1 ULB Ary izao no nitranga, raha nitangorona nanodidina an'i Jesosy ireo olana ary nihaino ny tenin' Andriamanitra, dia nitsangana teo amoron'ny farihin'i Genesareta Izy. BSB BSB: On one occasion, while Jesus was standing by the Lake of Gennesaret with the crowd pressing in on Him to hear the word of God,
2 ULB Nahita sambokely roa nijanona teo amoron'ny farihy Izy. Efa nivoaka tao ireo mpanjono ary nanasa ireo haratony. BSB BSB: He saw two boats at the edge of the lake. The fishermen had left them and were washing their nets.
3 ULB Niditra tao amin'ny iray tamin'ireo sambokely Jesosy, izay an'i Simona, ary nangataka azy mba handefa izany eny amin'ny rano lavidavitry ny tanety. Avy eo dia nipetraka Izy ka nampianatra ireo olona teny ivelan'ny sambokely. BSB BSB: Jesus got into the boat belonging to Simon and asked him to put out a little from shore. And sitting down, He taught the people from the boat.
4 ULB Rehefa nitsahatra niteny Izy, dia niteny tamin'i Simona Izy hoe: "Ento ny ho any amin'ny rano lalina kokoa ny sambokely dia halatsao ny haratonareo mba ahazoanareo hazandrano." BSB BSB: When Jesus had finished speaking, He said to Simon, “Put out into deep water and let down your nets for a catch.”
5 ULB Simona namaly Azy ka niteny hoe: "Tompo o, efa niasa ny alina tontolo izahay, fa tsy nahazo na inona na inona, fa nohon'ny teninao, dia ho halatsako ireo harato." BSB BSB: “Master,” Simon replied, “we have worked hard all night without catching anything. But because You say so, I will let down the nets.”
6 ULB Rehefa nataon'izy ireo izany, dia nahangona hazandrano maro dia maro izy ireo, ary nitriatra ireo haraton'izy ireo. BSB BSB: When they had done so, they caught such a large number of fish that their nets began to tear.
7 ULB Koa nanao fihetsika tamin'ireo namany izay tao anatin'ilay sambokely iray hafa izy ireo fa izy ireo fa tokony ho avy ary hanampy azy ireo. Dia tonga izy ireo ka nameno ny sambokely roa, ka dia nanomboka nilentika izy ireo. BSB BSB: So they signaled to their partners in the other boat to come and help them, and they came and filled both boats so full that they began to sink.
9 ULB Fa gaga izy, sy ireo izay rehetra niaraka taminy, nohon'ny haben'ny hazandrano izay azon'izy ireo. BSB BSB: For he and his companions were astonished at the catch of fish they had taken,
10 ULB Tao anatin'izany Jakoba sy Jaona, zanak'i Zebedio, izay mpiara miasa amin'i Simona. Jesosy niteny tamin'i Simona hoe: "Aza matahotra, fa manomboka izao dia hanarato olona ianao." BSB BSB: and so were his partners James and John, the sons of Zebedee. “Do not be afraid,” Jesus said to Simon. “From now on you will catch men.”
11 ULB Rehefa nentin'izy ireo teny an-tanety ny sambokelin'izy ireo, dia namela ny zavatra rehetra izy ireo ka nanaraka Azy. BSB BSB: And when they had brought their boats ashore, they left everything and followed Him.
12 ULB Dia nitranga izao raha mbola tao amin'ny iray tamin'ireo tanàna Izy, dia nisy lehilahy feno habokana teo. Nony nahita an'i Jesosy izy, dia niankohoka teo Aminy ary nitalaho taminy, nanao hoe: "Tompo, raha mety ianao, dia afaka manadio ahy." BSB BSB: While Jesus was in one of the towns, a man came along who was covered with leprosy. When he saw Jesus, he fell facedown and begged Him, “Lord, if You are willing, You can make me clean.”
13 ULB Ary dia naninjitra ny tanany Jesosy ary nikasika azy, niteny hoe: "Mety aho. Madiova." Teo noho eo dia afaka taminy ny habokana. BSB BSB: Jesus reached out His hand and touched the man. “I am willing,” He said. “Be clean!” And immediately the leprosy left him.
14 ULB Norarany izy mba tsy hilaza na amin'iza na amin'iza, fa nolazainy taminy hoe: "Zory ny lalanao, misehoa amin'ny mpisorona ary manolora sorona ho an'ny fanadiovana anao, araka izay nandidian'i Mosesy, mba ho fijoroana vavolombelona amin'izy ireo." BSB BSB: “Do not tell anyone,” Jesus instructed him. “But go, show yourself to the priest and present the offering Moses prescribed for your cleansing, as a testimony to them.”
15 ULB Kanefa ny tatitra momba Azy dia niely lavitra kokoa aza, ary vaohaka maro be no niara-tonga mba hihaino Azy nampianatra ary mba ho sitrana amin'ny aretin'izy ireo. BSB BSB: But the news about Jesus spread all the more, and great crowds came to hear Him and to be healed of their sicknesses.
16 ULB Kanefa matetika Izy dia niala nankany any amin'ny tany foana ary nivavaka. BSB BSB: Yet He frequently withdrew to the wilderness to pray.
17 ULB Ary tamin'ny andro iray tamin'ireo andro nampianarany, dia nisy Fariseo sy mpampiana-dalàna nipetraka teo izay avy amin'ny tanàna samihafa ao amin'ny faritry Galilia sy Jodia, ary ihany koa avy ao amin'ny tanànan'i Jerosalema. Ny herin'ny Tompo no tao aminy mba hanasitranana. BSB BSB: One day Jesus was teaching, and the Pharisees and teachers of the law were sitting there. People had come from Jerusalem and from every village of Galilee and Judea, and the power of the Lord was present for Him to heal the sick.
18 ULB Ary nisy lehilahy sasany tonga, nitondra lehilahy anankiray izay voan'ny paralisisa teo amin'ny fandriana, ary izy ireo dia nitady fomba hitondrana azy ao anatiny mba hametrahana azy ho eo anoloan'i Jesosy. BSB BSB: Just then some men came carrying a paralyzed man on a mat. They tried to bring him inside to set him before Jesus,
19 ULB Tsy nahita fomba hampidirana azy tao anatiny izy ireo noho ireo vahoaka, noho izany dia nankany amin'ny tampo-trano izy ireo ary nampidina ny fandrian'ilay lehilahy avy eo an-tafo trano, tamin'ny fandriany, teo afovoan'ny olona, teo anoloan'i Jesosy. BSB BSB: but they could not find a way through the crowd. So they went up on the roof and lowered him on his mat through the tiles into the middle of the crowd, right in front of Jesus.
20 ULB Rehefa nahita ny finoan'izy ireo, dia hoy Jesosy hoe: "Ralehilahy, voavela ny helokao." BSB BSB: When Jesus saw their faith, He said, “Friend, your sins are forgiven.”
21 ULB Nanomboka nanontany ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo, ka niteny hoe: "Iza moa ity izay miteny ratsy ity? Iza no afaka mamela ny fahotana afa-tsy Andriamanitra irery ihany?" BSB BSB: But the scribes and Pharisees began thinking to themselves, “Who is this man who speaks blasphemy? Who can forgive sins but God alone?”
22 ULB Fa Jesosy, nahalala izay noeritreretin'izy ireo, namaly ary niteny azy ireo hoe: "Nahoana ianareo no manontany izany ao am-ponareo? BSB BSB: Knowing what they were thinking, Jesus replied, “Why are you thinking these things in your hearts?
23 ULB Inona no mora lazaina kokoa: 'Voavela ny helokao' sa ny miteny hoe: 'Mitsangana ary mandehana?' BSB BSB: Which is easier: to say, ‘Your sins are forgiven,’ or to say, ‘Get up and walk’?
24 ULB Nefa mba hahafantaranareo fa ny Zanak'Olona dia manam-pahefana hamela heloka eto an-tany, dia lazaiko aminao, mitsangàna, ento ny fandrianao ary mandehana any an-tranonao." BSB BSB: But so that you may know that the Son of Man has authority on the earth to forgive sins…” He said to the paralytic, “I tell you, get up, pick up your mat, and go home.”
25 ULB Teo noho eo dia nitsangana teo anoloan'izy ireo izy ary naka ilay fandriana izay nandriany. Avy eo dia niala nankany an-tranony izy, nanome voninahitra an'Andriamanitra. BSB BSB: And immediately the man stood up before them, took what he had been lying on, and went home glorifying God.
26 ULB Talanjona ny rehetra ary nanome voninahitra an'Andriamanitra izy ireo. Feno tahotra izy ireo, niteny hoe: "Nahita zava-mahagaga isika androany." BSB BSB: Everyone was taken with amazement and glorified God. They were filled with awe and said, “We have seen remarkable things today.”
27 ULB Taorian'ny nitrangan'ireo zavatra ireo, dia niala teo i Jesosy ka nahita mpamory hetra iray izay antsoina hoe Levy nipetraka teo amin'ny trano lain'ny mpamory hetra. Niteny taminy Izy hoe: "Manaraha Ahy." BSB BSB: After this, Jesus went out and saw a tax collector named Levi sitting at the tax booth. “Follow Me,” He told him,
28 ULB Dia nitsangana i Levy ka nanaraka Azy, ka namela ny zava-drehetra. BSB BSB: and Levi got up, left everything, and followed Him.
29 ULB Dia nanao fanasana lehibe tao an-tranony ho an'i Jesosy i Levy. Betsaka ireo mpamory hetra sy ireo olona hafa izay nipetraka teo amin'ny latabatra ary nihinana niaraka tamin'izy ireo. BSB BSB: Then Levi hosted a great banquet for Jesus at his house. A large crowd of tax collectors was there, along with others who were eating with them.
30 ULB Kanefa ireo Fariseo sy ireo mpanora-dalàna dia nitaraina tamin'ireo mpianany, niteny hoe: "Nahoana ianao no mihinana sy misotro miaraka amin'ireo mpamory hetra sy ny olona mpanota hafa?" BSB BSB: But the Pharisees and their scribes complained to Jesus’ disciples, “Why do you eat and drink with tax collectors and sinners?”
31 ULB Namaly azy ireo Jesosy hoe: "Tsy mila dokotera ny olona salama; fa ireo marary ihany. BSB BSB: Jesus answered, “It is not the healthy who need a doctor, but the sick.
32 ULB Tsy tonga hiantso ny olo-marina ho amin'ny fibebahana Aho, fa hiantso ny mpanota ho amin'ny fibebahana." BSB BSB: I have not come to call the righteous, but sinners, to repentance.”
33 ULB Dia hoy izy ireo taminy hoe: "Ireo mpianatr'i Jaona dia matetika mifady hanina sy mivavaka, ary ireo mpianatr'ireo Fariseo dia manao toy izany koa. Kanefa ny mpianatrao dia mihinana sy misotro." BSB BSB: Then they said to Him, “John’s disciples and those of the Pharisees frequently fast and pray, but Yours keep on eating and drinking.”
34 ULB Jesosy niteny azy ireo hoe: "Moa ve misy olona mahavita mampifady hanina ny havan'ny mpampakatra raha toa ka mbola mitoetra eo amin'izy ireo ny mpampakatra? BSB BSB: Jesus replied, “Can you make the guests of the bridegroom fast while He is with them?
35 ULB Fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra eo amin'izy ireo, ary amin'izany andro izany dia hifady hanina izy ireo." BSB BSB: But the time will come when the bridegroom will be taken from them; then they will fast.”
36 ULB Dia nanao fanoharana tamin'izy ireo koa Jesosy. "Tsy misy olona mandrovitra tapa-damba avy amin'ny lamba vaovao ary mampiasa izany mba hanamboarana ny lamba tonta. Raha manao izany izy, dia hanimba ilay lamba vaovao, ary ilay tapa-damba avy amin'ilay lamba vaovao dia tsy hifanaraka amin'ilay lamba tonta. BSB BSB: He also told them a parable: “No one tears a piece of cloth from a new garment and sews it on an old one. If he does, he will tear the new garment as well, and the patch from the new will not match the old.
37 ULB Tsy misy olona manisy divay vaovao ao anatin'ny siny hoditra tonta. Raha manao izany izy, dia hampitriatra ny hoditra ilay divay vaovao, ary dia ho raraka ny divay, ary ho simba ilay siny hoditra. BSB BSB: And no one pours new wine into old wineskins. If he does, the new wine will burst the skins, the wine will spill, and the wineskins will be ruined.
38 ULB Fa ny divay vaovao dia tsy maintsy atao ao anatin'ny siny hoditra vaovao. BSB BSB: Instead, new wine is poured into new wineskins.
39 ULB Tsy misy olona avy nisotro ny divay taloha ka haniry ny vaovao, fa hoy izy hoe: 'Ilay taloha no tsara."' BSB BSB: And no one after drinking old wine wants new, for he says, ‘The old is better.’”