1 ULB Nantsoin'i Jesosy niaraka ireo mpianany roa ambin'ny folo ary nanome azy ireo fahefana amin'ireo fanahy maloto, mba handroahana azy ireo, sy hanasitrana ireo karazan'aretina sy karazana faharariana rehetra. BSB BSB: And calling His twelve disciples to Him, Jesus gave them authority over unclean spirits, so that they could drive them out and heal every disease and sickness.
2 ULB Ary ireto avy ny anaran'ireo apostoly roa ambiny folo. Ny voalohany, Simona (izay antsoina ihany koa hoe Petera), ary Andreo rahalahiny; Jakoba zanaka lahin'i Zebede, sy Jaona rahalahiny; BSB BSB: These are the names of the twelve apostles: first Simon, called Peter, and his brother Andrew; James son of Zebedee, and his brother John;
3 ULB Filipo, sy Barteleomy; Tomasy, sy Matio ilay mpanangona hetra; Jakoba zanaka lahin'i Alfeosy, ary Tadeosy; BSB BSB: Philip and Bartholomew; Thomas and Matthew the tax collector; James son of Alphaeus, and Thaddaeus;
4 ULB Simona ilay Zelota, ary Jodasy Iskariota, ilay hamadika Azy. BSB BSB: Simon the Zealot, and Judas Iscariot, who betrayed Jesus.
6 ULB Fa mandehana kosa any amin'ireo ondry very amin'ny taranak'Isiraely; BSB BSB: Go rather to the lost sheep of Israel.
7 ULB ka rehefa mandeha ianareo, dia mitoria ary ambarao hoe: 'Efa akaiky ny fahatongavan'ny Fanjakan'ny lanitra.' BSB BSB: As you go, preach this message: ‘The kingdom of heaven is near.’
8 ULB Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ireo boka, ary roahy ireo demonia. Araka ny nahazoanareo maimaimpoana, dia manomeza ihany koa maimaimpoana. BSB BSB: Heal the sick, raise the dead, cleanse the lepers, drive out demons. Freely you have received; freely give.
9 ULB Aza mitondra volamena, volafotsy, na varahina ao amin'ny kitapom-bolanareo. BSB BSB: Do not take along any gold or silver or copper in your belts.
10 ULB Aza mitondra kitapom-batsy amin'izay alehanareo, na fitafy hafa, na kiraro, na tehina, fa ny mpiasa dia mendrika hahazo ny sakafony. BSB BSB: Take no bag for the road, or second tunic, or sandals, or staff; for the worker is worthy of his provisions.
11 ULB Na inona na inona tanàn-dehibe na tanàna kely hidiranareo, tadiavo izay mendrika ao, ary mitoera ao mandra-pialanareo. BSB BSB: Whatever town or village you enter, find out who is worthy there and stay at his house until you move on.
12 ULB Raha vao miditra ao amin'ilay trano ianareo, dia miarahabà ny ao. Raha mendrika ilay trano, dia aoka ny fiadananareo ho tonga ao. BSB BSB: As you enter the home, greet its occupants.
13 ULB Fa raha tsy mendrika kosa izany, dia aoka ny fiadananareo hiverina aminareo. BSB BSB: If the home is worthy, let your peace rest on it, but if it is not, let your peace return to you.
14 ULB Ho an'ireo izay tsy mandray anareo na tsy mihaino ny teninareo, dia ahintsano ny vovoka amin'ny tongotrareo, rehefa miainga amin'izany trano na tanàn-dehibe izany ianareo. BSB BSB: And if anyone will not welcome you or heed your words, shake the dust off your feet when you leave that home or town.
15 ULB Lazaiko marina aminareo, fa ho moramora kokoa ny an'ny tanin'i Sodoma sy Gomora amin'ny andro fitsarana noho izany tanàn-dehibe izany. BSB BSB: Truly I tell you, it will be more bearable for Sodom and Gomorrah on the day of judgment than for that town.
16 ULB Indro, handefa anareo toy ny ondry eo afovoan'ny ambodia Aho, koa hendre tahaka ny menarana ary tsy manan-tsiny tahaka ny voromailala. BSB BSB: Behold, I am sending you out like sheep among wolves; therefore be as shrewd as snakes and as innocent as doves.
17 ULB Mitandrema ny amin'ny olona! Hanolotra anareo eo amin'ny filan-kevitra izy ireo, ary hikapoka anareo ao amin'ny sinagogan'izy ireo. BSB BSB: But beware of men, for they will hand you over to their councils and flog you in their synagogues.
18 ULB Avy eo dia ho entina manoloana ny governora sy ny mpanjaka ianareo nohon'ny Amiko, mba ho vavolombelona ho azy ireo sy ho an'ireo Jentilisa. BSB BSB: On My account you will be brought before governors and kings as witnesses to them and to the Gentiles.
19 ULB Rehefa manolotra anareo izy ireo, dia aza manana ahiahy ny amin'ny hoe ahoana na inona no ho lazainareo, fa homena anareo amin'io ora io izay tokony ho lazaina. BSB BSB: But when they hand you over, do not worry about how to respond or what to say. In that hour you will be given what to say.
20 ULB Fa tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahin'ilay Rainareo no hiteny ao aminareo. BSB BSB: For it will not be you speaking, but the Spirit of your Father speaking through you.
21 ULB Ny rahalahy dia hanolotra ny rahalahy ho amin'ny fahafatesana, ary ny ray dia ny zanany. Ny zanaka dia hitsangana hanohitra ny ray aman-dreniny ka hahatonga ny fahafatesan'izy ireo. BSB BSB: Brother will betray brother to death, and a father his child; children will rise against their parents and have them put to death.
22 ULB Ho halan'ny olon-drehetra ianareo nohon'ny amin'ny anarako. Fa na iza na iza miharitra hatramin'ny farany, dia ho voavonjy izany olona izany. BSB BSB: You will be hated by everyone because of My name, but the one who perseveres to the end will be saved.
23 ULB Rehefa manenjika anareo ao amin'io tanàn-dehibe io izy ireo, dia mandosira any amin'ny manaraka, fa lazaiko marina aminareo, fa tsy hahatapitra ireo tanànan'Israely mialohan'ny hatongavan'ny Zanak'Olona ianareo. BSB BSB: When they persecute you in one town, flee to the next. Truly I tell you, you will not reach all the towns of Israel before the Son of Man comes.
24 ULB Ny mpianatra dia tsy lehibe noho ny mpampianany, na ny mpanompo ho ambony noho ny tompony. BSB BSB: A disciple is not above his teacher, nor a servant above his master.
25 ULB Ampy ho an'ny mpianatra raha tonga toy ny mpampianany izy, ary ny mpanompo toy ny tompony. Raha nantsoin'izy ireo hoe Belzeboba ny tompon'ny trano, dia ho ratsy lavitra tahaka ny ahoana ireo anarana hiantson'izy ireo ny isam-piankohonana! BSB BSB: It is enough for a disciple to be like his teacher, and a servant like his master. If the head of the house has been called Beelzebul, how much more the members of his household!
26 ULB Noho izany aza matahotra azy ireo, fa tsy hisy takona izay tsy hiseho, ary zava-miafina izay tsy ho fantatra. BSB BSB: So do not be afraid of them. For there is nothing concealed that will not be disclosed, and nothing hidden that will not be made known.
27 ULB Izay lazaiko anareo ao amin'ny haizina, dia teneno amin'ny andro mazava, ary izay bitsibitsika renareo amin'ny sofinareo, dia torio eny ambony tampon-trano. BSB BSB: What I tell you in the dark, speak in the daylight; what is whispered in your ear, proclaim from the housetops.
30 ULB Fa na ny volon-dohanareo aza voaisa avokoa. BSB BSB: And even the very hairs of your head are all numbered.
31 ULB Aza matahotra. Manan-danja bebe kokoa noho ny fody maro ianareo. BSB BSB: So do not be afraid; you are worth more than many sparrows.
33 ULB Fa izay mandà Ahy eo anatrehan'ny olona kosa, dia ho laviko ihany koa eo anatrehan'ny Raiko izay any an-danitra. BSB BSB: But whoever denies Me before men, I will also deny him before My Father in heaven.
35 ULB Fa tonga aho hanasaraka ny zanaka lahy amin'ny rainy, sy ny zanaka vavy amin'ny reniny, ary ny vinantovavy amin'ny rafozam-baviny. BSB BSB: For I have come to turn ‘a man against his father, a daughter against her mother, a daughter-in-law against her mother-in-law.
36 ULB Ireo izay ao an-tokantranony ihany no ho lasa fahavalon'ny olona. BSB BSB: A man’s enemies will be the members of his own household.’
39 ULB Izay mamonjy ny ainy dia hahavery izany. Fa izay mahavery ny ainy noho ny amiko dia hahita izany. BSB BSB: Whoever finds his life will lose it, and whoever loses his life for My sake will find it.
40 ULB Izay mandray anareo dia mandray Ahy, ary izay mandray Ahy dia mandray ilay naniraka ahy ihany koa. BSB BSB: He who receives you receives Me, and he who receives Me receives the One who sent Me.
41 ULB Izay mandray ny mpaminany satria mpaminany izy dia hahazo ny valisoan'ny mpaminany, ary izay mandray ny olo-marina satria olo-marina izy dia hahazo ny valisoan'ny olo-marina. BSB BSB: Whoever receives a prophet because he is a prophet will receive a prophet’s reward, and whoever receives a righteous man because he is a righteous man will receive a righteous man’s reward.
42 ULB Na iza na iza manome ny iray amin'ireny madinika indrindra ireny, na dia rano mangatsiaka iray kaopy ho sotroina aza, satria izy mpianatra, dia lazaiko marina aminareo fa, tsy ho very ny valisoany." BSB BSB: And if anyone gives even a cup of cold water to one of these little ones because he is My disciple, truly I tell you, he will never lose his reward.”