3 ULB Johana, vadin'i Koza, izay mpitan-draharahan'i Heroda, ary Sosana; sy ireo maro hafa koa, izay, tamin'ny fananan'izy ireo, dia nanome izay nilain'izy ireo. BSB BSB: Joanna the wife of Herod’s household manager Chuza, Susanna, and many others. These women were ministering to them out of their own means.
4 ULB Raha mbola nisy vahoaka maro nihangona, dia tamy nanatona Azy ireo olona avy tamin'ny isan-tanàna, Dia nanao fanoharana izy hoe: BSB BSB: While a large crowd was gathering and people were coming to Jesus from town after town, He told them this parable:
5 ULB "Nisy mpamboly nivoaka mba hamafy ny voany. Raha izy namafy iny, dia voafafy teny amoron-dalana ny sasany ary dia voahitsakitsaka izany, ary lanin'ny voron'ny lanitra. BSB BSB: “A farmer went out to sow his seed. And as he was sowing, some seed fell along the path, where it was trampled, and the birds of the air devoured it.
6 ULB Ny sasany kosa voafafy teny amin'ny vatolampy, ka raha vao nitsimoka, dia nalazo izany, satria tsy nisy hamandoana. BSB BSB: Some fell on rocky ground, and when it came up, the seedlings withered because they had no moisture.
7 ULB Ary ny sasany dia voafafy teo amin'ny tsilo, ary ny tsilo niara-naniry tamin'ny voa ka nangeja izany. BSB BSB: Other seed fell among thorns, which grew up with it and choked the seedlings.
8 ULB Ny sasany voafafy teny amin'ny tany lonaka ka namoa vokatra izay tsara lavitra avo zato heny." Taorian'i Jesosy niteny ireo zavatra ireo, dia niantso mafy Izy hoe: "Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino." BSB BSB: Still other seed fell on good soil, where it sprang up and produced a crop—a hundredfold.” As Jesus said this, He called out, “He who has ears to hear, let him hear.”
9 ULB Nanontany Azy ireo mpianany ny amin'ny tian'izany fanoharana izany hambara. BSB BSB: Then His disciples asked Him what this parable meant.
10 ULB Hoy Izy hoe: "Ny fahalalana ny zava-miafin'ny fanjakan'Andriamanitra dia nomena anareo, fa ho an'ny hafa dia miresaka amin'ny fanoharana Aho, mba tsy ahita izy ireo na dia mahita aza, ary tsy hahalala na dia mandre aza." BSB BSB: He replied, “The knowledge of the mysteries of the kingdom of God has been given to you, but to others I speak in parables, so that, ‘though seeing, they may not see; though hearing, they may not understand.’
11 ULB Ary izao no dikan'ilay fanoharana: ny voa dia ny tenin'Andriamanitra. BSB BSB: Now this is the meaning of the parable: The seed is the word of God.
12 ULB Ireo voafafy teny amin'ny sisin-dalana dia ireo izay mandre, saingy avy eo dia tonga ny devoly ka maka ilay teny tao am-pony, mba tsy hino sy ho voavonjy izy ireo. BSB BSB: The seeds along the path are those who hear, but the devil comes and takes away the word from their hearts, so that they may not believe and be saved.
13 ULB Ary ireo teo amin'ny vatolampy kosa dia ireo izay, rehefa mandre ny teny, dia mandray izany amin-kafaliana. Nefa tsy misy fakany ireo; vetivety foana ny finoan'izy ireo, ary amin'ny fotoana fitsapana dia lavo izy ireo. BSB BSB: The seeds on rocky ground are those who hear the word and receive it with joy, but they have no root. They believe for a season, but in the time of testing, they fall away.
14 ULB Ireo voa voafafy teo amin'ny tsilo dia ireo olona mandre ny teny, fa rehefa mandeha amin'ny lalany izy ireo, dia voagejan'ny fiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan'izao fiainana izao, ka tsy matoy ny voany. BSB BSB: The seeds that fell among the thorns are those who hear, but as they go on their way, they are choked by the worries, riches, and pleasures of this life, and their fruit does not mature.
15 ULB Fa ny voa voafafy tamin'ny tany tsara, dia ireo no, mandre ny teny tamin'ny fo marina sy tsara, ary izy ireo mihazona azy tsara ary namokatra am-paharetana. BSB BSB: But the seeds on good soil are those with a noble and good heart, who hear the word, cling to it, and by persevering produce a crop.
16 ULB Ary, tsy misy olona, rehefa nandrehitra jiro, dia manarona azy amin'ny sarony na mametraka izany ao ambany fandriana. Fa kosa, mametraka azy eo amin'ny fanaovan-jiro, mba ho hitan'ny olona rehetra izay miditra ny hazavana. BSB BSB: No one lights a lamp and covers it with a jar or puts it under a bed. Instead, he sets it on a stand, so those who enter can see the light.
17 ULB Satria tsy misy takona izay tsy ho ampahafantarina, na zavatra miafina izay tsy ho fantatra ary hiseho eo amin'ny hazavana. BSB BSB: For there is nothing hidden that will not be disclosed, and nothing concealed that will not be made known and brought to light.
18 ULB Koa mihainoa tsara, izay manana, dia mbola homena bebe kokoa, fa ho an'izay tsy manana kosa, na izay heveriny hanany aza dia ho esorina aminy." BSB BSB: Pay attention, therefore, to how you listen. Whoever has will be given more, but whoever does not have, even what he thinks he has will be taken away from him.”
19 ULB Avy eo ny reniny sy ny rahalahiny nanatona Azy, nefa tsy afaka nanankaiky Azy nohon'ny vahoaka. BSB BSB: Then Jesus’ mother and brothers came to see Him, but they were unable to reach Him because of the crowd.
20 ULB Nisy nilaza taminy hoe: "Ny reninao sy ny rahalahinao dia mijoro ao ivelany, te hahita anao." BSB BSB: He was told, “Your mother and brothers are standing outside, wanting to see You.”
21 ULB Fa Jesosy namaly sy niteny tamin'izy ireo hoe: "Ny reniko sy ny rahalahiko dia ireo izay mandre ny tenin'Andriamanitra sy manao izany." BSB BSB: But He replied, “My mother and brothers are those who hear the word of God and carry it out.”
22 ULB Ary indray andro dia nandeha an-tsambo kely Izy niaraka tamin'ireo mpianany, ary Izy nilaza tamin'izy ireo hoe: "Andeha isika ho eny ampitan'ny farihy." Dia lasa izy ireo. BSB BSB: One day Jesus said to His disciples, “Let us cross to the other side of the lake.” So He got into a boat with them and set out.
23 ULB Fa raha nandeha iny izy ireo dia resi-tory Jesosy. Ary nisy tafio-drivotra tonga teo amin'ny farihy, ka feno rano ny sambo kely, ary notandindonin-doza izy ireo. BSB BSB: As they sailed, He fell asleep, and a windstorm came down on the lake, so that the boat was being swamped, and they were in great danger.
24 ULB Avy eo nankeo aminy ka namoha Azy ireo mpianatr'i Jesosy, nanao hoe: "Tompo o! Tompo o! Ho faty isika!" Ary nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra sy ny rano manonja, ary nitsahatra ireo, ka nisy fitoniana teo. BSB BSB: The disciples went and woke Him, saying, “Master, Master, we are perishing!” Then Jesus got up and rebuked the wind and the raging waters, and they subsided, and all was calm.
25 ULB Ary niteny tamin'izy ireo Izy hoe: "Aiza ny finoanareo?" ary natahotra mafy izy ireo. Ary natahotra no sady gaga ihany koa izy ireo, ary nifampanontany hoe: "Iza moa ilay io, no mandidy na ny rivotra sy ny rano aza, ary manaiky Azy ireo?" BSB BSB: “Where is your faith?” He asked. Frightened and amazed, they asked one another, “Who is this? He commands even the winds and the water, and they obey Him!”
26 ULB Izy ireo dia nihazo ny faritr'i Gerasena, izay tandrifin'ny farihin'i Galilea. BSB BSB: Then they sailed to the region of the Gerasenes, across the lake from Galilee.
27 ULB Ary rehefa niakatra hankeny an-tanety Jesosy, dia nifanena tamin'ny lehilahy iray avy tao an-tanàna izay nisy demonia. Ary efa ela izy no tsy niakanjo, ary tsy nipetraka tao an-trano fa teny amin'ny fasana. BSB BSB: When Jesus stepped ashore, He was met by a demon-possessed man from the town. For a long time this man had not worn clothing or lived in a house, but he stayed in the tombs.
28 ULB Rehefa nahita an'i Jesosy izy, dia nihiaka mafy sy niankohoka teo anoloany ka niteny tamin'ny feo mafy hoe: "Inona no iraisanao amiko, ry Jesosy, zanak'Andriamanitra Avo indrindra o? Miangavy Anao aho, aza mampijaly ahy." BSB BSB: When the man saw Jesus, he cried out and fell down before Him, shouting in a loud voice, “What do You want with me, Jesus, Son of the Most High God? I beg You not to torture me!”
29 ULB Fa Jesosy nandidy ny fanahy maloto hiala tao amin'ilay lehilahy. Fa efa nandritry ny fotoana maro no nangeja azy izany, ka na dia nofatorana tamin'ny rojo sy gadra vy ary nambenana aza izy, dia nopotehiny ireo rojony ary nentin'ny demonia tany an'efitra izy. BSB BSB: For Jesus had commanded the unclean spirit to come out of the man. Many times it had seized him, and though he was bound with chains and shackles, he had broken the chains and been driven by the demon into solitary places.
30 ULB Jesosy nanontany azy hoe: "Iza no anaranao? Ary hoy izy hoe: "Legiona," fa maro ny demonia izay efa nidira tao aminy. BSB BSB: “What is your name?” Jesus asked. “Legion,” he replied, because many demons had gone into him.
31 ULB Izy ireo niangavy Azy hatrany mba tsy handefa azy ho any amin'ny lavaka tsy hita noanoa. BSB BSB: And the demons kept begging Jesus not to order them to go into the Abyss.
32 ULB Ary nisy andian-kisoa maro nisakafo teo akaikin'ny havoana. Ka niangavyAzy ilay demonia mba hamela azy ireo ho ao amin'ireo, ka namela azy Izy. BSB BSB: There on the hillside a large herd of pigs was feeding. So the demons begged Jesus to let them enter the pigs, and He gave them permission.
33 ULB Koa nivoaka tao amin'ilay lehilahy ireo demonia ary nifindra tao amin'ireo kisoa, ary nitratrevatreva tany amin'ny hantsana nankao amin'ny farihy ireo andian- kisoa ka maty. BSB BSB: Then the demons came out of the man and went into the pigs, and the herd rushed down the steep bank into the lake and was drowned.
34 ULB Ary nohon'ny nahita ny zavatra nitranga ireo mpiambina ny kisoa, dia nihazakazaka ka nilaza izany tao an-tanàna sy tany an-tsaha. BSB BSB: When those tending the pigs saw what had happened, they ran off and reported this in the town and countryside.
35 ULB Noho izany dia nivoaka ny mponina tao an-tanàna mba hijery ny zavatra nitranga, ary nanatona an'i jesosy izy ireo ka nahita ilay lehilahy izay nivoahan'ny demonia. Ary izy nipetraka teo an-tongotr'i Jesosy, nitafy ary vory saina; ary raiki-tahotra izy ireo. BSB BSB: So the people went out to see what had happened. They came to Jesus and found the man whom the demons had left, sitting at Jesus’ feet, clothed and in his right mind; and they were afraid.
36 ULB Avy eo ireo izay nahita izany nilaza azy ireo ny fomba nahasitrana ilay lehilahy nanjakan'ny demonia. BSB BSB: Meanwhile, those who had seen it reported how the demon-possessed man had been healed.
37 ULB Ary ny vahoaka rehetra teo amin'ny faritanin'i Gerasena dia nangataka an'i Jesosy mba hiala eo amin'izy ireo, satria heniky ny tahotra mafy izy ireo. Noho izany dia nandeha an-tsambo kely Izy mba afahan'izy ireo miverina. BSB BSB: Then all the people of the region of the Gerasenes asked Jesus to depart from them, because great fear had taken hold of them. So He got into the boat and started back.
38 ULB Ilay lehilahy nivoahan'ny demonia dia niangavy taminy mba hamela azy handeha hiaraka aminy, fa Jesosy nandefa azy, niteny hoe: BSB BSB: The man whom the demons had left begged to go with Jesus. But He sent him away, saying,
39 ULB "Miverena any an-tranonao ka manomeza tatitra feno momba izay nataon'Andriamanitra taminao." Ary ilay lehilahy nandeha tamin'ny lalany, dia nanambara manerana ny tanàna rehetra izay nataon'i Jesosy taminy. BSB BSB: “Return home and describe how much God has done for you.” So the man went away and proclaimed all over the town how much Jesus had done for him.
40 ULB Ary rehefa niverina Jesosy, dia nandray azy ny vahoaka, fa izy ireo dia efa niandry Azy. BSB BSB: When Jesus returned, the crowd welcomed Him, for they had all been waiting for Him.
41 ULB Indro, nisy lehilahy iray atao hoe Jairo, izay iray tamin'ireo mpitarika tao amin'ny Synagoga, nanatona sy niankohoka teo an-tongotr'i Jesosy, ka niangavy azy mba ho any an-tranony, BSB BSB: Just then a synagogue leader named Jairus came and fell at Jesus’ feet. He begged Him to come to his house,
42 ULB satria ny zanany vavy tokana, izay zazavavy teo amin'ny roa ambin'ny folo taona teo ho eo, dia eo ambavahoanan'ny fahafatesana. Raha nandeha tamin'ny lalany Jesosy, dia niara-nifaneritery nanodidina Azy ny vahoaka maro be. BSB BSB: because his only daughter, who was about twelve, was dying. As Jesus went with him, the crowds pressed around Him,
43 ULB Ary nisy vehivavy iray teo izay efa nadeha rà nandritry ny roa ambin'ny folo taona ary efa nandany ny volany rehetra, ary tsy nisy nahasitrana azy na iza na iza. BSB BSB: including a woman who had suffered from bleeding for twelve years. She had spent all her money on physicians, but no one was able to heal her.
44 ULB Ary izy dia nankeo aorian'i Jesosy ka nikasika ny rambon-dambany, dia nitsahatra avy hatrany ny ràny. BSB BSB: She came up behind Jesus and touched the fringe of His cloak, and immediately her bleeding stopped.
45 ULB Jesosy niteny hoe: "Iza ilay nikasika Ahy teo?" Rehefa nandà ny rehetra, dia hoy Petera hoe: "Tompo, manodidina Anao avokoa ny vahoaka rehetra ary manery Anao." BSB BSB: “Who touched Me?” Jesus asked. But they all denied it. “Master,” said Peter, “the people are crowding and pressing against You.”
46 ULB Fa Jesosy niteny hoe: "Nisy nikasika Aho, satria fantatro fa nisy hery niala avy tato amiko." BSB BSB: But Jesus declared, “Someone touched Me, for I know that power has gone out from Me.”
47 ULB Rehefa hitan'ilay vehivavy fa tsy takona izy, dia nangovitra izy ary niankohoka teo Aminy. Nambarany teo imason'ny olona ny antony nikasihany Azy, sy ny fomba nahasitrana azy avy hatrany. BSB BSB: Then the woman, seeing that she could not escape notice, came trembling and fell down before Him. In the presence of all the people, she explained why she had touched Him and how she had immediately been healed.
48 ULB Ary Izy niteny taminy hoe: "Ry zanaka vavy, ny finoanao no nahasitrana anao. Mandehana am-piadanana." BSB BSB: “Daughter,” said Jesus, “your faith has healed you. Go in peace.”
49 ULB Avy eo raha mbola niteny izy, dia nisy olona iray avy amin'ny tranon'ny mpitarika synagoga, nanao hoe: "Maty ny zanakao vavy. Aza manahirana ny mpampianatra intsony." BSB BSB: While He was still speaking, someone arrived from the house of the synagogue leader. “Your daughter is dead,” he told Jairus. “Do not bother the Teacher anymore.”
50 ULB Fa rehefa nandre izany Jesosy, dia namaly an'i Jairo Izy hoe: "Aza matahotra; minoa fotsiny ihany, dia ho sitrana izy." BSB BSB: But Jesus overheard them and said to Jairus, “Do not be afraid; just believe, and she will be healed.”
51 ULB Rehefa nankao an-trano Izy, dia tsy namela na dia olona iray aza hiara-hiditra aminy ankoatran'i Petera sy Jaona sy Jakoba, sy ny rain'ilay zaza ary ny reniny. BSB BSB: When He entered the house, He did not allow anyone to go in with Him except Peter, John, James, and the child’s father and mother.
52 ULB Ary ny rehetra dia nisaona sy nitomany azy, BSB BSB: Meanwhile, everyone was weeping and mourning for her. But Jesus said, “Stop weeping; she is not dead but asleep.”
53 ULB Fa Izy niteny hoe: "Aza mitomany; tsy maty izy fa matory." Dia nihomehy Azy izy ireo, satria fantatra fa maty ilay zaza vavy. BSB BSB: And they laughed at Him, knowing that she was dead.
54 ULB Fa noraisiny tamin'ny tanana izy ka niantso mafy, niteny hoe: "Anaka, mitsangàna!" BSB BSB: But Jesus took her by the hand and called out, “Child, get up!”
55 ULB Ary niverina ny fanahiny, ka niharina avy hatrany izy. Ary nibaiko azy ireo Izy mba hanome hanina ho azy. BSB BSB: Her spirit returned, and at once she got up. And He directed that she be given something to eat.
56 ULB Ary gaga ny Ray aman-dreniny, fa Izy kosa nandrara azy ireo mba tsy hilaza na amin'iza na iza ny zavatra izay nitranga. BSB BSB: Her parents were astounded, but Jesus ordered them not to tell anyone what had happened.