’s sons, put tunics on them, wrapped sashes around them, and tied headbands on them, just as the LORD had commanded him.
14 ULB Nitondra ny omby lahy ho amin'ny fanatitra nohon'ny ota i Mosesy, ary Arona sy ireo zanany lahy dia nametraka ny tanan'izy ireo teo amin'ny lohan'ilay ombilahy izay avy nentin'izy ireo ho amin'ny fanatitra nohon'ny ota. BSB BSB: Moses then brought the bull near for the sin offering, and Aaron and his sons laid their hands on its head.
15 ULB Novonoiny izany, ary naka ny rà sy nametaka izany tanmoin'ny tandroky ny alitara tamin'ny fanondrony izy, nanadio ny alitara, nandraraka ny rà teo amin'ny fanambanin'ny alitara, ka nanokana izany ho an'Andriamanitra mba hanaovany fanonerana ho amin'izany. BSB BSB: Moses slaughtered the bull, took some of the blood, and applied it with his finger to all four horns of the altar, purifying the altar. He poured out the rest of the blood at the base of the altar and consecrated it so that atonement could be made on it.
16 ULB Naka ny sabora rehetra izay tao anatiny izy, ny saron'aty, sy ireo voa anankiroa ary ny saborany, ary nandoro ireo teo amin'ny alitara i Mosesy. BSB BSB: Moses also took all the fat that was on the entrails, the lobe of the liver, and both kidneys and their fat, and burned it all on the altar.
17 ULB Fa ilay omby lahy, ny hodiny, ny henany, sy ny tain-drorohany kosa dia nodorany ivelan'ny toby, araka ny nandidian'i Yaveh azy. BSB BSB: But the bull with its hide, flesh, and dung he burned outside the camp, as the LORD had commanded him.
18 ULB Nanolotra ny ondrilahy ho amin'ny fanatitra dorana i Mosesy, ary Arona sy ireo zanany lahy dia nametraka ny tanany teo amin'ny lohan'ilay ondry lahy. BSB BSB: Then Moses presented the ram for the burnt offering, and Aaron and his sons laid their hands on its head.
19 ULB Novonoiny izany ka nafafy manodidina ny lafin'ny alitara rehetra ny ràny. BSB BSB: Moses slaughtered the ram and splattered the blood on all sides of the altar.
20 ULB Notetehiny ilay ondry lahy ary nodorana ny lohany sy ireo silany ary ny saborany. BSB BSB: He cut the ram into pieces and burned the head, the pieces, and the fat.
21 ULB Nosasainy tamin'ny rano ny atiny sy ny tongony, ary nodoro ny ondry lahy manontolo teo amin'ny alitara izy. Izany no fanatitra dorana ary namoaka hanitra mamerovero izany, fanatitra natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh araka ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. BSB BSB: He washed the entrails and legs with water and burned the entire ram on the altar as a burnt offering, a pleasing aroma, a food offering to the LORD, just as the LORD had commanded Moses.
22 ULB Avy eo dia nanolotra ondry lahy iray hafa i Mosesy, ny ondry lahin'ny fanamasinana, ary Arona sy ireo zanany lahy dia nametraka ny tanany tamin'ny lohan'ilay ondrilahy. BSB BSB: After that, Moses presented the other ram, the ram of ordination, and Aaron and his sons laid their hands on its head.
23 ULB Novonoin'i Arona izany, ary naka tamin'ilay ràny i Mosesy ka nametraka izany tamin'ny tendron'ny ravintsofin'i Arona ankavanana, teo amin'ny ankihiben-tanany ankavanana, sy teo amin'ny ankihibe-tongony ankavanana. BSB BSB: Moses slaughtered the ram and took some of its blood and put it on Aaron’s right earlobe, on the thumb of his right hand, and on the big toe of his right foot.
24 ULB Nentiny ireo zanaka lahin'i Arona, ary nametraka sasany tamin'ilay rà teo amin'ny tendron'ny ravintsofin'izy ireo havanana, teo amin'ny ankihibe-tanan'izy ireo ankavanana, sy teo amin'ny ankihibe-tongotr'izy ireo ankavanana izy. Avy eo Mosesy namafy ny ràn'izany manodidina ny lafin'ny alitara rehetra. BSB BSB: Moses also presented Aaron’s sons and put some of the blood on their right earlobes, on the thumbs of their right hands, and on the big toes of their right feet. Then he splattered the blood on all sides of the altar.
25 ULB Nalainy ny sabora, ny rambo matavy, ny sabora rehetra izay tao anatiny, ny saron'aty, ny voa anankiroa sy ny saborany, ary ny feny havanana. BSB BSB: And Moses took the fat—the fat tail, all the fat that was on the entrails, the lobe of the liver, and both kidneys with their fat—as well as the right thigh.
26 ULB Avy tamin'ny harona fitoera-mofo tsy misy lalivay izay teo anatrehan'i Yaveh, no nakany mofo tsy misy lalivay iray, ary mofo voaisy diloilo, sy mofo manify, ary nametraka ireo teo amin'ny sabora sy teo amin'ny fe havanana. BSB BSB: And from the basket of unleavened bread that was before the LORD, he took one cake of unleavened bread, one cake of bread made with oil, and one wafer, and he placed them on the fat portions and on the right thigh.
27 ULB Napetrany teny an-tanan'i Arona sy ny tanan'ireo zanany lahy avokoa ireo ary nahevahevany teo anatrehan'i Yaveh ireo mba ho fanatitra ahevaheva. BSB BSB: He put all these in the hands of Aaron and his sons and waved them before the LORD as a wave offering.
28 ULB Dia naka ireo teny an-tanan'izy ireo i Mosesy ka nandoro ireo teo amin'ny alitara ho amin'ny fanatitra dorana. Ireo dia fanatitra fanamasinana ary namoaka hanitra mamerovero. Izany no fanatitra natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh. BSB BSB: Then Moses took these from their hands and burned them on the altar with the burnt offering. This was an ordination offering, a pleasing aroma, a food offering to the LORD.
29 ULB Nandray ny tratra sy nanevaheva izany ho fanatitra ahevaheva ho an'i Yaveh i Mosesy. Izany no fizaran'i Mosesy ny ondry lahy ho an'ny fanokanana ireo mpisorona, araka ny nandidian'i Yaveh azy. BSB BSB: He also took the breast—Moses’ portion of the ram of ordination—and waved it before the LORD as a wave offering, as the LORD had commanded him.
30 ULB Naka tamin'ilay diloilo fanosorana sy ny rà izay teo amin'ny alitara i Mosesy; namafy ireo tamin'i Arona, tamin'ny akanjony, tamin'ireo zanany lahy, sy tamin'ny akanjon'ireo zanany lahy izy. Tahaka izany no nanokanany an'i Arona sy ny akanjony, ary ireo zanany lahy sy ny akanjon'izy ireo ho an'i Yaveh. BSB BSB: Next, Moses took some of the anointing oil and some of the blood that was on the altar and sprinkled them on Aaron and his garments, and on his sons and their garments. So he consecrated Aaron and his garments, as well as Aaron’s sons and their garments.
31 ULB Ka dia niteny tamin'i Arona sy ireo zanany lahy i Mosesy hoe: "Ampangotrahy eo amin'ny fidirana mankany amin'ny trano-lay fihaonana ny hena, ary hano izany sy ny mofo izay ao anatin'ny haron'ny fanamasinana, araka ny nandidiako, nanao hoe: 'Hihinana izany i Arona sy ireo zanany lahy.' BSB BSB: And Moses said to Aaron and his sons, “Boil the meat at the entrance to the Tent of Meeting and eat it there with the bread that is in the basket of ordination offerings, as I commanded, saying, ‘Aaron and his sons are to eat it.’
32 ULB Izay rehetra sisa amin'ny hena sy ny mofo dia aoka hodoranao. BSB BSB: Then you must burn up the remainder of the meat and bread.
33 ULB Aza mivoaka avy eo amin'ny fidiran'ny tranolay fihaonana ao anatin'ny hafitoana ianareo, mandra-pahatanteraka ireo andron'ny fanokanana anareo. Fa Yaveh no hanamasina anareo ao anatin'ny hafitoana. BSB BSB: You must not go outside the entrance to the Tent of Meeting for seven days, until the days of your ordination are complete; for it will take seven days to ordain you.
34 ULB Izay efa natao androany— dia nodidian'i Yaveh ho vita mba hanaovana fanonerana ho anareo. BSB BSB: What has been done today has been commanded by the LORD in order to make atonement on your behalf.
35 ULB Hitoetra andro aman'alina ao amin'ny fidiran'ny tranolay fihaonana mandritra ny hafitoana ianareo, ary hitandrina ny didin'i Yaveh, mba tsy ho faty ianareo, satria izany no efa nandidiana ahy." BSB BSB: You must remain at the entrance to the Tent of Meeting day and night for seven days and keep the LORD’s charge so that you will not die, for this is what I have been commanded.”
36 ULB Ka dia nanao ireo zavatra rehetra izay nandidian'i Yaveh azy ireo tamin'ny alalan'i Mosesy i Arona sy ireo zanany lahy. BSB BSB: So Aaron and his sons did everything the LORD had commanded through Moses.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.