2 ULB niteny hoe: "Tao amin'ny tanàna iray dia nisy mpitsara izay tsy natahotra an'Andriamanitra ary tsy nanaja olona. BSB BSB: “In a certain town there was a judge who neither feared God nor respected men.
3 ULB Ary nisy mpitondra-tena iray tao amin'io tanàna io, ary izy nankany aminy matetika, niteny hoe: 'Ampio aho mba hahazoako rariny manoloana ny fahavaloko.' BSB BSB: And there was a widow in that town who kept appealing to him, ‘Give me justice against my adversary.’
4 ULB Fa efa hatry ny ela izy no tsy vonona ny hanampy azy, fa taoriana kelin'izany dia niteny tamin'ny tenany izy hoe: 'Na dia tsy matahotra an'Andriamanitra aza aho na tsy manaja olona, BSB BSB: For a while he refused, but later he said to himself, ‘Though I neither fear God nor respect men,
5 ULB fa koa satria manahirana ahy ity mpitondra-tena ity, dia hanampy azy aho mba hahazoany rariny, mba tsy handreraka ahy nohon'ny fivezivezeny lava aty intsony izy.'" BSB BSB: yet because this widow keeps pestering me, I will give her justice. Otherwise, she will wear me out with her perpetual requests.’”
6 ULB Avy eo niteny ny Tompo hoe: "Henoy izay ambaran'ilay mpitsara tsy marina. BSB BSB: And the Lord said, “Listen to the words of the unjust judge.
7 ULB Ary tsy hitondra rariny ho an'izay voafidiny izay miantso mafy Azy andro aman'alina koa ve Andriamanitra? Hangatak'andro lava amin'izy ireo ve izy? BSB BSB: Will not God bring about justice for His elect who cry out to Him day and night? Will He delay in helping them?
8 ULB Lazaiko aminareo fa hitondra rariny faingana amin'izy ireo izy. Toy izany koa, rehefa tonga ny Zanak'Olona, hahita finoana ety an-tany tokoa ve Izy?" BSB BSB: I tell you, He will promptly carry out justice on their behalf. Nevertheless, when the Son of Man comes, will He find faith on earth?”
10 ULB "Nisy roa lahy niakatra tao an-tempoly mba hivavaka_ ny iray dia Fariseo ary ny iray hafa dia mpamory hetra." BSB BSB: “Two men went up to the temple to pray. One was a Pharisee and the other a tax collector.
11 ULB Ilay fariseo nitsangana ary nivavaka ireto zavatra momban'ny tenany ireto hoe: 'Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mitovy amin'ny olona hafa_ mpangalatra, olona tsy marina, mpijangajanga_ na tahaka ity mpamory hetra ity aza. BSB BSB: The Pharisee stood by himself and prayed, ‘God, I thank You that I am not like other men—swindlers, evildoers, adulterers—or even like this tax collector.
12 ULB Mifady hanina indroa isan-kerinandro aho. Manome ny ampahafolon'izay azoko rehetra aho.' BSB BSB: I fast twice a week and pay tithes of all that I acquire.’
13 ULB Fa ilay mpamory hetra, nijoro teny alavitra, tsy nety nanandratra ny masony teny amin'ny lanitra akory, fa niteha-tratra, niteny hoe: 'Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko, mpanota.' BSB BSB: But the tax collector stood at a distance, unwilling even to lift up his eyes to heaven. Instead, he beat his breast and said, ‘God, have mercy on me, a sinner!’
14 ULB Milaza aminareo Aho, io lehilahy io dia niverina nidina tany an-tranony voamarina noho ilay iray, satria izay rehetra manandra-tena dia hahetry, fa izay rehetra manetri-tena no hasandratra." BSB BSB: I tell you, this man, rather than the Pharisee, went home justified. For everyone who exalts himself will be humbled, but the one who humbles himself will be exalted.”
15 ULB Ny olona koa dia nitondra ny zanany kely teo Aminy, mba hikasihany azy ireo, fa rehefa nahita izany ireo mpianatra, dia niteny mafy azy ireo. BSB BSB: Now people were even bringing their babies to Jesus for Him to place His hands on them. And when the disciples saw this, they rebuked those who brought them.
16 ULB Fa Jesosy niantso azy ireo hanatona Azy, niteny hoe: "Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna izy ireo. Fa an'ny toa azy ireo ny fanjakan'Andriamanitra. BSB BSB: But Jesus called the children to Him and said, “Let the little children come to Me, and do not hinder them! For the kingdom of God belongs to such as these.
17 ULB Lazaiko marina aminareo, na iza na iza tsy handray ny fanjakan'Andriamanitra toy ny zaza dia tsy hiditra ao amin'izany mihintsy." BSB BSB: Truly I tell you, anyone who does not receive the kingdom of God like a little child will never enter it.”
18 ULB Ary nisy mpanapaka iray nanontany Azy, nanao hoe: "Mpampianatra tsara ô, inona no tsy maintsy hataoko mba handovako ny fiainana mandrakizay?" BSB BSB: Then a certain ruler asked Him, “Good Teacher, what must I do to inherit eternal life?”
19 ULB Jesosy niteny taminy hoe: "Nahoana Aho no antsoinao hoe tsara? Tsy misy olona tsara, afa-tsy Andriamanitra irery ihany. BSB BSB: “Why do you call Me good?” Jesus replied. “No one is good except God alone.
20 ULB Fantatrao ireo didy_ Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mijoro vavolombelona mandainga, manajà ny rainao sy ny reninao." BSB BSB: You know the commandments: ‘Do not commit adultery, do not murder, do not steal, do not bear false witness, honor your father and mother.’”
21 ULB Niteny ilay mpanapaka hoe: "Izany rehetra izany dia efa nankatoaviko hatry ny fony izaho tanora." BSB BSB: “All these I have kept from my youth,” he said.
22 ULB Rehefa naheno izany Jesosy, dia niteny taminy hoe: "zavatra iray no tsy ampy aminao. Tsy maintsy mivarotra izay rehetra anananao ianao ary mizara izany amin'ny mahantra, ary hanana harena any an-danitra ianao_ ary avia, manaraha Ahy." BSB BSB: On hearing this, Jesus told him, “You still lack one thing: Sell everything you own and give to the poor, and you will have treasure in heaven. Then come, follow Me.”
23 ULB Fa rehefa naheno ireo zavatra ireo ilay mpanapaka, dia nanjary nalahelo loatra, fa nanan-karena be izy. BSB BSB: But when the ruler heard this, he became very sad, because he was extremely wealthy.
24 ULB Ary Jesosy, nahita azy, nanjary nalahelo mafy ary niteny hoe: "Manao ahoana ny fahasarotan'ny fidirana ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra ho an'ireo izay mpanan-karena! BSB BSB: Seeing the man’s sadness, Jesus said, “How hard it is for the rich to enter the kingdom of God!
25 ULB Fa moramora kokoa ho an'ny rameva ny hiditra amin'ny vodim-panjaitra, nohon'ny hidiran'ny olona mpanan-karena iray ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra." BSB BSB: Indeed, it is easier for a camel to pass through the eye of a needle than for a rich man to enter the kingdom of God.”
26 ULB Ireo izay naheno izany dia niteny hoe: "Iza ary no afaka ho vonjena?" BSB BSB: Those who heard this asked, “Who then can be saved?”
27 ULB Jesosy namaly hoe: "ireo zavatra izay tsy hain'olombelona dia hain'Andriamanitra." BSB BSB: But Jesus said, “What is impossible with man is possible with God.”
28 ULB Petera niteny hoe: "Indro, nandao ny zavatra rehetra izay anay izahay ary nanaraka Anao." BSB BSB: “Look,” said Peter, “we have left all we had to follow You.”
30 ULB izay tsy hahazo bebe kokoa amin'ity izao tontolo izao ity, ary amin'ny andro ho avy, dia fiainana mandrakizay." BSB BSB: will fail to receive many times more in this age—and in the age to come, eternal life.”
31 ULB Rehefa avy nanangona ny roa ambin'ny folo lahy teo Aminy Izy, dia hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Indro, miakatra ho any Jerosalema isika, ka ireo zavatra rehetra izay voasoratr'ireo mpaminany momban'ny Zanak'Olona dia ho tanteraka. BSB BSB: Then Jesus took the Twelve aside and said to them, “Look, we are going up to Jerusalem, and everything the prophets have written about the Son of Man will be fulfilled.
32 ULB Fa hatolotra eo amin'ireo Jentilisa Izy, ka hihomehezana, sy halana baraka, ary ho roràna. BSB BSB: He will be delivered over to the Gentiles and will be mocked and insulted and spit upon.
33 ULB Aorian'ny hikapohana Azy, dia ho vonoin'izy ireo Izy ary amin'ny andro fahatelo dia hitsangana indray Izy." BSB BSB: They will flog Him and kill Him, and on the third day He will rise again.”
34 ULB Tsy nahatakatra na inona na inona tamin'ireo zavatra ireo izy ireo, ary nafenina tamin'izy ireo izany teny izany, ary tsy azon'izy ireo ny zavatra izay voalaza. BSB BSB: But the disciples did not understand any of these things. The meaning was hidden from them, and they did not comprehend what He was saying.
35 ULB Ary raha nanakaiky an'i Jeriko i Jesosy, dia nisy lehilahy jamba iray nipetraka teo an-tsisin-dalana nangataka, BSB BSB: As Jesus drew near to Jericho, a blind man was sitting beside the road, begging.
36 ULB ary raha nandre ny vahoaka nandalo, dia nanontany izay zavatra nitranga izy. BSB BSB: When he heard the crowd going by, he asked what was happening.
37 ULB Nilaza taminy izy ireo hoe nandalo teo Jesosy avy any Nazareta. BSB BSB: “Jesus of Nazareth is passing by,” they told him.
38 ULB Koa niantso mafy ilay lehilahy jamba, nanao hoe: "Jesosy, Zanak'i Davida, mamindrà fo amiko." BSB BSB: So he called out, “Jesus, Son of David, have mercy on me!”
39 ULB Fa ireo izay nandeha nialoha dia niteny mafy an'ilay lehilahy jamba, ka niteny taminy mba hangina. Fa izy vao maika niantsoantso mafy hoe: "Ry Zanak'i Davida, mamindrà fo amiko." BSB BSB: Those who led the way admonished him to be silent, but he cried out all the louder, “Son of David, have mercy on me!”
40 ULB Jesosy nijanona ary nandidy ny mba hitondrana ilay lehilahy ho eo aminy. Ary rehefa teo akaiky ilay lehilahy jamba, dia nanontany azy Jesosy hoe: BSB BSB: Jesus stopped and directed that the man be brought to Him. When he had come near, Jesus asked him,
41 ULB "Inona no tianao hataoko ho anao?" Niteny izy hoe: "Tompo, te-hahiratra aho." BSB BSB: “What do you want Me to do for you?” “Lord,” he said, “let me see again.”
42 ULB Jesosy niteny taminy hoe: "Mahiràta. Ny finoanao no nahasitrana anao." BSB BSB: “Receive your sight!” Jesus replied. “Your faith has healed you.”
43 ULB Teo noho eo dia nahiratra izy ary nanaraka Azy, nanome voninahitra an' Andriamanitra. Ny olona rehetra, rehefa nahita izany, dia nanolotra fiderana ho an'Andriamanitra. BSB BSB: Immediately he received his sight and followed Jesus, glorifying God. And all the people, when they saw it, gave praise to God.