1 ULB Nitsangana ny olona rehetra tamin'izy ireo, ary nitondra an'i Jesosy teo anoloan'i Pilato. BSB BSB: Then the whole council rose and led Jesus away to Pilate.
2 ULB Nanomboka niampanga Azy izy ireo, niteny hoe: "Hitanay ity lehilahy ity nametaveta ny firenenay, nandrara ny hanomezana ny hetra ho an'i Kaisara, ary nilaza fa Izy tenany mihitsy no Kristy, mpanjaka." BSB BSB: And they began to accuse Him, saying, “We found this man subverting our nation, forbidding payment of taxes to Caesar, and proclaiming Himself to be Christ, a King.”
3 ULB Pilato nanontany Azy, niteny hoe: "Ianao ve no mpanjakan'ny Jiosy?" Jesosy namaly azy ary niteny hoe: "Voalazanao." BSB BSB: So Pilate asked Him, “Are You the King of the Jews?” “You have said so,” Jesus replied.
4 ULB Pilato niteny tamin'ireo lohan'ny mpisorona sy ireo vahoaka hoe: "Tsy mahita fahadisoana amin'ity lehilahy ity aho." BSB BSB: Then Pilate said to the chief priests and the crowds, “I find no basis for a charge against this man.”
5 ULB Fa mbola nanizingizina izy ireo, niteny hoe: "Manakorontana ny vahoaka io, mampianatra eran'ny Jodia manontolo, manomboka avy any Galilia na hatrety amin'ity toerana ity aza." BSB BSB: But they kept insisting, “He stirs up the people all over Judea with His teaching. He began in Galilee and has come all the way here.”
6 ULB Koa rehefa ren'i Pilato izany, dia nanontany izy raha toa ka Galiliana ilay lehilahy. BSB BSB: When Pilate heard this, he asked if the man was a Galilean.
7 ULB Rehefa hitany fa tao ambany fahefan'i Heroda Izy, dia nalefany Jesosy nankany amin'i Heroda, izay tany Jerosalema ihany koa tamin'izany andro izany. BSB BSB: And learning that Jesus was under Herod’s jurisdiction, he sent Him to Herod, who himself was in Jerusalem at that time.
8 ULB Rehefa hitan'i Heroda Jesosy, dia tena ravoravo izy, satria efa te-hahita Azy hatry ny ela. Nahare ny momba Azy izy ary nanantena ny hahita fahagagana maro nataony. BSB BSB: When Herod saw Jesus, he was greatly pleased. He had wanted to see Him for a long time, because he had heard about Him and was hoping to see Him perform a miracle.
9 ULB Heroda nametra-panotaniana an'i Jesosy tamin'ny teny maro, saingy Jesosy tsy namaly na inona na inona azy. BSB BSB: Herod questioned Jesus at great length, but He gave no answer.
10 ULB Ireo lohan'ny mpisorona sy ireo mpanora-dalàna nitsangana, niampanga mafy Azy. BSB BSB: Meanwhile, the chief priests and scribes stood there, vehemently accusing Him.
11 ULB Heroda sy ireo miaramilany nanevateva an'i Jesosy sady nanesoeso Azy. Avy eo dia nampiakanjo Azy lamba tsara tarehy izy ireo ary nalefan'izy ireo niverina tany amin'i Pilato Izy. BSB BSB: And even Herod and his soldiers ridiculed and mocked Him. Dressing Him in a fine robe, they sent Him back to Pilate.
12 ULB Fa i Heroda sy Pilato dia lasa mpinamana tamin'ny androtr'io (talohan'izany dia mpifahavalo izy ireo). BSB BSB: That day Herod and Pilate became friends; before this time they had been enemies.
13 ULB Avy eo Pilato niantso ireo lohan'ny mpisorona sy ireo mpanapaka ary ireo vahoaka maro niaraka, BSB BSB: Then Pilate called together the chief priests, the rulers, and the people,
14 ULB ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Nentinareo teto amiko ity lehilahy ity tahaka ny lehilahy izay mitarika ny olona hanao ratsy, ary jereo, izaho, raha nametra-panotaniana taminy teo anoloanareo, dia tsy mahita fahadisoana amin'ity lehilahy ity mahakasika ireo zavatra izay hiampanganareo Azy. BSB BSB: and said to them, “You brought me this man as one who was inciting the people to rebellion. I have examined Him here in your presence and found Him not guilty of your charges against Him.
15 ULB Tsia, na dia Heroda aza, satria nalefany niverina taty amintsika Izy, ary jereo, tsy misy na inona na inona izay mendrika fahafatesana vitany. BSB BSB: Neither has Herod, for he sent Him back to us. As you can see, He has done nothing deserving of death.
16 ULB Noho izany dia ho faiziko Izy, ary ho havotsotro Izy." BSB BSB: Therefore I will punish Him and release Him.”
18 ULB Fa niara-nihiaka mafy izy ireo, nanao hoe: "Ento any io lehilahy io, ary avotsory ho anay Barabasy!" BSB BSB: But they all cried out in unison: “Away with this man! Release Barabbas to us!”
19 ULB Barabasy dia lehilahy iray izay naiditra am-ponja nohon'ny fikomiana maro tao an-tanàna sy famonoana olona. BSB BSB: (Barabbas had been imprisoned for an insurrection in the city, and for murder.)
20 ULB Ary niteny tamin'izy ireo indray Pilato, naniry ny hamotsotra an'i Jesosy. BSB BSB: Wanting to release Jesus, Pilate addressed them again,
21 ULB Saingy nitabataba mafy izy ireo, niteny hoe: "Homboy Izy, homboy Izy." BSB BSB: but they kept shouting, “Crucify Him! Crucify Him!”
22 ULB Niteny tamin'izy ireo fanintelony izy hoe: "Nahoana, fa inona no ratsy vitan'ity lehilahy ity? Tsy nahita na inona na inona izay mendrika sazy famonoana tao aminy aho. Noho izany rehefa avy manafay Azy, dia hamotsotra Azy aho." BSB BSB: A third time he said to them, “What evil has this man done? I have found in Him no offense worthy of death. So after I punish Him, I will release Him.”
23 ULB Fa izy ireo nanizingizina tamin'ny feo avo, nangataka Azy mba homboana. Ny feon'izy ireo dia nandresy lahatra an'i Pilato. BSB BSB: But they were insistent, demanding with loud voices for Jesus to be crucified. And their clamor prevailed.
24 ULB Ka dia nanapa-kevitra ny hanaiky ny fangatahan'izy ireo Pilato. BSB BSB: So Pilate sentenced that their demand be met.
25 ULB Navotsony ilay iray nangatahin'izy ireo izay nalefa tany am-ponja nohon'ny fikomiana sy famonoana olona. Fa natolony ho amin'ny sitrapon'izy ireo Jesosy. BSB BSB: As they had requested, he released the one imprisoned for insurrection and murder, and he handed Jesus over to their will.
26 ULB Ary teo am-pitondrana Azy izy ireo, dia nitàna an'i Simona avy any Syrenia, izay avy any ambanivohitra, ary napetrak'izy ireo teo aminy ny hazofijaliana mba ho entiny, nanaraka an'i Jesosy. BSB BSB: As the soldiers led Him away, they seized Simon of Cyrene on his way in from the country, and they put the cross on him to carry behind Jesus.
27 ULB Maro tamin'ireo vahoaka, sy ireo vehivavy izay nalahelo mafy sy nisaona Azy, no nanaraka Azy. BSB BSB: A great number of people followed Him, including women who kept mourning and wailing for Him.
28 ULB Fa rehefa nitodika tany amin'izy ireo, dia niteny Jesosy hoe: "Ry zanakavavin'i Jerosalema, aza mitomany Ahy, fa mitomania ho an'ny tenanareo sy ho an'ireo zanakareo. BSB BSB: But Jesus turned to them and said, “Daughters of Jerusalem, do not weep for Me, but weep for yourselves and for your children.
29 ULB Fa indro, ho avy ny andro izay hitenenan'izy ireo hoe: 'Sambatra ireo momba sy ireo kibo izay tsy niteraka, ary ny nono izay tsy nampinono zaza.' BSB BSB: Look, the days are coming when people will say, ‘Blessed are the barren women, the wombs that never bore, and breasts that never nursed!’
30 ULB Ary dia hanomboka hiteny amin'ireo tendrombohitra izy ireo hoe: 'Mianjerà aminay,' ary amin'ny havoana hoe: "Manaròna anay." BSB BSB: At that time ‘they will say to the mountains, “Fall on us!” and to the hills, “Cover us!”’
31 ULB Fa raha manao izany zavatra izany izy ireo raha mbola maitso ny hazo, inona no hitranga rehefa maina izany?" BSB BSB: For if men do these things while the tree is green, what will happen when it is dry?”
32 ULB Nisy lehilahy hafa, olon-dratsy anankiroa, nentina niaraka taminy mba ho vonoina. BSB BSB: Two others, who were criminals, were also led away to be executed with Jesus.
35 ULB Dia nijoro nijery teo ireo olona raha mbola nananihany Azy koa ireo mpanapaka, niteny hoe: "Namonjy ireo hafa Izy. Avelao Izy hamonjy ny tenany, raha Izy no Kristin'Andriamanitra, ilay iray voafidy." BSB BSB: The people stood watching, and the rulers sneered at Him, saying, “He saved others; let Him save Himself if He is the Christ of God, the Chosen One.”
36 ULB Ireo miaramila ihany koa dia nanala baraka Azy, nanatona Azy, nanome Azy vinaingitra, BSB BSB: The soldiers also mocked Him and came up to offer Him sour wine.
37 ULB ary niteny hoe: "Raha Ianao no mpanjakan'ny Jiosy, vonjeo ny tenanao." BSB BSB: “If You are the King of the Jews,” they said, “save Yourself!”
38 ULB Nisy famantarana ihany koa teo amboniny hoe: "Ity no mpanjakan'i Jiosy." BSB BSB: Above Him was posted an inscription: THIS IS THE KING OF THE JEWS.
39 ULB Ny iray tamin'ireo olon-dratsy izay nihantona teo no namingavinga Azy tamin'ny nitenenany hoe: "Tsy ianao ve no Kristy? Vonjeo ny tenanao sy izahay." BSB BSB: One of the criminals who hung there heaped abuse on Him. “Are You not the Christ?” he said. “Save Yourself and us!”
40 ULB Fa ny anankiray niteny mafy azy, nanao hoe: "Tsy mba matahotra an'Andriamanitra ve ianao, raha samy ambanin'ny fanamelohana mitovy ihany? BSB BSB: But the other one rebuked him, saying, “Do you not even fear God, since you are under the same judgment?
41 ULB Isika dia eto ara-drariny tokoa, satria mandray izay mendrika ny asantsika isika. Fa ity lehilahy ity tsy nanao zavatra ratsy." BSB BSB: We are punished justly, for we are receiving what our actions deserve. But this man has done nothing wrong.”
44 ULB Ary ora faha-enina teo ho eo tamin'izany, ary ny aizina avy nandrakotra ny tany manontolo hatramin'ny ora fahasivy BSB BSB: It was now about the sixth hour, and darkness came over all the land until the ninth hour.
45 ULB raha niha maizina ny hazavan'ny masoandro. Avy eo ny lamban'ny tempoly dia nizara avy teo afovoany. BSB BSB: The sun was darkened, and the veil of the temple was torn down the middle.
46 ULB Nihiaka tamin'ny feo mafy, Jesosy niteny hoe: "Ray ô, eo an-tananao no ametrahako ny fanahiko." Rehefa avy niteny izany, dia maty Izy. BSB BSB: Then Jesus called out in a loud voice, “Father, into Your hands I commit My Spirit.” And when He had said this, He breathed His last.
47 ULB Rehefa hitan'ilay kapiteny ny zavatra nitranga, dia nanome voninahitra an'Andriamanitra izy, niteny hoe: "Azo antoka tokoa fa olo-marina ity lehilahy ity." BSB BSB: When the centurion saw what had happened, he gave glory to God, saying, “Surely this was a righteous man.”
48 ULB Rehefa hitan'ireo vahoaka rehetra izay niara-tonga ho vavolombelona nanatri-maso ireo zavatra nitranga ireo, dia niverina niteha-tratra izy ireo. BSB BSB: And when all the people who had gathered for this spectacle saw what had happened, they returned home beating their breasts.
49 ULB Fa ireo rehetra izay nahafantatra Azy, sy ireo vehivavy izay nanaraka Azy avy any Galilia, dia nitsangana teny alavidavitra, nijery izany zavatra izany. BSB BSB: But all those who knew Jesus, including the women who had followed Him from Galilee, stood at a distance watching these things.
50 ULB Ary indro, nisy lehilahy iray antsoina hoe Josefa, izay mpikambana tao amin'ny Synedriona. Olona tsara sady marina izy. BSB BSB: Now there was a Council member named Joseph, a good and righteous man,
51 ULB Io lehilahy io dia tsy nanaiky ny fanapahan-kevitry ny Synedriona sy ny asan'izy ireo. Avy any amin'ny tanànan'ny Jodiana tany Armatia izy; ary izy dia nikatsaka ny fanjakan'Andriamanitra. BSB BSB: who had not consented to their decision or action. He was from the Judean town of Arimathea and was waiting for the kingdom of God.
52 ULB Io lehilahy io, raha nanatona an'i Pilato, dia nangataka ny vatan'i Jesosy. BSB BSB: He went to Pilate to ask for the body of Jesus.
53 ULB Nalainy nidina izany, norakofany hariry madinika, ary napetrany tao anaty fasana iray izay novakiana tamin'ny vatolampy, izay tsy mbola nisy olona nalevina mihintsy. BSB BSB: Then he took it down, wrapped it in a linen cloth, and placed it in a tomb cut into the rock, where no one had yet been laid.
54 ULB Andron'ny Fiomanana tamin'izany, ary mbola nazava ratsy ny Sabata. BSB BSB: It was Preparation Day, and the Sabbath was beginning.
55 ULB Ireo vehivavy, izay niaraka tamin'i Jesosy niala tao Galilia, dia nanaraka avy ao aoriana ary nahita ny fasana sy ny fomba nametrahana ny fatiny. BSB BSB: The women who had come with Jesus from Galilee followed, and they saw the tomb and how His body was placed.
56 ULB Niverina izy ireo, ary nanomana zava-manitra sy menaka manitra. Ary tamin'ny sabata dia nitsahatra izy ireo araka ny didy. BSB BSB: Then they returned to prepare spices and perfumes. And they rested on the Sabbath, according to the commandment.