1 ULB Jesosy nanopy maso ka nahita ireo lehilahy manan-karena izay nandrotsaka ny fanatitr'izy ireo tao amin'ny fandatsahan-drakitra. BSB BSB: Then Jesus looked up and saw the rich putting their gifts into the treasury,
2 ULB Nahita mpitondra-tena mahantra iray nandrotsaka farantsa roa tao Izy. BSB BSB: and He saw a poor widow put in two small copper coins.
3 ULB Ka hoy Izy hoe: "Lazaiko marina aminareo, ity mpitondra-tena mahantra ity dia nandrotsaka betsaka noho izy rehetra. BSB BSB: “Truly I tell you,” He said, “this poor widow has put in more than all the others.
4 ULB Ireo rehetra ireo dia nanome fanatitra araky ny haben'ny hareny. Fa ity mpitondra-tena ity, tamin'ny fahantrany, dia nandrotsaka ny fivelomany rehetra." BSB BSB: For they all contributed out of their surplus, but she out of her poverty has put in all she had to live on.”
5 ULB Raha nisy maro niresaka momba ny tempoly, fa voaravaka vato tsara tarehy sy fanatitra izany, dia hoy Izy hoe: BSB BSB: As some of the disciples were remarking how the temple was adorned with beautiful stones and consecrated gifts, Jesus said,
7 ULB Koa nanontany Azy izy ireo, nanao hoe: "Ry mpampianatra, rahoviana ireo zavatra ireo no hitranga? Inona no famantarana rehefa hitranga ireo zavatra ireo?" BSB BSB: “Teacher,” they asked, “when will these things happen? And what will be the sign that they are about to take place?”
8 ULB Jesosy namaly hoe: "Mitandrema mba tsy ho voafitaka ianareo. Fa maro no ho avy amin'ny anarako, hanao hoe: 'Izaho no izy,' ary, 'Efa akaiky ny fotoana.' Aza manaraka azy ireo. BSB BSB: Jesus answered, “See to it that you are not deceived. For many will come in My name, claiming, ‘I am He,’ and, ‘The time is near.’ Do not follow them.
9 ULB Rehefa mandre ady sy fikomiana ianareo, dia aza mihorohoro, fa ireo zavatra ireo dia tsy maintsy hitranga aloha, fa ny farany dia tsy hitranga eo noho eo." BSB BSB: When you hear of wars and rebellions, do not be alarmed. These things must happen first, but the end is not imminent.”
10 ULB Ary hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Ny firenena dia hitsangana hanohitra firenena, ary fanjakana hanohitra fanjakana. BSB BSB: Then He told them, “Nation will rise against nation, and kingdom against kingdom.
11 ULB Hisy horohoron-tany lehibe, ary mosary sy areti-mandringana any amin'ny toerana samihafa. Hisy tranga mampatahotra ary famantarana lehibe avy any an-danitra. BSB BSB: There will be great earthquakes, famines, and pestilences in various places, along with fearful sights and great signs from heaven.
12 ULB Fa mialohan'ireo zavatra rehetra ireo, dia hisambotra anareo izy ireo ary hanenjika anareo, hanolotra anareo ao amin'ny synagoga sy ny figadrana, hitondra anareo eo anoloan'ireo mpanjaka sy ireo mpanapaka nohon'ny anarako. BSB BSB: But before all this, they will seize you and persecute you. On account of My name they will deliver you to the synagogues and prisons, and they will bring you before kings and governors.
13 ULB Izany dia hanome fahafahana ho amin'ny fijoroanareo vavolombelona. BSB BSB: This will be your opportunity to serve as witnesses.
14 ULB Noho izany dia manapaha hevitra ao am-ponareo mba tsy hanomana ny fiarovanareo mialohan'ny fotoana, BSB BSB: So make up your mind not to worry beforehand how to defend yourselves.
15 ULB fa Izaho hanome teny sy fahendrena anareo, izay tsy afaka toherina sy lavin'ireo mpanohitra anareo. BSB BSB: For I will give you speech and wisdom that none of your adversaries will be able to resist or contradict.
16 ULB Fa ianareo koa dia ho atolotry ny ray aman-dreny, ireo rahalahy, ireo havana sy ireo namana, ary izy ireo dia hamono ho faty ny sasany aminareo. BSB BSB: You will be betrayed even by parents and brothers and relatives and friends, and some of you will be put to death.
17 ULB Ho halan'ny tsirairay noho ny anarako Ianareo. BSB BSB: And you will be hated by everyone because of My name.
18 ULB Fa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray eo amin'ny lohanareo aza. BSB BSB: Yet not even a hair of your head will perish.
19 ULB Amin'ny faharetanareo no hamonjenareo ny fanahinareo. BSB BSB: By your patient endurance you will gain your souls.
21 ULB Dia aoka ireo izay any Jodia handositra any an-tendrombohitra, ary aoka ireo izay any afovoan'ny tanàna hiala, ary aza avela hiditra ao ireo izay any ambanivohitra. BSB BSB: Then let those who are in Judea flee to the mountains, let those in the city get out, and let those in the country stay out of the city.
22 ULB Fa ireo no andron'ny valifaty, mba ho tanteraka ireo zavatra rehetra efa voasoratra. BSB BSB: For these are the days of vengeance, to fulfill all that is written.
23 ULB Loza ho an'ireo izay mitondra vohoka sy ho an'ireo mampinono amin'izany andro izany! Fa hisy fahoriana lehibe eo amin'ny tany, ary hatezerana amin'io vahoaka io. BSB BSB: How miserable those days will be for pregnant and nursing mothers! For there will be great distress upon the land and wrath against this people.
25 ULB Hisy famantarana eny amin'ny masoandro, eny amin'ny volana, sy eny amin'ny kintana, ary eto an-tany. Ho tra-pahoriana ireo firenena, hitaintaina nohon'ny eron-dranomasina sy ireo onja. BSB BSB: There will be signs in the sun and moon and stars, and on the earth dismay among the nations, bewildered by the roaring of the sea and the surging of the waves.
26 ULB Hisy lehilahy ho toran'ny tahotra sy ny fiandrasana ireo zavatra izay ho avy eto an-tany. Fa ho voahozongozona ny herin'ny lanitra. BSB BSB: Men will faint from fear and anxiety over what is coming upon the earth, for the powers of the heavens will be shaken.
27 ULB Avy eo dia ho hitan'izy ireo ny Zanak'Olona tonga eny amin'ny rahona miaraka amin'ny hery sy voninahitra lehibe. BSB BSB: At that time they will see the Son of Man coming in a cloud with power and great glory.
28 ULB Fa rehefa manomboka mitranga ireo zavatra ireo, dia mitsangàna ary hasandrato ny lohanareo, satria efa akaiky ny fanafahana anareo." BSB BSB: When these things begin to happen, stand up and lift up your heads, because your redemption is drawing near.”
29 ULB Nanao fanoharana tamin'izy ireo Jesosy hoe: "Jereo ny hazon'aviavy, sy ireo hazo rehetra. BSB BSB: Then Jesus told them a parable: “Look at the fig tree and all the trees.
30 ULB Rehefa manaroka ireo, dia ho hitanareo manokana fa efa akaiky ny lohataona. BSB BSB: When they sprout leaves, you can see for yourselves and know that summer is near.
31 ULB Toy izany ihany koa, rehefa hitanareo mitranga ireo zavatra ireo, dia fantatrareo fa efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra. BSB BSB: So also, when you see these things happening, know that the kingdom of God is near.
32 ULB Lazaiko aminareo, marina tokoa, ity taranaka ity dia tsy ho faty mandra-pisehon'ireo zavatra ireo. BSB BSB: Truly I tell you, this generation will not pass away until all these things have happened.
33 ULB Ny lanitra sy ny tany dia ho levona, fa ireo teniko dia tsy ho levona mandrakizay. BSB BSB: Heaven and earth will pass away, but My words will never pass away.
34 ULB Fa mitandrema amin'ny tenanareo, mba tsy ho vesaran'ny vokatry ny fisotroana sy ny fahamamoana ny fonareo, sy ireo ahiahin'ny fiainana, ka avy eo dia hikatona tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany. BSB BSB: But watch yourselves, or your hearts will be weighed down by dissipation, drunkenness, and the worries of life—and that day will spring upon you suddenly like a snare.
35 ULB Fa izany dia ho tonga amin'ny tsirairay izay miaina maneran-tany. BSB BSB: For it will come upon all who dwell on the face of all the earth.
36 ULB Fa mba mailo amin'ny fotoana rehetra, mivavaha mba ho ampy hery ianareo handosirana ireo zavatra rehetra izay hiseho, ary hitsanganana eo anoloan'ny Zanak'Olona." BSB BSB: So keep watch at all times, and pray that you may have the strength to escape all that is about to happen and to stand before the Son of Man.”
37 ULB Koa nandritry andro dia nampianatra tao amin'ny tempoly Izy, ary ny alina dia nandeha nivoaka Izy ary nijanona teo an-tendrombohitr'Oliva. BSB BSB: Every day Jesus taught at the temple, but every evening He went out to spend the night on the Mount of Olives.
38 ULB Ireo vahoaka rehetra dia tonga vao mangiran-dratsy mba hihaino Azy tao amin'ny tempoly. BSB BSB: And early in the morning all the people would come to hear Him at the temple.