1 ULB Niantso ireo roa ambin'ny folo lahy Izy ary nanome azy ireo ny hery sy fahefana amin'ireo demonia rehetra ary hanasitrana ireo aretina. BSB BSB: Then Jesus called the Twelve together and gave them power and authority over all demons, and power to cure diseases.
2 ULB Nalefany izy ireo hitory ny fanjakanan'Andriamanitra sy hanasitrana ny marary. BSB BSB: And He sent them out to proclaim the kingdom of God and to heal the sick.
3 ULB Hoy Izy tamin'izy ireo Izy hoe: "Aza mitondra na inona na inona amin'ny dianareo_ tsy misy tehina, tsy misy kitapom-batsy, tsy misy mofo, tsy misy vola, ary tsy misy akanjo fanampiny. BSB BSB: “Take nothing for the journey,” He told them, “no staff, no bag, no bread, no money, no second tunic.
4 ULB Izay trano idiranareo, dia mijanona ao mandra-pialanareo. BSB BSB: Whatever house you enter, stay there until you leave that area.
5 ULB Na aiza na aiza tsy handraisan'izy ireo anareo, rehefa mandao izany tanàna izany ianareo, dia ahintsano hiala amin'ny tongotrareo ny vovoka mba ho fijoroana vavolombelona anoherana azy ireo." BSB BSB: If anyone does not welcome you, shake the dust off your feet when you leave that town, as a testimony against them.”
6 ULB Avy eo dia lasa izy ireo ary namakivaky ireo tanàna, nitory ny filazantsara sy nanasitrana teny rehetra teny. BSB BSB: So they set out and went from village to village, preaching the gospel and healing people everywhere.
7 ULB Ary henon'i Eroda mpanapaka avokoa ireo izay nitranga rehetra, ary dia very hevitra izy, satria voalazan'ny sasany fa Jaona mpanao batisa dia nitsangana tamin'ny maty, BSB BSB: When Herod the tetrarch heard about all that was happening, he was perplexed. For some were saying that John had risen from the dead,
8 ULB ary voalaza fa niseho Elia, ary ny sasany kosa milaza fa iray tamin'ireo mpaminany fahiny no nitsangana tamin'ny maty. BSB BSB: others that Elijah had appeared, and still others that a prophet of old had arisen.
9 ULB Hoy Eroda hoe: "Izaho no nanapa-doha an'i Jaona, koa iza indray izany olona andrenesako zavatra tahaka izany?" Ary niezaka ny ahita Azy izy. BSB BSB: “I beheaded John,” Herod said, “but who is this man I hear such things about?” And he kept trying to see Jesus.
10 ULB Rehefa niverina ireo apostoly, dia nitantara taminy ireo zavatra rehetra vitan'izy ireo. Avy eo nentiny niaraka taminy izy ireo, ary nandeha nitokana ho amin'ny tanàna antsoina hoe Betsaida. BSB BSB: Then the apostles returned and reported to Jesus all that they had done. Taking them away privately, He withdrew to a town called Bethsaida.
11 ULB Fa vao nandre ny momba izany ireo vahoaka, dia nanaraka Azy. Dia noraisiny izy ireo ary nambarany azy ireo ny momban'ny fanjakan'Andriamanitra, ary nanasitrana ireo izay nila fanasitranana Izy. BSB BSB: But the crowds found out and followed Him. He welcomed them and spoke to them about the kingdom of God, and He healed those who needed healing.
12 ULB Ary rehefa ho ariva ny andro, dia nanatona Azy ireo roa ambin'ny folo ka niteny hoe: "Alefaso andeha ireo vahoaka mba afahan'izy ireo mandeha any amin'ireo tanàna manodidina sy ambanivohitra mba hahita fatoriana sy sakafo, satria aty amin'ny tany foana isika." BSB BSB: As the day neared its end, the Twelve came to Jesus and said, “Dismiss the crowd so they can go to the surrounding villages and countryside for lodging and provisions. For we are in a desolate place here.”
13 ULB Fa hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Omenareo zavatra ho hanina izy ireo." Ary niteny ireo hoe: "Tsy manana mihoatra noho ny mofo dimy sy hazandrano roa izahay_ raha tsy hoe mandeha izahay ary mividy sakafo ho an'ireo olona rehetra ireo." BSB BSB: But Jesus told them, “You give them something to eat.” “We have only five loaves of bread and two fish,” they answered, “unless we go and buy food for all these people.”
14 ULB (Teo dia nisy teo amin'ny lehilahy dimy arivo teo ho eo). Ary nilaza tamin'ireo mpianany Izy hoe: "Apetraho ho vondrona dimampolo isan'isany izy ireo." BSB BSB: (There were about five thousand men.) He told His disciples, “Have them sit down in groups of about fifty each.”
15 ULB Koa dia nanao izany izy ireo, ary nampipetraka ireo vahoaka. BSB BSB: They did so, and everyone was seated.
16 ULB Nandray ireo mofo dimy sy hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy, nisaotra ireo ary nozarazarainy, ka dia nomeny ireo mpianatra izany mba ho tolorana ireo vahoaka. BSB BSB: Taking the five loaves and the two fish and looking up to heaven, Jesus spoke a blessing and broke them. Then He gave them to the disciples to set before the people.
17 ULB Nihinana izy rehetra ka afa-po, ary nangonina ireo sisa tsy lany_ ka nisy potipotiny roa ambin'ny folo harona. BSB BSB: They all ate and were satisfied, and the disciples picked up twelve basketfuls of broken pieces that were left over.
18 ULB Ary rehefa nivavaka manokana Jesosy, dia niaraka taminy ireo mpianatra. Dia nanontany azy ireo Izy, nanao hoe: "Ataon'ireo vahoaka ho iza moa aho?" BSB BSB: One day as Jesus was praying in private and the disciples were with Him, He questioned them: “Who do the crowds say I am?”
19 ULB Namaly izy ireo hoe: "Jaona mpanao batisa. Fa ireo sasany nilaza hoe Elia, ary ireo sasany milaza fa nitsangana tamin'ny maty ny iray tamin'ireo mpaminany fahiny." BSB BSB: They replied, “Some say John the Baptist; others say Elijah; and still others, that a prophet of old has arisen.”
20 ULB Ary niteny tamin'izy ireo Izy hoe: "Fa ataonao ho iza moa Aho?" Namaly Petera hoe: "Ilay Kristin'Andriamanitra." BSB BSB: “But what about you?” Jesus asked. “Who do you say I am?” Peter answered, “The Christ of God.”
21 ULB Fa noraràny mafy izy ireo tsy hilaza izany na amin'iza na iza, BSB BSB: Jesus strictly warned them not to tell this to anyone.
22 ULB nanao hoe: "Ny Zanak'Olona dia tsy maintsy hijaly amin'ny zavatra maro ary ho lavin'ireo loholona sy lohan'ny mpisorona ary ireo mpanora-dalàna, ho vonoina Izy ary amin'ny andro fahatelo dia hatsangana." BSB BSB: “The Son of Man must suffer many things,” He said. “He must be rejected by the elders, chief priests, and scribes, and He must be killed and on the third day be raised to life.”
23 ULB Ary hoy Izy tamin'izy rehetra hoe: "Raha misy te hanaraka ahy, dia tsy maintsy mandà ny tenany izy ary mitondra ny hazofijaliany isan'andro ary manaraka Ahy. BSB BSB: Then Jesus said to all of them, “If anyone wants to come after Me, he must deny himself and take up his cross daily and follow Me.
24 ULB Na iza na iza te hanavotra ny ainy dia hanary izany, fa na iza na iza manary ny ainy noho ny fitiavana Ahy dia hanavotra izany. BSB BSB: For whoever wants to save his life will lose it, but whoever loses his life for My sake will save it.
25 ULB Inona no tsara azon'ny olona amin'ny fananana izao tontolo izao, kanefa manary na mamotika ny ainy? BSB BSB: What does it profit a man to gain the whole world, yet lose or forfeit his very self?
26 ULB Fa na iza na iza menatra ny amiko sy ireo teniko, dia ho menatra azy koa ny Zanak'Olona rehefa tonga amin'ny voninahiny, sy ny voninahitry ny Ray sy ireo anjely masina Izy. BSB BSB: If anyone is ashamed of Me and My words, the Son of Man will be ashamed of him when He comes in His glory and in the glory of the Father and of the holy angels.
27 ULB Fa lazaiko marina aminareo, fa ny sasany amin'ireo izay mitsangana eto dia tsy hahita fahafatesana mialohan'ny ahitany ny fanjakan' Andriamanitra." BSB BSB: But I tell you truly, some who are standing here will not taste death before they see the kingdom of God.”
28 ULB Ary valo andro teo ho eo taorian'ny nilazan'i Jesosy ireo teny ireo, dia nentiny niaraka taminy Petera sy Jaona ary Jakoba ka niakatra ny tendrombohitra hivavaka. BSB BSB: About eight days after Jesus had said these things, He took with Him Peter, John, and James, and went up on a mountain to pray.
29 ULB Raha nivavaka iny Izy, dia niova ny endriky ny tarehiny, ary nivadika fotsy manjelanjelatra ny akanjony. BSB BSB: And as He was praying, the appearance of His face changed, and His clothes became radiantly white.
30 ULB Indro, nisy roa lahy niresaka taminy, Mosesy sy Elisa, BSB BSB: Suddenly two men, Moses and Elijah, began talking with Jesus.
31 ULB izay niseho tamim-boninahitra mamirapiratra. Niresaka momba ny fialàny Izy, izay ho entiny ho ho tanterahina any Jerosalema. BSB BSB: They appeared in glory and spoke about His departure, which He was about to accomplish at Jerusalem.
32 ULB Ary Petera sy ireo izay niaraka taminy dia navesatrin'ny torimaso, fa rehefa tena taitra tanteraka izy ireo, dia nahita ny voninahiny sy ireo lehilahy roa izay nitsangana niaraka taminy. BSB BSB: Meanwhile Peter and his companions were overcome by sleep, but when they awoke, they saw Jesus’ glory and the two men standing with Him.
33 ULB Ary rehefa niala nanalavitra an'i Jesosy izy ireo, dia hoy Petera taminy hoe: "Tompo, tsara amintsika ny mijanona eto. Avelao izahay hanamboatra fialofana telo, iray ho Anao, iray ho an'i Mosesy, ary iray ho an'i Elia." (Tsy fantany izay nolazainy.) BSB BSB: As Moses and Elijah were leaving, Peter said to Jesus, “Master, it is good for us to be here. Let us put up three shelters—one for You, one for Moses, and one for Elijah.” (He did not know what he was saying.)
34 ULB Teo am-pitenenany izany izy, dia nisy rahona tonga nanarona azy ireo, ka dia natahoatra izy ireo rehefa niditra tao amin'ilay rahona. BSB BSB: While Peter was speaking, a cloud appeared and enveloped them, and they were afraid as they entered the cloud.
35 ULB Nisy feo nivoaka avy tany amin'ilay rahona, nanao hoe: "Inty no Zanaka Lahiko, ilay Iray izay voafidy; henoy Izy." BSB BSB: And a voice came from the cloud, saying, “This is My Son, whom I have chosen. Listen to Him!”
36 ULB Rehefa niteny ilay feo, dia Jesosy irery no hita teo. Nitazona ny fahanginany izy ireo ary tsy niteny tamin'iza na iza tamin'izany andro izany ny momba izay rehetra hitan'izy ireo. BSB BSB: After the voice had spoken, only Jesus was present with them. The disciples kept this to themselves, and in those days they did not tell anyone what they had seen.
37 ULB Ary ny andro manaraka an'io, rehefa nidina avy any an-tendrombohitra izy ireo, dia vahoaka maro nifanena taminy. BSB BSB: The next day, when they came down from the mountain, Jesus was met by a large crowd.
38 ULB Indro, nisy lehilahy iray avy tao amin'ny vahoaka no nihiaka mafy, nanao hoe: "Ry mpampianatra o, mitalaho aminao aho mba hijery ity zanako lahy ity, fa zanako tokana izy. BSB BSB: Suddenly a man in the crowd cried out, “Teacher, I beg You to look at my son, for he is my only child.
39 ULB Hitanao, misy fanahy mibaiko azy dia mihiaka tampoka izy; mampifanintona azy izany ka mampamoaka roatra ny vavany. Tsy miala aminy izany ary mahatorovana tanteraka azy. BSB BSB: A spirit keeps seizing him, and he screams abruptly. It throws him into convulsions so that he foams at the mouth. It keeps mauling him and rarely departs from him.
40 ULB Nitalaho tamin'ireo mpianatrao aho mba hanala izany, fa tsy afak'izy ireo." BSB BSB: I begged Your disciples to drive it out, but they were unable.”
41 ULB Namaly Jesosy ka nanao hoe: "Ianareo tsy mpino sy taranaka ratsy fitondran-tena, hafiriana no tsy maintsy hitoerako miaraka aminareo sy hiaretako miaraka aminareo? Ento ety ny zanakao lahy." BSB BSB: “O unbelieving and perverse generation!” Jesus replied. “How long must I remain with you and put up with you? Bring your son here.”
42 ULB Rehefa nanatona ilay zaza lahy, dia natsipin'ny demonia tamin'ny tany izy ary nampihinjitsinjitra azy. Fa Jesosy niteny mafy ilay fanahy maloto ary nanasitrana ilay zaza lahy, ary namerina azy tany amin'ny rainy. BSB BSB: Even while the boy was approaching, the demon slammed him to the ground in a convulsion. But Jesus rebuked the unclean spirit, healed the boy, and gave him back to his father.
43 ULB Ary avy eo dia talanjona avokoa izy rehetra nahita ny halehiben'Andriamanitra. Raha gaga tamin'ny zava-drehetra nataony iny izy ireo, dia hoy Izy tamin'ny mpianany hoe: BSB BSB: And they were all astonished at the greatness of God. While everyone was marveling at all that Jesus was doing, He said to His disciples,
44 ULB "Avelao ireto teny ireto ho tonga lalina ao an-tsofinareo: ny Zanak'Olona dia ho vadihana ho eo an-tanan'olona." BSB BSB: “Let these words sink into your ears: The Son of Man is about to be delivered into the hands of men.”
45 ULB Fa tsy azon'izy ireo izany fanambarana izany. Izany dia nafenina tamin'izy ireo, noho izany dia tsy azon'izy ireo ny dikan'izany, ary mbola natahotra izy ireo ny hanontany ny momba izany fanambarana izany. BSB BSB: But they did not understand this statement. It was veiled from them so that they could not comprehend it, and they were afraid to ask Him about it.
46 ULB Ary avy eo dia nisy fifandirana nanomboka teo amin'izy ireo ny amin'izay ho lehibe indrindra amin'izy ireo. BSB BSB: Then an argument started among the disciples as to which of them would be the greatest.
47 ULB Fa Jesosy, nahafantatra ny fihevitra tany am-pon'izy ireo, dia naka zazakely iray ka napetrany teo anilany BSB BSB: But Jesus, knowing the thoughts of their hearts, had a little child stand beside Him.
48 ULB ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Fa na iza mandray ity zaza ity amin'ny anarako, dia mandray Ahy; ary na iza na iza mandray Ahy, dia mandray ilay Iray izay naniraka Ahy. Fa izay kely indrindra aminareo rehetra no lehibe." BSB BSB: And He said to them, “Whoever welcomes this little child in My name welcomes Me, and whoever welcomes Me welcomes the One who sent Me. For whoever is the least among all of you, he is the greatest.”
49 ULB Jaona namaly hoe: "Tompo o, nahita olona iray izahay nanala demonia tamin'ny anaranao dia nosakananay izy, satria izy tsy manara-dia miaraka aminay." BSB BSB: “Master,” said John, “we saw someone driving out demons in Your name, and we tried to stop him, because he does not accompany us.”
50 ULB "Aza raràna izy," hoy Jesosy, "satria izay tsy manohitra anareo dia momba anareo." BSB BSB: “Do not stop him,” Jesus replied, “for whoever is not against you is for you.”
52 ULB Nandefa mpitondra hafatra Izy hialoha Azy, ary nandeha izy ireo ka niditra tao amin'ny tanàna Samaritana iray mba hanomana ny zavatra rehetra ho Azy. BSB BSB: He sent messengers on ahead, who went into a village of the Samaritans to make arrangements for Him.
53 ULB Fa ny vahoaka tao tsy nandray Azy, satria nitodika ho any Jerosalema Izy. BSB BSB: But the people there refused to welcome Him, because He was heading for Jerusalem.
55 ULB Fa nitodika Izy ary niteny mafy tamin'izy ireo, BSB BSB: But Jesus turned and rebuked them.
56 ULB ary lasa tany amin'ny tanàna hafa izy ireo. BSB BSB: And He and His disciples went on to another village.
57 ULB Ary rehefa nandeha teny an-dalana izy ireo, dia nisy olona iray nanao taminy hoe: "Hanaraka Anao aho na aiza na aiza alehanao." BSB BSB: As they were walking along the road, someone said to Jesus, “I will follow You wherever You go.”
58 ULB Jesosy niteny taminy hoe: "Ny amboahaolo manan-davaka, ary ireo vorona eny an-danitra dia manana ny akaniny, fa ny Zanak'Olona tsy manana toerana asiana ny lohany." BSB BSB: Jesus replied, “Foxes have dens and birds of the air have nests, but the Son of Man has no place to lay His head.”
59 ULB Ary hoy Izy tamin'ny hafa hoe: "Manaraha Ahy." Fa hoy izy hoe: "Tompoko, avelao aho aloha handeha handevina ny raiko." BSB BSB: Then He said to another man, “Follow Me.” The man replied, “Lord, first let me go and bury my father.”
60 ULB Fa hoy Izy taminy hoe: "Avelao ny maty handevina ny maty ao aminy. Fa ho anao, mandehana ka mitoria any lavitra any ary hitaro ny fanjakan'Andriamanitra." BSB BSB: But Jesus told him, “Let the dead bury their own dead. You, however, go and proclaim the kingdom of God.”
61 ULB Ary nisy olona hafa nanao hoe: "Hanaraka Anao aho, Tompo, fa avelao aho aloha hanao veloma ireo any an-tranoko." BSB BSB: Still another said, “I will follow You, Lord; but first let me bid farewell to my family.”
62 ULB Jesosy namaly azy hoe: "Tsy misy olona mitàna angady ary miherika ka mendrika ho ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra." BSB BSB: Then Jesus declared, “No one who puts his hand to the plow and then looks back is fit for the kingdom of God.”