1 ULB Dia izao no nitranga rehefa nivavaka tao amin' ny toerana iray Jesosy, nisy iray tamin'ireo mpianany niteny taminy hoe: "Tompo, mba hampianaro mivavaka izahay toy ny nampianaran'i Jaona ireo mpianany." BSB BSB: One day in a place where Jesus had just finished praying, one of His disciples requested, “Lord, teach us to pray, just as John taught his disciples.”
2 ULB Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Rehefa mivavaka ianareo dia teneno hoe: 'Ray o, ho hamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. BSB BSB: So Jesus told them, “When you pray, say: ‘Father, hallowed be Your name. Your kingdom come.
3 ULB Omeo anay ny haninay isan'andro. BSB BSB: Give us each day our daily bread.
4 ULB Avelao ny fahotanay, tahaka ny namelanay izay meloka taminay. Aza mitondra anay ho any amin' ny fakam-panahy."' BSB BSB: And forgive us our sins, for we also forgive everyone who sins against us. And lead us not into temptation.’”
5 ULB Jesosy niteny tamin'izy ireo hoe: "Iza aminareo no hanana namana, ary handeha ho any aminy amin'ny misasakalina, ary hanao aminy hoe: 'Ry namana, mba ampidramo mofo telo aho, BSB BSB: Then Jesus said to them, “Suppose one of you goes to his friend at midnight and says, ‘Friend, lend me three loaves of bread,
6 ULB fa misy namako iray vao tonga avy lavitra, ary tsy manana na inona na inona haroso azy aho.' BSB BSB: because a friend of mine has come to me on a journey, and I have nothing to set before him.’
7 ULB Ary mety hamaly azy ny iray tao an-trano ka hanao hoe: 'Aza manelingelina ahy.' Efa mihidy ny varavarana, ary ny zanako, efa eo ampandrina, miaraka amiko. Tsy afaka mitsangana aho hanome mofo anao.' BSB BSB: And suppose the one inside answers, ‘Do not bother me. My door is already shut, and my children and I are in bed. I cannot get up to give you anything.’
8 ULB Milaza aminareo Aho, fa na dia tsy mitsangana sy manome mofo anareo aza izy satria namany ianareo, dia nohon'ny fikirizanareo tsy misy henatra, dia hitsangana izy ary hanome anareo ny mofo rehetra izay ilainareo. BSB BSB: I tell you, even though he will not get up to provide for him because of his friendship, yet because of the man’s persistence, he will get up and give him as much as he needs.
9 ULB Mbola milaza aminareo koa aho, Mangataha, dia homena anareo izany; mitadiava, dia hahita ianareo; dondomy, dia ho vohana ianareo. BSB BSB: So I tell you: Ask, and it will be given to you; seek, and you will find; knock, and the door will be opened to you.
10 ULB Fa ny olona rehtetra izay mangataka dia mahazo, ary izay mitady dia mahita; ary izay olona mandodona, dia ho vohana. BSB BSB: For everyone who asks receives; he who seeks finds; and to him who knocks, the door will be opened.
11 ULB Iza aminareo raim-pianakavina ireo no, raha mangataka trondro ny zanakareo, dia hanome azy bibilava fa tsy trondro? BSB BSB: What father among you, if his son asks for a fish, will give him a snake instead?
12 ULB Na raha mangataka atody izy, dia homenareo maingoka ve izy? BSB BSB: Or if he asks for an egg, will give him a scorpion?
13 ULB Noho izany, raha ianareo ratsy fanahy aza mahay manome fanomezana tsara ho an'ny zanakareo, dia ohatrin'ny ahoana ny halehiben'ny Fanahy Masina homen'ny rainareo izay any an-danitra ho an'ireo izay mangataka aminy?" BSB BSB: So if you who are evil know how to give good gifts to your children, how much more will your Father in heaven give the Holy Spirit to those who ask Him!”
14 ULB Ary Jesosy nandroaka demonia moana. Rehefa nivoka ilay demonia, dia lasa nahay niteny ilay lehilahy izay moana, ary dia gaga ny vahoaka. BSB BSB: One day Jesus was driving out a demon that was mute. And when the demon was gone, the man who had been mute spoke. The crowds were amazed,
15 ULB Fa ny olona sasany nilaza fa: "Amin'ny alalan'i Belzeboba, izay mpitarika ny demonia, no androahany demonia." BSB BSB: but some of them said, “It is by Beelzebul, the prince of the demons, that He drives out demons.”
16 ULB Ny sasany nitsapa Azy ary nitady famantarana avy any an-danitra taminy. BSB BSB: And others tested Him by demanding a sign from heaven.
17 ULB Nefa fantatr'i Jesosy izay tao an-tsain'izy ireo ka niteny tamin'izy ireo Izy hoe: "ireo fanjakana rehetra izay mizarazara dia ho rava, ary ny trano izay mizarazara dia hirodana." BSB BSB: Knowing their thoughts, Jesus said to them, “Every kingdom divided against itself will be laid waste, and a house divided against a house will fall.
18 ULB Koa raha miady an-trano ary Satana, ahoana no hampaharitra ny fanjakany? Fa hoy ianareo hoe mandroaka demonia amin'ny alalan'i Belzeboba Aho. BSB BSB: If Satan is divided against himself, how can his kingdom stand? After all, you say that I drive out demons by Beelzebul.
19 ULB Fa raha mandroaka demonia amin'ny alalan'i Belzeboba ary Aho, amin'ny alalan'iza kosa no androahan'ny mpanara-dia anareo azy? Noho izany, dia izy ireo no hitsara anareo. BSB BSB: And if I drive out demons by Beelzebul, by whom do your sons drive them out? So then, they will be your judges.
21 ULB Rehefa ampy fitaovana tsara ny lehilahy mahery iray miandry ny tranony, dia voaaro ny hareny, BSB BSB: When a strong man, fully armed, guards his house, his possessions are secure.
22 ULB nefa kosa raha mahery noho izy ny lehilahy iray ka mandresy azy, dia alain'ilay lehilahy mahery kokoa amin'ilay lehilahy ny fiadiana, ary ho robainy ny fananan'ilay lehilahy. BSB BSB: But when someone stronger attacks and overpowers him, he takes away the armor in which the man trusted, and then he divides up his plunder.
23 ULB Izay tsy miaraka amiko dia manohitra Ahy, ary izay tsy miangona miaraka amiko dia misaraka. BSB BSB: He who is not with Me is against Me, and he who does not gather with Me scatters.
24 ULB Rehefa miala amin'ny olona iray ny fanahy ratsy, dia lasa izy mamakivaky toerana tsy misy rano ary mitady fitsaharana. Ary rehefa tsy mahita, dia hoy izy hoe: 'Andeha hiverina any amin'ny trano niaviako aho.' BSB BSB: When an unclean spirit comes out of a man, it passes through arid places seeking rest and does not find it. Then it says, ‘I will return to the house I left.’
25 ULB Rehefa tafaverina, izy dia mahita izany trano izany voadio sy voalamina. BSB BSB: On its return, it finds the house swept clean and put in order.
26 ULB Avy eo dia lasa izy ary maka fanahy hafa ratsy mihoatra ny tenany miisa fito miaraka aminy izy ary dia miditra mba hitoetra ao izy rehetra. Ka ratsy kokoa noho ilay voalohany ny fiafaran'ny izany olona izany." BSB BSB: Then it goes and brings seven other spirits more wicked than itself, and they go in and dwell there. And the final plight of that man is worse than the first.”
27 ULB Ary raha niteny ireo zavatra ireo Izy, dia nisy vehivavy iray nanandratra ny feony tao anaty vahoaka ary nanao taminy hoe: "Sambatra ny kibo izay niteraka Anao sy ny nono izay ninonoanao." BSB BSB: As Jesus was saying these things, a woman in the crowd raised her voice and said, “Blessed is the womb that bore You, and blessed are the breasts that nursed You!”
28 ULB Fa hoy kosa Izy hoe: "Sambatra, kokoa aza, ireo izay mihaino ny tenin'Andriamanitra sy mihazona izany." BSB BSB: But He replied, “Blessed rather are those who hear the word of God and obey it.”
29 ULB Ary raha mbola mitombo ny vahoaka, dia nanomboka niteny Jesosy hoe: "Ity taranaka ity dia taranaka ratsy. Mitady famantarana izy, nefa tsy hisy famantarana aseho azy afa-tsy ny famantaran'i Jona. BSB BSB: As the crowds were increasing, Jesus said, “This is a wicked generation. It demands a sign, but none will be given it except the sign of Jonah.
30 ULB Fa tahaka ny nahatonga an'i Jona ho famantarana tamin'ireo Ninivita, toy izany koa dia ho famantarana ny Zanak'Olona amin'ity taranaka ity. BSB BSB: For as Jonah was a sign to the Ninevites, so the Son of Man will be a sign to this generation.
31 ULB Ny Mpanjaka vavin'ny Atsimo dia hitsangana amin'ny fitsarana miaraka amin'ireo lehilahy amin'ity taranaka ity ka hanameloka azy ireo, fa tonga avy any amin'ny faran'ny tany izy mba hiaino ny fahendren'i Solomona, ary indro, eto ny olona lehibe noho Solomona. BSB BSB: The Queen of the South will rise at the judgment with the men of this generation and condemn them; for she came from the ends of the earth to hear the wisdom of Solomon, and now One greater than Solomon is here.
32 ULB Ny lehilahin'i Ninive dia hiara hitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny fitsarana ary hanameloka azy, satria nibebaka tamin'ny nitorian'i Jona izy ireo, ary indro, misy olona lehibe noho Jona eto. BSB BSB: The men of Nineveh will stand at the judgment with this generation and condemn it; for they repented at the preaching of Jonah, and now One greater than Jonah is here.
33 ULB Tsy misy olona iray, raha avy nandrehitra Jiro, dia mametraka izany amin'ny toerana takona na ao ambanin'ny harona, fa atao eo amin'ny fitoeran-jiro, mba ho hitan'izay miditra ny hazavana. BSB BSB: No one lights a lamp and puts it in a cellar or under a basket. Instead, he sets it on a stand, so those who enter can see the light.
34 ULB Ny masonao no jiron'ny vatana. Rehefa tsara ny masonao, dia rakotra hazavana ny tena rehetra. Fa raha ratsy kosa ny masonao, dia feno haizina ny tenanao. BSB BSB: Your eye is the lamp of your body. When your eyes are good, your whole body also is full of light. But when they are bad, your body is full of darkness.
35 ULB Noho izany, mitandrema ianareo mba tsy ho maizina ny hazavana ao aminareo. BSB BSB: Be careful, then, that the light within you is not darkness.
36 ULB Ary, raha feno hazavana ary ny tenanao rehetra, ka tsy misy ampahan'izany ao anaty haizina, dia ho tahaka ny jiro izay mampamiratra ny hazavany eo aminao ny tenanao manontolo. BSB BSB: So if your whole body is full of light, with no part of it in darkness, you will be radiant, as though a lamp were shining on you.”
37 ULB Rehefa vita ny resany, dia nisy Fariseo nanasa azy hiara-hisakafo aminy any an tranony, dia niditra Jesosy ka nipetraka. BSB BSB: As Jesus was speaking, a Pharisee invited Him to dine with him; so He went in and reclined at the table.
38 ULB Gaga ilay fariseo fa tsy nisasa aloha Jesosy alohan'ny hihinana. BSB BSB: But the Pharisee was surprised to see that Jesus did not first wash before the meal.
39 ULB Fa hoy ny Tompo taminy hoe: "Ankehitriny, Ianareo Fariseo, dia manadio ny ivelan'ny kaopy sy ny lovia, nefa ny ao anatinareo dia feno rombaka sy faharatsiana." BSB BSB: Then the Lord said, “Now you Pharisees clean the outside of the cup and dish, but inside you are full of greed and wickedness.
40 ULB Ianareo ry kely saina! Tsy nanao izay ao anatiny ihany koa ve izay nanao ny ivelany? BSB BSB: You fools! Did not the One who made the outside make the inside as well?
41 ULB Omeo ny mahantra izay ao anatiny, dia ho madio ho anareo avokoa ny zavatra rehetra. BSB BSB: But give as alms the things that are within you, and behold, everything will be clean for you.
42 ULB Fa loza ho anareo ry Fariseo, satria mandoa ny ampahafolon'ny solila sy ny rota ary ny hazo hafa eny an-tsaha ianareo, nefa tsy norarahinareo ny fahamarinana sy ny fitiavan'Andriamanitra. Ilaina ny manao ny marina sy mitia an'Andriamanitra, no sady tsy manadino ny manao ireo zavatra hafa ihany koa. BSB BSB: Woe to you Pharisees! For you pay tithes of mint, rue, and every herb, but you disregard justice and the love of God. You should have practiced the latter without neglecting the former.
43 ULB Loza ho anareo ry Fariseo, fa tianareo ny toerana voalohany eny amin'ny synagoga sy ny fiarahabana feno fanajana anareo eny an tsena. BSB BSB: Woe to you Pharisees! For you love the chief seats in the synagogues and the greetings in the marketplaces.
44 ULB Loza ho anareo, fa ianareo dia tahaka ny fasana tsy misy famantarana izay hitsahin'ny olona fa tsy fantany izany. BSB BSB: Woe to you! For you are like unmarked graves, which men walk over without even noticing.”
45 ULB Ny iray tamin'ireo mpampianatra lalàna niteny taminy hoe: "Mpampianatra o, izany lazainao izany dia maniratsira anay koa." BSB BSB: One of the experts in the law told Him, “Teacher, when You say these things, You insult us as well.”
46 ULB Jesosy niteny hoe: "Loza ho anareo, ry mpampiana-dalàna! Fa mampitondra enta-mavesatra tsy zakan'ny olona ianareo, nefa tsy mikasika izany enta-mavesatra izany akory na dia ny ratsan-tananareo iray aza. BSB BSB: “Woe to you as well, experts in the law!” He replied. “For you weigh men down with heavy burdens, but you yourselves will not lift a finger to lighten their load.
47 ULB Loza ho anareo, satria manorina fasana ho an'ireo mpaminany ianareo, nefa ny razambenareo no namono azy ireo. BSB BSB: Woe to you! For you build tombs for the prophets, but it was your fathers who killed them.
48 ULB Koa vavolombelona ary manaiky ny asan'ny razanareo ianareo, fa namono azy ireo tokoa izy ireo ary ianareo no manorina ny fasany. BSB BSB: So you are witnesses consenting to the deeds of your fathers: They killed the prophets, and you build their tombs.
49 ULB Noho izany ihany koa, no nanambaran'ny fahendren'Andriamanitra hoe: 'Handefa mpaminany sy apostoly amin'izy ireo Aho, ary izy ireo hamono sy hanenjika ny sasany amin'izy ireo." BSB BSB: Because of this, the wisdom of God said, ‘I will send them prophets and apostles; some of them they will kill and others they will persecute.’
50 ULB Ity taranaka ity, izany, no ho tompon'andraikitra amin'ny ràn'ireo mpaminany rehetra nilatsaka hatramin'ny naharian'izao tontolo izao, BSB BSB: As a result, this generation will be charged with the blood of all the prophets that has been shed since the foundation of the world,
51 ULB nanomboka teo amin'ny ràn'i Abela ka hatramin'ny ràn'i Zakaria, izay novonoina teo anelanelan'ny alitara sy ny fitoerana masina. Eny, lazaiko marina aminareo, fa ity taranaka ity no ho tompon'antoka. BSB BSB: from the blood of Abel to the blood of Zechariah, who was killed between the altar and the sanctuary. Yes, I tell you, all of it will be charged to this generation.
52 ULB Loza ho anareo ry mpampianatra ny lalàn'ny Jiosy, satria nalainareo ny fanalahidin'ny fahalalana; tsy miditra ao ny tenanareo, ary sakananareo ireo izay miditra." BSB BSB: Woe to you experts in the law! For you have taken away the key to knowledge. You yourselves have not entered, and you have hindered those who were entering.”
53 ULB Taorian'ny nialan'i Jesosy teo, dia nanohitra Azy ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ary niady hevitra taminy mahakasika ny zavatra maro, BSB BSB: As Jesus went on from there, the scribes and Pharisees began to oppose Him bitterly and to ply Him with questions about many things,
54 ULB sady niezaka ny hamandrika Azy tamin'ny teniny ihany. BSB BSB: waiting to catch Him in something He might say.