1 ULB Jesosy niteny tamin'ireo mpianany hoe: "Azo antoka fa hisy zavatra afaka hanosika antsika hanota, fa loza ho an'ny olona izay hiavian'izany! BSB BSB: Jesus said to His disciples, “It is inevitable that stumbling blocks will come, but woe to the one through whom they come!
2 ULB Tsara ho azy kokoa raha asiana vato be eo amin'ny vozony ka atsipy any an-dranomasina, toy izay hahatafintohina ny iray amin'ireo madinika ireo. BSB BSB: It would be better for him to have a millstone hung around his neck and to be thrown into the sea than to cause one of these little ones to stumble.
3 ULB Mitandrema ianareo. Raha manota ny rahalahinareo, teneno mafy izy, ary raha mibebaka izy, mamelà azy. BSB BSB: Watch yourselves. If your brother sins, rebuke him; and if he repents, forgive him.
4 ULB Raha manota aminao impito ao anatin'ny iray andro izy, ka impito miverina aminao izy, miteny hoe: 'Mibebaka aho,' dia tsy maintsy mamela azy ianao!" BSB BSB: Even if he sins against you seven times in a day, and seven times returns to say, ‘I repent,’ you must forgive him.”
5 ULB Ireo apostoly niteny tamin'ny Tompo hoe: "Ampitomboy ny finoanay." BSB BSB: The apostles said to the Lord, “Increase our faith!”
6 ULB Ny Tompo niteny hoe: "Raha manana finoana ohatran'ny voatsinampy ianareo, dia afaka miteny amin'io voroihazo io hoe: 'Miongota, ary maniria any an-dranomasina,' dia hanaiky anareo izy. BSB BSB: And the Lord answered, “If you have faith the size of a mustard seed, you can say to this mulberry tree, ‘Be uprooted and planted in the sea,’ and it will obey you.
7 ULB Fa iza aminareo, no manana mpanompo miasa tany na miandry ondry, ka hiteny aminy rehefa tonga avy any an-tsaha izy hoe: 'Avia haingana ka mipetraha mba hihinana'? BSB BSB: Which of you whose servant comes in from plowing or shepherding in the field will say to him, ‘Come at once and sit down to eat’?
8 ULB Fa tsy hiteny aminy ve izy hoe: 'Hikarakarao zavatra hohaniko aho, ka asio fehikibo manodidina ny ankanjonao dia manompoa ahy mandrapahalanin'ny haniko sy fisotroako. Dia avy eo ianao mihinana sy misotro'? BSB BSB: Instead, won’t he tell him, ‘Prepare my meal and dress yourself to serve me while I eat and drink, and afterward you may eat and drink’?
9 ULB Tsy misaotra ilay mpanompo izy satria nanao ireo izay nibaikoana azy izy, sa misaotra ve izy? BSB BSB: Does he thank the servant because he did what he was told?
10 ULB Na dia ianareo koa aza, rehefa nahavita ireo zavatra rehetra izay nandidiana anareo ianareo, dia tokony hiteny hoe: 'Izahay dia mpanompo tsy mendrika. Izay tokony nataonay ihany no nataonay."' BSB BSB: So you also, when you have done everything commanded of you, should say, ‘We are unworthy servants; we have only done our duty.’”
11 ULB Ary raha nandeha ho any Jerosalema Izy, dia nandeha teo amin'ny sisin-tany teo anelanelan'i Samaria sy Galilia. BSB BSB: While Jesus was on His way to Jerusalem, He was passing between Samaria and Galilee.
12 ULB Rehefa niditra tao amin'ny tanàna iray izy, dia nisy boka folo lahy nifanena taminy tao. Nitsangana lavitra Azy izy ireo BSB BSB: As He entered one of the villages, He was met by ten lepers. They stood at a distance
13 ULB ary nanandratra avo ny feon'izy ireo, niteny hoe: "Jesosy, Tompo o, mamindrà fo aminay." BSB BSB: and raised their voices, shouting, “Jesus, Master, have mercy on us!”
14 ULB Rehefa nahita azy ireo Izy, dia niteny tamin'izy ireo hoe: "Mandehana dia ampisehoy amin'ireo mpisorona ny tenanareo." Raha iny lasa iny izy ireo dia nadio. BSB BSB: When Jesus saw them, He said, “Go, show yourselves to the priests.” And as they were on their way, they were cleansed.
15 ULB Rehefa nahita ny iray tamin'izy ireo fa sitrana izy, dia niverina, niaraka tamin'ny feo avo nankalaza an'Andriamanitra. BSB BSB: When one of them saw that he was healed, he came back, praising God in a loud voice.
16 ULB Niankohoka teo an-tongotr'i Jesosy izy, nanolotra fisaorana ho Azy. Izy dia Samaritana. BSB BSB: He fell facedown at Jesus’ feet in thanksgiving to Him—and he was a Samaritan.
17 ULB Ary Jesosy niteny hoe: "Tsy efa voadio ve izy folo? Fa aiza ny sivy? BSB BSB: “Were not all ten cleansed?” Jesus asked. “Where then are the other nine?
18 ULB Tsy nisy hafa niverina hanome voninahitra an'Andriamanitra ve, afa-tsy ity vahiny ity?" BSB BSB: Was no one found except this foreigner to return and give glory to God?”
19 ULB Ary hoy Izy taminy: "Mitsangàna, ka mandehana. Ny finoanao no nahasitrana anao." BSB BSB: Then Jesus said to him, “Rise and go; your faith has made you well!”
20 ULB Raha nanontanian'ireo Fariseo hoe rahoviana ny fanjakan'Andriamanitra no ho tonga, dia namaly azy ireo Jesosy ka niteny hoe: "Tsy taza-maso ny fiavian'ny fanjakan'Andriamanitra. BSB BSB: When asked by the Pharisees when the kingdom of God would come, Jesus replied, “The kingdom of God will not come with observable signs.
21 ULB Tsy hiteny koa izy ireo hoe: 'Jereo, Inty ilay izy!' na hoe: 'Iry ilay izy!' Fa indro, ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo." BSB BSB: Nor will people say, ‘Look, here it is,’ or ‘There it is.’ For you see, the kingdom of God is in your midst.”
22 ULB Hoy izy tamin'ireo mpianatra: "Avy ny andro hanirianareo ny hahita ny iray amin'ny andron'ny Zanak'Olona, fa tsy hahita izany ianareo. BSB BSB: Then He said to the disciples, “The time is coming when you will long to see one of the days of the Son of Man, but you will not see it.
23 ULB Ary izy ireo dia hiteny aminareo hoe: 'Jereo, ery! Jereo, ety!' Fa aza mivoaka na manenjika azy ireo, BSB BSB: People will tell you, ‘Look, there He is!’ or ‘Look, here He is!’ Do not go out or chase after them.
24 ULB fa tahaka ny tselatra mamiratra mazava rehefa mitaratra avy any amin'ny ilany ny lanitra ka hatrany any amin'ny ilany iray, dia toy izany ny Zanak'Olona amin'ny androny. BSB BSB: For just as the lightning flashes and lights up the sky from one end to the other, so will be the Son of Man in His day.
25 ULB Fa vaolohany dia tsy maintsy hijaly amin'ny zavatra maro Izy ary ho lavin'ity taranaka ity. BSB BSB: But first He must suffer many things and be rejected by this generation.
26 ULB Tahaka izay nitranga tamin'ny andron'i Noa, no hiseho koa amin'ny andron'ny Zanak'Olona. BSB BSB: Just as it was in the days of Noah, so also will it be in the days of the Son of Man:
27 ULB Nihinana izy ireo, nisotro, nanambady, natolotra ho ampakarina, mandra-pihavin'ny andro izay nidiran'i Noa tao amin'ny sambofiara_ ary tonga ny Safo-drano ka nandringana azy rehetra. BSB BSB: People were eating and drinking, marrying and being given in marriage, up to the day Noah entered the ark. Then the flood came and destroyed them all.
28 ULB Tahaka izay nitranga tamin'ny andron'i Lota_ nihinana sady nisotro izy ireo, nividy sy nivarotra, namboly sy nanao trano. BSB BSB: It was the same in the days of Lot: People were eating and drinking, buying and selling, planting and building.
29 ULB Fa tamin'ny andro izay nivoahan'i Lota avy tao Sodoma, dia afo sy solifara no nilatsaka avy tany an-danitra ka nandringana azy rehetra. BSB BSB: But on the day Lot left Sodom, fire and sulfur rained down from heaven and destroyed them all.
30 ULB Dia ohatran'izany koa ny amin'ny andro hisehoan'ny Zanak'Olona. BSB BSB: It will be just like that on the day the Son of Man is revealed.
31 ULB Amin'izany andro izany, aza avela hidina haka ireo entany ho eny ivelan'ny trano izay eny amin'ny tampon-trano; ary aza avela hiverina izay any an-tsaha. BSB BSB: On that day, let no one on the housetop come down to retrieve his possessions. Likewise, let no one in the field return for anything he has left behind.
32 ULB Tadidio ny vadin'i Lota. BSB BSB: Remember Lot’s wife!
33 ULB Na iza na iza mitady hamonjy ny ainy dia hahavery azy, fa na iza na iza hahavery ny ainy dia hamonjy azy. BSB BSB: Whoever tries to save his life will lose it, but whoever loses his life will preserve it.
34 ULB Milaza aminareo Aho, fa amin'izany alina izany dia hisy olona roa eo ambonin'ny fandriana iray. Ny iray dia horaisina, ary ny iray ho avela. BSB BSB: I tell you, on that night two people will be in one bed: one will be taken and the other left.
35 ULB Ary hisy roa vavy miara-mitoto vary. Ny anankiray ho raisina, ary ny anankiray ho avela." BSB BSB: Two women will be grinding grain together: one will be taken and the other left.”
37 ULB Nanontany Azy izy ireo hoe: "Aiza, Tompo?" ary Izy niteny tamin'izy ireo hoe: "Izay hitoeran'ny faty, dia any koa no hisy votoro hiara-miangona." BSB BSB: “Where, Lord?” they asked. Jesus answered, “Wherever there is a carcass, there the vultures will gather.”