1 ULB Niditra Jesosy ary nandalo an'i Jeriko. BSB BSB: Then Jesus entered Jericho and was passing through.
2 ULB Indro, nisy lehilahy izay nantsoina hoe Zakaiosy teo. Izy dia lehiben'ny mpamory hetra sady nanan-karena. BSB BSB: And there was a man named Zacchaeus, a chief tax collector, who was very wealthy.
3 ULB Niezaka ny hahita izy hoe iza Jesosy, kanefa tsy afaka nahita tao anaty vahoaka, satria fohy izy. BSB BSB: He was trying to see who Jesus was, but could not see over the crowd because he was small in stature.
4 ULB Koa nihazakazaka nialoha ireo olona izy ary nihanika hazon'aviavy anankiray mba hahita Azy, satria handalo amin'izany lalana izany Jesosy. BSB BSB: So he ran on ahead and climbed a sycamore tree to see Him, since Jesus was about to pass that way.
5 ULB Nony tonga teo amin'ilay toerana Jesosy, dia niandrandra Izy ka niteny taminy hoe: "Ry Zakaiosy, midina faingana, fa anio dia tsy maintsy hijanona ao an-tranonao Aho." BSB BSB: When Jesus came to that place, He looked up and said, “Zacchaeus, hurry down, for I must stay at your house today.”
6 ULB Dia nidina faingana izy ary nandray Azy tamim-pifaliana. BSB BSB: So Zacchaeus hurried down and welcomed Him joyfully.
7 ULB Rehefa nahita izany ny rehetra, dia nitaraina avokoa, niteny hoe: "Niditra hamangy lehilahy izay mpanota Izy" BSB BSB: And all who saw this began to grumble, saying, “He has gone to be the guest of a sinful man!”
8 ULB Nitsangana Zakaiosy ka niteny tamin'ny Tompo hoe: "Jereo, ry Tompo, ny atsasaky ny fananako dia omeko ho an'ny mahantra, ary raha toa ka nisy zavatra nanambakako olona, dia honerako avo efatra heny." BSB BSB: But Zacchaeus stood up and said to the Lord, “Look, Lord, half of my possessions I give to the poor, and if I have cheated anyone, I will repay it fourfold.”
9 ULB Jesosy niteny taminy hoe: "Androany ny famonjena no tonga ato amin'ity tokantrano ity, satria izy koa dia zanak'i Abrahama. BSB BSB: Jesus said to him, “Today salvation has come to this house, because this man too is a son of Abraham.
10 ULB Fa ny Zanak'Olona dia tonga mba hitady sy hamonjy ireo olona izay very." BSB BSB: For the Son of Man came to seek and to save the lost.”
11 ULB Raha nandre izany zavatra izany izy ireo, dia nanohy niteny Izy ary nanao fanoharana anankiray, satria teo akaikin'i Jerosalema Izy, ary izy ireo nieritreritra fa hiseho teo noho eo ny fanjakan'Andriamanitra. BSB BSB: While the people were listening to this, Jesus proceeded to tell them a parable, because He was near Jerusalem and they thought the kingdom of God would appear imminently.
12 ULB Noho izany Izy dia niteny hoe: "Nisy tandapa iray nandeha tany an-tany lavitra mba hahazo fanjakana ho an'ny tenany ary hiverina avy eo. BSB BSB: So He said, “A man of noble birth went to a distant country to lay claim to his kingship and then return.
13 ULB Niantso folo lahy tamin'ireo mpanompony izy, ary nanome farantsa folo azy ireo, ary niteny tamin'izy ireo hoe: 'Manaova raharaham-barotra mandra-piveriko." BSB BSB: Beforehand, he called ten of his servants and gave them ten minas. ‘Conduct business with this until I return,’ he said.
14 ULB Kanefa ireo vahoakany nankahala azy ary nandefa solontena nanaraka azy, niteny hoe: 'Tsy ilainay ny hanjakan'io lehilahy io eto aminay.' BSB BSB: But his subjects hated him and sent a delegation after him to say, ‘We do not want this man to rule over us.’
15 ULB Ary rehefa niverina indray izy, avy nandray ny fanjakana, dia nandidy ireo mpanompony izay nomeny vola mba ho eo aminy izy, mba hahafatarany izay tombony azon'izy ireo tamin'ny fanaovana raharaham-barotra. BSB BSB: When he returned from procuring his kingship, he summoned the servants to whom he had given the money, to find out what each one had earned.
16 ULB Tonga teo anoloany ny voalohany, niteny hoe: 'Tompo, ny farantsanao dia nahazo tombony farantsa folo mihoatra.' BSB BSB: The first servant came forward and said, ‘Master, your mina has produced ten more minas.’
17 ULB Niteny azy ilay tandapa hoe: 'Tsara izany, ry mpanompo tsara. Noho ianao nahatoky tamin'ny kely dia kely, dia hanam-pahefana amin'ny tanàna folo ianao.' BSB BSB: His master replied, ‘Well done, good servant! Because you have been faithful in a very small matter, you shall have authority over ten cities.’
18 ULB Tonga ilay faharoa, niteny hoe: 'Ny farantsanao, tompo, dia nahavita farantsa dimy.' BSB BSB: The second servant came and said, ‘Master, your mina has made five minas.’
19 ULB Ary niteny taminy ilay tandapa hoe: 'Hiandraikitra tanàna dimy ianao.' BSB BSB: And to this one he said, ‘You shall have authority over five cities.’
20 ULB Tonga ny iray hafa, niteny hoe: 'Tompo, indro ny farantsanao, izay notehiriziko tsara tao anaty lamba, BSB BSB: Then another servant came and said, ‘Master, here is your mina, which I have laid away in a piece of cloth.
21 ULB fa natahotra anao aho, satria lehilahy masiaka ianao. Ka maka izay tsy napetrakao, ary mijinja izay tsy nafafinao.' BSB BSB: For I was afraid of you, because you are a harsh man. You withdraw what you did not deposit and reap what you did not sow.’
22 ULB Niteny taminy ilay tandapa hoe: 'Amin'ny teninao manokana no hitsarako anao, ianao ry mpanompo ratsy fanahy. Fantatrao fa izaho dia lehilahy masiaka, maka izay tsy napetrako, ary mijinja izay tsy nafafiko. BSB BSB: His master replied, ‘You wicked servant, I will judge you by your own words. So you knew that I am a harsh man, withdrawing what I did not deposit and reaping what I did not sow?
23 ULB Koa nahoana no tsy napetrakao tany amin'ny mpitahiry vola ny volako, ka rehefa niverina aho dia ho nandray izany niaraka tamin'ny zanany?' BSB BSB: Why then did you not deposit my money in the bank, and upon my return I could have collected it with interest?’
24 ULB Ilay tandapa niteny tamin'ireo izay nijoro teo akaiky teo hoe: 'Esory aminy ny farantsa, ary omeo an'ilay manana ny farantsa folo.' BSB BSB: Then he told those standing by, ‘Take the mina from him and give it to the one who has ten minas.’
25 ULB Ary hoy izy ireo taminy hoe: "Tompo, manana farantsa folo izy.' BSB BSB: ‘Master,’ they said, ‘he already has ten!’
26 ULB 'Izaho miteny aminareo, fa izay rehetra manana dia homena mihoatra, fa izay tsy manana, na dia izay ananany aza dia ho alaina. BSB BSB: He replied, ‘I tell you that everyone who has will be given more; but the one who does not have, even what he has will be taken away from him.
27 ULB Fa ireo fahavaloko, ireo izay tsy naniry ahy hanjaka eo amin' izy ireo, ento aty izy ireo ary vonoy eto anoloako.'" BSB BSB: And these enemies of mine who were unwilling for me to rule over them, bring them here and slay them in front of me.’”
28 ULB Rehefa avy nilaza an'ireo zavatra ireo izy, dia nandeha nialoha, niakatra ho any Jerosalema. BSB BSB: After Jesus had said this, He went on ahead, going up to Jerusalem.
29 ULB Ary nony tonga teo akaikin'i Betifaga sy Betania Izy, teo amin'ny tendrombohitra antsoina hoe Oliva, dia naniraka ny roa tamin'ireo mpianany Izy, BSB BSB: As He approached Bethphage and Bethany at the Mount of Olives, He sent out two of His disciples,
30 ULB niteny hoe: "Mandehana any amin'ny tanàna manaraka. Rehefa miditra ianareo, dia hahita zana-boriky iray mbola tsy notaingenan'olona mihitsy. Vahao izany dia ento aty amiko. BSB BSB: saying, “Go into the village ahead of you, and as you enter it, you will find a colt tied there, on which no one has ever sat. Untie it and bring it here.
31 ULB Raha misy manontany anareo hoe: 'Nahoana no vahanareo io?' dia lazao hoe: 'Misy ilàn'ny Tompo azy.' BSB BSB: If anyone asks, ‘Why are you untying it?’ tell him, ‘The Lord needs it.’”
32 ULB Ireo izay nirahina dia nandeha ary nahita ilay zana-boriky araka ny nolazain'i Jesosy tamin'izy ireo. BSB BSB: So those who were sent went out and found it just as Jesus had told them.
33 ULB Raha teo am-pamahana ny zana-boriky izy ireo, dia hoy ireo tompony tamin'izy ireo hoe: "Nahoana no vahanareo ny zana-boriky?" BSB BSB: As they were untying the colt, its owners asked, “Why are you untying the colt?”
34 ULB Niteny izy ireo hoe: "Misy ilàn'ny Tompo azy." BSB BSB: “The Lord needs it,” they answered.
35 ULB Noentin'izy ireo tany amin'i Jesosy izany, ary napetrak'izy ireo teo ambonin'ny zana-boriky ny lambany ary nametraka an'i Jesosy teo amboniny. BSB BSB: Then they led the colt to Jesus, threw their cloaks over it, and put Jesus on it.
36 ULB Raha nandeha iny Izy, dia novelarin'izy ireo teo amin'ny lalana ny lamban'izy ireo. BSB BSB: As He rode along, the people spread their cloaks on the road.
37 ULB Ary rehefa nanakaiky an'ilay toerana fidinana amin'ny Tendrombohitr'Oliva Izy, dia nanomboka nifaly ireo mpianany maro be ary nidera an'Andriamanitra tamin'ny feo mafy nohon'ny asa lehibe rehetra izay hitan'izy ireo, BSB BSB: And as He approached the descent from the Mount of Olives, the whole multitude of disciples began to praise God joyfully in a loud voice for all the miracles they had seen:
38 ULB niteny hoe: "Deraina anie ny mpanjaka izay avy amin'ny anaran'ny Tompo! Fiadanana any an-danitra ary voninahitra any amin'ny avo indrindra!" BSB BSB: “Blessed is the King who comes in the name of the Lord!” “Peace in heaven and glory in the highest!”
39 ULB Ny Fariseo sasany teo amin'ny vahoaka dia nilaza taminy hoe: "Mpampianatra ô, teneno mafy ireo mpianatrao." BSB BSB: But some of the Pharisees in the crowd said to Him, “Teacher, rebuke Your disciples!”
40 ULB Namaly Jesosy ary niteny hoe: "Lazaiko aminareo, fa raha mangina ireo, dia hikiaka ny vato." BSB BSB: “I tell you,” He answered, “if they remain silent, the very stones will cry out.”
41 ULB Rehefa nanatona ny tanàna Jesosy, dia nitomany azy, BSB BSB: As Jesus approached Jerusalem and saw the city, He wept over it
42 ULB niteny hoe: "Raha mba fantatrao mantsy amin'izao andro izao, eny ianao, ireo zavatra izay mitondra fiadanana ho anao! Nefa ankehitriny ireny dia miafina amin'ny masonao. BSB BSB: and said, “If only you had known on this day what would bring you peace! But now it is hidden from your eyes.
43 ULB Fa ho avy aminao ireo andro, izay hananganan'ny fahavalonao manda manodidina anao, ary hanodidina anao, ary hanery anao amin'ny lafiny rehetra. BSB BSB: For the days will come upon you when your enemies will barricade you and surround you and hem you in on every side.
44 ULB Izy ireo dia hampianjera anao amin'ny tany miaraka amin'ny zanakao. Tsy hamela na dia vato iray mifanaingina aza izy ireo, satria ianao tsy nahafantra izany fony Andriamanitra niezaka ny hamonjy anao." BSB BSB: They will level you to the ground—you and the children within your walls. They will not leave one stone on another, because you did not recognize the time of your visitation from God.”
45 ULB Niditra tao an-tempoly Jesosy ary nanomboka nandroaka ireo izay nivarotra, BSB BSB: Then Jesus entered the temple courts and began to drive out those who were selling there.
46 ULB niteny tamin'izy ireo hoe: "Efa voasoratra hoe: 'Ny tranoko dia natao trano fivavahana,' fa ianareo kosa nanao izany ho zohy fieren'ireo jiolahy." BSB BSB: He declared to them, “It is written: ‘My house will be a house of prayer.’ But you have made it ‘a den of robbers.’”
47 ULB Koa dia nampianatra isan'andro tao an-tempoly Jesosy. Ireo lohan'ny mpisorona sy ireo mpanora-dalàna ary ireo mpitarika ny vahoaka dia nitady hamono azy, BSB BSB: Jesus was teaching at the temple every day, but the chief priests, scribes, and leaders of the people were intent on killing Him.
48 ULB fa tsy nahita fomba hanaovana izany izy ireo, satria nazoto nihaino Azy avokoa ny vahoaka rehetra. BSB BSB: Yet they could not find a way to do so, because all the people hung on His words.