1 ULB Taorian'izany Jesosy, rehefa feno ny Fanahy Masina, dia niverina avy tany amin'ny reniranon'i Jordana, ary nentin'ny Fanahy Masina tany an'efitra BSB BSB: Then Jesus, full of the Holy Spirit, returned from the Jordan and was led by the Spirit into the wilderness,
2 ULB izay nakan'ny devoly fanahy Azy nandritry ny efapolo andro. Tsy nihinana na inona na inona Izy nandritra ireo andro ireo, ary tamin'ny fotoana farany dia noana Izy. BSB BSB: where for forty days He was tempted by the devil. He ate nothing during those days, and when they had ended, He was hungry.
3 ULB Ny devoly niteny taminy hoe: "Raha zanak'Andriamanitra Ianao, dia didio ho lasa mofo io vato io." BSB BSB: The devil said to Him, “If You are the Son of God, tell this stone to become bread.”
4 ULB Jesosy namaly azy hoe: "Voasoratra hoe: 'Tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona."' BSB BSB: But Jesus answered, “It is written: ‘Man shall not live on bread alone.’”
5 ULB Avy eo nentin'ny devoly teny amin'ny toerana avo Jesosy ary nasehony Azy vetivety avokoa ny fanjakana rehetran'izao tontolo izao. BSB BSB: Then the devil led Him up to a high place and showed Him in an instant all the kingdoms of the world.
6 ULB Ny devoly niteny taminy hoe: "Homeko anao ny fahefana rehetra sy ny famirapiratany rehetra, satria efa nomena ahy ireo, ary afaka omeko ny olona izay tiako omena azy. BSB BSB: “I will give You authority over all these kingdoms and all their glory,” he said. “For it has been relinquished to me, and I can give it to anyone I wish.
7 ULB Noho izany, raha miankohoka sy manompo ahy Ianao, dia ho lasanao izany." BSB BSB: So if You worship me, it will all be Yours.”
8 ULB Kanefa Jesosy namaly ka niteny azy hoe: "Voasoratra hoe: 'Hidera ny Tompo Andriamanitrao ianao, ary Izy irery ihany no ho tompoinao.'" BSB BSB: But Jesus answered, “It is written: ‘Worship the Lord your God and serve Him only.’”
9 ULB Avy eo ny devoly dia nitondra an'i Jesosy tany Jerosalema ary nataony teny amin'ny fara-tampon'ny tempoly, ary niteny taminy hoe: "Raha zanak'Andriamanitra Ianao, dia azerao avy ety ny tenenao. BSB BSB: Then the devil led Him to Jerusalem and set Him on the pinnacle of the temple. “If You are the Son of God,” he said, “throw Yourself down from here.
10 ULB Satria efa voasoratra hoe: 'Hibaiko ny anjeliny ny aminao Izy, mba hiaro anao,' BSB BSB: For it is written: ‘He will command His angels concerning You to guard You carefully,
11 ULB ary, 'Izy ireo hanandratra anao amin'ny tanany, mba tsy ho tafitohan'ny vato ny tongotrao.'" BSB BSB: and they will lift You up in their hands, so that You will not strike Your foot against a stone.’”
12 ULB Namaly azy, Jesosy niteny hoe: "Efa nambara hoe: 'Aza maka fanahy ny Tompo Andriamanitrao."' BSB BSB: But Jesus answered, “It also says, ‘Do not put the Lord your God to the test.’”
13 ULB Rehefa vita ny fangalan'ny devoly fanahy an'i Jesosy, dia lasa izy ary nandao Azy ambara pahatongan'ny fotoana hafa. BSB BSB: When the devil had finished every temptation, he left Him until an opportune time.
14 ULB Avy eo Jesosy niverina tany Galilia tamin'ny herin'ny Fanahy, ary ny vaovao momba Azy dia efa niely nanerana ny faritra manodidina rehetra. BSB BSB: Jesus returned to Galilee in the power of the Spirit, and the news about Him spread throughout the surrounding region.
15 ULB Dia nanomboka nampianatra tao amin'ny Synagogan'izy ireo Izy ary noderain'ny rehetra. BSB BSB: He taught in their synagogues and was glorified by everyone.
17 ULB Natolotra azy ny horonan-taratasin'Isaia mpaminany. Nosokafany ilay boky ary hitany ny toerana nanoratana azy, BSB BSB: the scroll of the prophet Isaiah was handed to Him. Unrolling it, He found the place where it was written:
18 ULB "Ny Fanahin'ny Tompo dia ato amiko, satria Izy nanosotra ahy hilaza ny vaovao mahafaly ho an'ny mahantra. Izy no nandefa ahy hanambara fahafahana ho an'ireo babo, ary hamerina ny fahitana ho an'ny jamba, hanafaka ireo izay ampahoriana, BSB BSB: “The Spirit of the Lord is on Me, because He has anointed Me to preach good news to the poor. He has sent Me to proclaim liberty to the captives and recovery of sight to the blind, to release the oppressed,
19 ULB hanambara ny taom-pankasitrahan'Andriamanitra." BSB BSB: to proclaim the year of the Lord’s favor.”
20 ULB Avy eo dia naoriny ny taratasy, naveriny tany amin'ny mpitandrina, ary nipetraka Izy. Ny mason'ireo rehetra tao amin'ny Synagoga dia nibanjina Azy. BSB BSB: Then He rolled up the scroll, returned it to the attendant, and sat down. The eyes of everyone in the synagogue were fixed on Him,
21 ULB Nanomboka niresaka tamin'izy ireo Izy hoe: "Androany ity Soratra Masina ity dia tanteraka eo am-pihainoanareo." BSB BSB: and He began by saying, “Today this Scripture is fulfilled in your hearing.”
22 ULB Ny rehetra tao dia nilaza tsara ny momba Azy ary gaga tamin'ny tenim-pahasoavana izay naloaky ny vavany izy ireo, ary nanontany Izy ireo hoe: "Fa tsy ilay zanak'i Josefa ve ity?" BSB BSB: All spoke well of Him and marveled at the gracious words that came from His lips. “Isn’t this the son of Joseph?” they asked.
23 ULB Izy niteny tamin'izy ireo hoe: "Azo antoka fa hilaza ity ohabolana ity amiko ianareo hoe: 'Dokotera, sitrano ny tenanao. Na inona na inona renay fa nataonao tao Kapernaomy, dia manoava toy izany any amin'ny taninao."' BSB BSB: Jesus said to them, “Surely you will quote this proverb to Me: ‘Physician, heal yourself! Do here in Your hometown what we have heard that You did in Capernaum.’”
24 ULB Nefa niteny Izy hoe: "Lazaiko marina aminareo, tsy misy mpaminany voaray ao amin'ny taniny. BSB BSB: Then He added, “Truly I tell you, no prophet is accepted in his hometown.
25 ULB Kanefa lazaiko marina aminareo fa maro ny vehivavy mpitondra-tena tany Israely tamin'ny andron'i Elia, raha nihidy ny lanitra nandritra ny telo taona sy enim-bolana, ary nisy mosary lehibe tonga teo amin'ny tany rehetra. BSB BSB: But I tell you truthfully that there were many widows in Israel in the time of Elijah, when the sky was shut for three and a half years and great famine swept over all the land.
26 ULB Nefa Elia tsy nalefa na tamin'iray tamin'izy ireo aza, fa tao Zerapata any Sidona ihany, tany amin'ny mpitondra tena izay nipetraka tany. BSB BSB: Yet Elijah was not sent to any of them, but to the widow of Zarephath in Sidon.
27 ULB Fa maro ireo boka tao Israely tamin'ny andron'i Elisa mpaminany, nefa tsy nisy na dia iray tamin'izy ireo aza sitrana afa-tsy Namàna ilay Syriana." BSB BSB: And there were many lepers in Israel in the time of Elisha the prophet. Yet not one of them was cleansed—only Naaman the Syrian.”
28 ULB Ny olona rehetra tao amin'ny Synagoga dia heniky ny hatezerana rehefa nandre ireo zavatra ireo. BSB BSB: On hearing this, all the people in the synagogue were enraged.
29 ULB Nitsangana izy ireo, nanery Azy hiala ny tanàna, ary nandefa Azy teny an-tampon'ny havoana izay niorenan'ny tananan'izy ireo, mba hanjerana Azy amin'ny hantsana. BSB BSB: They got up, drove Him out of the town, and led Him to the brow of the hill on which the town was built, in order to throw Him over the cliff.
30 ULB Nefa nandeha namakivaky teo afovoan'izy ireo Izy dia lasa nandeha tany amin'ny toeran-kafa. BSB BSB: But Jesus passed through the crowd and went on His way.
31 ULB Avy eo Izy dia nidina tany Kapernaomy, tanàna iray any Galilia, ary nanomboka nampianatra azy ireo tamin'ny Sabata Izy. BSB BSB: Then He went down to Capernaum, a town in Galilee, and on the Sabbath He began to teach the people.
32 ULB Izy ireo dia nitolagaga tamin'ny fampianarana nataony, satria niteny tamin'ny fahefana Izy. BSB BSB: They were astonished at His teaching, because His message had authority.
33 ULB Ary tao amin'ny Synagoga dia nisy lehilahy izay nitoeran'ny fanahy maloton'ny demonia, ary izy dia nihikiaka tamin'ny feo mafy hoe: BSB BSB: In the synagogue there was a man possessed by the spirit of an unclean demon. He cried out in a loud voice,
34 ULB "Ah! Inona no ifandraisanay aminao, ry Jesosy avy any Nazareta? Tonga mba hamotika anay ve Ianao? Fantatro hoe iza Ianao- ilay Iray Masin'Andriamanitra!" BSB BSB: “Ha! What do You want with us, Jesus of Nazareth? Have You come to destroy us? I know who You are—the Holy One of God!”
35 ULB Jesosy niteny mafy ilay demony, ka nanao hoe: "Aza miteny ary mialà ao aminy!" Rehefa nanipy ilay lehilahy hianjera teo afovoan'izy ireo ny demony, dia niala tao aminy, ary tsy nandratra azy akory. BSB BSB: But Jesus rebuked the demon. “Be silent!” He said. “Come out of him!” At this, the demon threw the man down before them all and came out without harming him.
36 ULB Nitologaga avokoa ny olona rehetra, ary nanohy nifampiresaka ny momba izany. Niteny izy ireo hoe: "Fa teny toy ny ahoana re izany?" Baikoiny amin'ny fahefana sy hery ny fanahy maloto dia mivoaka." BSB BSB: All the people were overcome with amazement and asked one another, “What is this message? With authority and power He commands the unclean spirits, and they come out!”
37 ULB Noho izany dia nanomboka niely nanerana ny faritra manodidina ny lazany. BSB BSB: And the news about Jesus spread throughout the surrounding region.
38 ULB Dia nandao ny synagoga Jesosy ary niditra tao an-tranon'i Simona. Ary nampijalian'ny tazo mahery ny rafozam-bavin'i Simona, ary niangavy taminy ho azy izy ireo. BSB BSB: After Jesus had left the synagogue, He went to the home of Simon, whose mother-in-law was suffering from a high fever. So they appealed to Jesus on her behalf,
39 ULB Ka nijoro teo anoloany Izy ary niteny mafy ny tazo, dia niala taminy izany. Avy hatrany izy dia nitsangana ary nanomboka nanompo azy ireo. BSB BSB: and He stood over her and rebuked the fever, and it left her. And she got up at once and began to serve them.
40 ULB Rehefa nilentika ny masoandro, dia nitondra ny olon-drehetra nararin'ny aretina maro samihafa teo amin'ny Jesosy ny olona. Nametra-tanana tamin'ny tsirariray avy amin'izy ireo Izy ka nanasitrana azy ireo. BSB BSB: At sunset, all who were ill with various diseases were brought to Jesus, and laying His hands on each one, He healed them.
41 ULB Ireo demony ihany koa dia niala tao amin'ny maro tamin'izy ireo, nihiakihaka mafy sy nilaza hoe: "Ianao no Zanak'Andriamanitra!" Jesosy niteny mafy ireo demonia ka tsy namela azy ireo hiteny, satria fantatr'izy ireo fa Izy no Kristy. BSB BSB: Demons also came out of many people, shouting, “You are the Son of God!” But He rebuked the demons and would not allow them to speak, because they knew He was the Christ.
42 ULB Vao mangiran-dratsy, dia nandeha tany amin'ny toerana mangingina Izy. Vahoaka maro be no nitady Azy ary nakeny amin'ny toerana izay nisy Azy. Izy ireo dia niezaka ny nihazona Azy mba tsy hiala eo amin'izy ireo. BSB BSB: At daybreak, Jesus went out to a solitary place, and the crowds were looking for Him. They came to Him and tried to keep Him from leaving.
43 ULB Fa Izy niteny tamin'izy ireo hoe: "Tsy maintsy mitory ny vaovao mahafaly momba ny fanjakan'Andriamanitra amin'ny tanàna maro hafa ihany koa Aho, satria izany no antony nanirahina Ahy tety. BSB BSB: But Jesus told them, “I must preach the good news of the kingdom of God to the other towns as well, because that is why I was sent.”
44 ULB Avy eo Izy dia nanohy nitory tao amin'ireo synagoga manerana an'i Jodia. BSB BSB: And He continued to preach in the synagogues of Judea.