1 ULB Ary indray Sabata, rehefa nankao amin'ny tranon'ny iray tamin'ireo mpitarika ny fariseo hihinana mofo Izy dia nanara-maso Azy akaiky izy ireo. BSB BSB: One Sabbath, Jesus went to eat in the home of a leading Pharisee, and those in attendance were watching Him closely.
2 ULB Indro, teo anoloany nisy lehilahy iray izay nampijalian'ny edema. BSB BSB: Right there before Him was a man with dropsy.
3 ULB Jesosy nanontany ireo manam-pahaizana amin'ny lalàn'ny Jiosy sy ireo Fariseo hoe: "Azo atao ve ny manasitrana amin'ny andro Sabata, sa tsia?" BSB BSB: So Jesus asked the experts in the law and the Pharisees, “Is it lawful to heal on the Sabbath or not?”
4 ULB Fa izy ireo dia nangina. Noho izany dia noraisin'i Jesosy izy, ary nositraniny, dia nalefany handeha. BSB BSB: But they remained silent. Then Jesus took hold of the man, healed him, and sent him on his way.
5 ULB Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Iza aminareo izay manan-janaka lahy na omby tafalatsaka anaty fatsakana amin'ny andro Sabata no tsy hisintona azy avy hatrany?" BSB BSB: And He asked them, “Which of you whose son or ox falls into a pit on the Sabbath day will not immediately pull him out?”
6 ULB Izy ireo dia tsy nisy nahavita nanome valiny an'ireo zavatra ireo. BSB BSB: And they were unable to answer these questions.
7 ULB Rehefa tsikaritr'i Jesosy ny fomba fisafidianan'ireo izay nasaina ny toeram-boninahitra, nanao fanoharana izy, niteny tamin'izy ireo hoe: BSB BSB: When Jesus noticed how the guests chose the places of honor, He told them a parable:
8 ULB "Rehefa asaina amin'ny lanonam-panambadiana ianareo, aza mipetraka eo amin'ny toeram-boninahitra, satria mety nisy olona nasaina mbola manam-boninahitra noho ianareo. BSB BSB: “When you are invited to a wedding banquet, do not sit in the place of honor, in case someone more distinguished than you has been invited.
9 ULB Rehefa tonga ilay olona izay nanasa anareo, dia hiteny anareo izy hoe: 'Omeo an'ity olon-kafa ity ny toeranao,' ary am-pahamenarana no andehananareo hamonjy ny toerana ambany indrindra. BSB BSB: Then the host who invited both of you will come and tell you, ‘Give this man your seat.’ And in humiliation, you will have to take the last place.
10 ULB Fa rehefa asaina ianareo, mandehana dia mipetraha amin'ny toerana ambany indrindra, amin'izay rehefa mandalo eo ilay nanasa anao, dia mety hiteny anao izy hoe: 'Ry namana, miakara amin'ny ambonimbony.' Ary avy eo dia homem-boninahitra ianareo eo anatrehan'ireo izay rehetra miray latabatra aminareo. BSB BSB: But when you are invited, go and sit in the last place, so that your host will come and tell you, ‘Friend, move up to a better place.’ Then you will be honored in front of everyone at the table with you.
11 ULB Fa ireo izay manandra-tena dia hahetry, ary izy izay manetri-tena dia hasandratra." BSB BSB: For everyone who exalts himself will be humbled, and the one who humbles himself will be exalted.”
12 ULB Jesosy ihany koa dia niteny tamin'ilay lehilahy nanasa Azy hoe: "Rehefa manome sakafo na fanasana ianao, dia aza manasa ireo namanao na ireo rahalahinao na ireo akaiky anao na ireo mpanakarena manodidina anao, amin'ny mety hanasany anao koa ho takalon'izany, ary dia ho voavaly ianao. BSB BSB: Then Jesus said to the man who had invited Him, “When you host a dinner or a banquet, do not invite your friends or brothers or relatives or rich neighbors. Otherwise, they may invite you in return, and you will be repaid.
13 ULB Fa rehefa manao fanasana ianao, asao ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa, ary ny jamba, BSB BSB: But when you host a banquet, invite the poor, the crippled, the lame, and the blind,
14 ULB dia ho sambatra ianao, satria tsy afaka hamaly anao izy ireo. Fa ianao dia ho voavaly amin'ny fitsanganan'ny marina." BSB BSB: and you will be blessed. Since they cannot repay you, you will be repaid at the resurrection of the righteous.”
15 ULB Rehefa naheno ireo zavatra ireo ny iray tamin'ireo niray latabatra tamin'i Jesosy, dia niteny taminy izy hoe: "Sambatra izay hihinana ny mofo ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra!" BSB BSB: When one of those reclining with Him heard this, he said to Jesus, “Blessed is everyone who will eat at the feast in the kingdom of God.”
16 ULB Fa Jesosy niteny taminy hoe: "Nisy lehilahy iray nikarakara sakafo lehibe ary nanasa olona maro. BSB BSB: But Jesus replied, “A certain man prepared a great banquet and invited many guests.
17 ULB Rehefa voakarakara ny sakafo, dia naniraka ny mpanompony izy hiteny an'ireo izay nasaina hoe: 'Mandrosoa, fa ny zava-drehetra dia efa vonona.' BSB BSB: When it was time for the banquet, he sent his servant to tell those who had been invited, ‘Come, for everything is now ready.’
18 ULB Izy rehetra dia nitovy saina ary nanomboka nanao fialan-tsiny. Ilay voalohany niteny taminy hoe: 'Nividy saha aho, ka tokony hivoaka aho ary ijery izany. Miala tsiny aho.' BSB BSB: But one after another they all began to make excuses. The first one said, ‘I have bought a field, and I need to go see it. Please excuse me.’
19 ULB Iray hafa niteny hoe: 'Nividy omby folo aho, ary andeha hamantatra azy ireo. Miala tsiny aho.' BSB BSB: Another said, ‘I have bought five yoke of oxen, and I am going to try them out. Please excuse me.’
20 ULB Avy eo nisy lehilahy iray hafa niteny hoe: "Vao avy nampiaka-bady aho, ary noho izany dia tsy afaka ny ho avy aho.' BSB BSB: Still another said, ‘I have married a wife, so I cannot come.’
21 ULB Dia tonga ilay mpanompo ary niteny tamin'ny tompony ireo zavatra ireo. Avy eo ilay tompon-trano tezitra ka niteny tamin'ilay mpanompony hoe: "Mandehana faingana eny amin'ireo lalambe sy sakeli-dalana eto an-tanàna dia ento aty ny mahantra, ny mandringa, ny jamba, ary ny kilemaina.' BSB BSB: The servant returned and reported all this to his master. Then the owner of the house became angry and said to his servant, ‘Go out quickly into the streets and alleys of the city, and bring in the poor, the crippled, the blind, and the lame.’
22 ULB Niteny ilay mpanompo hoe: "Tompo, efa vita izay nobaikonao, fa mbola misy toerana ihany.' BSB BSB: ‘Sir,’ the servant replied, ‘what you ordered has been done, and there is still room.’
23 ULB Hoy ity tompony tamin'ilay mpanompony hoe: "Mandehana eny amin'ireo lalambe sy sisim-boly ary tereo izy ireo ho avy, amin'izay ho feno ny tranoko. BSB BSB: So the master told his servant, ‘Go out to the highways and hedges and compel them to come in, so that my house will be full.
24 ULB Fa lazaiko aminareo, tsy hisy hanandrana ny sakafoko ireo lehilahy izay nasaina.'" BSB BSB: For I tell you, not one of those men who were invited will taste my banquet.’”
27 ULB Na iza na iza tsy milanja ny hazofijaliany ary manaraka Ahy dia tsy afaka ny ho mpianatro. BSB BSB: And whoever does not carry his cross and follow Me cannot be My disciple.
28 ULB Fa iza aminareo, izay maniry ny hanangana tilikambo, no tsy mipetraka aloha ary mikajy ny fandaniana raha manana izay ilaina hamitana azy izy? BSB BSB: Which of you, wishing to build a tower, does not first sit down and count the cost to see if he has the resources to complete it?
29 ULB Raha tsy izany, rehefa nametraka ny fototra izy nefa tsy hahavita izany akory, dia hanomboka handatsa azy ireo rehetra izay mahita izany, BSB BSB: Otherwise, if he lays the foundation and is unable to finish the work, everyone who sees it will ridicule him,
30 ULB manao hoe: 'Io lehilahy io no nanomboka nanangana kanefa tsy nahavita akory.' BSB BSB: saying, ‘This man could not finish what he started to build.’
31 ULB Na koa mpanjaka inona, raha handeha hifanehitra amin'ny mpanjaka hafa amin'ny ady, no tsy hipetraka aloha ary haka hevitra raha miaraka amin'ny lehilahy iray alina dia afaka hiady amin'ny mpanjaka hafa izay tonga manohitra azy miaraka amin'ny lehilahy roa alina? BSB BSB: Or what king on his way to war with another king will not first sit down and consider whether he can engage with ten thousand men the one coming against him with twenty thousand?
32 ULB Raha tsy izany, raha mbola lavitra ny tafika hafa, dia mandefa antoko izy ary mangataka fepetra ho amin'ny fihavanana. BSB BSB: And if he is unable, he will send a delegation while the other king is still far off, to ask for terms of peace.
33 ULB Ka noho izany, na iza na iza aminareo tsy mahafoy izay rehetra hananany dia tsy afaka ny ho mpianatro izy. BSB BSB: In the same way, any one of you who does not give up everything he has cannot be My disciple.
34 ULB Tsara ny sira, fa raha very ny tsiron'ilay sira, ahoana no hiverenany hasira indray? BSB BSB: Salt is good, but if the salt loses its savor, with what will it be seasoned?
35 ULB Tsy misy ilan'ny tany azy na dia ny zezi-tany aza. Ariana fotsiny izany. Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hiaino." BSB BSB: It is fit neither for the soil nor for the manure pile, and it is thrown out. He who has ears to hear, let him hear.”