2 ULB Hoy izy taminy hoe: "Hitanao va ireto rafitra lehibe ireto? Tsy havela hisy vato iray hifanongoa eo ka tsy ho ravana." BSB BSB: “Do you see all these great buildings?” Jesus replied. “Not one stone here will be left on another; every one will be thrown down.”
3 ULB Ary raha nipetraka teo an-tendrombohitr'Oliva tandrifin'ny tempoly Izy, dia nanontany Azy mangingina Petera, Jakoba, Jaona sy Andrea hoe: BSB BSB: While Jesus was sitting on the Mount of Olives opposite the temple, Peter, James, John, and Andrew asked Him privately,
4 ULB "Lazao aminay, rahoviana no hitranga izany zavatra rehetra izany? Inona no famantarana rehefa hitranga ireo zavatra ireo?" BSB BSB: “Tell us, when will these things happen? And what will be the sign that they are about to be fulfilled?”
5 ULB Ary Jesosy nanomboka niteny tamin'izy ireo hoe: "Mitandrema mba tsy hisy olona hampivily lalana anareo. BSB BSB: Jesus began by telling them, “See to it that no one deceives you.
6 ULB Fa maro no ho avy amin'ny Anarako sy hilaza hoe: 'Izaho no izy,' ary maro no ho voafitany. BSB BSB: Many will come in My name, claiming, ‘I am He,’ and will deceive many.
7 ULB Rehefa mandre ady sy resabe momban'ny ady ianareo, dia aza manahy; tsy maintsy hitranga ireo, fa tsy mbola izay ny farany. BSB BSB: When you hear of wars and rumors of wars, do not be alarmed. These things must happen, but the end is still to come.
8 ULB Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hamely fanjakana. Ary hisy horohoron-tany amin'ny toerana maro, sady hisy mosary. Izany no fiandohan'ny fahorian'ny fiterahana. BSB BSB: Nation will rise against nation, and kingdom against kingdom. There will be earthquakes in various places, as well as famines. These are the beginning of birth pains.
9 ULB Mitandrema ianareo. Ho atolotr'izy ireo amin'ny Synedriona ianareo, ary ho kapohina ao amin'ny synagoga. Hitsangana manoloana ireo mpanapaka sy ireo mpanjaka noho ny Amiko ianareo, ho vavolombelona amin'izy ireo. BSB BSB: So be on your guard. You will be delivered over to the councils and beaten in the synagogues. On My account you will stand before governors and kings as witnesses to them.
10 ULB Fa ny Filazantsara dia tsy maintsy ho toriana any amin'ny firenena rehetra aloha. BSB BSB: And the gospel must first be proclaimed to all the nations.
11 ULB Rehefa misambotra sy manolotra anareo izy ireo, dia aza manahy ny amin'izay tokony ho lazainareo. Fa amin'iny ora iny, dia homena anareo izay tokony ho teneninareo; tsy ianareo akory no hiteny, fa ny Fanahy Masina. BSB BSB: But when they arrest you and hand you over, do not worry beforehand what to say. Instead, speak whatever you are given at that time, for it will not be you speaking, but the Holy Spirit.
12 ULB Ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny ho faty, ary ny ray hanolotra ny zanany. Ny zanaka hitsangana hanohitra ny ray aman-dreniny ka hahafaty azy ireo. BSB BSB: Brother will betray brother to death, and a father his child. Children will rise against their parents and have them put to death.
13 ULB Ho halan'ny olon-drehetra ianareo nohon'ny Anarako. Fa na iza na iza maharitra hatramin'ny farany, dia ho voavonjy izany olona izany. BSB BSB: You will be hated by everyone because of My name, but the one who perseveres to the end will be saved.
14 ULB Fa raha hitanareo mitsangana eo amin'ny tsy tokony hitsanganany ny fahavetavetan'ny fandravana (aoka hisaina izay mamaky), dia aoka izay avy any Jodia rehetra handositra eny an-tendrombohitra, BSB BSB: So when you see the abomination of desolation standing where it should not be (let the reader understand), then let those who are in Judea flee to the mountains.
15 ULB izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina ao an-trano na hamoaka zavatra avy ao amin'izany, BSB BSB: Let no one on the housetop go back inside to retrieve anything from his house.
16 ULB ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany. BSB BSB: And let no one in the field return for his cloak.
17 ULB Lozan'ireo vehivavy bevohoka sy mampinono amin'izany andro izany! BSB BSB: How miserable those days will be for pregnant and nursing mothers!
18 ULB Mivavaha ianareo mba tsy ho amin'ny ririnina no hitrangan'izany. BSB BSB: Pray that this will not occur in the winter.
19 ULB Fa hisy fahoriana be, izay tsy mbola nisy hatramin'ny voalohany, rehefa namorona izao tontolo izao Andriamanitra, ka mandrak'ankehitriny, tsia, ary mandrakizay tsy hisy intsony izany. BSB BSB: For those will be days of tribulation unseen from the beginning of God’s creation until now, and never to be seen again.
20 ULB Ary raha tsy hoe nohafohezin'ny Tompo izany andro izany, dia tsy hisy nofo ho voavonjy. Fa nohon'ny olom-boafidy, izay nofinidiny, dia nafohezin'ny isan'izany andro izany. BSB BSB: If the Lord had not cut short those days, nobody would be saved. But for the sake of the elect, whom He has chosen, He has cut them short.
21 ULB Ary raha misy olona miteny aminao hoe: 'Jereo, aty Ilay Kristy!' na koa hoe: 'Jereo, ery Izy!' dia aza mino izany. BSB BSB: At that time if anyone says to you, ‘Look, here is the Christ!’ or ‘There He is!’ do not believe it.
22 ULB Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hiseho ary haneho famantarana sy fahagagana, mba hamitahana, na dia ny olom-boafidy aza, raha azo atao. BSB BSB: For false Christs and false prophets will appear and perform signs and wonders to deceive even the elect, if that were possible.
23 ULB Miambena! Efa voalazako taminareo mialoha ny fotoan'ireo zavatra rehetra ireo. BSB BSB: So be on your guard; I have told you everything in advance.
24 ULB Kanefa aorian'ny fahorian'ireo andro ireo, dia hihamaizina ny masoandro, ny volana tsy hanome ny hazavany, BSB BSB: But in those days, after that tribulation: ‘The sun will be darkened, and the moon will not give its light;
25 ULB ireo kintana hiraraka avy eny amin'ny lanitra, ary ireo hery izay ao an-danitra ho hozongozonina. BSB BSB: the stars will fall from the sky, and the powers of the heavens will be shaken.’
26 ULB Ka ho hitan'izy ireo ny Zanak'Olona avy eny amin'ny rahona amin'ny hery lehibe sy voninahitra. BSB BSB: At that time they will see the Son of Man coming in the clouds with great power and glory.
27 ULB Ary haniraka ny anjeliny Izy ka hanangona miaraka ireo olom-boafidiny avy any amin'ny vazan-tany efatra, avy any amin'ny faran'ny tany ka hatrany amin'ny faran'ny lanitra. BSB BSB: And He will send out the angels to gather His elect from the four winds, from the ends of the earth to the ends of heaven.
28 ULB Makà lesona avy amin'ny hazon'aviavy. Raha vao manaroka sy mandravina ny rantsany, dia fantatrareo fa akaiky ny lohataona. BSB BSB: Now learn this lesson from the fig tree: As soon as its branches become tender and sprout leaves, you know that summer is near.
29 ULB Toy izany koa, raha vao hitanareo mitranga izany zavatra rehetra izany, dia fantatrareo fa efa akaiky Izy, manakaiky ny vavahady. BSB BSB: So also, when you see these things happening, know that He is near, right at the door.
30 ULB Lazaiko aminareo, marina tokoa, ity taranaka ity dia tsy ho lany ritra mandra-pitrangan'izany zavatra rehetra izany. BSB BSB: Truly I tell you, this generation will not pass away until all these things have happened.
31 ULB Ho levona ny lanitra sy ny tany, fa ny teniko kosa tsy mba ho levona mandrakizay. BSB BSB: Heaven and earth will pass away, but My words will never pass away.
33 ULB Mitandrema! Miambena, satria tsy fantatrareo ny ora. BSB BSB: Be on your guard and stay alert! For you do not know when the appointed time will come.
34 ULB Izany dia tahaka ny lehilahy iray handeha lavitra_nandao ny tranony izy ka ireo mpanompony no nataony niandraikitra ny tranony, samy amin'ny raharahany avy, ary nandidy ny mpiambina Izy mba tsy hatory. BSB BSB: It is like a man going on a journey who left his house, put each servant in charge of his own task, and instructed the doorkeeper to keep watch.
35 ULB Koa miambena, satria tsy fantatrareo hoe rahoviana no ho avy ny tompon-trano; mety ho amin'ny hariva izany, na amin'ny sasak'alina, na maneno akoho, na maraina. BSB BSB: Therefore keep watch, because you do not know when the master of the house will return—whether in the evening, at midnight, when the rooster crows, or in the morning.
36 ULB Fa raha avy tampoka izy, dia aza avela hahita anareo matory izy. BSB BSB: Otherwise, he may arrive without notice and find you sleeping.
37 ULB Izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin'ny olona rehetra koa: Miambena!" BSB BSB: And what I say to you, I say to everyone: Keep watch!”