2 ULB Izany no fanisam-bahoaka natao voalohany tamin'i Kyrenio no mpanapaka tany Syria. BSB BSB: This was the first census to take place while Quirinius was governor of Syria.
3 ULB Noho izany ny olon-drehetra dia nankany amin'ny tanàna niaviny avy mba hisoratra anarana ho an'ny fanisam-bahoaka. BSB BSB: And everyone went to his own town to register.
5 ULB Nandeha tany izy mba hisoratra anarana niaraka tamin'i Maria, izay fofom-badiny ary nitoe-jaza. BSB BSB: He went there to register with Mary, who was pledged to him in marriage and was expecting a child.
6 ULB Ary raha mbola tany izy ireo, dia tonga ny fotoana hiterahany ny zanany. BSB BSB: While they were there, the time came for her Child to be born.
7 ULB Niteraka zaza lahy izy, zanany voalohany, ary izy nandrakotra lamban-jaza Azy sy nampandry Azy teo amin'ny fihinanam-bilona, satria tsy nisy toerana ho azy ireo tao amin'ny hotely. BSB BSB: And she gave birth to her firstborn, a Son. She wrapped Him in swaddling cloths and laid Him in a manger, because there was no room for them in the inn.
9 ULB Nisy anjelin' ny tompo niseho tamin'izy ireo, ary ny voninahitry ny Tompo namirapiratra manodidina azy, ary feno tahotra lehibe izy ireo. BSB BSB: Just then an angel of the Lord stood before them, and the glory of the Lord shone around them, and they were terrified.
10 ULB Dia niteny tamin'izy ireo ny anjely nanao hoe: "Aza matahotra, fa hitondra vaovao tsara izay hitondra hafaliana lehibe ho an'ny olona rehetra aho. BSB BSB: But the angel said to them, “Do not be afraid! For behold, I bring you good news of great joy that will be for all the people:
11 ULB Androany dia nisy mpanavotra izay teraka ho anareo any an-tanànan'i Davida! Izy no Kristy Tompo! BSB BSB: Today in the city of David a Savior has been born to you. He is Christ the Lord!
12 ULB Izao no famantarana izay homena anareo: Hahita zazakely mirakotra lamban-jaza ary mandry eo amin'ny fihinanam-bilona ianareo." BSB BSB: And this will be a sign to you: You will find a baby wrapped in swaddling cloths and lying in a manger.”
13 ULB Tampoka teo niaraka tamin'ilay anjely, dia nisy tafiky ny lanitra lehibe nidera an'Andriamanitra nanao hoe: BSB BSB: And suddenly there appeared with the angel a great multitude of the heavenly host, praising God and saying:
14 ULB "Voninahitra ho an'Andriamanitra any amin'ny avo indrindra, ary hisy fiadanana anie eto an-tany eo amin'ny olona izay ankasitrahany." BSB BSB: “Glory to God in the highest, and on earth peace to men on whom His favor rests!”
15 ULB Ary rehefa niala teo amin'izy ireo nankany an-danitra ireo anjely, ny mpiandry ondry nifampiteny hoe: "Andeha isika izao ho any Betlehema, ary hijery izany zava-nitranga izany, izay nampahafantarin'ny Tompo antsika izany." BSB BSB: When the angels had left them and gone into heaven, the shepherds said to one another, “Let us go to Bethlehem and see this thing that has happened, which the Lord has made known to us.”
16 ULB Nandeha faingana tany izy ireo ary nahita an'i Maria sy Josefa, ary nahita ny zazakely nandry teo amin'ny fihinanam-bilona. BSB BSB: So they hurried off and found Mary and Joseph and the Baby, who was lying in the manger.
17 ULB Taorian'ny nahitan' izy ireo Azy, dia nampahafantarin'izy ireo ny zavatra rehetra nolazaina azy ireo momba io zaza io. BSB BSB: After they had seen the Child, they spread the message they had received about Him.
18 ULB Izay rehetra nandre izany dia gaga ny amin'ny nolazain'ny mpiandry ondry tamin'izy ireo. BSB BSB: And all who heard it were amazed at what the shepherds said to them.
19 ULB Fa Maria kosa nanohy nieritreritra momba ny zavatra rehetra izay reny, ary nitahiry ireny tao am-pony. BSB BSB: But Mary treasured up all these things and pondered them in her heart.
20 ULB Niverina ireo mpiandry ondry, nanome voninahitra sy nankalaza an' Andriamanitra noho ny zavatra rehetra izay ren'izy ireo sy hitan'ireo, araka izay nolazaina tamin' izy ireo. BSB BSB: The shepherds returned, glorifying and praising God for all they had heard and seen, which was just as the angel had told them.
22 ULB Ary rehefa dila ny isan'ny andro notakiana hidiovany, araka ny lalàn'i Mosesy, dia nitondra Azy niakatra ho any an-tempoly tao Jerosalema i Maria sy Josefa mba hanolotra Azy eo amin'ny Tompo. BSB BSB: And when the time of purification according to the Law of Moses was complete, His parents brought Him to Jerusalem to present Him to the Lord
23 ULB Araka izay voasoratra ao amin'ny lalàn'ny Tompo hoe: "Ny lahy rehetra izay voaloha-teraka dia hatokana ho an'ny Tompo." BSB BSB: (as it is written in the Law of the Lord: “Every firstborn male shall be consecrated to the Lord”),
24 ULB Noho izany dia nanolotra sorona araka izay voalaza ao amin' ny lalàn'ny Tompo izy ireo, "domohina roa na zanaka voromailala roa." BSB BSB: and to offer the sacrifice specified in the Law of the Lord: “A pair of turtledoves or two young pigeons.”
25 ULB Ary indro, nisy lehilahy tany Jerosalema, Simona no anarany, ary izany lehilahy izany dia marina sy mafana fo. Nitady ny fampiononana an'Israely izy, ary tao aminy ny Fanahy Masina. BSB BSB: Now there was a man in Jerusalem named Simeon, who was righteous and devout. He was waiting for the consolation of Israel, and the Holy Spirit was upon him.
26 ULB Nambaran'ny Fanahy Masina taminy fa tsy hahita fahafatesana mialohan'ny ahitany ny Kristin'ny Tompo izy. BSB BSB: The Holy Spirit had revealed to him that he would not see death before he had seen the Lord’s Christ.
27 ULB Notarihin' ny Fanahy, nankany an-tempoly Simona. Rehefa nitondra an'i Jesosy zazakely niditra ny ray aman-dreniny, mba hanao Azy araka ny fomba ao amin'ny lalàna, BSB BSB: Led by the Spirit, he went into the temple courts. And when the parents brought in the child Jesus to do for Him what was customary under the Law,
28 ULB dia noraisiny ho eny an-tsandriny Izy sady nidera an' Andriamanitra ary nanao hoe: BSB BSB: Simeon took Him in his arms and blessed God, saying:
29 ULB "Ankehitriny avelao andeha am-piadanana ny mpanomponao, ry Tompo, araka ny teninao. BSB BSB: “Sovereign Lord, as You have promised, You now dismiss Your servant in peace.
30 ULB Fa ny masoko nahita ny famonjenao, BSB BSB: For my eyes have seen Your salvation,
31 ULB izay nomaninao teo amin'ny fanatrehan'ny olona rehetra: BSB BSB: which You have prepared in the sight of all people,
32 ULB Dia fahazavana ho fanambarana ho an'ny Jentilisa ary voninahitra ho an'Israely olonao." BSB BSB: a light for revelation to the Gentiles, and for glory to Your people Israel.”
33 ULB Ny ray sy renin' ilay zaza dia talanjona tamin' ny zavatra nolazaina mahakasika Azy. BSB BSB: The Child’s father and mother were amazed at what was spoken about Him.
34 ULB Nitso-drano azy ireo Simona ary niteny tamin' i Maria reniny hoe: "Indro, ity zaza ity dia voatendry ho amin'ny fandavoana sy fanandratana ny olon'Israely maro ary ho famantarana izay nolavina- BSB BSB: Then Simeon blessed them and said to His mother Mary: “Behold, this Child is appointed to cause the rise and fall of many in Israel, and to be a sign that will be spoken against,
35 ULB ary hisy sabatra handoaka ny fanahinao- mba ho voambara ny hevitry ny fo maro." BSB BSB: so that the thoughts of many hearts will be revealed—and a sword will pierce your soul as well.”
36 ULB Nisy mpaminany vavy iray antsoina hoe Ana teo. Zanakavavin'i Fanoela avy amin'ny foko Asera izy. Tena antitra izy. Nipetraka niaraka tamin' ny vadiny fito taona taorian'ny nahavirijiny azy izy, BSB BSB: There was also a prophetess named Anna, the daughter of Phanuel, of the tribe of Asher, who was well along in years. She had been married for seven years,
37 ULB ary mpitondra tena nandritry ny efatra amby valopolo taona. Tsy nandao ny tempoly mihitsy izy fa nanompo tamin'ny fifadian-kanina sy vavaka, andro aman'alina. BSB BSB: and then was a widow to the age of eighty-four. She never left the temple, but worshiped night and day, fasting and praying.
38 ULB Tamin' izany ora izany indrindra dia nanatona akaiky azy ireo izy ary nanomboka nanome fisaorana an'Andriamanitra sy nilaza ny momban'ilay zaza tamin'ny olona rehetra izay niandry ny fanavotana an'i Jerosalema. BSB BSB: Coming forward at that moment, she gave thanks to God and spoke about the Child to all who were waiting for the redemption of Jerusalem.
40 ULB Nihalehibe ny zaza ary nihanatanjaka, nitombo fahendrena, ary ny fahasoavan'Andriamanitra dia tao aminy. BSB BSB: And the Child grew and became strong. He was filled with wisdom, and the grace of God was upon Him.
42 ULB Rehefa roa ambin'ny folo taona Izy, dia nandeha nankany araka ny fomba fanao amin'ny fety indray izy ireo. BSB BSB: And when He was twelve years old, they went up according to the custom of the Feast.
43 ULB Ary rehefa avy nitoetra tany nandritry ny andron'ny fety manontolo izy ireo, dia nanomboka niverina nody izy ireo. Fa Jesosy zazalahy nijanona tany Jerosalema nefa tsy fantatry ny ray aman-dreniny izany. BSB BSB: When those days were over and they were returning home, the boy Jesus remained behind in Jerusalem, but His parents were unaware He had stayed.
44 ULB Nataon'izy ireo fa niaraka tamin'ny olona niara-dia tamin'izy ireo Izy, dia nandeha nandritry ny andro iray manontolo izy ireo. Ary avy eo dia nanomboka nitady Azy tany amin'ireo havany sy ireo namany izy ireo. BSB BSB: Assuming He was in their company, they traveled on for a day before they began to look for Him among their relatives and friends.
45 ULB Rehefa tsy hitan'izy ireo Izy, dia niverina tany Jerosalema izy ireo ka nanomboka nitady Azy tany. BSB BSB: When they could not find Him, they returned to Jerusalem to search for Him.
46 ULB Nony afaka telo andro, dia hitan'izy ireo tao an-tempoly Izy, nipetraka teo afovoan'ireo mpampianatra, nihaino azy ireo sy nametraka fanontaniana tamin'izy ireo. BSB BSB: Finally, after three days they found Him in the temple courts, sitting among the teachers, listening to them and asking them questions.
47 ULB Izay rehetra naheno Azy dia gaga tamin' ny fahalalany sy ireo valinteniny. BSB BSB: And all who heard Him were astounded at His understanding and His answers.
48 ULB Rehefa nahita Azy izy ireo, dia talanjona. Ny reniny niteny taminy hoe: "Anaka, nahoana ianao no nanao toa izao anay? Henoy, izaho sy ny rainao nitady anao tamin-tebiteby." BSB BSB: When His parents saw Him, they were astonished. “Child, why have You done this to us?” His mother asked. “Your father and I have been anxiously searching for You.”
49 ULB Izy niteny tamin' izy ireo hoe: "Nahoana ianareo no nitady Ahy? Tsy fantatrareo ve fa tsy maintsy ho ao an-tranon'ny Raiko Aho?" BSB BSB: “Why were you looking for Me?” He asked. “Did you not know that I had to be in My Father’s house?”
50 ULB Fa tsy azon'izy ireo izay tiany holazaina tamin' izany teny izany. BSB BSB: But they did not understand the statement He was making to them.
52 ULB Fa Jesosy niha-nitombo fahendrena sy nitombo tena, ary nitombo fitia tamin'Andriamanitra sy ny olona. BSB BSB: And Jesus grew in wisdom and stature, and in favor with God and man.