2 ULB Namaly Jesosy ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Ianareo ve mieritreritra fa ireo Galiliana ireo dia mpanota mihoatra noho ireo Galiliana hafa rehetra satria nijaly tahaka izany? BSB BSB: To this He replied, “Do you think that these Galileans were worse sinners than all the other Galileans, because they suffered this way?
3 ULB Tsia, Izaho miteny anareo. Fa raha tsy mibebaka ianareo, ianareo rehetra dia ho faty tahaka izany. BSB BSB: No, I tell you. But unless you repent, you too will all perish.
4 ULB Na ireny olona valo ambin'ny folo tao Siloama izay nianjeran'ny tilikambo ka nahafaty azy ireo, mieritreritra ve ianareo fa tena mpanota ratsy mihoatra noho ireo lehilahy hafa tao Jerosalema ireny? BSB BSB: Or those eighteen who were killed when the tower of Siloam collapsed on them: Do you think that they were more sinful than all the others living in Jerusalem?
5 ULB Tsia, hoy Aho. Fa ianareo raha tsy mibebaka, ianareo rehetra ihany koa dia ho faty." BSB BSB: No, I tell you. But unless you repent, you too will all perish.”
7 ULB Ilay lehilahy dia niteny tamin'ny mpanao zaridaina hoe: 'Indro, tonga teto aho nandritra ny telo taona ary niezaka nitady voa tamin'ity hazo aviavy ity kanefa tsy nahita mihitsy. Kapao io. Nahoana io no avela manimba ny tany?' BSB BSB: So he said to the keeper of the vineyard, ‘Look, for the past three years I have come to search for fruit on this fig tree and haven’t found any. Therefore cut it down! Why should it use up the soil?’
8 ULB Namaly ilay mpanao zaridaina ka niteny hoe: 'Avelao ho eo io aloha amin'ity taona ity mandra-pihadiko manodidina azy sy hanasiako zezika eo aminy. BSB BSB: ‘Sir,’ the man replied, ‘leave it alone again this year, until I dig around it and fertilize it.
9 ULB Raha mamoa izy amin'ny taona manaraka, tsara; fa raha tsy izany, dia kapao izy!'" BSB BSB: If it bears fruit next year, fine. But if not, you can cut it down.’”
10 ULB Ary Jesosy nampianatra tao amin'ny iray tamin'ny Synagoga nandritry ny Sabata. BSB BSB: One Sabbath Jesus was teaching in one of the synagogues,
11 ULB Indro, nisy vehivavy iray izay nanana ny fanahy ratsin'ny fahalemena nandritry ny valo ambin'ny folo taona teo, ary izy dia nivokoka ary tsy nahavita nijoro tsara. BSB BSB: and a woman there had been disabled by a spirit for eighteen years. She was hunched over and could not stand up straight.
12 ULB Nony nahita azy Jesosy, dia niantso azy ka niteny hoe: "Ry vehivavy, afaka amin'ny fahalemenao ianao." BSB BSB: When Jesus saw her, He called her over and said, “Woman, you are set free from your disability.”
13 ULB Napetrany teo aminy ny tanany, ary niaraka tamin'izay dia nitraka ilay vehivavy ary nihoby an'Andriamanitra. BSB BSB: Then He placed His hands on her, and immediately she straightened up and began to glorify God.
14 ULB Saingy ny mpanapaky ny Synagoga dia tezitra noho ny fanasitranana nataon'i Jesosy tamin'ny Sabata. Noho izany dia namaly ilay mpanapaka ary niteny tamin'ny vahoaka hoe: "Misy enin'andro izay tokony iasana. Tongava ka sitràna, fa kosa tsy amin'ny andro Sabata." BSB BSB: But the synagogue leader was indignant that Jesus had healed on the Sabbath. “There are six days for work,” he told the crowd. “So come and be healed on those days and not on the Sabbath.”
15 ULB Ny Tompo namaly azy ka niteny hoe: "Ry mpiatsaravelatsihy! Moa ve tsy samy mamaha ny boriky na ny ombiny ao amin'ny valany ianareo ka mitondra izany hisotro rano amin'ny Sabata? BSB BSB: “You hypocrites!” the Lord replied. “Does not each of you on the Sabbath untie his ox or donkey from the stall and lead it to water?
16 ULB Ary toy izany koa ity zanakavavin'i Abrahama, izay voafatotr'i Satana nandritry ny valo ambin'ny folo taona ity, tsy tokony mba ho vahana ve ny fatorany amin'ny andro Sabata?" BSB BSB: Then should not this daughter of Abraham, whom Satan has kept bound for eighteen long years, be released from her bondage on the Sabbath day?”
17 ULB Ary raha nilaza izany zavatra rehetra izany Izy, dia menatra ireo rehetra izay nanohitra Azy, fa ny vahoaka iray manontolo dia faly noho ireo zavatra rehetra malaza nataony. BSB BSB: When Jesus said this, all His adversaries were humiliated. And the whole crowd rejoiced at all the glorious things He was doing.
18 ULB Ary Jesosy niteny hoe: "Toy ny ahoana ny fanjakan'Andriamanitra, ary toy ny inona no afaka anoharako izany?" BSB BSB: Then Jesus asked, “What is the kingdom of God like? To what can I compare it?
19 ULB Izany dia toy ny voatsinampy izay nalaina sy nafafin'ny lehilahy iray teo an-jaridainany, ka lasa hazo lehibe iray, ary ny voron'ny lanitra dia nanamboatra ny tranony teo amin'ireo rantsany." BSB BSB: It is like a mustard seed that a man tossed into his garden. It grew and became a tree, and the birds of the air nested in its branches.”
20 ULB Mbola niteny ihany Izy hoe: "Inona no afaka hampitahako ny fanjakan'Andriamanitra? BSB BSB: Again He asked, “To what can I compare the kingdom of God?
21 ULB Izany dia toy ny masirasira izay nalain'ny vehivavy iray ka nafangarony tamin'ny koba in-telon'ny famarana mandra-piparitahany ao anatin'ny koba rehetra." BSB BSB: It is like leaven that a woman took and mixed into three measures of flour, until all of it was leavened.”
22 ULB Jesosy dia nandeha nitety ny tanàna sy ny vohitra tsirairay teny an-dàlana mankany Jerosalema ary nampianatra azy ireo. BSB BSB: Then Jesus traveled throughout the towns and villages, teaching as He made His way toward Jerusalem.
23 ULB Nisy anankiray niteny taminy hoe: "Tompo, moa ve vitsy ny olona no ho vonjena?" Ary hoy izy tamin'izy ireo hoe: BSB BSB: “Lord,” someone asked Him, “will only a few people be saved?” Jesus answered,
24 ULB "Miadia ny hiditra ny varavarana tery ianareo, satria, Izaho miteny aminareo, maro no te-hitsofoka, fa tsy ho afaka ny hiditra. BSB BSB: “Make every effort to enter through the narrow door. For many, I tell you, will try to enter and will not be able.
25 ULB Rehefa injay mitsangana ilay tompon-trano ary manidy ny varavarana, dia hijoro ao ivelany eo ianareo ka handondona ny varavarana ary hiteny hoe: 'Tompo, Tompo, ampidiro izahay.' Izy hamaly ka hiteny aminareo hoe: 'Tsy fantatro ianareo na ny fiavianareo.' BSB BSB: After the master of the house gets up and shuts the door, you will stand outside knocking and saying, ‘Lord, open the door for us.’ But he will reply, ‘I do not know where you are from.’
26 ULB Ary hiteny ianareo hoe: 'Nihinana sy nisotro teo anoloanao izahay, ary Ianao efa nampianatra teny an-dalambenay.' BSB BSB: Then you will say, ‘We ate and drank with you, and you taught in our streets.’
27 ULB Fa Izy dia hamaly hoe: 'Milaza aminareo aho, tsy fantatro izay fiavianareo. Mialà eto amiko, ianareo mpanao ratsy!' BSB BSB: And he will answer, ‘I tell you, I do not know where you are from. Depart from me, all you evildoers.’
28 ULB Hisy fitomaniana sy fikitroha-nify rehefa indro ianareo mahita an'i Abrahama, Isaka, Jakoba, sy ny mpaminany rehetra ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra, saingy voaroaka any ivelany ianareo. BSB BSB: There will be weeping and gnashing of teeth when you see Abraham, Isaac, Jacob, and all the prophets in the kingdom of God, but you yourselves are thrown out.
29 ULB Izy ireo dia ho avy avy any atsinanana, andrefana, avaratra, ary atsimo ka hipetraka eo amin'ny latabatry ny fanjakan'Andriamanitra. BSB BSB: People will come from east and west and north and south, and will recline at the table in the kingdom of God.
30 ULB Fantaro izao, ireo izay tsy dia manan-danja no ho voalohany, ary ireo izay tena manan-danja no ho farany." BSB BSB: And indeed, some who are last will be first, and some who are first will be last.”
31 ULB Taoriana kelin'izany, nisy Fariseo sasany tonga ary nilaza taminy hoe: "Mandehana ilaozy ny eto satria Heroda dia te-hamono Anao." BSB BSB: At that very hour, some Pharisees came to Jesus and told Him, “Leave this place and get away, because Herod wants to kill You.”
32 ULB Jesosy niteny hoe: "Mandehana ary lazao izany amboahaolo izany hoe: 'Indro, izaho mandroaka demonia sy manao fanasitranana anio sy rahampitso, ary amin'ny andro fahatelo dia ho tratrako ny tanjoko.' BSB BSB: But Jesus replied, “Go tell that fox, ‘Look, I will keep driving out demons and healing people today and tomorrow, and on the third day I will reach My goal.’
33 ULB Na inona na inona mitranga, zava-dehibe amiko ny manohy anio, rahampitso, sy ny andro manaraka, satria tsy azo ekena ny famonoana ny mpaminany lavitra an'i jerosalema. BSB BSB: Nevertheless, I must keep going today and tomorrow and the next day, for it is not admissible for a prophet to perish outside of Jerusalem.
34 ULB "Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato ireo izay nirahina tany aminareo. Impiry aho no naniry ny hanangona ny zanakareo tahaka ny akoho vavy manangona ny zanany ambany elany, kanefa tsy naniry izany ianareo. BSB BSB: O Jerusalem, Jerusalem, who kills the prophets and stones those sent to her, how often I have longed to gather your children together as a hen gathers her chicks under her wings, but you were unwilling!
35 ULB Indro, nilaozana ny tranonareo. Izaho dia miteny aminareo, tsy ho hitanareo Aho ambara-pitenenanareo hoe: "Sambatra izay avy amin'ny anaran'ny Tompo."' BSB BSB: Look, your house is left to you desolate. And I tell you that you will not see Me again until you say, ‘Blessed is He who comes in the name of the Lord.’”