2 ULB araka izay efa nanoloran'izy ireo azy tamintsika, izay efa vavolombelona nanatri-maso sy mpanompon'ny teny hatrany am-piandohana. BSB BSB: just as they were handed down to us by the initial eyewitnesses and servants of the word.
3 ULB Ary amiko ihany koa dia toa mety- rehefa nanadihady tsara ny fandehan'ny zavatra rehetra hatramin'ny voalohany- ny hanoratra tatitra araka ny filaharany ho anao, ry Teofilo mendrika indrindra. BSB BSB: Therefore, having carefully investigated everything from the beginning, it seemed good also to me to write an orderly account for you, most excellent Theophilus,
4 ULB Izany dia mba hahalalanao ny marina momba ireo zavatra izay nampianarina anao. BSB BSB: so that you may know the certainty of the things you have been taught.
6 ULB Samy marina teo anatrehan'Andriamanitra izy ireo, ary nankatoa ireo didy rehetra sy ireo fitsipiky ny Tompo. BSB BSB: Both of them were righteous in the sight of God, walking blamelessly in all the commandments and decrees of the Lord.
7 ULB Fa tsy nanan-janaka anefa izy ireo, satria momba Elizabeta, ary samy efa tena antitra ihany koa izy roa ireo tamin'izany fotoana izany. BSB BSB: But they had no children, because Elizabeth was barren, and they were both well along in years.
8 ULB Ary izany dia mahakasika an'i Zakaria teo fanatrehan'Andriamanitra, nanatanteraka ireo asan'ny fisoronana araka ny fifandimbiasan'ny isan-tokony. BSB BSB: One day while Zechariah’s division was on duty and he was serving as priest before God,
9 ULB Araka ny fomba fanaon'izy ireo ny amin'ny fisafidianana mpisorona izay tokony hanompo, dia voafidin'ny kodia kely hiditra handoro ny emboka manitra ao an-tempolin'ny Tompo izy. BSB BSB: he was chosen by lot, according to the custom of the priesthood, to enter the temple of the Lord and burn incense.
10 ULB Tamin'ny ora nandoroana ny emboka manitra dia nivavaka teny ivelany ny vahoaka rehetra. BSB BSB: And at the hour of the incense offering, the whole congregation was praying outside.
11 ULB Ary nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy ary nitsangana teo ankavanan'ny alitara nisy ny emboka manitra. BSB BSB: Just then an angel of the Lord appeared to Zechariah, standing at the right side of the altar of incense.
12 ULB Rehefa nahita azy i Zakaria, dia raiki-tahotra ary heniky ny tahotra izy. BSB BSB: When Zechariah saw him, he was startled and gripped with fear.
13 ULB Fa hoy ny anjely taminy: "Aza matahotra, ry Zakaria, efa nohenoina ny vavakao. Hitoe-jaza lahy aminao Elizabeta vadinao. Jaona no ho ataonareo anarany. BSB BSB: But the angel said to him, “Do not be afraid, Zechariah, because your prayer has been heard. Your wife Elizabeth will bear you a son, and you are to give him the name John.
14 ULB Hanam-pifaliana sy haravoana ianao, ary maro koa no ho faly amin'ny fahaterahany. BSB BSB: He will be a joy and delight to you, and many will rejoice at his birth,
15 ULB Satria ho lehibe izy eo imaso'ny Tompo. Tsy hisotro divay na zava-pisotro mahery mihitsy izy, ary ho feno ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny izy. BSB BSB: for he will be great in the sight of the Lord. He shall never take wine or strong drink, and he will be filled with the Holy Spirit even from his mother’s womb.
16 ULB Maro amin'ny vahoakan'Israely no hitodika amin'ny Tompo Andriamanitr'izy ireo. BSB BSB: Many of the sons of Israel he will turn back to the Lord their God.
18 ULB Ary Zakaria niteny tamin'ilay anjely hoe: "Ahoana no ahalalako izany? Fa izaho efa anti-dahy ary ny vadiko dia tena efa antitra." BSB BSB: “How can I be sure of this?” Zechariah asked the angel. “I am an old man, and my wife is well along in years.”
19 ULB Ary hoy ny anjely namaly sy niteny taminy: "Izaho no Gabriela, ilay mitsangana eo anatrehan'Andriamanitra. Ary voairaka aho mba hilaza aminao, hitondra izao vaovao tsara izao aminao. BSB BSB: “I am Gabriel,” replied the angel. “I stand in the presence of God, and I have been sent to speak to you and to bring you this good news.
20 ULB Koa indro! Ho moana ianao, ka tsy afaka hiteny, mandra-piavin'ny andro hisehoan'ireo zavatra ireo. Satria tsy nino ny teniko ianao, izay ho tanteraka amin'ny fotoana voafaritra." BSB BSB: And now you will be silent and unable to speak until the day this comes to pass, because you did not believe my words, which will be fulfilled at their proper time.”
21 ULB Ary ny vahoaka sasa-niandry an'i Zakaria. Gaga nohon'ny fijanonany maharitra tao an-tempoly izy ireo. BSB BSB: Meanwhile, the people were waiting for Zechariah and wondering why he took so long in the temple.
22 ULB Fa rehefa nivoaka izy, dia tsy afaka niresaka tamin'izy ireo. Ary fantatr'ireo fa nahita fahitana izy tamin'ny tao an-tempoly. Nanao baiko moana tamin'ireo izy ary nijanona ho moana. BSB BSB: When he came out and was unable to speak to them, they realized he had seen a vision in the temple. He kept making signs to them but remained unable to speak.
23 ULB Ary rehefa tonga ny andro ahataperan'ny fanompoany, dia lasa nody tany an-tranony izy. BSB BSB: And when the days of his service were complete, he returned home.
24 ULB Taorinan'ireo andro ireo, dia nitoe-jaza Elizabeta ary niafina nandritry ny dimy volana. Hoy izy hoe: BSB BSB: After these days, his wife Elizabeth became pregnant and for five months remained in seclusion. She declared,
25 ULB "Izao no nataon'ny Tompo ho ahy rehefa nitsinjo ahy Izy mba hanala ny henatro eo anatrehan'ny olona." BSB BSB: “The Lord has done this for me. In these days He has shown me favor and taken away my disgrace among the people.”
27 ULB ho any amina virjiny iray izay fofom-badina lehilahy antsoina hoe Josefa. Anisan'ny taranak'i Davida izy, ary ny anaran'ilay virjiny dia Maria. BSB BSB: to a virgin pledged in marriage to a man named Joseph, who was of the house of David. And the virgin’s name was Mary.
28 ULB Nankeo aminy izy ary niteny hoe: "Arahaba, ry ilay nohasoavina indrindra! Ny Tompo ho ao aminao." BSB BSB: The angel appeared to her and said, “Greetings, you who are highly favored! The Lord is with you.”
29 ULB Fa tena very hevitra tamin'ny teniny izy nanotany tena hoe karazana fiarahabana toy ny inona izany. BSB BSB: Mary was greatly troubled at his words and wondered what kind of greeting this might be.
30 ULB Hoy ny anjely taminy: "Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita sitraka tamin'Andriamanitra ianao. BSB BSB: So the angel told her, “Do not be afraid, Mary, for you have found favor with God.
31 ULB Indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy. Ary ny anarany ho antsoinao hoe 'Jesosy.' BSB BSB: Behold, you will conceive and give birth to a son, and you are to give Him the name Jesus.
32 ULB Ho lehibe Izy ary ho antsoina hoe Zanaky ny Avo Indrindra. Ny Tompo Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan'i Davida razambeny. BSB BSB: He will be great and will be called the Son of the Most High. The Lord God will give Him the throne of His father David,
33 ULB Ary hanjaka mandrakizay amin'ny taranak'i Jakoba izy, ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany." BSB BSB: and He will reign over the house of Jacob forever. His kingdom will never end!”
35 ULB Ny anjely namaly sy niteny taminy hoe: "Hirotsaka aminao ny Fanahy Masina, ary ny herin'ny Avo Indrindra no ho avy aminao. Ka ilay masina ho teraka dia ho antsoina hoe Zanak'Andriamanitra. BSB BSB: The angel replied, “The Holy Spirit will come upon you, and the power of the Most High will overshadow you. So the Holy One to be born will be called the Son of God.
36 ULB Indro, Elizabeta havanao dia nitoe-jaza lahy ihany koa na dia tamin'ny fahanterany aza. Efa faha enim-bolana ny azy izao, izy ilay nantsoina hoe momba. BSB BSB: Look, even Elizabeth your relative has conceived a son in her old age, and she who was called barren is in her sixth month.
37 ULB Satria tsy misy zavatra tsy ho azo tanterahana amin'Andriamanitra." BSB BSB: For no word from God will ever fail.”
39 ULB Ary tamin'izany andro izany i Maria dia niainga ka nandeha faingana nankany amin'ny tany avo, any amin'ny tanànan'i Jodia. BSB BSB: In those days Mary got ready and hurried to a town in the hill country of Judah,
40 ULB Nankany amin'ny tranon'i Zakaria izy ary niarahaba an'i Elizabeta. BSB BSB: where she entered the home of Zechariah and greeted Elizabeth.
41 ULB Ary nony naheno ny fiarahaban'i Maria i Elizabeta, dia nibitaka ny zaza tao an-kibony, ary feno ny Fanahy Masina Elizabeta. BSB BSB: When Elizabeth heard Mary’s greeting, the baby leaped in her womb, and Elizabeth was filled with the Holy Spirit.
42 ULB Nanandram-peo sy niteny mafy izy hoe: "Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao, ary nosoavina ny nateraky ny kibonao. BSB BSB: In a loud voice she exclaimed, “Blessed are you among women, and blessed is the fruit of your womb!
43 ULB Nahoana izany no mitranga amiko fa ilay renin'ny Tompoko no tonga hanatona ahy? BSB BSB: And why am I so honored, that the mother of my Lord should come to me?
44 ULB Fa indro, rehefa tonga teo an-tsofiko ny fiarahabanao, dia nientan-kafaliana ny zaza ato an-kiboko. BSB BSB: For as soon as the sound of your greeting reached my ears, the baby in my womb leaped for joy.
45 ULB Sambatra izy izay nino fa ho tanteraka ireo zavatra izay nolazain'ny Tompo taminy." BSB BSB: Blessed is she who has believed that the Lord’s word to her will be fulfilled.”
47 ULB ary ny fanahiko nifaly tao amin'Andriamanitra mpamonjiko. BSB BSB: and my spirit rejoices in God my Savior!
49 ULB Satria nanao zavatra lehibe tamiko ilay mahefa ny zavatra rehetra, ary masina ny anarany. BSB BSB: For the Mighty One has done great things for me. Holy is His name.
50 ULB Fa maharitra ho an'ny taranaka faramandimby izay matahotra Azy ny famindram-pony. BSB BSB: His mercy extends to those who fear Him, from generation to generation.
51 ULB Nampiseho ny heriny tamin'ny sandriny izy; ary nanaparitaka ireo izay nirehareha tamin'ny eritreritry ny fon'izy ireo. BSB BSB: He has performed mighty deeds with His arm; He has scattered those who are proud in the thoughts of their hearts.
52 ULB Naongany tamin'ny seza fiandrianany ny zanaka lahin'ny mpanjaka ary ireo ambany nasandrany. BSB BSB: He has brought down rulers from their thrones, but has exalted the humble.
53 ULB Nataony voky zava-tsoa ireo noana, fa ny mpanan-karena nampodiany tsy nanana na inona na inona. BSB BSB: He has filled the hungry with good things, but has sent the rich away empty.
54 ULB Nanome fanampiana an'Israely mpanompony Izy, mba hahatsiarovany haneho famindram-po BSB BSB: He has helped His servant Israel, remembering to be merciful,
55 ULB (araka ny nolazainy tamin'ireo raintsika) tamin'i Abrahama sy ny taranany mandrakizay." BSB BSB: as He promised to our fathers, to Abraham and his descendants forever.”
56 ULB Nijanona nitoetra tao amin'i Elizabeta tokony ho telo volana i Maria ary avy eo niverina nody tany an-tranony. BSB BSB: Mary stayed with Elizabeth for about three months and then returned home.
57 ULB Ary tonga ny fotoana hiterahan'i Elizabeta ny zanany ary niteraka zazalahy izy. BSB BSB: When the time came for Elizabeth to have her child, she gave birth to a son.
58 ULB Naheno ny famindram-po lehibe nataon'ny Tompo taminy ireo mpiara-monina aminy sy ireo havany, ary niara-paly taminy izy ireo. BSB BSB: Her neighbors and relatives heard that the Lord had shown her great mercy, and they rejoiced with her.
59 ULB Ary tamin'ny andro fahavalo dia tonga hamora ny zaza izy ireo. Saika ho antsoin'izy ireo hoe "Zakaria," araka ny anaran-drainy izy. BSB BSB: On the eighth day, when they came to circumcise the child, they were going to name him after his father Zechariah.
60 ULB Fa ny reniny kosa namaly ary niteny hoe: "Tsia. Jaona no hiantsoana azy." BSB BSB: But his mother replied, “No! He shall be called John.”
61 ULB Ary hoy ireo taminy: "Tsy misy amin'ny havanao antsoina amin'izany anarana izany." BSB BSB: They said to her, “There is no one among your relatives who bears this name.”
62 ULB Nanao baiko moana tamin'ny rainy izy ireo ny amin'ny tiany ho atao anarany. BSB BSB: So they made signs to his father to find out what he wanted to name the child.
63 ULB Nangataka solaitra fanoratana ny rainy ary nanoratra hoe: "Jaona no anarany." Ary dia gaga tamin'izany izy rehetra. BSB BSB: Zechariah asked for a tablet and wrote, “His name is John.” And they were all amazed.
64 ULB Ary niaraka tamin'izay dia nisokatra ny vavany ary nafahana ny lelany. Niteny izy ary nidera an'Andriamanitra. BSB BSB: Immediately Zechariah’s mouth was opened and his tongue was released, and he began to speak, praising God.
65 ULB Tonga teo amin'ireo rehetra nanodidina azy ireo ny tahotra. Ary niely eraky ny tanàna avon'i Jodia ny zava-niseho rehetra teo. BSB BSB: All their neighbors were filled with awe, and people throughout the hill country of Judea were talking about these events.
66 ULB Ary ireo rehetra nandre ireo dia nandray ireny tao am-pony, ary nilaza hoe: "Ho lasa inona ary ity zaza ity?" Fa momba azy ny tanan'ny Tompo. BSB BSB: And all who heard this wondered in their hearts and asked, “What then will this child become?” For the Lord’s hand was with him.
67 ULB Ary feno ny Fanahy masina i Zakaria rainy ary naminany, ka nilaza hoe: BSB BSB: Then his father Zechariah was filled with the Holy Spirit and prophesied:
68 ULB "Deraina anie ny Tompo, Andriamanitr'Israely, fa tonga nanampy sy nanatanteraka ny fanafahana ho an'ny vahoakany Izy. BSB BSB: “Blessed be the Lord, the God of Israel, because He has visited and redeemed His people.
69 ULB Nanandratra avo ny tandrom-panavotana ho antsika ao an-tranon'i Davida mpanompony Izy, BSB BSB: He has raised up a horn of salvation for us in the house of His servant David,
70 ULB tahaka izay nolazainy tamin'ny vavan'ireo mpaminany masina tamin'ny andro taloha tany. BSB BSB: as He spoke through His holy prophets, those of ages past,
71 ULB Hitondra famonjena amin'ny fahavalontsika sy amin'ny tanan'ireo rehetra mankahala antsika Izy. BSB BSB: salvation from our enemies and from the hand of all who hate us,
72 ULB Izany no hataony dia ny mba hampisehoana ny famindram-po amin'ireo raintsika sy hampatsiahivana ny fanekem-pihavanany Masina, BSB BSB: to show mercy to our fathers and to remember His holy covenant,
73 ULB dia ilay fianianana nolazainy tamin'i Abrahama raintsika. BSB BSB: the oath He swore to our father Abraham, to grant us
74 ULB Nianiana ny hahazoantsika, rehefa afaka tamin'ny tanan'ny fahavalontsika, manompo Azy tsy amin-tahotra, BSB BSB: deliverance from hostile hands, that we may serve Him without fear,
75 ULB am-pahamasinana sy am-pahamarinana eo anatrehany amin'ny androntsika rehetra. BSB BSB: in holiness and righteousness before Him all the days of our lives.
76 ULB Eny, ary ianao, ry zaza, dia ho antsoina hoe mpaminanin'ny Avo Indrindra, fa handeha hialoha ny tavan'ny Tompo ianao ary hanamboatra ny lalany, mba hanomana ny olona ny amin'ny fiaviany, BSB BSB: And you, child, will be called a prophet of the Most High; for you will go on before the Lord to prepare the way for Him,
77 ULB mba hanome fahalalam-pamonjena ho an'ny olony amin'ny alalan'ny famelana ny helok'izy ireo. BSB BSB: to give to His people the knowledge of salvation through the forgiveness of their sins,
78 ULB Izany no hiseho dia nohon'ny famindram-po masin'ny Andriamanitsika, nohon'ny amin'izany no hiposahan'ny masoandro avy amin'ny avo mba ho avy hanampy antsika, BSB BSB: because of the tender mercy of our God, by which the Dawn will visit us from on high,
79 ULB hanazava an'ireo izay mipetraka ao anatin'ny haizina sy ireo ao anatin'ny aloky ny fahafatesana. Hataony izany mba hitarihana ny tongotsika amin'ny lalam-piadanana." BSB BSB: to shine on those who live in darkness and in the shadow of death, to guide our feet into the path of peace.”
80 ULB Ary ny zaza dia nitombo ary tonga nahery amin'ny fanahy, ary tany an'efitra izy mandra-piavin'ny andro hisehoany ankarihary amin'Israely. BSB BSB: And the child grew and became strong in spirit; and he lived in the wilderness until the time of his public appearance to Israel.