1 ULB Ary indray andro, raha nampianatra ny vahoaka tao amin'ny tempoly Jesosy ary nitory ny filazantsara, dia nanatona Azy ireo lohan'ny mpisorona sy mpanora-dalàna niaraka tamin'ireo loholona. BSB BSB: One day as Jesus was teaching the people in the temple courts and proclaiming the gospel, the chief priests and scribes, together with the elders, came up to Him.
2 ULB Niteny izy ireo, nanao taminy hoe: "Lazao anay hoe amin'ny fahefana inona no hanaovanao ireo zavatra ireo? Na koa iza no nanome anao izao fahefana izao?" BSB BSB: “Tell us,” they said, “by what authority are You doing these things, and who gave You this authority?”
3 ULB Namaly Izy ary niteny azy ireo hoe: "Izaho koa dia hametraka fanontaniana aminareo. Teneno Ahy ny mahakasika BSB BSB: “I will also ask you a question,” Jesus replied. “Tell Me:
4 ULB ny batisan'i Jaona. Moa ve izany avy any an-danitra sa avy amin'ny olombelona?" BSB BSB: John’s baptism—was it from heaven, or from men?”
5 ULB Niady hevitra izy ireo, niteny hoe: "Raha hamaly isika hoe: 'Avy any an-danitra' dia hiteny Izy hoe: 'Koa nahaona ianareo no tsy nino Azy?' BSB BSB: They deliberated among themselves and said, “If we say, ‘From heaven,’ He will ask, ‘Why did you not believe him?’
6 ULB Fa raha miteny isika hoe: 'Avy amin'ny olombelona,' dia hitora-bato antsika ny vahoaka rehetra, satria izy ireo dia resy lahatra fa Jaona dia mpaminany." BSB BSB: But if we say, ‘From men,’ all the people will stone us, for they are convinced that John was a prophet.”
7 ULB Noho izany dia namaly izy ireo fa tsy fantatr'izy ireo izay niaviny. BSB BSB: So they answered that they did not know where it was from.
8 ULB Jesosy niteny tamin'izy ireo hoe: "Izaho koa tsy hilaza aminareo izay fahefana hanaovako izao zavatra rehetra izao." BSB BSB: And Jesus replied, “Neither will I tell you by what authority I am doing these things.”
9 ULB Noteneniny tamin'ny vahoaka izao fanoharana izao: "Nisy lehilahy iray nanao tanim-boaloboka, nampanofa izany tamin'ny mpamboly voaloboka, ary nandeha tany amin'ny firenena hafa nandritra ny fotoana maharitra. BSB BSB: Then He proceeded to tell the people this parable: “A man planted a vineyard, rented it out to some tenants, and went away for a long time.
10 ULB Tamin'ny ora voatondro dia nandefa mpanompo izy ho any amin'ireo mpamboly voaloboka, fa tokony hanome azy ny voankazon'ilay tanim-boaloboka izy ireo. Nokapohin'ireo mpamboly anefa izy, ary nalefany niverina tanam-polo. BSB BSB: At harvest time, he sent a servant to the tenants to collect his share of the fruit of the vineyard. But the tenants beat the servant and sent him away empty-handed.
11 ULB Avy eo dia nandefa mpanompo hafa indray izy ary dia nokapohin'izy ireo ihany koa, nalainy baraka, ary nalefan'izy ireo tanam-polo. BSB BSB: So he sent another servant, but they beat him and treated him shamefully, sending him away empty-handed.
12 ULB Mbola nandefa fanintelony izy ary noratrain'izy ireo koa izy, ary noroahiny. BSB BSB: Then he sent a third, but they wounded him and threw him out.
13 ULB Noho izany dia niteny ny tompon'ilay tanim-boaloboka hoe: 'Inona no ho ataoko? Halefako any ny zanaka lahy malalako. Mety mba ho hajain'izy ireo izy." BSB BSB: ‘What shall I do?’ asked the owner of the vineyard. ‘I will send my beloved son. Perhaps they will respect him.’
14 ULB Fa rehefa tazan'ireo mpamboly voaloboka izy, dia nifampiresaka izy ireo, niteny hoe: 'Io ilay mpandova. Ndeha ho vonointsika izy, mba ho lasantsika ny lova.' BSB BSB: But when the tenants saw the son, they discussed it among themselves and said, ‘This is the heir. Let us kill him, and the inheritance will be ours.’
15 ULB Noroahin'izy ireo niala ny tanim-boaloboka izy ary novonoin'izy ireo. Inona ary no ho ataon'ny tompon'ilay tanim-boaloboka amin'izy ireo? BSB BSB: So they threw him out of the vineyard and killed him. What then will the owner of the vineyard do to them?
16 ULB Ho avy izy ary hamotika ireo mpamboly voaloboka, ary hanome ilay tanim-boaloboka ho an'ny hafa." Rehefa naheno izany izy ireo, dia niteny hoe: "Sanatria amin'Andriamanitra!" BSB BSB: He will come and kill those tenants and give the vineyard to others.” And when the people heard this, they said, “May such a thing never happen!”
17 ULB Fa nijery azy ireo Jesosy, niteny hoe: "Inona no hevitr'ilay voasoratra hoe: 'Ny vato izay nolavin'ireo mpanorin-trano no tonga vato fehizoro'? BSB BSB: But Jesus looked directly at them and said, “Then what is the meaning of that which is written: ‘The stone the builders rejected has become the cornerstone’?
18 ULB Ny tsirairay izay mianjera eo amin'io vato io dia ho torotoro. Fa na iza na iza hianjerany, dia ho potika." BSB BSB: Everyone who falls on this stone will be broken to pieces, but he on whom it falls will be crushed.”
19 ULB Koa nitady hisambotra Azy tamin'io ora io ireo mpanora-dalàna sy ireo mpisorona, fa fantatr'izy ireo fa nolazainy io fanoharana io hanohitra azy ireo. Kanefa natahotra ny vahoaka izy ireo. BSB BSB: When the scribes and chief priests realized that Jesus had spoken this parable against them, they sought to arrest Him that very hour. But they were afraid of the people.
20 ULB Teo am-pandinihina Azy tsara, dia nandefa mpitsikilo mody ho marina izy ireo, mba afahan'izy ireo mahita tsiny amin'ny teneniny, ka hanolotra Azy eo amin'ny fanapahana sy ny fahefan'ny governora. BSB BSB: So they watched Him closely and sent spies who pretended to be sincere. They were hoping to catch Him in His words in order to hand Him over to the rule and authority of the governor.
21 ULB Nanontany Azy izy ireo, niteny hoe: "Mpampianatra ô, fantatray Ianao fa miteny sy mampianatra am-pahamarinana, ary tsy voasariky ny hevitr'iza na iza, fa ianao dia mampianatra ny fahamarinana momban'ny lalan'Andriamanitra. BSB BSB: “Teacher,” they inquired, “we know that You speak and teach correctly. You show no partiality but teach the way of God in accordance with the truth.
22 ULB Ara-dalàna ho anay ve ny mandoa hetra amin'i Kaisara, sa tsia?" BSB BSB: Is it lawful for us to pay taxes to Caesar or not?”
23 ULB Fa Jesosy dia nahatakatra ny hafetsen'izy ireo, ary niteny tamin'izy ireo hoe: BSB BSB: But Jesus saw through their duplicity and said to them,
24 ULB "Mampisehoa denaria iray Amiko. An'iza io sary sy anarana eo aminy io?" Niteny izy ireo hoe: "An'i Kaisara." BSB BSB: “Show Me a denarius. Whose image and inscription are on it?” “Caesar’s,” they answered.
25 ULB Hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Noho izany omeo an'i Kaisara ny zavatra izay an'i Kaisara, ary an'Andriamanitra, ireo zavatra izay an'Andriamanitra." BSB BSB: So Jesus told them, “Give to Caesar what is Caesar’s, and to God what is God’s.”
26 ULB Tsy nahita tsiny tamin'izay nolazainy teo anatrehan'ny vahoaka izy ireo, fa dia nitolagaga tamin'ny valin-teniny ka nangina. BSB BSB: And they were unable to trap Him in His words before the people. And amazed at His answer, they fell silent.
27 ULB Rehefa tonga teo aminy ny sasany tamin'ireo Sadoseo, ireo izay niteny fa tsy misy ny fitsanganana amin'ny maty, BSB BSB: Then some of the Sadducees, who say there is no resurrection, came to question Him.
28 ULB nanontany Azy izy ireo, niteny hoe: "Mpampianatra ô, Mosesy dia nanoratra ho antsika fa raha maty ny rahalahin'ny lehilahy iray, manam-bady, ary tsy manan-janaka, dia tokony haka vady an'ilay vadin-drahalahiny ilay lehilahy, ary hanome zanaka ho an'ny rahalahiny. BSB BSB: “Teacher,” they said, “Moses wrote for us that if a man’s brother dies and leaves a wife but no children, the man is to marry his brother’s widow and raise up offspring for him.
29 ULB Nisy mpirahalahy fito ary ny voalohany nanam-bady, ary maty tsy nanan-janaka, BSB BSB: Now there were seven brothers. The first one married a wife but died childless.
30 ULB ary ny faharoa koa torak'izay. BSB BSB: Then the second
31 ULB Nampakatra azy ny fahatelo, ary toy izany avokoa izy fito samy tsy nanan-janaka, ary maty. BSB BSB: and the third married the widow, and in the same way all seven died, leaving no children.
32 ULB Taorian'izay dia maty koa ilay vehivavy. BSB BSB: And last of all, the woman died.
33 ULB Amin'ny fitsanganana amin'ny maty, ho vadin'iza ary izy? Fa samy efa nanambady azy izy fito." BSB BSB: So then, in the resurrection, whose wife will she be? For all seven were married to her.”
34 ULB Jesosy niteny tamin'izy ireo hoe: "Ireo zanak'izao tontolo izao dia mampaka-bady sy ampakarina. BSB BSB: Jesus answered, “The sons of this age marry and are given in marriage.
35 ULB Fa ireo izay hita amin'izao andro izao fa mendrika ny handray ny fitsanganana amin'ny maty dia tsy hampaka-bady na hampakarina. BSB BSB: But those who are considered worthy to share in the age to come and in the resurrection from the dead will neither marry nor be given in marriage.
36 ULB Tsy ho faty intsony izy ireo, satria mitovy amin'ireo anjely sy ireo zanak'Andriamanitra, izay zanaky ny fitsanganana amin'ny maty. BSB BSB: In fact, they can no longer die, because they are like the angels. And since they are sons of the resurrection, they are sons of God.
37 ULB Fa ny maty dia natsangana, na Mosesy aza dia nampiseho, teo amin'ilay toerana izay nisy ny voaroy, izay niantsoany ny Tompo ho Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba. BSB BSB: Even Moses demonstrates that the dead are raised, in the passage about the burning bush. For he calls the Lord ‘the God of Abraham, the God of Isaac, and the God of Jacob.’
38 ULB Ary Izy dia tsy Andriamanitry ny maty, fa ny velona, satria ny rehetra dia velona ao aminy." BSB BSB: He is not the God of the dead, but of the living, for to Him all are alive.”
39 ULB Ny sasany tamin'ireo mpanora-dalàna namaly hoe: "Mpampianatra ô, namaly tsara Ianao." BSB BSB: Some of the scribes answered, “Teacher, You have spoken well!”
40 ULB Satria tsy sahy nametraka fanontaniana hafa taminy intsony izy ireo. BSB BSB: And they did not dare to question Him any further.
41 ULB Jesosy niteny azy ireo hoe: "Ahoana no ilazan'izy ireo fa Kristy dia zanaka lahin'i Davida? BSB BSB: Then Jesus declared, “How can it be said that the Christ is the Son of David?
42 ULB Fa Davida tenany no niteny tao amin'ny bokin'i Salamo hoe: Ny Tompo niteny tamin'ny Tompoko hoe: 'Mipetraha eo an-tanana ankavanako, BSB BSB: For David himself says in the book of Psalms: ‘The Lord said to my Lord, “Sit at My right hand
43 ULB mandra-panaovako ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.' BSB BSB: until I make Your enemies a footstool for Your feet.”’
44 ULB Noho izany Davida dia niantso an'i Kristy hoe: 'Tompo', koa ahoana no maha zanak'i Davida Azy?" BSB BSB: Thus David calls Him ‘Lord.’ So how can He be David’s son?”
45 ULB Teo anatrehan'ny olona rehetra dia niteny tamin'ireo mpianany Izy hoe: BSB BSB: In the hearing of all the people, Jesus said to His disciples,
46 ULB "Mitandrema amin'ny mpanora-dalàna, izay maniry handeha miaraka amin'ny akanjo lava, sy tia fiarahabana manokana eny an-tsena, sy seza voalohany ao anaty synagoga, ary toerana voalohany any amin'ny fanasana. BSB BSB: “Beware of the scribes. They like to walk around in long robes, and they love the greetings in the marketplaces, the chief seats in the synagogues, and the places of honor at banquets.
47 ULB Izy ireo koa dia mandany ny tranon'ireo mpitondra-tena, ary manao vavaka lavareny ho fisehosehoana. Ny lehilahy tahaka izany dia hahazo fanamelohana lehibe kokoa." BSB BSB: They defraud widows of their houses, and for a show make lengthy prayers. These men will receive greater condemnation.”