1 ULB Ary rehefa avy nampianatra ireo mpianany roa ambin'folo Jesosy, dia niainga avy teo Izy hampianatra sy hitory any amin'ny tananan'izy ireo. BSB BSB: After Jesus had finished instructing His twelve disciples, He went on from there to teach and preach in their cities.
3 ULB ka niteny Azy hoe: "Ianao va ilay iray izay ho avy, sa tokony hitady hafa izahay?" BSB BSB: to ask Him, “Are You the One who was to come, or should we look for someone else?”
4 ULB Jesosy namaly ary niteny azy ireo hoe: "Mandehana ary lazao amin'i Jaona izay hitanareo sy renareo." BSB BSB: Jesus replied, “Go back and report to John what you hear and see:
5 ULB Mahazo fahitana ireo jamba, mandeha ireo olona malemy, diovina ireo boka, mandre indray ireo olona marenina, atsangan-ko velona ireo olona maty, ary anambarana ireo vaovao mahafaly ny mahantra. BSB BSB: The blind receive sight, the lame walk, the lepers are cleansed, the deaf hear, the dead are raised, and the good news is preached to the poor.
6 ULB Sambatra izay tsy tafitohina noho ny amiko." BSB BSB: Blessed is the one who does not fall away on account of Me.”
7 ULB Raha nandeha teny amin'ny lalany ireo lehilahy ireo, dia nanomboka nilaza ny momban'i Jaona tamin'ireo vahoaka Jesosy hoe: "Hijery inona no nivoahanareo any an'efitra- volotara tsofin'ny rivotra? BSB BSB: As John’s disciples were leaving, Jesus began to speak to the crowds about John: “What did you go out into the wilderness to see? A reed swaying in the wind?
8 ULB Nefa hijery inona no nivoahanareo- lehilahy manao fitafy lafo vidy? Indro, ireo izay manao fitafy lafo vidy dia mipetraka ao an-tranon'ireo mpanjaka. BSB BSB: Otherwise, what did you go out to see? A man dressed in fine clothes? Look, those who wear fine clothing are found in kings’ palaces.
9 ULB Nefa hijery inona no nivoahanareo -mpaminany? Eny, miteny aminareo Aho, ary mihoatra lavitra noho ny mpaminany. BSB BSB: What then did you go out to see? A prophet? Yes, I tell you, and more than a prophet.
10 ULB Izy ilay izay voasoratra hoe: 'Jereo, maniraka ny irako hialoha ny tavanareo Aho, izay hanomana ny làlanareo mialoha anareo.' BSB BSB: This is the one about whom it is written: ‘Behold, I will send My messenger ahead of You, who will prepare Your way before You.’
11 ULB Lazaiko marina aminareo, fa amin'ireo izay natera-behivavy dia tsy misy lehibe mihoatra noho Jaona mpanao Batisa. Nefa ny olona tsy manan-danja indrindra eo amin'ny fanjakan'ny lanitra dia lehibe noho izy. BSB BSB: Truly I tell you, among those born of women there has risen no one greater than John the Baptist. Yet even the least in the kingdom of heaven is greater than he.
12 ULB Nanomboka tamin'ny andron'i Jaona mpanao Batisa ka hatramin'izao, dia miaritra amin'ny herisetra ny fanjakan'ny lanitra, ary ireo olona mahery setra dia maka azy an-keriny. BSB BSB: From the days of John the Baptist until now, the kingdom of heaven has been subject to violence, and the violent lay claim to it.
13 ULB Fa ireo mpaminany rehetra sy ny lalàna dia efa naminany hatramin'i Jaona; BSB BSB: For all the Prophets and the Law prophesied until John.
15 ULB Izay manan-tsofina ho enti-mhaino, aoka izy hihaino. BSB BSB: He who has ears, let him hear.
16 ULB Amin'inona no tokony hampitahako ity taranaka ity? Izany dia toy ny ankizy milalao eny amin'ny tsena, izay mipetraka sy mifampiantsoantso BSB BSB: To what can I compare this generation? They are like children sitting in the marketplaces and calling out to others:
17 ULB ka miteny hoe: 'Nitsoka sodina ho anareo izahay, fa tsy nandihy inareo. Nanao hira fisaonanana izahay, fa tsy nitomany ianareo.' BSB BSB: ‘We played the flute for you, and you did not dance; we sang a dirge, and you did not mourn.’
18 ULB Fa Jaona dia tsy tonga hihinana mofo na hisotro divay, ka hoy izy ireo hoe: 'Manana demonia izy.' BSB BSB: For John came neither eating nor drinking, and they say, ‘He has a demon!’
19 ULB Ny Zanak'Olona dia tonga hihinana sy hisotro ka hoy izy ireo hoe: 'Jereo, lehilahy tendan-kanina sy mpimamo izy, naman'ireo mpamory hetra sy ireo mpanota!' Fa ny fahendrena dia voamarina tamin'ireo asany." BSB BSB: The Son of Man came eating and drinking, and they say, ‘Look at this glutton and drunkard, a friend of tax collectors and sinners!’ But wisdom is vindicated by her actions.”
20 ULB Avy eo Jesosy nanomboka niteny mafy ireo tanàna izay nanaovany ny ankamaroan'ny asany mahagaga, satria tsy nibebaka izy ireo. BSB BSB: Then Jesus began to denounce the cities in which most of His miracles had been performed, because they did not repent.
22 ULB Nefa ho moramora kokoa ny an'ny Tyra sy Sidona amin'ny andron'ny fitsarana mihoatra noho ny anareo. BSB BSB: But I tell you, it will be more bearable for Tyre and Sidon on the day of judgment than for you.
23 ULB Ianareo, ry Kapernaomy, mihevitra ve ianareo fa hasandratra any an-danitra? Tsia, ho entina hidina any amin'ny helo ianareo. Satria raha tany Sodoma no natao ireo asa mahagaga izay natao teto aminareo, dia mbola ho tavela izany mandrak' androany. BSB BSB: And you, Capernaum, will you be lifted up to heaven? No, you will be brought down to Hades! For if the miracles that were performed in you had been performed in Sodom, it would have remained to this day.
24 ULB Nefa milaza aminareo Aho fa ho mora kokoa ho an'ny tanin'i Sodoma ny andron'ny fitsarana noho ny ho aminareo." BSB BSB: But I tell you that it will be more bearable for Sodom on the day of judgment than for you.”
25 ULB Tamin'izany fotoana izany Jesosy niteny hoe: "Midera Anao Aho, ry Ray, Tompon'ny lanitra sy ny tany, satria Ianao no nanafina ireo zavatra ireo tamin'ny hendry sy ny mahalala, ary nanambara ireo tamin'ireo izay tsy mahalala, toy ireo ankizy kely. BSB BSB: At that time Jesus declared, “I praise You, Father, Lord of heaven and earth, because You have hidden these things from the wise and learned, and revealed them to little children.
26 ULB Eny, ry Ray, satria izany dia nahafinaritra teo imasonao. BSB BSB: Yes, Father, for this was well-pleasing in Your sight.
27 ULB Ny zavatra rehetra nankinina tamiko dia avy amin'ny Raiko; ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka, sy izay fidian'ny Zanaka hanambarana Azy. BSB BSB: All things have been entrusted to Me by My Father. No one knows the Son except the Father, and no one knows the Father except the Son and those to whom the Son chooses to reveal Him.
28 ULB Mankanesa aty amiko, ianareo rehetra izay miasa sy mitondra mavesatra, dia omeko fitsaharana ianareo. BSB BSB: Come to Me, all you who are weary and burdened, and I will give you rest.
29 ULB Ento ny ziogako ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena am-po Aho, dia hahita fitsaharana ho an'ireo fanahinareo ianareo. BSB BSB: Take My yoke upon you and learn from Me, for I am gentle and humble in heart, and you will find rest for your souls.
30 ULB Fa mora ny ziogako ary maivana ny entako." BSB BSB: For My yoke is easy and My burden is light.”