1 ULB Rehefa nahavita niteny ny zavatra rehetra teo anatrehan'ny vahoaka Jesosy, dia niditra tao Kapernaomy Izy. BSB BSB: When Jesus had concluded His discourse in the hearing of the people, He went to Capernaum.
2 ULB Ary nisy kapiteny iray nanana mpanompo izay tena najainy, ary narary sy efa akaiky ho faty izy. BSB BSB: There a highly valued servant of a centurion was sick and about to die.
3 ULB Rehefa nandre ny momban'i Jesosy ilay kapiteny, dia naniraka loholon'ny Jiosy ho any Aminy izy, hangataka Azy mba ho avy ary hanasitrana ny mpanompony. BSB BSB: When the centurion heard about Jesus, he sent some Jewish elders to ask Him to come and heal his servant.
4 ULB Ary rehefa tonga teo amin'i Jesosy izy ireo, dia nangataka mafy taminy, niteny hoe: "Mendrika ny hanaovanao izany ho azy izy, BSB BSB: They came to Jesus and pleaded with Him earnestly, “This man is worthy to have You grant this,
6 ULB Koa dia nanohy ny lalany niaraka tamin'izy ireo Jesosy. Fa raha mbola tsy lavitra ny trano Izy, dia nandefa namana ilay kapiteny niteny taminy hoe: "Tompo o, aza manahira-tena Ianao, satria tsy mendrika hidiranao ao ambanin'ny tafon-tranoko aho. BSB BSB: So Jesus went with them. But when He was not far from the house, the centurion sent friends with the message: “Lord, do not trouble Yourself, for I am not worthy to have You come under my roof.
7 ULB Noho izany dia tsy nihevitra ny tenako ho mendrika hankeo aminao aho, fa mitenena teny iray ihany dia ho sitrana ny mpanompoko. BSB BSB: That is why I did not consider myself worthy to come to You. But just say the word, and my servant will be healed.
8 ULB Koa satria izao koa dia lehilahy izay ambany fahefana, manana miaramila ao ambaniko koa. Hoy aho amin'ity iray ity hoe: 'Mandehana,' dia mandeha izy, ary amin'ny iray hafa: 'Avia,' dia tamy izy, ary amin'ny mpanompoko hoe: 'Ataovy ity,' ary dia ataony izany." BSB BSB: For I myself am a man under authority, with soldiers under me. I tell one to go, and he goes, and another to come, and he comes. I tell my servant to do something, and he does it.”
9 ULB Rehefa nandre izany Jesosy, dia talanjona taminy Izy, ary nitodika tamin'ireo vahoaka izay nanaraka Azy dia nanao hoe: "Lazaiko aminareo, fa na dia tany Israely aza tsy nahitako finoana toy izao." BSB BSB: When Jesus heard this, He marveled at the centurion. Turning to the crowd following Him, He said, “I tell you, not even in Israel have I found such great faith.”
10 ULB Rehefa niverina tany an-trano ireo izay nirahana, dia nahita fa salama tsara ilay mpanompo. BSB BSB: And when the messengers returned to the house, they found the servant in good health.
11 ULB Taoriana kelin'izany, dia nandeha tany amin'ny tanàna atao hoe Naina i Jesosy, ary niaraka taminy ireo mpianany sy ireo vahoaka maro be. BSB BSB: Soon afterward, Jesus went to a town called Nain. His disciples went with Him, accompanied by a large crowd.
12 ULB Raha nanakaiky ny vavahadin'ny tanàna Izy, indro, nisy lehilahy iray efa maty nentina nivoaka, zanaka lahy tokan'ny reniny (izay mpitondratena), ary vahoaka maro be avy ao amin'ny tanàna no niaraka taminy. BSB BSB: As He approached the town gate, He saw a dead man being carried out, the only son of his mother, and she was a widow. And a large crowd from the town was with her.
13 ULB Nony nahita azy ny Tompo, dia honena tanteraka azy ka nanao taminy hoe: "Aza mitomany." BSB BSB: When the Lord saw her, He had compassion on her and said, “Do not weep.”
14 ULB Avy eo dia niakatra Izy ary nikasika an'ilay vata izay nitondran'izy ireo ilay razana, ary nijanona ireo nitondra izany. Hoy Izy hoe: "Ry tovolahy, hoy Aho aminao, miarena." BSB BSB: Then He went up and touched the coffin, and those carrying it stood still. “Young man,” He said, “I tell you, get up!”
15 ULB Dia niarina ilay maty ka nanomboka niteny, ary Jesosy nanolotra azy teo amin'ny reniny. BSB BSB: And the dead man sat up and began to speak! Then Jesus gave him back to his mother.
16 ULB Nandresy azy rehetra ny tahotra, ka nanohy nidera an'Andriamanatra hatrany izy ireo, niteny hoe: "Mpaminany lehibe no natsangana eto amintsika" ary "Andriamanitra nitsinjo ny olony." BSB BSB: A sense of awe swept over all of them, and they glorified God. “A great prophet has appeared among us!” they said. “God has visited His people!”
17 ULB Ity vaovao momban'i Jesosy ity dia niely nanerana an'i Jodia sy ireo faritra manodidina rehetra. BSB BSB: And the news about Jesus spread throughout Judea and all the surrounding region.
18 ULB Ireo mpianatr'i Jaona niteny taminy ny momba ireo zavatra ireo. BSB BSB: Then John’s disciples informed him about all these things.
19 ULB Dia niantso anankiroa tamin'ireo mpianany Jaona ka naniraka azy ireo ho any amin'ny Tompo mba hiteny hoe: "Ianao ve ilay ho avy, sa tokony mbola hijery hafa izahay?" BSB BSB: So John called two of his disciples and sent them to ask the Lord, “Are You the One who was to come, or should we look for someone else?”
20 ULB Ary rehefa nanatona akaiky an'i Jesosy izy ireo, dia hoy ireo lehilahy hoe: "Jaona mpanao batisa no naniraka anay aty aminao hanontany hoe: 'Ianao ve ilay ho avy, sa tokony mbola hijery hafa izahay?"' BSB BSB: When the men came to Jesus, they said, “John the Baptist sent us to ask, ‘Are You the One who was to come, or should we look for someone else?’”
21 ULB Ary tamin'izany ora izany dia nahasitrana olona maro tamin'ny aretina sy fahoriana ary fanaintainana avy amin'ireo fanahy ratsy Izy, ary olona jamba maro no napahiratiny. BSB BSB: At that very hour Jesus healed many people of their diseases, afflictions, and evil spirits, and He gave sight to many who were blind.
22 ULB Jesosy namaly ka niteny tamin'izy ireo hoe: "Rehefa avy nandeha tamin'ny lalanareo ianareo, tatero amin'i Jaona izay hitanareo sy renareo. Nahiratra ny jamba, nandeha ny malemy, ireo nadio ny boka, nandre ny marenina, nitsangan-ko velona ny maty, ary nitoriana ny filazantsara ny olona anatin'ny tsy fahmapiana. BSB BSB: So He replied, “Go back and report to John what you have seen and heard: The blind receive sight, the lame walk, the lepers are cleansed, the deaf hear, the dead are raised, and the good news is preached to the poor.
23 ULB Sambatra ny olona izay tsy mitsahatra ny mino Ahy nohon'ny ataoko." BSB BSB: Blessed is the one who does not fall away on account of Me.”
24 ULB Ary nony lasa ireo irak'iJaona, dia nanomboka niteny tamin'ny vahoaka Jesosy ny momban'i Jaona hoe: "Hijery inona no nivoahanareo tany an'efitra? Volotara nahozongozon'ny rivotra ve? BSB BSB: After John’s messengers had left, Jesus began to speak to the crowds about John: “What did you go out into the wilderness to see? A reed swaying in the wind?
25 ULB Fa hijery inona no nivohanareo tany? Lehilahy miakanjo soa ve? Jereo, ireo izay mitafy akanjo lafo vidy sy ireo miaina ao amin'ny fiainana soa dia ao amin'ny lapan'ny mpanjaka. BSB BSB: Otherwise, what did you go out to see? A man dressed in fine clothes? Look, those who wear elegant clothing and live in luxury are found in palaces.
26 ULB Fa hijery inona no nivohanareo tany? Mpaminany ve? Eny, hoy Aho aminareo, ary mihoatra lavitra noho ny mpaminany. BSB BSB: What then did you go out to see? A prophet? Yes, I tell you, and more than a prophet.
27 ULB Izy no ilay voasoratra hoe: 'Indro, alefako mialoha anao ny mpitondra hafatro, izay hanomana ny lalanao mialoha anao.' BSB BSB: This is the one about whom it is written: ‘Behold, I will send My messenger ahead of You, who will prepare Your way before You.’
28 ULB Lazaiko aminareo, fa aminareo izay natera-behivavy dia tsy misy lehibe noho Jaona. Nefa ilay kely indrindra ao amin'ny fanjakan' Andriamanitra dia lehibe noho izy." BSB BSB: I tell you, among those born of women there is no one greater than John, yet even the least in the kingdom of God is greater than he.”
29 ULB (Rehefa naheno izany ny olona rehetra, anisan'izany ireo mpamory hetra, dia nanambara fa marina Andriamanitra, satria natao batisa tamin'ny batisan'i Jaona izy ireo. BSB BSB: All the people who heard this, even the tax collectors, acknowledged God’s justice. For they had received the baptism of John.
30 ULB Fa ireo Fariseo sy ireo mpahay lalàna Jiosy kosa nandà ny tanjon' Andriamanitra ho an'ny tenan'izy ireo, satria tsy nataon'i Jaona batisa.) BSB BSB: But the Pharisees and experts in the law rejected God’s purpose for themselves, because they had not been baptized by John.
31 ULB "Amin'ny ionana, ary, no afahako mampitaha ny olona amin'ity taranaka ity? Tahaka ny inona moa izy ireo? BSB BSB: “To what, then, can I compare the men of this generation? What are they like?
32 ULB Tahaka ny ankizy milalao eny an-tsena izy ireo, izay mipetraka sy mifampiantso ary miteny hoe: 'Nitsoka sodina ho anareo izahay, dia tsy nandihy ianareo. Nanao hira fisaonana ho anareo izahay, dia tsy nitomany ianareo.' BSB BSB: They are like children sitting in the marketplace and calling out to one another: ‘We played the flute for you, and you did not dance; we sang a dirge, and you did not weep.’
33 ULB Fa Jaona mpanao Batisa tonga tsy nihinana mofo ary tsy nisotro divay, dia hoy ianareo hoe: 'Misy demonia izy.' BSB BSB: For John the Baptist came neither eating bread nor drinking wine, and you say, ‘He has a demon!’
34 ULB Ny Zanak'Olona tonga nihinana sy nisotro, dia hoy ianareo hoe: 'Jereo, fa tenda-kanina sy mpisotro Izy, naman'ireo mpamory hetra sy mpanota!" BSB BSB: The Son of Man came eating and drinking, and you say, ‘Look at this glutton and drunkard, a friend of tax collectors and sinners!’
35 ULB Fa ny fahendrena dia voamarina amin'ny zanany rehetra." BSB BSB: But wisdom is vindicated by all her children.”
36 ULB Ary ny iray tamin'ireo Fariseo nanasa an'i Jesosy hisakafo miaraka taminy. Koa rehefa avy niditra tao an-tranon'ilay Fariseo Jesosy, dia nipetraka hihinana teo amin'ny latabatra. BSB BSB: Then one of the Pharisees invited Jesus to eat with him, and He entered the Pharisee’s house and reclined at the table.
37 ULB Indro, nisy vehivavy tao an-tanàna izay mpanota. Ary rehefa nahatsikaritra izy fa nipetraka teo amin'ny latabatra tao an-tranon'ilay Fariseo Izy, dia nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra izy. BSB BSB: When a sinful woman from that town learned that Jesus was dining there, she brought an alabaster jar of perfume.
38 ULB Ary raha nitsangana taoriany teo akaikin'ny tongony izy, dia nitomany, ka nanomboka nandena ny tongony tamin'ny ranomasony, ka dia nofafany tamin'ny volon-dohany ireo sady nanoroka ny tongony ary nanosotra ireo tamin'ny menaka manitra. BSB BSB: As she stood behind Him at His feet weeping, she began to wet His feet with her tears and wipe them with her hair. Then she kissed His feet and anointed them with the perfume.
39 ULB Rehefa nahita izany ilay Fariseo nanasa an'i Jesosy, dia nieritreritra, niteny hoe: "Raha mpaminany ito lehilahy ito, dia tokony ho fantany hoe karazana vehivavy manao ahoana io mikitika Azy io, fa mpanota io." BSB BSB: When the Pharisee who had invited Jesus saw this, he said to himself, “If this man were a prophet, He would know who this is and what kind of woman is touching Him—for she is a sinner!”
40 ULB Jesosy namaly ka niteny taminy hoe: "Simona, misy zavatra ho teneniko aminao." Hoy izy hoe: "Lazao izany, Mpampiantra o!" BSB BSB: But Jesus answered him, “Simon, I have something to tell you.” “Tell me, Teacher,” he said.
41 ULB Jesosy niteny hoe: "Nisy mpampindra-bola nanana mpitrosa roa lahy. Ny iray dia tokony andoa diman-jato denaria, ny iray dimam-polo. BSB BSB: “Two men were debtors to a certain moneylender. One owed him five hundred denarii, and the other fifty.
42 ULB Rehefa tsy afaka nanefa izany taminy izy ireo, dia samy navelany izy roa lahy. Noho izany, iza amin'izy roa lahy no ho tia Azy kokoa?" BSB BSB: When they were unable to repay him, he forgave both of them. Which one, then, will love him more?”
43 ULB Simona namaly Azy ka niteny hoe: "Heveriko fa ilay namoizany be." Dia hoy Jesosy taminy hoe: "Marina ny fitsaranao." BSB BSB: “I suppose the one who was forgiven more,” Simon replied. “You have judged correctly,” Jesus said.
44 ULB Ary Jesosy nitodika tany amin'ilay vehivavy ka niteny tamin'i Simona hoe: "Hitanao io vehivevy io. Niditra tato an-tranonao Aho. Tsy nanome rano hanasana ny tongotro ianao, fa izy nahakotsa ireo tongotro tamin'ny ranomasony ary namafa azy ireo tamin'ny volon-dohany. BSB BSB: And turning toward the woman, He said to Simon, “Do you see this woman? When I entered your house, you did not give Me water for My feet, but she wet My feet with her tears and wiped them with her hair.
45 ULB Tsy nanoroka Ahy ianao, fa hatr'izay nidirako tato dia tsy nitsahatra nanoroka ny tongotro izy. BSB BSB: You did not greet Me with a kiss, but she has not stopped kissing My feet since I arrived.
46 ULB Tsy nosoranao diloilo ny lohako, fa izy nanosotra ny tongotro tamin'ny menaka manitra. BSB BSB: You did not anoint My head with oil, but she has anointed My feet with perfume.
47 ULB Noho izany dia milaza aminao Aho fa, ireo fahotany, izay maro, dia voavela_ satria izy be fitiavana. Fa izay navela kely, dia tia kely." BSB BSB: Therefore I tell you, her many sins have been forgiven, for she has loved much. But he who has been forgiven little loves little.”
48 ULB Dia hoy Izy taminy hoe: "Voavela ireo fahotanao." BSB BSB: Then Jesus said to her, “Your sins are forgiven.”
49 ULB Ireo niara-nipetraka nihinana teo dia nanomboka nifampiresaka teo amin'izy ireo hoe: "Iza moa Ity no dia mamela ireo heloka?" BSB BSB: But those at the table began to say to themselves, “Who is this who even forgives sins?”
50 ULB Avy eo hoy Jesosy tamin-dravehivavy hoe: "Ny finoanao no nahavonjy anao. Mandehana am-piadanana." BSB BSB: And Jesus told the woman, “Your faith has saved you; go in peace.”