2 ULB Vao maraim-be tamin'ny andro voalohan'ny herinandro, dia nankeny amin'ny fasana izy ireo rehefa niposaka ny masoandro. BSB BSB: Very early on the first day of the week, just after sunrise, they went to the tomb.
3 ULB Dia nifampiteny izy ireo hoe: "Iza no hanakodia ny vato eo amin'ny varavaram-pasana ho antsika?" BSB BSB: They were asking one another, “Who will roll away the stone from the entrance of the tomb?”
4 ULB Rehefa nitraka izy ireo, dia hitany fa efa voakodia niala ilay vato, izay tena lehibe tokoa. BSB BSB: But when they looked up, they saw that the stone had been rolled away, even though it was extremely large.
5 ULB Niditra tao am-pasana izy ireo dia nahita zatovolahy niakanjo fotsy, nipetraka teo ankavanana, ary dia gaga izy ireo. BSB BSB: When they entered the tomb, they saw a young man dressed in a white robe sitting on the right side, and they were alarmed.
6 ULB Dia hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Aza matahotra. Mitady an'i Jesosy ianareo, ilay Nazarena, izay nombohana. Nitsangana Izy! Tsy eto Izy. Jereo ny toerana izay nametrahan'izy ireo Azy. BSB BSB: But he said to them, “Do not be alarmed. You are looking for Jesus the Nazarene, who was crucified. He has risen! He is not here! See the place where they put Him.
7 ULB Fa mandehana, lazao ireo mpianany sy Petera fa hialoha lalana anareo any Galilia Izy. Any no hahitanareo Azy, araka izay nolazainy taminareo." BSB BSB: But go, tell His disciples and Peter, ‘He is going ahead of you into Galilee. There you will see Him, just as He told you.’”
8 ULB Nivoaka izy ireo ka nihazakazaka niala ny fasana; nangovitra sy talanjona izy ireo. Tsy nilaza na inona na inona tamin'ny olona izy ireo satria tena natahotra mafy. BSB BSB: So the women left the tomb and ran away, trembling and bewildered. And in their fear they did not say a word to anyone.
10 ULB Dia lasa Maria ary nilaza ny vaovao tamin'ireo niaraka tamin'i Jesosy, raha mbola nisaona sy nitomany izy ireo. BSB BSB: She went and told those who had been with Him, who were mourning and weeping.
11 ULB Ren'izy ireo fa velona Izy ary nahita Azy izy, saingy tsy nino izy ireo. BSB BSB: And when they heard that Jesus was alive and she had seen Him, they did not believe it.
12 ULB Taorian'ireo zavatra ireo Jesosy dia niseho tamin'ny endrika hafa tamin'ny roa tamin'izy ireo, raha nandeha ho any an-tanàna izy ireo. BSB BSB: After this, Jesus appeared in a different form to two of them as they walked along in the country.
13 ULB Dia lasa izy ireo ary nilaza tamin'ireo mpianatra sisa, saingy tsy nino izy ireo. BSB BSB: And they went back and reported it to the rest, but they did not believe them either.
14 ULB Taoriana kely dia niseho tamin'ny iraika ambiny folo lahy Jesosy raha mbola teo am-pisakafoana izy ireo, ary niteny mafy azy ireo Izy nohon'ny tsy finoana sy hamafin'ny fon'izy ireo, satria tsy nino ireo izay nahita Azy taorian'ny nitsangany tamin'ny maty izy ireo. BSB BSB: Later, as they were eating, Jesus appeared to the Eleven and rebuked them for their unbelief and hardness of heart, because they did not believe those who had seen Him after He had risen.
15 ULB Ary hoy Izy tamin'ireo hoe: "Mandehana any amin'izao tontolo izao, ary torio amin'ny olona rehetra ny Filazantsara. BSB BSB: And He said to them, “Go into all the world and preach the gospel to every creature.
16 ULB Izay mino sy atao batisa no ho vonjena, ary izay tsy mino kosa dia ho helohina. BSB BSB: Whoever believes and is baptized will be saved, but whoever does not believe will be condemned.
17 ULB Ireto famantarana ireto dia hanaraka ireo izay mino: Amin'ny anarako no hamoahan'izy ireo demonia. Hiteny amin'ny fiteny vaovao izy ireo. BSB BSB: And these signs will accompany those who believe: In My name they will drive out demons; they will speak in new tongues;
18 ULB Handray menarana amin'ny tanana izy ireo, ary raha misotro zava-mahafaty izy ireo, dia tsy hampaninona azy ireo izany. Hametra-tanana amin'ny marary izy ireo, dia ho sitrana ireny." BSB BSB: they will pick up snakes with their hands, and if they drink any deadly poison, it will not harm them; they will lay their hands on the sick, and they will be made well.”
19 ULB Rehefa avy niresaka tamin'izy ireo ny Tompo, dia nampiakarina ho any an-danitra Izy ary nipetraka eo an-tanana ankavanan' Andriamanitra. BSB BSB: After the Lord Jesus had spoken to them, He was taken up into heaven and sat down at the right hand of God.
20 ULB Dia lasa ireo mpianatra nitory teny rehetra teny, ary ny Tompo niara-niasa tamin'izy ireo ary nanamafy ny teny tamin'ny alalan'ny famantarana izay niaraka tamin'izy ireo. BSB BSB: And they went out and preached everywhere, and the Lord worked through them, confirming His word by the signs that accompanied it.