1 ULB Ary tamin'ny Sabata dia nandeha nankany an-tanimbary Jesosy ary ireo mpianatra naka ny salohim-bary, nikosoka izany tamin'ny tanan'izy ireo ary nihinana ny voa. BSB BSB: One Sabbath Jesus was passing through the grainfields, and His disciples began to pick the heads of grain, rub them in their hands, and eat them.
2 ULB Fa ny sasany tamin'ireo Fariseo kosa niteny hoe: "Nahoana ianareo no manao zavatra tsy ara-dalàna ny manao azy amin'ny andro Sabata?" BSB BSB: But some of the Pharisees asked, “Why are you doing what is unlawful on the Sabbath?”
4 ULB Nandeha nakao an-tranon'Andriamanitra izy, ary nandray ny mofon'ny fanatrehana sy nihinana ny ampahany tamin'izany, ary nomeny apahany koa ny lehilahy izay niaraka taminy mba hihinana, na dia ny mpisorona ihany aza no araka ny lalàna raha mihinana izany." BSB BSB: He entered the house of God, took the consecrated bread and gave it to his companions, and ate what is lawful only for the priests to eat.”
5 ULB Avy eo Izy niteny tamin'izy ireo hoe: "Ny Zanak'Olona dia Tompon'ny Sabata." BSB BSB: Then Jesus declared, “The Son of Man is Lord of the Sabbath.”
6 ULB Ary tamin'ny Sabata hafa dia nandeha tao amin'ny synagoga Izy dia nampianatra ny vahoaka tao. Nisy lehilahy iray maty tanana havanana tao. BSB BSB: On another Sabbath Jesus entered the synagogue and was teaching, and a man was there whose right hand was withered.
7 ULB Njery akaiky Azy tsara ireo mpanora-dalana sy ireo fariseo mba hahita raha hanasitrana olona amin'ny Sabata Izy, mba afahan'izy ireo mahita antony hiampangana Azy. BSB BSB: Looking for a reason to accuse Jesus, the scribes and Pharisees were watching Him closely to see if He would heal on the Sabbath.
8 ULB Kanefa fantany izay tao an-tsain'ireo ary nilaza tamin'ilay lehilahy izay maty tanana Izy hoe: "Mitsangàna, ary mankanesa eto afovoan'ny olon-drehetra eto." Koa nitsangana ilay lehilahy ary nitsangana teo. BSB BSB: But Jesus knew their thoughts and said to the man with the withered hand, “Get up and stand among us.” So he got up and stood there.
9 ULB Jesosy niteny tamin'izy ireo hoe: "Manontany anareo aho, ara-dalàna amin'ny Sabata ve ny fanaovana ny tsara sa ny fanaovana ny ratsy, ny manavotra aina sa ny mamotika azy?" BSB BSB: Then Jesus said to them, “I ask you, which is lawful on the Sabbath: to do good or to do evil, to save life or to destroy it?”
10 ULB Ary nijery ny manodidina azy rehetra Izy ka niteny tamin'ilay lehilahy hoe: "Ahinjiro ny tananao." Nanao izany izy, ary sitrana ny tanany. BSB BSB: And after looking around at all of them, He said to the man, “Stretch out your hand.” He did so, and it was restored.
11 ULB Nefa feno hatezerana izy ireo ary nifampiresaka momba izay mety ho hataon'izy ireo amin'i Jesosy. BSB BSB: But the scribes and Pharisees were filled with rage and began to discuss with one another what they might do to Jesus.
12 ULB Tamin'izany andro izany dia nandeha nankany an-tendrombohitra Izy mba hivavaka. Notohizany nandritra ny alina tontolo ny fivavahana tamin'Andriamanitra. BSB BSB: In those days Jesus went out to the mountain to pray, and He spent the night in prayer to God.
13 ULB Rehefa tonga ny andro, niantso ny mpianany ho eo aminy Izy, ary nifidy roa ambin'ny folo tamin'ireo Izy, izay nantsoiny ihany koa hoe Apostoly. BSB BSB: When daylight came, He called His disciples to Him and chose twelve of them, whom He also designated as apostles:
14 ULB Ny anaran'ireo Apostoly ireo dia Simona (izy izay antsoina ihany koa hoe Petera) ary ny rahalahiny Andrea, Jakoba, Jaona, Filipo, Bartelemeo, BSB BSB: Simon, whom He named Peter, and his brother Andrew; James and John; Philip and Bartholomew;
15 ULB Matio, Tomasy, Jakoba zanaka lahin'i Alfeo, Simona izay antsoina hoe Zelota, BSB BSB: Matthew and Thomas; James son of Alphaeus and Simon called the Zealot;
16 ULB Jodasy zanak'i Jakoba, ary Jodasy Iskariota, izay tonga mpamadika. BSB BSB: Judas son of James, and Judas Iscariot, who became a traitor.
17 ULB Avy eo Jesosy nidina ny tendrombohitra niaraka tamin'izy ireo dia nitsangana tamin'ny tany marina niaraka tamin'ny mpianany maro sy vahoaka maro avy any Jodia sy Jerosalema ary ny sisin-tanin'ny Tyro sy Sidona. BSB BSB: Then Jesus came down with them and stood on a level place. A large crowd of His disciples was there, along with a great number of people from all over Judea, Jerusalem, and the seacoast of Tyre and Sidon.
18 ULB Tonga ireo mba hihaino Azy ary mba ho sitranina amin'ny aretin'izy ireo. Sitrana ihany koa ny vahoaka izay korontanin'ny fanahy maloto. BSB BSB: They had come to hear Him and to be healed of their diseases, and those troubled by unclean spirits were healed.
19 ULB Ny olon-drehetra tamin'ireo vahoaka dia niezaka ny hikasika Azy hatrany satria nivoaka avy taminy ny hery manasitrana, ary sitrany avokoa izy rehetra. BSB BSB: The entire crowd was trying to touch Him, because power was coming from Him and healing them all.
20 ULB Dia nijery ny mpianany Izy, ary niteny hoe: "Sambatra ianareo izay mahantra, fa anareo ny fanjakan'Andriamanitra. BSB BSB: Looking up at His disciples, Jesus said: “Blessed are you who are poor, for yours is the kingdom of God.
21 ULB Sambatra ianareo izay noana ankehitriny, fa ho voky ianareo. Sambatra ianareo izay mitomany ankehitriny, fa hiomehy ianareo. BSB BSB: Blessed are you who hunger now, for you will be filled. Blessed are you who weep now, for you will laugh.
22 ULB Sambatra ianareo rehefa mankahala anareo ny olona ary rehefa ahilik'izy ireo sy haratsian'izy ireo ianareo, nohon'ny amin'ny Zanak'Olona. BSB BSB: Blessed are you when people hate you, and when they exclude you and insult you and reject your name as evil because of the Son of Man.
23 ULB Mifalia amin'izany andro izany ary mibitaha an-kafaliana, satria azo antoka fa hahazo valisoa lehibe any an-danitra ianareo, fa mitovy amin'izany no nitondran'ny razan'ireo an'ireo mpaminany. BSB BSB: Rejoice in that day and leap for joy, because great is your reward in heaven. For their fathers treated the prophets in the same way.
24 ULB Fa loza ho anareo izay manan-karena, fa efa azonareo izay mahafa-po anareo. BSB BSB: But woe to you who are rich, for you have already received your comfort.
25 ULB Loza ho anareo izay voky ankehitriny, fa mbola ho noana ianareo any aoriana any. Loza ho anareo izay mihomehy ankehitriny, fa hisaona sy hitomany ianareo any aoriana any. BSB BSB: Woe to you who are well fed now, for you will hunger. Woe to you who laugh now, for you will mourn and weep.
26 ULB Loza ho anareo, rehefa milaza tsara momba anareo ny olona rehetra, fa mitovy amin'izany ny nataon'ny razan'izy ireo tamin'ireo mpaminany sandoka. BSB BSB: Woe to you when all men speak well of you, for their fathers treated the false prophets in the same way.
27 ULB Fa milaza aminareo izay mihaino Aho, tiavo ny fahavalonareo ary manaova ny tsara amin'izay mankahala anareo. BSB BSB: But to those of you who will listen, I say: Love your enemies, do good to those who hate you,
28 ULB Tahio izay manozona anareo ary mivavaha ho an'ireo izay manao tsinontsinona anareo. BSB BSB: bless those who curse you, pray for those who mistreat you.
29 ULB Raha misy mamelaka ny takolakao iray, dia omeo azy koa ny ilany. Raha misy olona maka ny lambanao, aza mihazona na dia ny akanjonao koa aza. BSB BSB: If someone strikes you on one cheek, turn to him the other also. And if someone takes your cloak, do not withhold your tunic as well.
30 ULB Omeo izay rehetra mangataka aminao. Raha misy olona maka ny zavatra izay anao, aza mangataka ny hamerenany izany aminao. BSB BSB: Give to everyone who asks you, and if anyone takes what is yours, do not demand it back.
31 ULB Tahaka izay tianao hataon'ny olona aminao, dia tokony hataonao amin'izy ireo koa izany. BSB BSB: Do to others as you would have them do to you.
32 ULB Raha izay olona tia anao ihany no tiavinao, inona no soa ho azonao amin'izany? Fa na ny mpanota aza mba tia an'izay tia azy koa. BSB BSB: If you love those who love you, what credit is that to you? Even sinners love those who love them.
33 ULB Raha amin'izay olona manao soa anao ihany ianao no manao soa, inona no soa ho azonao amin'izany? Fa na ny mpanota aza dia manao toy izany. BSB BSB: If you do good to those who do good to you, what credit is that to you? Even sinners do the same.
34 ULB Raha tsy mampindrana afa-tsy amin'izay olona handrasana fa hamerina izany aminao ihany ianao, inona no soa ho azonao amin'izany? Fa na ny mpanota aza mampindrana ny mpanota, mba hahazoana torak'izany koa. BSB BSB: And if you lend to those from whom you expect repayment, what credit is that to you? Even sinners lend to sinners, expecting to be repaid in full.
35 ULB Fa tiavo ny fahavalonareo ary manaova ny tsara ho azy ireny. Mampindrama ka aza miandry valiny ary ho lehibe ny valisoanareo ary ho zanaky ny Avo Indrindra ianareo, fa Izy tenany dia tsara fanahy amin'izay tsy misaotra sy ny olona ratsy fanahy. BSB BSB: But love your enemies, do good to them, and lend to them, expecting nothing in return. Then your reward will be great, and you will be sons of the Most High; for He is kind to the ungrateful and wicked.
36 ULB Manàna famindram-po, tahaka ny Rainareo mpamindra fo. BSB BSB: Be merciful, just as your Father is merciful.
37 ULB Aza mitsara, ary tsy ho tsaraina ianareo. Aza manameloka, ary tsy ho melohina ianareo. Mamelà ny hafa, ary ho avela ianareo. BSB BSB: Do not judge, and you will not be judged. Do not condemn, and you will not be condemned. Forgive, and you will be forgiven.
38 ULB Manomeza, dia omena anareo izany. Fahafoizana be_ izay atafotafo, miara-voahontsana ary mitobaka_ no hararaka eo am-pofoanao. Araka ny famaharanareo, no hamaharana anareo toy izany koa." BSB BSB: Give, and it will be given to you. A good measure, pressed down, shaken together, and running over will be poured into your lap. For with the measure you use, it will be measured back to you.”
39 ULB Avy eo Izy nanao fanoharana tamin'izy ireo koa. "Moa ve ny olona jamba afaka mitarika olona jamba hafa? Raha manao izany izy, dia mety hilatsaka any an-kady izy roa, sa tsia? BSB BSB: Jesus also told them a parable: “Can a blind man lead a blind man? Will they not both fall into a pit?
40 ULB Ny mpianatra iray dia tsy lehibe noho ny mpampianany, fa izay rehetra nahatanteraka ny fiofanana dia hitovy amin'ny mpampianany. BSB BSB: A disciple is not above his teacher, but everyone who is fully trained will be like his teacher.
41 ULB Fa nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo kely izay ao anatin'ny mason'ny rahalahinao, kanefa tsy mahatsikaritra ny vatan-kazo ao anaty masonao? BSB BSB: Why do you look at the speck in your brother’s eye but fail to notice the beam in your own eye?
42 ULB Ahoana no itenenanao ny rahalahinao hoe: 'Ry rahalahy, mamelà ahy hanala ny sombin-kazo eo amin'ny masonao eo io,' rehefa tsy hitanao akory ny vatan-kazo eo amin'ny masonao? Ry mpiatsaravelatsihy! Esory eo amin'ny masonao aloha ny vatan-kazo, avy eo dia hahita tsara ianao ka afaka hanala ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao. BSB BSB: How can you say, ‘Brother, let me take the speck out of your eye,’ while you yourself fail to see the beam in your own eye? You hypocrite! First take the beam out of your own eye, and then you will see clearly to remove the speck from your brother’s eye.
43 ULB Fa tsy misy hazo tsara hamokatra voankazo lo, na hoe hazo lo hamokatra voankazo tsara. BSB BSB: No good tree bears bad fruit, nor does a bad tree bear good fruit.
44 ULB Fa ny hazo tsirairay dia fantatra amin'ny karazam-boankazo izay vokariny. Fa tsy afaka ny hioty aviavy amin'ny tsilo ny olona, na haka voaloboka amin'ny hazona voaroy. BSB BSB: For each tree is known by its own fruit. Indeed, figs are not gathered from thornbushes, nor grapes from brambles.
45 ULB Ny olona tsara mamokatra izay tsara avy amin'ny harena soan'ny fony, ary ny olona ratsy mamokatra izay ratsy avy amin'ny haren-dratsin'ny fony. Fa izay aloaky ny fony no tenenin'ny vavany. BSB BSB: The good man brings good things out of the good treasure of his heart, and the evil man brings evil things out of the evil treasure of his heart. For out of the overflow of the heart the mouth speaks.
46 ULB Fa maninona ianareo no miantso Ahy hoe: 'Tompo, Tompo,' kanefa ianareo tsy mankatoa izay zavatra teneniko? BSB BSB: Why do you call Me ‘Lord, Lord,’ but do not do what I say?
47 ULB Ny olona rehetra manatona Ahy sy mandre ny teniko ary mankatoa izany, dia ho lazaiko anareo hoe toy ny inona izy. BSB BSB: I will show you what he is like who comes to Me and hears My words and acts on them:
48 ULB Tahaka ny olona izay nanangana trano izy, izay nandavaka lalina teo amin'ny tany ary nanorina ny fototry ny trano teo ambony vatolampy. Rehefa tonga ny tondra-drano, dia nandriaka nanohitra izany trano izany ny rano be, fa tsy nampiontsona azy, satria tsara orina ilay izy. BSB BSB: He is like a man building a house, who dug down deep and laid his foundation on the rock. When the flood came, the torrent crashed against that house but could not shake it, because it was well built.
49 ULB Ary izay olona mandre ny teniko nefa tsy mankatoa izany, dia mitovy amin'ny olona izay nanorina trano teo ambonin'ny tany ka tsy nanisy fototra. Rehefa nandriaka namely io trano io ny rano be, dia nianjera avy hatrany izany, ary rava tanteraka izany trano izany." BSB BSB: But the one who hears My words and does not act on them is like a man who built his house on ground without a foundation. The torrent crashed against that house, and immediately it fell—and great was its destruction!”