1 ULB Ary ireo mpamory hetra rehetra sy ny mpanota sasany dia tonga teo amin'i Jesosy mba hihaino Azy. BSB BSB: Now all the tax collectors and sinners were gathering around to listen to Jesus.
2 ULB Nifampimonomonona ireo Fariseo sy ireo mpanora-dalàna, niteny hoe: "Io lehilahy io dia mandray mpanota, ary miara-mihinana amin'izy ireo mihintsy aza." BSB BSB: So the Pharisees and scribes began to grumble: “This man welcomes sinners and eats with them.”
3 ULB Jesosy nanao izao fanoharana izao tamin'izy ireo, niteny hoe: BSB BSB: Then Jesus told them this parable:
4 ULB "Iza aminareo, raha manana ondry zato izy ary avy eo very ny iray amin'izy ireny, no tsy handao ny sivy amby sivy folo any an-tany efitra, ary handeha hitady ilay iray very mandra-pahitany azy? BSB BSB: “What man among you, if he has a hundred sheep and loses one of them, does not leave the ninety-nine in the pasture and go after the one that is lost, until he finds it?
5 ULB Ary rehefa hitany izany, dia apetrany eo an-tsorony ary mifaly izy. BSB BSB: And when he finds it, he joyfully puts it on his shoulders,
6 ULB Rehefa tonga ao an-trano izy, dia antsoiny avokoa ireo namany sy ireo mpiara-monina aminy, miteny azy ireo hoe: 'Mifalia miaraka amiko, fa hitako ilay ondriko very.' BSB BSB: comes home, and calls together his friends and neighbors to tell them, ‘Rejoice with me, for I have found my lost sheep!’
7 ULB Toy izany koa, miteny aminareo Aho, fa hisy fifaliana any an-danitra nohon'ny mpanota iray izay mibebaka, mihoatra noho ireo olo-marina sivy amby sivy folo izay tsy mila mibebaka. BSB BSB: I tell you that in the same way there will be more joy in heaven over one sinner who repents than over ninety-nine righteous ones who do not need to repent.
8 ULB Na iza no vehivavy izay manana farantsa kely folo, raha very ny farantsa iray, no tsy andrehitra ny jiro, hamafa ny trano, ary hitady amim-pahazotoana mandra-pahitany izany? BSB BSB: Or what woman who has ten silver coins and loses one of them does not light a lamp, sweep her house, and search carefully until she finds it?
9 ULB Rehefa hitany izany, dia antsoiny avokoa ireo namany sy ireo mpiara-monina aminy, ka hiteny hoe: 'Mifalia miaraka amiko, fa itako ilay farantsa kely iray izay very.' BSB BSB: And when she finds it, she calls together her friends and neighbors to say, ‘Rejoice with me, for I have found my lost coin.’
10 ULB Toy izany koa, Izaho milaza aminareo, misy fifaliana eo anatrehan'ny Anjelin'Andriamanitra amin'ny mpanota iray izay mibebaka." BSB BSB: In the same way, I tell you, there is joy in the presence of God’s angels over one sinner who repents.”
12 ULB ary ny faralahy tamin'izy ireo niteny tamin'ny rainy hoe: 'Ray ô, omeo ahy ny anjara harena izay tokony ho ahy.' Koa dia nozarainy tamin'izy ireo ny fananany. BSB BSB: The younger son said to him, ‘Father, give me my share of the estate.’ So he divided his property between them.
13 ULB Tsy ela taorian'izay, ilay faralahy nanangona ny anjarany rehetra ka nandeha tamin'ny firenena iray lavitra teo, ary tany izy no nandany fahatany ireo harenany rehetra tamin'ny fiainana maditra. BSB BSB: After a few days, the younger son got everything together and journeyed to a distant country, where he squandered his wealth in wild living.
14 ULB Ary rehefa laniny avokoa ny rehetra, dia nisy mosary lehibe niely tamin'io firenena io, ka nanomboka tao anatin'ny tsy fahampiana izy. BSB BSB: After he had spent all he had, a severe famine swept through that country, and he began to be in need.
15 ULB Nandeha izy ary nikarama tamin'iray tamin'ireo mponina tao amin'io firenena io, izay nandefa azy tany amin'ny sahany mba hamahana kisoa. BSB BSB: So he went and hired himself out to a citizen of that country, who sent him into his fields to feed the pigs.
16 ULB Te hihinana mafy ireo sakafo fihinan'ny kisoa izy, satria tsy nisy olona nanome azy na inona na inona. BSB BSB: He longed to fill his belly with the pods the pigs were eating, but no one would give him a thing.
17 ULB Fa rehefa tonga saina ilay faralahy, dia niteny izy hoe: 'Firy amin'ireo manompon'ny raiko no manana hanina mihoatra ny sahaza, ary ity izaho, matin'ny hanohanana! BSB BSB: Finally he came to his senses and said, ‘How many of my father’s hired servants have plenty of food, but here I am, starving to death!
18 ULB Hilaozako eto ka ho any amin'ny raiko aho, ary izaho hiteny aminy hoe: "Ray ô, efa nanota tamin'ny lanitra aho, sy teo imasonao. BSB BSB: I will get up and go back to my father and say to him, “Father, I have sinned against heaven and against you.
19 ULB Tsy mendrika ny antsoina hoe zanakao intsony aho; ataovy toy ny iray amin'ireo mpanomponao aho." BSB BSB: I am no longer worthy to be called your son. Make me like one of your hired servants.”’
20 ULB Noho izany nandeha ilay faralahy ka nankany amin'ny rainy. Raha mbola lavitra izy, dia hitan'ilay rainy, ary tohina nangoraka, ka nihazakazaka, ary namihina sy nanoroka azy. BSB BSB: So he got up and went to his father. But while he was still in the distance, his father saw him and was filled with compassion. He ran to his son, embraced him, and kissed him.
21 ULB Ilay zanany lahy niteny hoe: 'Ray ô, efa nanota tamin'ny lanitra sy teo imasonao aho. Tsy mendrika ny antsoina hoe zanakao aho.' BSB BSB: The son declared, ‘Father, I have sinned against heaven and against you. I am no longer worthy to be called your son.’
22 ULB Ilay ray niteny tamin'ny mpanompony hoe: 'Ento faingana ireo akanjo tsara indrindra, ka ampiakanjoy azy, ary asio peratra ny tanany, sy kapa ny tongony. BSB BSB: But the father said to his servants, ‘Quick! Bring the best robe and put it on him. Put a ring on his finger and sandals on his feet.
23 ULB Avy eo ento ilay zanak'omby matavy ka vonoy izany. Andao isika hankalaza amin'ny lanonana! BSB BSB: Bring the fattened calf and kill it. Let us feast and celebrate.
24 ULB Satria ny zanako lahy dia maty, ary ankehitriny velona indray. Very Izy, ary ankehitriny dia hita indray.' Avy eo dia nanomboka nikorana izy ireo. BSB BSB: For this son of mine was dead and is alive again! He was lost and is found!’ So they began to celebrate.
25 ULB Ary ilay lahimatoany dia tany an-tsaha. Nony tamy ary nanatona ilay trano izy, dia naheno mozika sy dihy. BSB BSB: Meanwhile the older son was in the field, and as he approached the house, he heard music and dancing.
26 ULB Niantso ny iray tamin'ireo mpanompo izy ary nanontany azy hoe mety ho inona izany zavatra izany. BSB BSB: So he called one of the servants and asked what was going on.
27 ULB Ilay mpanompo niteny taminy hoe: 'Nody ato an-trano ny rahalahinao ka novonoin'ny rainareo ilay zanak'omby matavy, satria tonga soa aman-tsara izy.' BSB BSB: ‘Your brother has returned,’ he said, ‘and your father has killed the fattened calf, because he has him back safe and sound.’
28 ULB Tezitra ilay lahimatoa, ary tsy nety niditra, dia nivoaka ny rainy, ary niangavy azy. BSB BSB: The older son became angry and refused to go in. So his father came out and pleaded with him.
29 ULB Saingy namaly ilay lahimatoa ary niteny tamin'ny rainy hoe: 'Jereo, efa an-taonany maro no nanompoko anao, ary mbola tsy nandika ny lalànao aho, ary ianao tsy mbola nanome na dia zanak'osy nafahako nikorana niaraka tamin'ireo namako aza, BSB BSB: But he answered his father, ‘Look, all these years I have served you and never disobeyed a commandment of yours. Yet you never gave me even a young goat so I could celebrate with my friends.
30 ULB kanefa rehefa tonga ny zanakao lahy, izay nandriatra ny fanananao tamin'ny mpivaro-tena, dia novonoinao ho azy ilay zanak'omby nafahy.' BSB BSB: But when this son of yours returns from squandering your wealth with prostitutes, you kill the fattened calf for him!’
31 ULB Hoy ilay ray taminy hoe: 'Anaka, ianao dia miaraka amiko foana, ary izay rehetra ahy dia anao. BSB BSB: ‘Son, you are always with me,’ the father said, ‘and all that is mine is yours.
32 ULB Kanefa rariny ho antsika ny mikorana sy mifaly, satria ity rahalahinao dia maty, ary ankehitriny dia velona indray; very izy, ary ankehitriny dia hita indray.'" BSB BSB: But it was fitting to celebrate and be glad, because this brother of yours was dead and is alive again; he was lost and is found.’”