1 ULB Ary roa andro mialohan'ny Paska sy ny Fankalazana ny fihinanana ny Mofo Tsy misy Masirasira tamin'izany. Nitady fomba hisamborana an'i Jesosy mangingina ireo lohan'ny mpisorona sy ny mpanoradalàna ary hamono Azy avy eo. BSB BSB: Now the Passover and the Feast of Unleavened Bread were two days away, and the chief priests and scribes were looking for a covert way to arrest Jesus and kill Him.
2 ULB Fa hoy izy ireo hoe: "Aleo tsy amin'ny andro fety, mba tsy hampitabataba ny olona." BSB BSB: “But not during the feast,” they said, “or there may be a riot among the people.”
3 ULB Raha tany Betania tao an-tranon'i Simona boka Jesosy, raha nipetraka teo an-databatra Izy, dia nisy vehivavy iray nanatona Azy nitondra tavoara alabastara misy menaka lafo vidy, izay narda tsy misy fangarony. Novakiany ilay tavoara dia nararany teo amin'ny lohany izany. BSB BSB: While Jesus was in Bethany reclining at the table in the home of Simon the Leper, a woman came with an alabaster jar of expensive perfume, made of pure nard. She broke open the jar and poured it on Jesus’ head.
4 ULB Nahatezitra ny olona sasany anefa izany. Nifampiresaka izy ireo ka nanao hoe: "Inona no anton'izao fandanindaniam-poana izao? BSB BSB: Some of those present, however, expressed their indignation to one another: “Why this waste of perfume?
5 ULB Io menaka manitra io dia afaka namidy mihoatry ny denaria telonjato, ary nomena ny mahantra." Dia nibedy ilay vehivavy izy ireo avy eo. BSB BSB: It could have been sold for over three hundred denarii and the money given to the poor.” And they scolded her.
6 ULB Nefa hoy Jesosy hoe: "Avelao izy. Nahoana ianareo no manao izay mampalahelo azy? Zavatra tsara no nataony tamiko. BSB BSB: But Jesus said, “Leave her alone; why are you bothering her? She has done a beautiful deed to Me.
7 ULB Ny mahantra dia eo aminareo mandrakariva, ary afaka hanao asa soa ho azy ireo foana ianareo na amin'ny fotoana inona na fotoana inona, fa Izaho kosa tsy hitoetra eo aminareo mandrakariva. BSB BSB: The poor you will always have with you, and you can help them whenever you want. But you will not always have Me.
8 ULB Nanao izay azony atao izy: nanosotra ny tenako ho amin'ny fandevenana izy. BSB BSB: She has done what she could to anoint My body in advance of My burial.
9 ULB Lazaiko marina aminareo, na aiza na aiza hitoriana ny Filazantsara manerana izao tontolo izao, dia ho lazaina ny nataon'ity vehivavy ity, mba ho fahatsiarovana azy." BSB BSB: And truly I tell you, wherever the gospel is preached in all the world, what she has done will also be told in memory of her.”
10 ULB Avy eo Jodasy Iskariota, iray tamin'izy roa ambin'ny folo lahy, lasa nankany amin'ireo lohan'ny mpisorona hahafahany manolotra Azy eo amin'izy ireo. BSB BSB: Then Judas Iscariot, one of the Twelve, went to the chief priests to betray Jesus to them.
11 ULB Rehefa nandre izany ireo lohan'ny mpisorona, dia faly izy ireo ka nampanantena hanome vola azy. Dia nanomboka nitady irika hanolorana Azy amin'izy ireo izy. BSB BSB: They were delighted to hear this, and they promised to give him money. So Judas began to look for an opportunity to betray Jesus.
12 ULB Tamin'ny andro voalohan'ny fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, rehefa nanao sorona ny ondrin'ny Paska izy ireo, dia hoy ireo mpianany taminy hoe: "Aiza no tianao alehanay hikarakarana sakafo, mba hinananao ny sakafon'ny Paska?" BSB BSB: On the first day of the Feast of Unleavened Bread, when the Passover lamb was to be sacrificed, Jesus’ disciples asked Him, “Where do You want us to prepare for You to eat the Passover?”
13 ULB Dia naniraka roa tamin'ireo mpianany Izy ka niteny tamin'izy ireo hoe: "Mandehana any an-tanàna, ary hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo. Manaraha Azy. BSB BSB: So He sent two of His disciples and told them, “Go into the city, and a man carrying a jug of water will meet you. Follow him,
14 ULB Izay trano hidirany, manaraha azy dia lazao ny tompon'izany trano izany hoe: 'Hoy ny Mpampianatra hoe: "Aiza ny efitrano fandraisam-bahiny ahafahako miara-mihinana ny Paska amin'ireo mpianatro?"' BSB BSB: and whichever house he enters, say to the owner, ‘The Teacher asks: Where is My guest room, where I may eat the Passover with My disciples?’
15 ULB Hanoro anareo efitrano lehibe ambony rihana misy fanaka izay efa vonona tsara izy. Ao no ataovy ny fanomanana rehetra ho antsika." BSB BSB: And he will show you a large upper room, furnished and ready. Make preparations for us there.”
16 ULB Dia lasa ny mpianatra ary nihazo ny tanàna. Hitan'izy ireo araka izay efa nolazainy tamin'izy ireo ny zava-drehetra, dia nanomana ny sakafon'ny Paska izy ireo. BSB BSB: So the disciples left and went into the city, where they found everything as Jesus had described. And they prepared the Passover.
17 ULB Rehefa hariva ny andro, dia tonga niaraka tamin'ireo roa ambin'ny folo lahy Izy. BSB BSB: When evening came, Jesus arrived with the Twelve.
18 ULB Rehefa nipetraka teo an-databatra sy nihinana izy ireo, dia hoy Jesosy hoe: "Lazaiko marina aminareo, fa ny iray aminareo izay miara-mihinana amiko eto dia hamadika Ahy". BSB BSB: And while they were reclining and eating, Jesus said, “Truly I tell you, one of you who is eating with Me will betray Me.”
19 ULB Nalahelo mafy izy rehetra, ka niteny taminy ny tsirairay hoe: "Tsy izaho mihitsy izany?" BSB BSB: They began to be grieved and to ask Him one after another, “Surely not I?”
20 ULB Jesosy namaly ka niteny azy ireo hoe: "Ny anankiray aminareo roa ambin'ny folo izany, ilay iray miara-manatsoboka mofo amiko anaty lovia izao." BSB BSB: He answered, “It is one of the Twelve—the one who is dipping his hand into the bowl with Me.
21 ULB Fa ny Zanak'Olona dia handeha amin'ny lalana izay efa voalazan'ny Soratra Masina momba Azy. Fa loza kosa ho an'izany lehilahy izay mamadika ny Zanak'olona izany. Tsara ho azy kokoa aza raha tsy teraka izy." BSB BSB: The Son of Man will go just as it is written about Him, but woe to that man by whom He is betrayed! It would be better for him if he had not been born.”
22 ULB Raha mbola teo am-pihinanana izy ireo, dia nandray ny mofo i Jesosy, nisaotra, ary nizarazara izany. Natolony azy ireo izany sady nanao hoe: "Raiso, ity no vatako." BSB BSB: While they were eating, Jesus took bread, spoke a blessing and broke it, and gave it to the disciples, saying, “Take it; this is My body.”
23 ULB Dia nandray ny kapoaka Izy, nisaotra, ary nanolotra izany azy ireo, dia nisotro tamin'izany izy rehetra. BSB BSB: Then He took the cup, gave thanks, and gave it to them, and they all drank from it.
24 ULB Dia hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Ity ny ràn'ny fanekem-pihavanako, rà izay alatsaka ho an'ny maro. BSB BSB: He said to them, “This is My blood of the covenant, which is poured out for many.
25 ULB Lazaiko marina aminareo, tsy hisotro ity vokatry ny voaloboka ity intsony Aho mandra-pahatongan'ny andro izay hisotroako izany indray any amin'ny Fanjakan'Andriamanitra." BSB BSB: Truly I tell you, I will no longer drink of the fruit of the vine until that day when I drink it anew in the kingdom of God.”
26 ULB Rehefa avy nihira fiderana izy ireo, dia nandeha teny an-tendrombohitr'Oliva. BSB BSB: And when they had sung a hymn, they went out to the Mount of Olives.
27 ULB Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Handao Ahy avokoa ianareo rehetra, fa voasoratra hoe: 'Hamely ny mpiandry ondry Aho ary hiparitaka ny ondry.' BSB BSB: Then Jesus said to them, “You will all fall away, for it is written: ‘I will strike the Shepherd, and the sheep will be scattered.’
28 ULB Fa rehefa avy hatsangana amin'ny maty Aho, dia hialoha lalana anareo ao Galilia." BSB BSB: But after I have risen, I will go ahead of you into Galilee.”
29 ULB Dia hoy Petera taminy hoe: "Na dia handao avokoa aza ny rehetra, izaho tsy mba handao." BSB BSB: Peter declared, “Even if all fall away, I never will.”
30 ULB Hoy Jesosy taminy hoe: "Lazaiko marina aminao, fa anio alina, raha mboola tsy maneno in-droa akory ny akoho, dia efa handà Ahy in-telo ianao." BSB BSB: “Truly I tell you,” Jesus replied, “this very night, before the rooster crows twice, you will deny Me three times.”
31 ULB Fa hoy Petera hoe: "Na tsy maintsy hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao." Dia samy nampanantena toy izany avokoa izy rehetra. BSB BSB: But Peter kept insisting, “Even if I have to die with You, I will never deny You.” And all the others said the same thing.
33 ULB Dia nitondra an'i Petera, sy Jakoba, ary Jaona niaraka taminy Izy ary nanomboka nalahelo sady ory tanteraka. BSB BSB: He took with Him Peter, James, and John, and began to be deeply troubled and distressed.
34 ULB Dia hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Fadiranovana loatra ny Fanahiko, toy ny efa ho faty. Mitoera eto ka miambena." BSB BSB: Then He said to them, “My soul is consumed with sorrow to the point of death. Stay here and keep watch.”
35 ULB Nanalavitra kelikely Jesosy, niankohoka tamin'ny tany, dia nivavaka Izy mba raha toa ka azo atao, dia hiala Aminy izany ora izany. BSB BSB: Going a little farther, He fell to the ground and prayed that, if it were possible, the hour would pass from Him.
37 ULB Niverina Izy dia nahita azy ireo natory, ka hoy Izy tamin'i Petera hoe: "Simona, matory va ianao? Tsy nahavita niambina ora iray va ianao? BSB BSB: Then Jesus returned and found them sleeping. “Simon, are you asleep?” He asked. “Were you not able to keep watch for one hour?
38 ULB Miambena dia mivavaha mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy. Ny fanahy mety mazoto tokoa, fa ny nofo no malemy." BSB BSB: Watch and pray so that you will not enter into temptation. For the spirit is willing, but the body is weak.”
39 ULB Dia lasa indray Izy nisintaka kely ary nivavaka, ary dia namerina ny teny nataony teo aloha ihany. BSB BSB: Again He went away and prayed, saying the same thing.
40 ULB Niverina indray Izy dia nahita azy ireo natory, fa navesatry ny torimaso ny mason'izy ireo ary tsy hitan'izy ireo izay nolazaina taminy. BSB BSB: And again Jesus returned and found them sleeping, for their eyes were heavy. And they did not know what to answer Him.
41 ULB Nanatona fanintelony Izy ka niteny azy ireo hoe: "Mbola matory sy maka aina foana va ianareo? Ampy izay! Efa tonga ny fotoana. Jereo! Ny Zanak'Olona novadihana hatolotra eo an-tanan'ny mpanota. BSB BSB: When Jesus returned the third time, He said, “Are you still sleeping and resting? That is enough! The hour has come. Look, the Son of Man is betrayed into the hands of sinners.
42 ULB Mitsangàna; andao andeha isika. Jereo, efa akaiky ilay hamadika Ahy." BSB BSB: Rise, let us go. See, My betrayer is approaching!”
43 ULB Ary raha mbola teo am-pitenenana Izy, dia tonga Jodasy, iray amin'ireo roambinifolo lahy, niaraka tamina vahoaka maro izay nilanja sabatra sy langilangy, avy amin'ireo lohan'ny mpisorona, ny mpanoradalàna, ary ny loholona. BSB BSB: While Jesus was still speaking, Judas, one of the Twelve, arrived, accompanied by a crowd armed with swords and clubs, sent from the chief priests, scribes, and elders.
44 ULB Ary ilay mpamadika Azy nanome famantarana azy ireo, niteny hoe: "Izay horohako, Izy ilay Izy. Sambory Izy dia ambeno." BSB BSB: Now the betrayer had arranged a signal with them: “The One I kiss is the man; arrest Him and lead Him away securely.”
45 ULB Rehefa tonga Jodasy, dia nanatona an'i Jesosy avy hatrany izy sady niteny hoe: "Raby," ary nanoroka Azy izy. BSB BSB: Going directly to Jesus, he said, “Rabbi!” and kissed Him.
46 ULB Avy eo dia nosamborin'izy ireo Jesosy. BSB BSB: Then the men seized Jesus and arrested Him.
47 ULB Fa nisy iray tamin'ireo nijoro teo namoaka ny sabatrany ary namely ilay mpanompon'ny mpisoronabe ka nanapaka ny sofiny. BSB BSB: And one of the bystanders drew his sword and struck the servant of the high priest, cutting off his ear.
48 ULB Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Avy hisambotra Ahy, toy ny hisambotra jiolahy, miaraka amin'ny sabatra sy langilangy va ianareo? BSB BSB: Jesus asked the crowd, “Have you come out with swords and clubs to arrest Me as you would an outlaw?
49 ULB Tamin'Izaho teo aminareo isan'andro sy nampianatra teo amin'ny tempoly, tsy nosamborinareo. Fa natao izao mba hahatanteraka ny Soratra Masina." BSB BSB: Every day I was with you, teaching in the temple courts, and you did not arrest Me. But this has happened that the Scriptures would be fulfilled.”
50 ULB Dia nandao Azy avokoa ireo rehetra niaraka tamin'i Jesosy ary niery. BSB BSB: Then everyone deserted Him and fled.
51 ULB Ary nisy zatovo lahy anankiray, tsy nitafy afa-tsy lamba hariry fotsiny ihany, nanaraka an'i Jesosy. Rehefa nosamborin'ny olona izy BSB BSB: One young man who had been following Jesus was wearing a linen cloth around his body. They caught hold of him,
52 ULB dia navelany teo ny lambany ka lasa nandositra nitanjaka izy. BSB BSB: but he pulled free of the linen cloth and ran away naked.
53 ULB Nentin'izy ireo tany amin'ny mpisoronabe Jesosy. Niara-niangona taminy teo daholo ny mpisorona rehetra, sy ny loholona, ary ireo mpanora-dalàna. BSB BSB: They led Jesus away to the high priest, and all the chief priests, elders, and scribes assembled.
54 ULB Ary Petera nanaraka Azy avy eny lavidavitra eny, hatrany amin'ny tokontanin'ny mpisoronabe. Nipetraka teo amin'ireo mpiambina izy, izay namindro teo akaikin'ny afo. BSB BSB: Peter followed Him at a distance, right into the courtyard of the high priest. And he sat with the officers and warmed himself by the fire.
55 ULB Ary ireo lohan'ny mpisorona sy ny Synedriona Jiosy dia nitady vavolombelona manohitra an'i Jesosy mba hahafahan'izy ireo mamono Azy ho faty. Saingy tsy nahita izy ireo. BSB BSB: Now the chief priests and the whole Sanhedrin were seeking testimony against Jesus to put Him to death, but they did not find any.
56 ULB Fa maro no niampanga lainga Azy, nefa na ny fiampangan'izy ireo aza tsy nitombomona akory. BSB BSB: For many bore false witness against Jesus, but their testimony was inconsistent.
57 ULB Ary nisy olona sasany nitsangana ka niampanga lainga Azy; hoy izy ireo hoe: BSB BSB: Then some men stood up and testified falsely against Him:
58 ULB "Renay Izy niteny hoe: 'Ho ravako ity tempoly natao tanana ity, ary ao anatin'ny telo andro Aho dia hanangana iray hafa tsy nataon-tanana."' BSB BSB: “We heard Him say, ‘I will destroy this man-made temple, and in three days I will build another that is made without hands.’”
59 ULB Fa mbola tsy nifanaraka ihany ny fiampangan'izy ireo. BSB BSB: But even their testimony was inconsistent.
62 ULB Dia hoy Jesosy hoe: "Izaho no Izy; ary ho hitanareo ny Zanak'Olona rehefa mipetraka eo an-tanana ankavanan'ny herin'Andriamanitra sy avy eny amin'ny rahon'ny lanitra." BSB BSB: “I am,” said Jesus, “and you will see the Son of Man sitting at the right hand of Power and coming with the clouds of heaven.”
63 ULB Ary ny mpisoronabe nandrovitra ny fitafiany sady nanao hoe: "Mbola mila vavolombelona ihany va isika? BSB BSB: At this, the high priest tore his clothes and declared, “Why do we need any more witnesses?
64 ULB Efa renareo ny fitenenan-dratsy. Inona no fanapahan-kevitrareo?" Izy rehetra dia samy nanameloka Azy toy ny olona mendrika ny ho faty. BSB BSB: You have heard the blasphemy. What is your verdict?” And they all condemned Him as deserving of death.
65 ULB Ny sasany nanomboka nandrora Azy ary nanarona ny tavany ka namely Azy ary nanao taminy hoe: "Maminania!" Ary ireo manam-boninahitra naka Azy ka nidaroka Azy. BSB BSB: Then some of them began to spit on Him. They blindfolded Him, struck Him with their fists, and said to Him, “Prophesy!” And the officers received Him with slaps in His face.
66 ULB Ary raha teo ambany teo an-kianja Petera, dia nanatona azy ny iray tamin'ireo mpanompo vavin'ny mpisoronabe. BSB BSB: While Peter was in the courtyard below, one of the servant girls of the high priest came down
67 ULB Nahita an'i Petera nijoro namindro teo amin'ny afo izy, dia nodinihany akaiky. Dia hoy izy taminy hoe: "Ianao koa niaraka tamin'ilay Nazarena, Jesosy". BSB BSB: and saw him warming himself there. She looked at Peter and said, “You also were with Jesus the Nazarene.”
68 ULB Fa izy nandà izany, nanao hoe: "Tsy fantatro sady tsy azoko izay teneninao." Avy eo lasa niala ny kianja izy. BSB BSB: But he denied it. “I do not know or even understand what you are talking about,” he said. Then he went out to the gateway, and the rooster crowed.
69 ULB Fa ilay ankizivavy teo nahita azy dia nanomboka niteny tamin'ireo olona nitsangana manodidina indray hoe: "Io lehilahy io dia iray amin'izy ireny!" BSB BSB: There the servant girl saw him and again said to those standing nearby, “This man is one of them.”
70 ULB Fa mbola nandà izany indray izy. Kelikely avy eo dia hoy ireo nitsangana teo tamin'i Petera hoe: "Iray amin'izy ireo mihitsy ianao, satria ianao koa dia Galiliana." BSB BSB: But he denied it again. After a little while, those standing nearby said once more to Peter, “Surely you are one of them, for you too are a Galilean.”
71 ULB Fa nanomboka nanozon-tena sy nianiana izy hoe: "Tsy fantatro izany lehilahy lazainareo izany." BSB BSB: But he began to curse and swear, “I do not know this man of whom you speak!”
72 ULB Ary niaraka tamin'izany dia naneno fanindroany ny akoho. Avy eo dia nahatsiaro ny tenin'i Jesosy taminy Petera hoe: "Raha tsy mbola maneno fanindroany ny akoho, dia handà Ahy intelo ianao," Dia nalahelo mafy izy sady nitomany. BSB BSB: And immediately the rooster crowed a second time. Then Peter remembered the word that Jesus had spoken to him: “Before the rooster crows twice, you will deny Me three times.” And he broke down and wept.