1 ULB Ary taorian'ireny zavatra ireny, dia nifidy fitopolo lahy hafa ny Tompo, ary nandefa azy ireny tsiroaroa nialoha Azy tany amin'ny tanàna rehetra sy toerana izay efa halehany. BSB BSB: After this, the Lord appointed seventy-two others and sent them two by two ahead of Him to every town and place He was about to visit.
2 ULB Hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Be ny vokatra, fa vitsy ny mpiasa. Noho izany hangataho ny Tompon'ny vokatra mba handefa mpiasa mba ho eny amin'ny vokatra. BSB BSB: And He told them, “The harvest is plentiful, but the workers are few. Ask the Lord of the harvest, therefore, to send out workers into His harvest.
3 ULB Mandehana amin'ny lalanareo. Jereo, alefako tahaka ny zanak'ondry eo afovoan'ny ambodia ianareo. BSB BSB: Go! I am sending you out like lambs among wolves.
4 ULB Aza mitondra fitoeram-bola, na fitoeran'entana, na kapa, ary aza miarahaba na iza na iza eny an-dalana. BSB BSB: Carry no purse or bag or sandals. Do not greet anyone along the road.
5 ULB Izay trano hidiranareo, lazao aloha hoe: 'Fiadanana anie ho amin'ity trano ity!' BSB BSB: Whatever house you enter, begin by saying, ‘Peace to this house.’
7 ULB Mitoera ao amin'io trano io ihany, mihinana sy misotro izay omen'izy ireo, fa ny mpiasa dia mendrika ny karamany. Aza mifindrafindra trano. BSB BSB: Stay at the same house, eating and drinking whatever you are offered. For the worker is worthy of his wages. Do not move around from house to house.
8 ULB Fa amin'izay tanàna idiranareo, ka mandray anareo, hano izay aroso eo anoloanareo, BSB BSB: If you enter a town and they welcome you, eat whatever is set before you.
9 ULB ary sitrano ny marary izay ao. Lazao izy ireo hoe: 'Efa manakaiky anareo ny fanjakan'Andriamanitra.' BSB BSB: Heal the sick who are there and tell them, ‘The kingdom of God is near you.’
10 ULB Na oviana na oviana ianareo no miditra tanàna ka tsy mandray anareo izy ireo, dia mivoaha eny an-dalana ary lazao hoe: BSB BSB: But if you enter a town and they do not welcome you, go into the streets and declare,
11 ULB 'Fa na dia ny vovoky ny tanànanareo izay miraikitra amin'ny tongotray aza dia ho fafanay hanohitra anareo! Fantaro anefa izao: Efa manakaiky ny fanjakan'Andriamanitra.' BSB BSB: ‘Even the dust of your town that clings to our feet, we wipe off as a testimony against you. Yet be sure of this: The kingdom of God is near.’
12 ULB Lazaiko aminareo fa amin'ny andron'ny fitsarana dia ho azo leferina kokoa ny an'i Sodoma noho ny an'izany tanàna izany. BSB BSB: I tell you, it will be more bearable on that day for Sodom than for that town.
13 ULB Loza ho anao, ry Korazina! Loza ho anao, ry Betsaida! Fa raha ny asa lehibe izay natao tao aminao no natao tany Tyro sy Sidona, dia efa ela izy ireo no nibebaka, nipetraka tamin'ny lamba fisaonana sy lavenona. BSB BSB: Woe to you, Chorazin! Woe to you, Bethsaida! For if the miracles that were performed in you had been performed in Tyre and Sidon, they would have repented long ago, sitting in sackcloth and ashes.
14 ULB Fa ho azo leferina kokoa ny an'i Tyro sy Sidona amin'ny fitsarana noho ny aminareo. BSB BSB: But it will be more bearable for Tyre and Sidon at the judgment than for you.
15 ULB Ianao, ry Kapernaomy, mieritreritra ve ianao fa ho hasandratra any an-danitra? Tsia, ho entina midina any amin'ny Hadesy ianao. BSB BSB: And you, Capernaum, will you be lifted up to heaven? No, you will be brought down to Hades!
16 ULB Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy, ary izay mandà anareo dia mandà Ahy, ary izay mandà Ahy dia mandà ilay naniraka Ahy." BSB BSB: Whoever listens to you listens to Me; whoever rejects you rejects Me; and whoever rejects Me rejects the One who sent Me.”
17 ULB Niverina am-pifaliana ireo fito-polo, ka nilaza hoe: "Tompo, na dia ny demonia aza dia nanaiky anay tamin'ny anaranao." BSB BSB: The seventy-two returned with joy and said, “Lord, even the demons submit to us in Your name.”
18 ULB Jesosy niteny tamin'izy ireo hoe: "Nijery an'i Satana nilatsaka avy any an-danitra toy ny tselatra Aho." BSB BSB: So He told them, “I saw Satan fall like lightning from heaven.
19 ULB Jereo, fa efa nomeko anareo ny fahefana hanitsaka ny menarana, ny maingoka, ary ambonin'ny hery rehetran'ny fahavalo, ary na inona na inona dia tsy hisy handratra anareo amin'ny fomba rehetra. BSB BSB: Behold, I have given you authority to tread on snakes and scorpions, and over all the power of the enemy. Nothing will harm you.
20 ULB Na dia izany aza dia aza mifaly fotsiny amin'izany, hoa nanaiky anareo ny fanahy, fa mifalia kokoa hoe voasoratra any an-danitra ny anaranareo." BSB BSB: Nevertheless, do not rejoice that the spirits submit to you, but rejoice that your names are written in heaven.”
21 ULB Tamin'io fotoana io ihany dia nifaly tokoa tao amin'ny Fanahy Masina izy, ary niteny hoe: "Midera Anao Aho, ry Ray, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa efa nafeninao ireny zavatra ireny tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina, ary nambara tamin'ireo tsy manam-pahalalana, toy ny zaza madinika. Eny, Raiko, fa izany no ankasitrahana tsara eo imasonao." BSB BSB: At that time Jesus rejoiced in the Holy Spirit and declared, “I praise You, Father, Lord of heaven and earth, because You have hidden these things from the wise and learned, and revealed them to little children. Yes, Father, for this was well-pleasing in Your sight.
22 ULB Ny zava-drehetra dia nankinin'ny Ray tamiko, ary tsy misy mahalala hoe iza ny Zanaka afa-tsy ny Ray, ary tsy misy mahalala hoe iza ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay nosafidian'ny Zanaka haseho Azy." BSB BSB: All things have been entrusted to Me by My Father. No one knows who the Son is except the Father, and no one knows who the Father is except the Son and those to whom the Son chooses to reveal Him.”
23 ULB Avy eo dia niodina teo amin'ireo mpianatra Izy ka nilaza mangingina hoe: "Sambatra izay mahita ireo zavatra izay hitanareo. BSB BSB: Then Jesus turned to the disciples and said privately, “Blessed are the eyes that see what you see.
24 ULB Lazaiko aminareo, mpaminany sy mpanjaka maro no naniry ahita izay zavatra hitanareo, fa tsy hitan'izy ireo izany, ary aheno ireo zavatra renareo, fa tsy ren'izy ireo izany." BSB BSB: For I tell you that many prophets and kings desired to see what you see but did not see it, and to hear what you hear but did not hear it.”
25 ULB Indro, nisy mpampianatra ny lalàn'ny Jiosy iray nitsangana mba hitsapa Azy, ka nilaza hoe: "Mpampianatra o, inona no tsy maintsy hataoko mba handova ny fiainana mandrakizay?" BSB BSB: One day an expert in the law stood up to test Him. “Teacher,” he asked, “what must I do to inherit eternal life?”
26 ULB Jesosy niteny taminy hoe: "Inona no voasoratra ao amin'ny lalàna? Ahoana no famakianao izany?" BSB BSB: “What is written in the Law?” Jesus replied. “How do you read it?”
27 ULB Nanome valinteny izy dia niteny hoe: "Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, amin'ny fanahinao rehetra, amin'ny herinao rehetra, ary amin'ny fisainanao rehetra, ary ny namanao tahaka ny tenanao." BSB BSB: He answered, “‘Love the Lord your God with all your heart and with all your soul and with all your strength and with all your mind’ and ‘Love your neighbor as yourself.’”
28 ULB Jesosy niteny taminy hoe: "Marina ny navalinao. Ataovy izany, dia ho velona ianao." BSB BSB: “You have answered correctly,” Jesus said. “Do this and you will live.”
29 ULB Fa ilay mpampianatra, naniry hanamarina ny tenany, dia niteny tamin'i Jesosy hoe: "Iza no namako?" BSB BSB: But wanting to justify himself, he asked Jesus, “And who is my neighbor?”
30 ULB Namaly azy Jesosy ka niteny hoe: "Nisy lehilahy iray nidina avy any Jerosalema ho any Jeriko. Izy dia azon'ireo mpandroba, izay nanendaka ireo fananana rehetra teny aminy, sy nikapoka azy, ary namela azy efa ho faty. BSB BSB: Jesus took up this question and said, “A man was going down from Jerusalem to Jericho when he fell into the hands of robbers. They stripped him, beat him, and went away, leaving him half dead.
31 ULB Ary sendra nisy mpisorona nandalo tamin'izany lalana izany, ary nony nahita azy izy, dia nandeha teny am-pita. BSB BSB: Now by chance a priest was going down the same road, but when he saw him, he passed by on the other side.
32 ULB Toy izany koa ny Levita anankiray, rehefa nandalo tamin'ilay toerana ka nahita azy, dia nandeha teny am-pita. BSB BSB: So too, when a Levite came to that spot and saw him, he passed by on the other side.
33 ULB Fa nisy Samaritana anankiray, rehefa nandeha tamin'ny nalehany izy, dia tonga teo amin'ny nisy azy. Rehefa nahita azy izy, dia nitsetra azy. BSB BSB: But a Samaritan on a journey came upon him, and when he saw him, he had compassion.
34 ULB Dia nanatona azy izy ka namehy ny ratrany, ary nandraraka menaka sy divay tamin'izany. Nampitaingenany ny bibiny izy, ka nentiny tany amin'ny tranom-bahiny, ary nokarakarainy. BSB BSB: He went to him and bandaged his wounds, pouring on oil and wine. Then he put him on his own animal, brought him to an inn, and took care of him.
35 ULB Ny ampitso dia naka denaria roa izy, ary nanolotra izany tamin'ny mpampiantrano, ary nanao hoe: 'Karakarao izy, ary na ohatrinona na ohatrinona laninao mihoatra, rehefa miverina aho, dia ho efaiko.' BSB BSB: The next day he took out two denarii and gave them to the innkeeper. ‘Take care of him,’ he said, ‘and on my return I will repay you for any additional expense.’
36 ULB Iza amin'izy telo ireo, araka ny eritreritrao, no naman'ilay azon'ny mpandroba?" BSB BSB: Which of these three do you think was a neighbor to the man who fell into the hands of robbers?”
37 ULB Namaly ilay mpampianatra hoe: "Ilay iray izay naneho fiantrana azy." Jesosy niteny taminy hoe: "Mandehana ary manaova toy izany koa." BSB BSB: “The one who showed him mercy,” replied the expert in the law. Then Jesus told him, “Go and do likewise.”
39 ULB Nanana rahavavy atao hoe Maria izy, izay nipetraka teo an-tongotry ny Tompo ary nandre ny teniny. BSB BSB: She had a sister named Mary, who sat at the Lord’s feet listening to His message.
40 ULB Fa Marta sahirana be tamin'ny fikarakarana ny sakafo ho aroso. Nankeo amin'i Jesosy izy, dia nanao hoe: "Tompo, tsy mampaninona Anao ve ny namelan'ny rahavaviko ahy hanompo irery? Koa teneno izy mba hanampy ahy." BSB BSB: But Martha was distracted by all the preparations to be made. She came to Jesus and said, “Lord, do You not care that my sister has left me to serve alone? Tell her to help me!”
41 ULB Fa namaly ny Tompo ka nanao taminy hoe: "Marta, Marta, manahy amin'ny zavatra maro be ianao, BSB BSB: “Martha, Martha,” the Lord replied, “you are worried and upset about many things.
42 ULB kanefa zavatra iray ihany no tena ilaina. Maria dia efa nifidy izay tsara indrindra, izay tsy ho esorina aminy." BSB BSB: But only one thing is necessary. Mary has chosen the good portion, and it will not be taken away from her.”