1 ULB Tamin'izany, rehefa niara-niangona ny vahoaka an'arivony maro, maro loatra hany ka nifanitsa-kitro izy ireo, voalohany indrindra dia nanomboka niteny tamin'ireo mpianany Izy hoe: "Tandremo ny masirasiran'ireo Fariseo, izay fiatsarambelatsihy. BSB BSB: In the meantime, a crowd of many thousands had gathered, so that they were trampling one another. Jesus began to speak first to His disciples: “Beware of the leaven of the Pharisees, which is hypocrisy.
2 ULB Fa tsy misy takona izay tsy haseho, ary tsy misy miafina izay tsy ho fantatra. BSB BSB: There is nothing concealed that will not be disclosed, and nothing hidden that will not be made known.
3 ULB Ka na inona na inona nolazainareo tao amin'ny haizina dia ho re ao amin'ny fahazavana, ary izay nolazainareo teo an-tsofina tao anaty efitrano dia hambara eny an-tampon-trano. BSB BSB: What you have spoken in the dark will be heard in the daylight, and what you have whispered in the inner rooms will be proclaimed from the housetops.
4 ULB Milaza aminareo Aho ry namako, aza matahotra ireo izay mamono ny tena, ary aorian'izany dia tsy misy na inona na inona azony atao intsony. BSB BSB: I tell you, My friends, do not be afraid of those who kill the body and after that can do no more.
5 ULB Fa hampitandrina anareo Aho ny amin'izay hatahorana. Matahora ilay Iray izay, izay rehefa avy mamono, dia manana ny fahefana ny hanary anareo any amin'ny helo. Eny, miteny aminareo aho, matahora Azy. BSB BSB: But I will show you whom you should fear: Fear the One who, after you have been killed, has authority to throw you into hell. Yes, I tell you, fear Him!
6 ULB Tsy amidy farantsa kely roa ve ny tsintsina dimy? Kanefa tsy misy iray amin'ireny izay adino eo imason'Andriamanitra. BSB BSB: Are not five sparrows sold for two pennies? Yet not one of them is forgotten by God.
7 ULB Fa na ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra. Fa manan-danja mihoatra nohon'ny tsintsina maro ianareo. BSB BSB: And even the very hairs of your head are all numbered. So do not be afraid; you are worth more than many sparrows.
8 ULB Hoy Aho aminareo, izay rehetra manaiky Ahy eo anatrehan'ny olona, ny Zanak'Olona ihany koa dia hanaiky azy eo anatrehan'ireo anjelin'Andriamanitra, BSB BSB: I tell you, everyone who confesses Me before men, the Son of Man will also confess him before the angels of God.
9 ULB fa izay mandà Ahy eo anatrehan'ny olona dia ho lavina eo anatrehan'ireo anjelin'Andriamanitra. BSB BSB: But whoever denies Me before men will be denied before the angels of God.
10 ULB Izay rehetra miteny manohitra ny Zanak'Olona, dia ho avela aminy izany, fa izay rehetra miteny ratsy manohitra ny Fanahy Masina kosa, dia tsy ho voavela izany. BSB BSB: And everyone who speaks a word against the Son of Man will be forgiven, but whoever blasphemes against the Holy Spirit will not be forgiven.
11 ULB Rehefa mitondra anareo eo anatrehen'ny synagoga, ireo mpanapaka, sy ireo manam-pahefana izy ireo, dia aza manahy ny amin'izay ho fomba fiteninareo ho fiarovan-tenanareo, na izay ho lazainareo, BSB BSB: When you are brought before synagogues, rulers, and authorities, do not worry about how to defend yourselves or what to say.
12 ULB satria ny Fanahy Masina no hampianatra anareo izay tokony ho lazainareo amin'izany ora izany." BSB BSB: For at that time the Holy Spirit will teach you what you should say.”
13 ULB Avy eo nisy olona iray avy tao amin'ireo vahoaka niteny taminy hoe: "Ry mpampianatra, teneno ny rahalahiko mba hizara ny lova amiko." BSB BSB: Someone in the crowd said to Him, “Teacher, tell my brother to divide the inheritance with me.”
14 ULB Jesosy niteny taminy hoe: "Ralehilahy, iza no nanao Ahy ho mpitsara na mpanelanelana anareo?" BSB BSB: But Jesus replied, “Man, who appointed Me judge or executor between you?”
15 ULB Hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Miambena mba hihazonanareo ny tenanareo lavitra ireo fanirian-dratsy rehetra, satria ny fiainan'olona iray dia tsy miankina amin'ny fitobaky ny fananany." BSB BSB: And He said to them, “Watch out! Guard yourselves against every form of greed, for one’s life does not consist in the abundance of his possessions.”
16 ULB Avy eo Jesosy nanao fanoharana iray tamin'izy ireo, nanao hoe: "Namokatra be ny sahan'ny lehilahy mpanankarena iray, BSB BSB: Then He told them a parable: “The ground of a certain rich man produced an abundance.
17 ULB ary nanontany tena izy, niteny hoe: 'Inona no ho ataoko, fa tsy manana toerana hitahirizana ireo vokatro aho?' BSB BSB: So he thought to himself, ‘What shall I do, since I have nowhere to store my crops?’
18 ULB Hoy izy hoe: 'Izao no ho ataoko. Hazerako ireo trano fitoeram-bokatro dia hanangana lehibe kokoa aho, ary ao amin'ireo no hanangonako ny voako sy ireo vokatra hafa. BSB BSB: Then he said, ‘This is what I will do: I will tear down my barns and will build bigger ones, and there I will store up all my grain and my goods.
19 ULB Dia hiteny amin'ny fanahiko aho hoe: "Ry fanahy, ianao dia manana vokatra betsaka voatahiry ho amin'ny taona maro. Mitsahara tsara, mihinàna, misotroa, mifalia.'" BSB BSB: Then I will say to myself, “You have plenty of good things laid up for many years. Take it easy. Eat, drink, and be merry!”’
20 ULB Fa Andriamanitra niteny taminy hoe: 'Ralehilahy adala, androany alina ny fanahinao no halaina aminao, ka ireo zavatra izay nomaninao, ho an'iza ireo?' BSB BSB: But God said to him, ‘You fool! This very night your life will be required of you. Then who will own what you have accumulated?’
21 ULB Izany ny olona izay manangona harena ho an'ny tenany ary tsy manan-karena manoloana an'Andriamanitra." BSB BSB: This is how it will be for anyone who stores up treasure for himself but is not rich toward God.”
22 ULB Jesosy niteny tamin'ireo mpianany hoe: "Noho izany dia lazaiko aminareo, aza manahy ny amin'ny ainareo- izay ho haninareo, na ny momban'ny tenanareo- izay ho tafinareo. BSB BSB: Then Jesus said to His disciples, “Therefore I tell you, do not worry about your life, what you will eat, or about your body, what you will wear.
23 ULB Fa ny aina dia mihoatra noho ny sakafo, ary ny tena dia mihoatra noho ireo fitafiana. BSB BSB: For life is more than food, and the body more than clothes.
24 ULB Hevero ny goaika, tsy mamafy ireny na mijinja. Tsy manana fitoeram-bokatra ireny na trano fitahirizana, kanefa omen'Andriamanitra hanina ireny. Tahaka ny ahoana ny fihoaranareo lanja mihoatra noho ireo vorona! BSB BSB: Consider the ravens: They do not sow or reap, they have no storehouse or barn; yet God feeds them. How much more valuable you are than the birds!
25 ULB Iza aminareo no afaka manampy hakiho iray ny andro iainany amin'ny fanahiana? BSB BSB: Who of you by worrying can add a single hour to his life?
26 ULB Koa raha izany zavatra kely indrindra izany aza tsy ainareo atao, nahoana ianareo no miahiahy ny amin'ny sisa? BSB BSB: So if you cannot do such a small thing, why do you worry about the rest?
27 ULB Hevero ireo lilia_ manao ahoana ny faniriny. Tsy miasa izy ireny, na mamoly. Kanefa lazaiko aminareo, na Solomona tamin'ny voninahiny manontolo aza tsy nitafy tahaka ny iray tamin'ireny. BSB BSB: Consider how the lilies grow: They do not labor or spin. Yet I tell you, not even Solomon in all his glory was adorned like one of these.
28 ULB Raha tafian'Andriamanitra tahaka izany ireo ahitra eny an-tsaha, izay eo androany, ary ny ampitso dia ariana anaty fatana, toy ny ahoana ny hanafiany anareo mihoatra lavitra noho izany, ianareo ry kely finoana o! BSB BSB: If that is how God clothes the grass of the field, which is here today and tomorrow is thrown into the furnace, how much more will He clothe you, O you of little faith!
29 ULB Aza mitady izay ho haninareo sy izay ho sotroinareo, ary aza miahiahy. BSB BSB: And do not be concerned about what you will eat or drink. Do not worry about it.
30 ULB Fa ireo firenena rehetra eto amin'izao tontolo izao ireo dia mitady ireny zavatra ireny, ary fantatry ny Rainareo fa mila ireny ianareo. BSB BSB: For the Gentiles of the world strive after all these things, and your Father knows that you need them.
31 ULB Fa katsaho ny fanjakany, dia homena ho fanampiny ho anareo ireny zavatra ireny. BSB BSB: But seek His kingdom, and these things will be added unto you.
32 ULB Aza matahotra, ry andian'ondry vitsy, satria ny Rainareo dia tena faly ny hanome anareo ny fanjakana. BSB BSB: Do not be afraid, little flock, for your Father is pleased to give you the kingdom.
33 ULB Amidio ireo fanananareo ary omeo ny mahantra. Manaova fitoeram-bola ho an'ny tenanareo izay tsy mety ho tonta_ harena any an-danitra izay tsy mety lany, izay tsy misy mpangalatra manakaiky, ary tsy misy kalalao manimba. BSB BSB: Sell your possessions and give to the poor. Provide yourselves with purses that will not wear out, an inexhaustible treasure in heaven, where no thief approaches and no moth destroys.
34 ULB Fa any amin'izay hitoeran'ny harenareo, dia ho any ihany koa ny fonareo. BSB BSB: For where your treasure is, there your heart will be also.
35 ULB Aoka ny akanjo lavanareo ho hasikinareo ny valahanareo, ary aoka ny jironareo hirehitra hatrany, BSB BSB: Be dressed for service and keep your lamps burning.
36 ULB ary manaova tahaka ireo olona izay miandry ireo tompony hiverina avy any amin'ny lanonam-pampakaram-bady, mba rehefa tonga izy ka mandondona, dia ho afaka hanokatra ny varavarana ho azy avy hatrany izy ireo. BSB BSB: Then you will be like servants waiting for their master to return from the wedding banquet, so that when he comes and knocks, they can open the door for him at once.
37 ULB Sambatra ireo mpanompo, izay hitan'ny tompony fa niambina rehefa tonga izy. Lazaiko marina aminareo, fa hisikina ny lamba lavany amin'ny valahany izy, ary hampipetraka azy ireo eo an-databatra, ka ho avy izy ary hanompo azy ireo. BSB BSB: Blessed are those servants whom the master finds on watch when he returns. Truly I tell you, he will dress himself to serve and will have them recline at the table, and he himself will come and wait on them.
38 ULB Raha ho avy amin'ny ora faharoa amin'ny alina ny tompo, na amin'ny ora fahatelo aza, ka mahita azy ireo vonona, dia ho sambatra ireo mpanompo ireo. BSB BSB: Even if he comes in the second or third watch of the night and finds them alert, those servants will be blessed.
39 ULB Ho fanampin'izany dia fantaro izao, fa raha fantatry ny tompon-trano ny ora hatongavan'ny mpangalatra, dia tsy namela ny tranony ho vakiana izy. BSB BSB: But understand this: If the homeowner had known at what hour the thief was coming, he would not have let his house be broken into.
40 ULB Mivonòna ihany koa, fa tsy fantatrareo ny ora hiavian'ny Zanak'Olona." BSB BSB: You also must be ready, because the Son of Man will come at an hour you do not expect.”
41 ULB Petera niteny hoe: "Tompo ô, aminay ihany ve no itenenanao izany fanoharana izany, sa amin'ny olon-drehetra ihany koa?" BSB BSB: “Lord,” said Peter, “are You addressing this parable to us, or to everyone else as well?”
42 ULB Ny Tompo niteny hoe: "Iza ary no mpitantana mahatoky sy hendry izay ho tendren'ny tompony ho ambonin'ireo mpanompony hafa mba hanome azy ireo ny anjara hanin'izy ireo amin'ny fotoana mety? BSB BSB: And the Lord answered, “Who then is the faithful and wise manager, whom the master puts in charge of his servants to give them their portion at the proper time?
43 ULB Sambatra izany mpanompo izany, izay hitan'ny tompony manao izany rehefa tonga izy. BSB BSB: Blessed is that servant whose master finds him doing so when he returns.
44 ULB Lazaiko marina aminareo fa ho tendreny hanapaka ny fananany rehetra izy. BSB BSB: Truly I tell you, he will put him in charge of all his possessions.
45 ULB Fa raha miteny ao am-pony izany mpanompo izany hoe: 'Nahemotry ny tompoko ny fiverenany,' ka manomboka mamono ireo mpanompo lahy sy vavy, ary mihinana sy misotro, ka lasa mamo, BSB BSB: But suppose that servant says in his heart, ‘My master will be a long time in coming,’ and he begins to beat the menservants and maidservants, and to eat and drink and get drunk.
46 ULB ny tompon'izany mpanompo izany dia ho avy amin'ny andro tsy ampoiziny, ary amin'ny ora tsy fantany, ary hanapatapaka azy ka hanomana toerana ho azy miaraka amin'ireo tsy mahatoky. BSB BSB: The master of that servant will come on a day he does not expect and at an hour he does not anticipate. Then he will cut him to pieces and assign him a place with the unbelievers.
48 ULB Fa izay tsy nahafantatra ary nanao izay mendrika ahazoana kapoka kosa, dia ho kapohina amin'ny fikapohana kely. Fa ireo rehetra izay nomena be, dia ho be kokoa no ho takiana aminy, ary ireo izay nanankinana be, dia ho be lavitra aza no hangatahina aminy. BSB BSB: But the one who unknowingly does things worthy of punishment will be beaten with few blows. From everyone who has been given much, much will be required; and from him who has been entrusted with much, even more will be demanded.
50 ULB Fa manana fanaovam-batisa mba hanaovana batisa aho, ary toy ny ahoana ny fahoriako mandra-pahatanterak'izany! BSB BSB: But I have a baptism to undergo, and how distressed I am until it is accomplished!
52 ULB Manomboka izao dia hisy dimy ao amin'ny trano iray izay hisaratsaraka_ olona telo manohitra ny roa, ary olona roa manohitra ny telo. BSB BSB: From now on, five in one household will be divided, three against two and two against three.
53 ULB Hisaratsaraka izy ireo, ny ray hanohitra ny zanaka lahy, ary ny zanaka lahy hanohitra ny ray; ny reny hanohitra ny zanaka vavy ary ny zanaka vavy hanohitra ny reny; ny rafozam-bavy hanohitra ny vinanto vavy, ary ny vinanto vavy hanohitra ny rafozam-bavy." BSB BSB: They will be divided, father against son and son against father, mother against daughter and daughter against mother, mother-in-law against daughter-in-law and daughter-in-law against mother-in-law.”
54 ULB Niteny tamin'ireo vahoaka koa Jesosy hoe: "Rehefa mahita rahona miforona eny andrefana ianareo, dia hoy avy hatrany ianareo hoe: 'Hisy ranon'orana ho avy,' ary dia mitranga izany. BSB BSB: Then Jesus said to the crowds, “As soon as you see a cloud rising in the west, you say, ‘A shower is coming,’ and that is what happens.
55 ULB Rehefa misy rivotra mitsoka avy any atsimo, dia hoy ianareo hoe: 'Hisy hafanana be ho avy,' ary mitranga izany. BSB BSB: And when the south wind blows, you say, ‘It will be hot,’ and it is.
56 ULB Ry mpihatsaravelatsihy, hainareo ny mandika ny toetoetry ny tany sy ny lanitra, fa ahoana no tsy ahaizanareo mamantatra izao andro ankehitriny izao? BSB BSB: You hypocrites! You know how to interpret the appearance of the earth and sky. Why don’t you know how to interpret the present time?
57 ULB Nahoana ianareo no tsy mitsara izay marina ho an'ny tenanareo? BSB BSB: And why don’t you judge for yourselves what is right?
58 ULB Fa rehefa mandeha miaraka amin'ny mpifanandrina aminareo eo anatrehan'ny mpitsara ambony ianareo, eny an-dàlana dia miezaha handamina ny olana miaraka aminy mba tsy handehanany handrirotra anareo eo amin'ny mpitsara, ary mba tsy hanoloran'ny mpitsara anareo any amin'ny mpamatotra, ary mba tsy handefasan'ny mpamatotra anareo any am-ponja. BSB BSB: Make every effort to reconcile with your adversary while you are on your way to the magistrate. Otherwise, he may drag you off to the judge, and the judge may hand you over to the officer, and the officer may throw you into prison.
59 ULB Hoy aho aminareo, tsy ho tafavoaka ao mihitsy ianareo mandra-pandoanareo ny vola farany izay madinika indrindra." BSB BSB: I tell you, you will not get out until you have paid the very last penny.”