1 ULB Nanomboka nampianatra azy ireo tamin'ny alalan'ny fanoharana Jesosy. Hoy Izy hoe: "Nisy lehilahy nanao tanim-boaloboka, nanisy fefy manodidina izany, ary nandavaka famiazana. Nanangana tilikambo izy ary avy eo nampanofa ilay tanim-boaloboka tamin'ny mpamboly voaloboka. Dia niala nandia lavitra izy avy eo. BSB BSB: Then Jesus began to speak to them in parables: “A man planted a vineyard. He put a wall around it, dug a wine vat, and built a watchtower. Then he rented it out to some tenants and went away on a journey.
2 ULB Tamin'ny fotoana mety, dia naniraka mpanompo ho any amin'ilay mpamboly voaloboka izy mba haka amin'izy ireo ny sasany amin'ireo izay tokony ho anjarany amin'ny vokatr'ilay tanim-boaloboka. BSB BSB: At harvest time, he sent a servant to the tenants to collect his share of the fruit of the vineyard.
3 ULB Fa nosamborin'izy ireo izy, nokapohiny, ary noroahiny tsy hitondra na inona na inona. BSB BSB: But they seized the servant, beat him, and sent him away empty-handed.
4 ULB Naniraka mpanompo hafa ho any amin'izy ireo indray izy, dia noratrain'izy ireo teo amin'ny lohany ary nalainy baraka. BSB BSB: Then he sent them another servant, and they struck him over the head and treated him shamefully.
5 ULB Dia mbola nandefa hafa ihany izy, ary novonoin'izy ireo io iray io. Nataon'izy ireo tahaka izany ireo maro hafa, nokapohiny ny sasany ary novonoiny ireo hafa. BSB BSB: He sent still another, and this one they killed. He sent many others; some they beat and others they killed.
6 ULB Mbola nanana olona iray hafa hirahina izy, dia zanaka malala. Izy no farany nalefany tany amin'izy ireo. Hoy izy hoe: "Mba hanaja ny zanako lahy izy ireo." BSB BSB: Finally, having one beloved son, he sent him to them. ‘They will respect my son,’ he said.
7 ULB Nefa nifampiteny ireo mpamboly voaloboka hoe: "Inty ilay mpandova. Avia, andeha ho vonointsika izy, dia ho lasantsika ny lova." BSB BSB: But the tenants said to one another, ‘This is the heir. Come, let us kill him, and the inheritance will be ours.’
8 ULB Nosamborin'izy ireo izy, dia novonoiny, ary natsipiny tany ivelan'ny tanim-boaloboka. BSB BSB: So they seized the son, killed him, and threw him out of the vineyard.
9 ULB Koa, inona ary no ho ataon'ilay tompon'ny tanim-boaloboka? Ho avy izy ka handringana ireo mpamboly voaloboka ary hanome ny tanim-boaloboka ho an'ny hafa. BSB BSB: What then will the owner of the vineyard do? He will come and kill those tenants and give the vineyard to others.
10 ULB Tsy novakianareo angaha izao Soratra Masina izao? 'Ny vato izay nolavin'ny mpanorin-trano, no natao vato fehizoro. BSB BSB: Have you never read this Scripture: ‘The stone the builders rejected has become the cornerstone.
11 ULB Avy tamin'ny Tompo izany, ary dia mahagaga eo imasontsika."' BSB BSB: This is from the Lord, and it is marvelous in our eyes’?”
12 ULB Nitady ny hisamborana an'i Jesosy izy ireo, saingy natahotra ny vahoaka, satria fantatr'izy ireo fa hanoherana azy ireo no nitenenany izany fanoharana izany. Koa dia navelan'izy ireo Izy ary lasa nandeha izy ireo. BSB BSB: At this, the leaders sought to arrest Jesus, for they knew that He had spoken this parable against them. But fearing the crowd, they left Him and went away.
13 ULB Dia naniraka ny Fariseo sy Herodiana sasany ho any Aminy mba hamandrika Azy amin'ny teny izy ireo. BSB BSB: Later, they sent some of the Pharisees and Herodians to catch Jesus in His words.
14 ULB Rehefa tonga izy ireo, dia hoy izy ireo taminy hoe: "Mpampianatra ô, fantatray fa tsy miraharaha ny hevitry ny olona Ianao, ary tsy maneho fiangarana eo amin'ny olona. Mampianatra marina ny lalan'Andriamanitra Ianao. Ara-dalàna ve sa tsia ny mandoa hetra amin'i Kaisara? Tokony handoa hetra va izahay sa tsia?" BSB BSB: “Teacher,” they said, “we know that You are honest and seek favor from no one. Indeed, You are impartial and teach the way of God in accordance with the truth. Is it lawful to pay taxes to Caesar or not? Should we pay them or not?”
15 ULB Fa fantatr'i Jesosy ny fiatsarambelatsihin'izy ireo ka niteny azy ireo hoe: "Nahoana ianareo no mitsapa Ahy? Itondray denaria iray Aho mba hijereko izany." BSB BSB: But Jesus saw through their hypocrisy and said, “Why are you testing Me? Bring Me a denarius to inspect.”
16 ULB Dia nitondran'izy ireo vola iray Jesosy. Hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Endrik'iza ity sary sy soratra ity?" Hoy izy ireo hoe: "An'i Kaisara." BSB BSB: So they brought it, and He asked them, “Whose image is this? And whose inscription?” “Caesar’s,” they answered.
17 ULB Hoy Jesosy hoe: "Omeo an'i Kaisara izay an'i Kaisara, ary omeo an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra." Dia talanjona taminy izy ireo. BSB BSB: Then Jesus told them, “Give to Caesar what is Caesar’s, and to God what is God’s.” And they marveled at Him.
18 ULB Avy eo ireo Sadoseo, izay milaza fa tsy misy ny fitsanganana amin'ny maty, dia tonga teo aminy. Nanontany Azy izy ireo, nanao hoe: BSB BSB: Then the Sadducees, who say there is no resurrection, came to Jesus and questioned Him:
19 ULB "Mpampianatra ô, nanoratra izao ho anay Mosesy hoe: 'Raha maty ny rahalahin'ny lehilahy iray ary namela vady izy, nefa tsy mba nanan-janaka, dia tokony manambady ilay vadin-dralahiny ilay lehilahy, ka hanana taranaka ho an'ny rahalahiny.' BSB BSB: “Teacher, Moses wrote for us that if a man’s brother dies and leaves a wife but no children, the man is to marry his brother’s widow and raise up offspring for him.
20 ULB Nisy fito mirahalahy; nanambady ilay voalohany ary maty, tsy namela taranaka. BSB BSB: Now there were seven brothers. The first one married and died, leaving no children.
21 ULB Avy eo naka azy ny faharoa dia maty, tsy namela taranaka, dia torak'izany koa ny fahatelo. BSB BSB: Then the second one married the widow, but he also died and left no children. And the third did likewise.
22 ULB Tsy nisy namela taranaka izy fito. Ny farany indrindra, maty koa ilay ramatoa. BSB BSB: In this way, none of the seven left any children. And last of all, the woman died.
23 ULB Amin'ny fitsanganana amin'ny maty, rehefa hitsangana indray izy ireo, dia ho vadin'iza izy? Satria samy nanambady azy daholo izy fito mirahalahy." BSB BSB: In the resurrection, then, whose wife will she be? For all seven were married to her.”
24 ULB Ary hoy Jesosy hoe: "Tsy izany va no antony maha-diso hevitra anareo, satria tsy fantatrareo na ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra? BSB BSB: Jesus said to them, “Aren’t you mistaken, because you do not know the Scriptures or the power of God?
25 ULB Satria rehefa mitsangana amin'ny maty izy ireo, dia tsy hanambady na hatolotra amin'ny fanambadiana, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra. BSB BSB: When the dead rise, they will neither marry nor be given in marriage. Instead, they will be like the angels in heaven.
27 ULB Izy dia tsy Andriamanitry ny maty, fa an'ny velona. Somary diso hevitra ianareo." BSB BSB: He is not the God of the dead, but of the living. You are badly mistaken!”
30 ULB Tsy maintsy mitia ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra ianao, amin'ny fanahinao rehetra, amin'ny sainao rehetra, sy amin'ny herinao rehetra.' BSB BSB: Love the Lord your God with all your heart and with all your soul and with all your mind and with all your strength.’
31 ULB Ity no didy faharoa: 'Tsy maintsy mitia ny namanao tahaka ny tenanao ianao.' Tsy misy didy hafa lehibe mihoatra noho ireo." BSB BSB: The second is this: ‘Love your neighbor as yourself.’ No other commandment is greater than these.”
32 ULB Hoy ilay mpanora-dalàna hoe: "Tsara izany, ry Mpampianatra! Voalazanao marina fa Andriamanitra dia Iray, ary tsy misy afa-tsy Izy. BSB BSB: “Right, Teacher,” the scribe replied. “You have stated correctly that God is One and there is no other but Him,
33 ULB Ary ny mitia azy amin'ny fo rehetra sy amin'ny saina rehetra sy ny hery rehetra, ary ny mitia ny namana tahaka ny tena, dia tsara lavitra mihoatra ny fanatitra dorana sy ny sorona rehetra." BSB BSB: and to love Him with all your heart and with all your understanding and with all your strength, and to love your neighbor as yourself. This is more important than all burnt offerings and sacrifices.”
34 ULB Rehefa hitan'i Jesosy fa nanome valin-teny hendry Izy, dia niteny taminy Izy hoe: "Tsy lavitry ny fanjakan' Andriamanitra ianao." Ary taorian'izany, dia tsy nisy olona sahy nametraka fanontaniana tamin'i Jesosy intsony. BSB BSB: When Jesus saw that the man had answered wisely, He said, “You are not far from the kingdom of God.” And no one dared to question Him any further.
35 ULB Namaly Jesosy, raha nampianatra tao amin'ny tempoly Izy; dia hoy Izy hoe: "Ahoana moa no ilazan'ny mpanora-dalàna fa Kristy dia zanak'i Davida? BSB BSB: While Jesus was teaching in the temple courts, He asked, “How can the scribes say that the Christ is the Son of David?
36 ULB Davida tenany, tamin'ny Fanahy Masina, nanao hoe: 'Ny Tompo niteny tamin'ny Tompoko hoe: mipetraha eo an-tanana ankavanako, mandram-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.' BSB BSB: Speaking by the Holy Spirit, David himself declared: ‘The Lord said to my Lord, “Sit at My right hand until I put Your enemies under Your feet.”’
37 ULB Davida tenany aza niantso Azy hoe 'Tompo,' koa ahoana no maha zanak'i Davida an'i Kristy?" Nihaino Azy tamim-pifaliana ireo vahoaka maro be. BSB BSB: David himself calls Him ‘Lord.’ So how can He be David’s son?” And the large crowd listened to Him with delight.
38 ULB Tamin'ny fampianarany Jesosy dia niteny hoe: "Mitandrema amin'ireo mpanora-dalàna, izay tia mandehandeha amin'ny akanjo lava ary tian'izy ireo ny fiarahabana azon'izy ireo eny an-tsena BSB BSB: In His teaching Jesus also said, “Watch out for the scribes. They like to walk around in long robes, to receive greetings in the marketplaces,
39 ULB ary tian'izy ireo ny mahazo ny seza voalohany any amin'ny synagoga sy ny toerana voalohany any amin'ny fety. BSB BSB: and to have the chief seats in the synagogues and the places of honor at banquets.
40 ULB Mandroba ny tranon'ireo mpitondra tena izy ireo, ary manao vavaka lava be mba ho hitan'ny olona. Ireo lehilahy ireo dia handray fanamelohana lehibe kokoa." BSB BSB: They defraud widows of their houses, and for a show make lengthy prayers. These men will receive greater condemnation.”
41 ULB Avy eo Jesosy nipetraka nifanandrify ny vatan-drakitra tao amin'ny faritry ny tempoly; nijery ireo olona rehetra izay nandrotsaka vola tao amin'ny vatan-drakitra. Mpanankarena maro no nandatsaka vola be dia be tao. BSB BSB: As Jesus was sitting opposite the treasury, He watched the crowd putting money into it. And many rich people put in large amounts.
42 ULB Dia nisy vehivavy mahantra mpitondratena iray tonga nandrotsaka farantsakely roa, izay kely variroaventy oharina amin'ny iraimbilanja. BSB BSB: Then one poor widow came and put in two small copper coins, which amounted to a small fraction of a denarius.
43 ULB Dia nantsoiny ireo mpianany ary hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Lazaiko aminareo marina tokoa, fa ity vehivavy mahantra mitondratena ity no nandrotsaka betsaka mihoatra amin'ny olona izay nandrotsaka vola tao amin'ny vatan-drakitra. BSB BSB: Jesus called His disciples to Him and said, “Truly I tell you, this poor widow has put more than all the others into the treasury.
44 ULB Satria ny rehetra dia nanome tamin'ny fananam-ben'izy ireo. Fa ity mpitondratena ity kosa, tamin'ny fahantrany, dia nandrotsaka ny vola rehetra izay tokony hivelomany tao." BSB BSB: For they all contributed out of their surplus, but she out of her poverty has put in all she had to live on.”