1 ULB Ary efa antomotra ny Firavoravoana amin'ny Mofo tsy misy masirasira, izay antsoina hoe Paska. BSB BSB: Now the Feast of Unleavened Bread, called the Passover, was approaching,
2 ULB Niady hevitra ireo lohan'ny mpisorona sy ireo mpanora-dalàna ny amin'ny fomba afahan'izy ireo mamono an'i Jesosy, satria natahotra ny olona izy ireo. BSB BSB: and the chief priests and scribes were looking for a way to put Jesus to death, for they feared the people.
3 ULB Avy eo Satana niditra tamin'i Jodasy Iskariota, izay iray tamin'ireo roa ambin'ny folo. BSB BSB: Then Satan entered Judas Iscariot, who was one of the Twelve.
4 ULB Jodasy nandeha nankany amin'ireo lohan'ny mpisorona sy ireo kapiteny ary niady hevitra tamin'izy ireo ny amin'ny fomba hamadihany an'i Jesosy eo amin'izy ireo. BSB BSB: And Judas went to discuss with the chief priests and temple officers how he might betray Jesus to them.
5 ULB Faly izy ireo, ary nanaiky ny hanome vola azy. BSB BSB: They were delighted and agreed to give him money.
6 ULB Nanaiky izy, ary nitady kendry tohana mba hanolorany Azy eo amin'izy ireo lavitry ny vahoaka. BSB BSB: Judas consented, and began to look for an opportunity to betray Jesus to them in the absence of a crowd.
7 ULB Tonga ny andron'ny mofo tsy misy masirasira, izay tsy maintsy hanaovana sorona ny zanak'ondrin'ny Paska. BSB BSB: Then came the day of Unleavened Bread on which the Passover lamb was to be sacrificed.
8 ULB Jesosy naniraka an'i Petera sy Jaona, nanao hoe: "Mandehana ary homano ho antsika ny sakafon'ny Paska, mba afahantsika mihinana izany." BSB BSB: Jesus sent Peter and John, saying, “Go and make preparations for us to eat the Passover.”
9 ULB Izy ireo nanontany Azy hoe: "Aiza no tianao hanaovanay ny fanomanana?" BSB BSB: “Where do You want us to prepare it?” they asked.
10 ULB Namaly azy ireo Izy hoe: "Henoy, rehefa miditra ny tanàna ianareo, dia hisy lehilahy iray mitondra sinin-drano hifanena aminareo. Manaraha azy any amin'izay trano idirany. BSB BSB: He answered, “When you enter the city, a man carrying a jug of water will meet you. Follow him to the house he enters,
11 ULB Dia teneno ny tompon-trano hoe: 'Ny Mpampianatra milaza aminao hoe: "Aiza ny efi-trano fandraisam-bahiny, izay hihinanako ny sakafon'ny Paska miaraka amin'ireo mpianatro?"' BSB BSB: and say to the owner of that house, ‘The Teacher asks: Where is the guest room, where I may eat the Passover with My disciples?’
12 ULB Izy hampiseho anareo efitrano ambony rihana lehibe misy fanaka. Ataovy ao ny fanomanana." BSB BSB: And he will show you a large upper room, already furnished. Make preparations there.”
13 ULB Koa dia nandeha izy ireo, ary nahita ny zavatra rehetra araka izay nolazainy tamin'izy ireo. Ary nanomana ny sakafon'ny Paska izy ireo. BSB BSB: So they went and found it just as Jesus had told them. And they prepared the Passover.
14 ULB Rehefa tonga ny fotoana, dia nipetraka niaraka tamin'ireo apostoly Izy. BSB BSB: When the hour had come, Jesus reclined at the table with His apostles.
16 ULB Fa lazaiko aminareo, tsy hihinana ity intsony Aho, mandra-pahatanterak'izany any amin'ny fanjakan' Andriamanitra." BSB BSB: For I tell you that I will not eat it again until it is fulfilled in the kingdom of God.”
17 ULB Dia nandray kapoaka Jesosy, ary rehefa nisaotra Izy, dia nanao hoe: "Raiso ity, ary zarao aminareo. BSB BSB: After taking the cup, He gave thanks and said, “Take this and divide it among yourselves.
18 ULB Fa lazaiko aminareo, tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho, mandra-pahatongan'ny fanjakan'Andriamanitra." BSB BSB: For I tell you that I will not drink of the fruit of the vine from now on until the kingdom of God comes.”
19 ULB Dia nandray ny mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia notapahiny izany, ary nomeny azy ireo, dia niteny hoe: "Ity ny vatako izay omena ho anareo. Ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy." BSB BSB: And He took the bread, gave thanks and broke it, and gave it to them, saying, “This is My body, given for you; do this in remembrance of Me.”
20 ULB Noraisiny tahaka izany koa ny kapoaka rehefa vita ny sakafo, dia hoy izy hoe: "Ity kapoaka ity dia ilay fanekena vaovao amin'ny ràko, izay narotsaka ho anareo. BSB BSB: In the same way, after supper He took the cup, saying, “This cup is the new covenant in My blood, which is poured out for you.
21 ULB Fa mitandrema. Ilay iray izay hamadika Ahy dia miaraka Amiko eto an-databatra. BSB BSB: Look! The hand of My betrayer is with Mine on the table.
22 ULB Fa ny Zanak'Olona dia mandeha tokoa araka izay voatendry. Fa loza ho an'izany lehilahy izay hamadika Azy izany!" BSB BSB: Indeed, the Son of Man will go as it has been determined, but woe to that man who betrays Him.”
23 ULB Nanomboka nifapanontany izy ireo ny amin'ny iray amin'izy ireo izay mety hanao izany. BSB BSB: Then they began to question among themselves which of them was going to do this.
24 ULB Dia nisy fifandirana nitranga koa teo amin'izy ireo momba izay heverina ho lehibe indrindra amin'izy ireo. BSB BSB: A dispute also arose among the disciples as to which of them should be considered the greatest.
25 ULB Niteny tamin'izy ireo Izy hoe: "Ireo mpanjakan'ny Jentilisa dia tompon'izy ireo, ary ireo izay manana fahefana amin'izy ireo dia atao ho toy ireo izay manao tsara ho an'ny vahoakany. BSB BSB: So Jesus declared, “The kings of the Gentiles lord it over them, and those in authority over them call themselves benefactors.
26 ULB Fa tsy toy izany mihintsy ny aminareo. Mifanohitra amin'izany, aoka izay lehibe indrindra aminareo ho lasa toy ny kely indrindra, ary aoka izay manan-danja indrindra ho tonga tahaka izay manompo. BSB BSB: But you shall not be like them. Instead, the greatest among you should be like the youngest, and the one who leads like the one who serves.
27 ULB Fa iza no lehibe kokoa, izay mipetraka amin'ny latabatra, sa izay manompo? Tsy izay mipetraka eo amin'ny latabatra ve? Kanefa Izaho eto aminareo toy ny iray izay manompo. BSB BSB: For who is greater, the one who reclines at the table or the one who serves? Is it not the one who reclines? But I am among you as one who serves.
28 ULB Fa ianareo no olona izay nanohy niaraka tamiko tao amin'ny fakam-panahy nianjady tamiko. BSB BSB: You are the ones who have stood by Me in My trials.
29 ULB Omeko fanjakana ianareo, tahaka ny Raiko koa izay nanome fanjakana ho Ahy, BSB BSB: And I bestow on you a kingdom, just as My Father has bestowed one on Me,
30 ULB mba ho afaka hihinana sy hisotro eo an-databatro any amin'ny fanjakako ianareo, ary hipetraka eo amin'ny seza fiandrianana hitsara ny fokon'ny Israely roa ambin'ny folo ianareo. BSB BSB: so that you may eat and drink at My table in My kingdom and sit on thrones, judging the twelve tribes of Israel.
31 ULB Simona, Simona, mitandrema, mitady ny hahazo anareo Satana, mba afahany manivana anareo toy ny vary. BSB BSB: Simon, Simon, Satan has asked to sift all of you like wheat.
32 ULB Fa nivavaka ho anao Aho, mba tsy ho faty ny finoanao. Aorian'ny hiverenanao indray, dia ampaherezo ireo rahalahinao." BSB BSB: But I have prayed for you, Simon, that your faith will not fail. And when you have turned back, strengthen your brothers.”
33 ULB Petera niteny taminy hoe: "Tompo, vonona hiaraka Aminao aho na any am-ponja na ho any amin'ny fahafatesana." BSB BSB: “Lord,” said Peter, “I am ready to go with You even to prison and to death.”
34 ULB Jesosy namaly hoe: "Lazaiko aminao, ry Petera, tsy haneno ny akoho amin'izay andro izay, mialohan'ny handavanao Ahy intelo hoe mahafantatra Ahy ianao." BSB BSB: But Jesus replied, “I tell you, Peter, the rooster will not crow today until you have denied three times that you know Me.”
37 ULB Fa Izaho miteny aminareo, izay voasoratra momba Ahy dia tsy maintsy tanteraka: 'Izy dia noraisina toy ny iray amin'ireo tsy manara-dalàna.' Fa izay nolazaina mialoha momba Ahy dia efa ho tanteraka" BSB BSB: For I tell you that this Scripture must be fulfilled in Me: ‘And He was numbered with the transgressors.’ For what is written about Me is reaching its fulfillment.”
38 ULB Dia niteny izy ireo hoe: "Tompo, jereo! Ireto misy sabatra roa." Izy niteny tamin'izy ireo hoe: "Ampy izay." BSB BSB: So they said, “Look, Lord, here are two swords.” “That is enough,” He answered.
39 ULB Taorian'ny sakafo, dia nandeha Jesosy, toy ny fanaony matetika, tany an-tendrombohitr'Oliva, ary nanaraka Azy ireo mpianatra. BSB BSB: Jesus went out as usual to the Mount of Olives, and the disciples followed Him.
40 ULB Rehefa tonga izy ireo, dia hoy Izy tamin'izy ireo: "Mivavaha mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy." BSB BSB: When He came to the place, He told them, “Pray that you will not enter into temptation.”
41 ULB Niala teo amin'izy ireo teo ho eo amin'ny indray mitora-bato Izy, dia nandohalika Izy ary nivavaka, BSB BSB: And He withdrew about a stone’s throw beyond them, where He knelt down and prayed,
43 ULB Dia nisy anjely avy any an-danitra niseho taminy, nampahery Azy. BSB BSB: Then an angel from heaven appeared to Him and strengthened Him.
44 ULB Tao anatin'ny fangirifiriana, nivavaka tamin-kafanam-po mafy kokoa Izy, ary ny hatsembohany dia lasa toy ny rà nitete tamin'ny tany. BSB BSB: And in His anguish, He prayed more earnestly, and His sweat became like drops of blood falling to the ground.
45 ULB Ary rehefa nitsangana avy nivavaka Izy, dia nankany amin'ny mpianatra, ary nahita azy ireo natory nohon'ny alahelon'izy ireo, BSB BSB: When Jesus rose from prayer and returned to the disciples, He found them asleep, exhausted from sorrow.
46 ULB ka nanontany azy ireo hoe: "Nahoana no matory ianareo? Mitsangàna ary mivavaha, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy." BSB BSB: “Why are you sleeping?” He asked. “Get up and pray so that you will not enter into temptation.”
47 ULB Raha mbola niteny Izy, indro, nisy vahoaka niseho, niaraka tamin'i Jodasy, iray amin'ireo roa ambin'ny folo, nitarika azy ireo. Nanakaiky an'i Jesosy izy mba hanoroka Azy, BSB BSB: While He was still speaking, a crowd arrived, led by the man called Judas, one of the Twelve. He approached Jesus to kiss Him.
48 ULB fa Jesosy niteny taminy hoe: "Jodasy, mamadika ny Zanak'Olona amin'ny oroka ve ianao?" BSB BSB: But Jesus asked him, “Judas, are you betraying the Son of Man with a kiss?”
49 ULB Rehefa nahita ny zava-nitranga ireo izay nanodidina an'i Jesosy, dia niteny izy ireo hoe: "Tompo, tokony hamely amin'ny sabatra ve izahay? BSB BSB: Those around Jesus saw what was about to happen and said, “Lord, should we strike with our swords?”
50 ULB Avy eo ny iray tamin'izy ireo namely ny mpanompon'ny mpisoronabe, ary nanapaka ny sofiny havanana. BSB BSB: And one of them struck the servant of the high priest, cutting off his right ear.
51 ULB Jesosy niteny hoe: "Ampy izay!" Nokasihiny ny sofiny, ary nositraniny izy. BSB BSB: But Jesus answered, “No more of this!” And He touched the man’s ear and healed him.
52 ULB Jesosy niteny tamin'ny lohan'ny mpisorona, tamin'ireo kapitenin'ny tempoly, ary tamin'ireo loholona izay tonga hanohitra Azy hoe: "Tonga toy ny hisambotra mpangalatra ve ianareo, miaraka amin'ny sabatra sy langilangy? BSB BSB: Then Jesus said to the chief priests, temple officers, and elders who had come for Him, “Have you come out with swords and clubs as you would against an outlaw?
53 ULB Tamin'Izaho niaraka taminareo isan'andro tao an-tempoly, tsy nisambotra Ahy ianareo. Fa izao no oranareo, sy ny fahefan'ny haizina." BSB BSB: Every day I was with you in the temple courts, and you did not lay a hand on Me. But this hour belongs to you and to the power of darkness.”
54 ULB Teo am-pisamborana Azy, dia notarihan'izy ireo Izy, ary nentin'izy ireo tany an-tranon'ny mpisoronabe. Fa Petera nanaraka avy teny lavidavitra. BSB BSB: Then they seized Jesus, led Him away, and took Him into the house of the high priest. And Peter followed at a distance.
55 ULB Rehefa avy nampirehitra afo teo afovoan'ny tokontany ary niara-nipetraka izy ireo, dia nipetraka teo afovoan'izy ireo Petera. BSB BSB: When those present had kindled a fire in the middle of the courtyard and sat down together, Peter sat down among them.
56 ULB Nisy mpanompo vavy iray nahita azy raha nipetraka teo amin'ny fahazavan'ny afo izy, ary nijery mahitsy azy sy niteny hoe: "Ity lehilahy ity koa niaraka taminy." BSB BSB: A servant girl saw him seated in the firelight and looked intently at him. “This man also was with Him,” she said.
57 ULB Fa Petera nandà izany, niteny hoe: "Ry vehivavy, tsy fantatro Izy." BSB BSB: But Peter denied it. “Woman, I do not know Him,” he said.
58 ULB Afaka kelikely dia nisy olona hafa nahita azy, ary niteny hoe: "Ianao koa iray amin'izy ireo." Fa Petera niteny hoe: "Ry lehilahy, tsy izy aho." BSB BSB: A short time later, someone else saw him and said, “You also are one of them.” But Peter said, “Man, I am not.”
59 ULB Nony afaka adiny iray teo ho eo dia nisy lehilahy hafa nanizingizina sy niteny hoe: "Marina fa niaraka taminy koa ity lehilahy ity, fa izy dia Galiliana." BSB BSB: About an hour later, another man insisted, “Certainly this man was with Him, for he too is a Galilean.”
60 ULB Fa Petera niteny hoe: "Ry lehilahy, tsy fantatro izay teneninao." Teo no ho eo, raha mbola niteny izy, dia nisy akoho naneno. BSB BSB: “Man, I do not know what you are talking about,” Peter replied. And immediately, while he was still speaking, the rooster crowed.
61 ULB Niherika, ny Tompo nijery an'i Petera, ary Petera nahatsiaro ny tenin'ny Tompo, tamin'ny niteny taminy Izy hoe: "Alohan'ny hanenoin'ny akoho anio dia handà Ahy intelo ianao." BSB BSB: And the Lord turned and looked at Peter. Then Peter remembered the word that the Lord had spoken to him: “Before the rooster crows today, you will deny Me three times.”
62 ULB Nivoaka tany ivelany Petera ary nitomany mafy. BSB BSB: And he went outside and wept bitterly.
63 ULB Ary ireo lehilahy niambina an'i Jesosy dia nananihany ary nikapoka Azy. BSB BSB: The men who were holding Jesus began to mock Him and beat Him.
64 ULB Nasian'izy ireo sarona Izy ary nanontany Azy izy ireo, niteny hoe: "Maminania! Iza ilay olona izay mikapoka Anao?" BSB BSB: They blindfolded Him and kept demanding, “Prophesy! Who hit You?”
65 ULB Niteny zavatra hafa maro hanohitra an'i Jesosy izy ireo, niteny ratsy Azy. BSB BSB: And they said many other blasphemous things against Him.
66 ULB Raha vao nazava ny andro, dia niara-niangona ireo loholona, ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna. Nentin'izy ireo tany amin'ny Synedriona Izy BSB BSB: At daybreak the council of the elders of the people, both the chief priests and scribes, met together. They led Jesus into their Sanhedrin and said,
67 ULB ary niteny hoe: "Raha Ianao no Kristy, dia teneno aminay." Fa Izy niteny tamin'izy ireo hoe: "Raha ho teneniko aminareo, dia tsy hino ianareo", BSB BSB: “If You are the Christ, tell us.” Jesus answered, “If I tell you, you will not believe.
68 ULB ary raha hanontany anareo Aho, dia tsy hamaly ianareo. BSB BSB: And if I ask you a question, you will not answer.
69 ULB Fa manomboka izao, ny Zanak'Olona dia hipetraka eo an-tanana akavanan'ny herin'Andriamanitra." BSB BSB: But from now on the Son of Man will be seated at the right hand of the power of God.”
70 ULB Izy rehetra niteny hoe: "Dia Zanak'Andriamanitra izany Ianao?" Jesosy niteny tamin'izy ireo hoe: "Voalazanareo fa Izaho no Izy." BSB BSB: So they all asked, “Are You then the Son of God?” He replied, “You say that I am.”
71 ULB Izy ireo niteny hoe: "Nahoana no mbola mila vavolombelona isika? Fa isika mihitsy no naheno avy tamin'ny vavany." BSB BSB: “Why do we need any more testimony?” they declared. “We have heard it for ourselves from His own lips.”