1 ULB Tamin'izany fotoana izany Jesosy nandeha namakivaky ny tanimbary tamin'ny andro Sabata. Noana ireo mpianany ka nanomboka nioty salohim-bary dia nihinanana ireo. BSB BSB: At that time Jesus went through the grainfields on the Sabbath. His disciples were hungry and began to pick the heads of grain and eat them.
2 ULB Nefa noho ny hitan'ireo Fariseo izany, dia hoy izy ireo tamin'i Jesosy hoe: "Jereo, ireo mpianatrao manao izay tsy ara-dalàna ny manao azy amin'ny Sabata." BSB BSB: When the Pharisees saw this, they said to Him, “Look, Your disciples are doing what is unlawful on the Sabbath.”
4 ULB Niditra tao amin'ny tranon' Andriamanitra izy ary nihinana ny mofon'ny fanatrehena, izay tsy ara-dalàna ho azy raha hanina ary tsy ara-dalàna ho an'ireo izay niaraka taminy, nefa ara-dalàna ho an'ny lohan'ny mpisorona irery ihany. BSB BSB: He entered the house of God, and he and his companions ate the consecrated bread, which was not lawful for them to eat, but only for the priests.
5 ULB Tsy mbola novakinareo va ny ao amin'ny lalàna, fa amin'ny Sabata ireo mpisorona ao an-tempoly dia manota ny Sabata nefa tsy manan-tsiny? BSB BSB: Or haven’t you read in the Law that on the Sabbath the priests in the temple break the Sabbath and yet are innocent?
6 ULB Kanefa lazaiko aminareo fa eto ny iray lehibe noho ny tempoly. BSB BSB: But I tell you that One greater than the temple is here.
7 ULB Raha fantatrareo ny hevitry ny hoe: 'Famindram-po no iriko fa tsy sorona,' dia tsy nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo. BSB BSB: If only you had known the meaning of ‘I desire mercy, not sacrifice,’ you would not have condemned the innocent.
8 ULB Fa ny Zanak'Olona no Tompon'ny Sabata." BSB BSB: For the Son of Man is Lord of the Sabbath.”
9 ULB Avy eo Jesosy niala tao ka niditra tao amin'ny synagogan'izy ireo. BSB BSB: Moving on from there, Jesus entered their synagogue,
10 ULB Indro, nisy lehilahy izay malemy tanana teo. Nanontany an'i jesosy ireo Fariseo, nanao hoe: "Ara-dalàna va ny manasitrana amin'ny Sabata?" mba hiampangan'izy ireo Azy amin'ny fahotana. BSB BSB: and a man with a withered hand was there. In order to accuse Jesus, they asked Him, “Is it lawful to heal on the Sabbath?”
11 ULB Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Olona iza eo aminareo, iza, raha ondry iray fotsiny no ananany, ka raha latsaka anaty lavaka lalina ilay ondry amin'ny Sabata, no tsy hisambotra azy ary tsy hampakatra azy? BSB BSB: He replied, “If one of you has a sheep and it falls into a pit on the Sabbath, will he not take hold of it and lift it out?
12 ULB Tsy manan-danja mihoatra lavitra, va, ny olona noho ny ondry! Ka noho izany dia ara-dalàna ny manao soa amin'ny andro Sabata." BSB BSB: How much more valuable is a man than a sheep! Therefore it is lawful to do good on the Sabbath.”
13 ULB Avy eo hoy Jesosy tamin-dralehilahy hoe: "Ahinjiro ny tananao." Dia nahinjiny izany, ka niverina ny fahasalamany, tahaka ny tanany ilany. BSB BSB: Then Jesus said to the man, “Stretch out your hand.” So he stretched it out, and it was restored to full use, just like the other.
14 ULB Fa nivoaka ireo Fariseo ka nitetika ny hamono Azy. Nitady hevitra ny amin'ny fomba mety hamonona Azy izy ireo. BSB BSB: But the Pharisees went out and plotted how they might kill Jesus.
15 ULB Rehefa nahalala izany Jesosy, dia niala teo Izy. Olona maro no nananaraka Azy, ary nositraniny izy rehetra. BSB BSB: Aware of this, Jesus withdrew from that place. Large crowds followed Him, and He healed them all,
16 ULB Dia nandidy azy ireo Izy mba tsy hampafantatra Azy amin'ny hafa, BSB BSB: warning them not to make Him known.
18 ULB "Jereo, ny mpanompoko izay nofidiko; ry ilay malalako, izay sitrakin'ny fanahiko indrindra. Hapetrako ao aminy ny fanahiko, ary hanambara ny fitsaràna amin'ny Jentilisa izy. BSB BSB: “Here is My Servant, whom I have chosen, My beloved, in whom My soul delights. I will put My Spirit on Him, and He will proclaim justice to the nations.
19 ULB Tsy hifanditra na hiantso mafy izy; ary tsy hisy olona handre ny feony eny an-dalàna. BSB BSB: He will not quarrel or cry out; no one will hear His voice in the streets.
20 ULB Tsy hanapaka ny volotara torotoro izy; tsy hamono izay lahin-jiro manentona, mandra-panaony ny rariny ho fandresena, BSB BSB: A bruised reed He will not break, and a smoldering wick He will not extinguish, till He leads justice to victory.
21 ULB ary amin'ny anarany no hananan'ireo Jentilisa fanantenana." BSB BSB: In His name the nations will put their hope.”
22 ULB Avy eo nisy olona jamba sy moana, nitoeran'ny demonia, noentina teo amin'ny Jesosy. Nositraniny izy, vokatr'izany dia niteny sy nahita ilay moana. BSB BSB: Then a demon-possessed man who was blind and mute was brought to Jesus, and He healed the man so that he could speak and see.
23 ULB Gaga ireo vahoaka rehetra ka niteny hoe: "Mety io lehilahy io ve no Zanak'i Davida?" BSB BSB: The crowds were astounded and asked, “Could this be the Son of David?”
24 ULB Kanefa rehefa nandre izany fahagagana izany ireo Fariseo, dia hoy izy ireo hoe: "Io lehilahy io dia tsy mamoaka demonia raha-tsy amin'ny alalan'i Belzeboba, lehiben'ny demonia." BSB BSB: But when the Pharisees heard this, they said, “Only by Beelzebul, the prince of demons, does this man drive out demons.”
25 ULB Kanefa fanatatr'i Jesosy ny eritreritr'izy ireo ka niteny azy ireo izy hoe: "Ny fanjakana rehetra miady an-trano dia tsy haharitra, ary ny tanàna na trano rehetra miady an-trano dia ho rava. BSB BSB: Knowing their thoughts, Jesus said to them, “Every kingdom divided against itself will be laid waste, and every city or household divided against itself will not stand.
26 ULB Raha mamoaka satana ny satana, dia miady an-trano izy. Ahoana noho izany no hijoroan'ny fanjakany? BSB BSB: If Satan drives out Satan, he is divided against himself. How then can his kingdom stand?
27 ULB Ary raha mamoaka ireo demonia amin'ny alalan'i belzeboba Aho, dia amin'ny alalan'iza izany no adroahan'ny zanakareo azy ireo? Noho izany antony izany dia ho mpitsaranao izy ireo. BSB BSB: And if I drive out demons by Beelzebul, by whom do your sons drive them out? So then, they will be your judges.
28 ULB Kanefa raha mamoaka ireo demonia amin'ny alalan'ny Fanahin'Andriamanitra Aho, dia efa tonga aminareo ny Fanjakan'Andriamanitra. BSB BSB: But if I drive out demons by the Spirit of God, then the kingdom of God has come upon you.
29 ULB Amin'ny fomba ahoana no ahafahan'ny olona miditra ao an- tranon'ny lehilahy mahery ary maka ireo fananany raha tsy hafatotra aloha ilay lehilahy mahery? Avy eo haka ireo fananany ao an-tranony izy. BSB BSB: Or again, how can anyone enter a strong man’s house and steal his possessions, unless he first ties up the strong man? Then he can plunder his house.
30 ULB Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy, ary izay tsy mitambatra miaraka Amiko dia miparitaka. BSB BSB: He who is not with Me is against Me, and he who does not gather with Me scatters.
31 ULB Noho izany lazaiko aminareo fa, ho voavela heloka ny olona amin'ny fahotaha sy fitenenan-dratsy rehetra, fa ny fitenenan-dratsy amin'ny Fanahy Masina dia tsy hahazoana famelan-keloka. BSB BSB: Therefore I tell you, every sin and blasphemy will be forgiven men, but the blasphemy against the Spirit will not be forgiven.
32 ULB Na iza na iza miteny manohitra ny Zanak'Olona, dia ho voavela izy. Fa na iza na iza miteny manohitra ny Fanahy Masina, dia tsy ho voavela izy, na amin'izao fiainana izao, na amin'izay ho avy. BSB BSB: Whoever speaks a word against the Son of Man will be forgiven, but whoever speaks against the Holy Spirit will not be forgiven, either in this age or in the one to come.
33 ULB Ataovy tsara ny hazo dia hamoa tsara izany, na ataovy ratsy ny hazo dia hamoa ratsy izany, fa fantatra amin'ny voany ny hazo. BSB BSB: Make a tree good and its fruit will be good, or make a tree bad and its fruit will be bad, for a tree is known by its fruit.
34 ULB Ianareo taranaky ny menarana, satria ratsy fanahy ianareo, koa ahoana no afahanareo miteny zavatra tsara? Fa avy amin'ny haben'ny ao am-po no itenenan'ny vavany. BSB BSB: You brood of vipers, how can you who are evil say anything good? For out of the overflow of the heart the mouth speaks.
35 ULB Ny olona tsara avy amin'ny harena tsara ao am-pony dia mamokatra izay tsara, ary ny olon-dratsy avy amin'ny harena ratsy ao am-pony dia mamokatra izay ratsy. BSB BSB: The good man brings good things out of his good store of treasure, and the evil man brings evil things out of his evil store of treasure.
36 ULB Lazaiko aminareo fa amin'ny andron'ny fitsarana dia ho adinina amin'ny teny tsy voahevitra nolazainy avy ny olona. BSB BSB: But I tell you that men will give an account on the day of judgment for every careless word they have spoken.
37 ULB Fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anareo." BSB BSB: For by your words you will be acquitted, and by your words you will be condemned.”
40 ULB Fa tahaka an'i Jonah izay telo andro sy telo alina tao an-kibon'ny trondro lehibe, dia ho toy izany koa no hitoeran'ny zanak'olona telo andro sy telo alina ao anatin'ny tany. BSB BSB: For as Jonah was three days and three nights in the belly of the great fish, so the Son of Man will be three days and three nights in the heart of the earth.
41 ULB Ireo olon'i Ninive dia hitsangana eo amin'ny fitsarana miaraka amin'ity taranaka ity ary hanameloka izany. Fa nibebaka izy ireo tamin'ny toritenin'i Jaonah, ary indro, misy olona lehibe noho jaonah eto. BSB BSB: The men of Nineveh will stand at the judgment with this generation and condemn it; for they repented at the preaching of Jonah, and now One greater than Jonah is here.
42 ULB Ny mpanjakavavin'ny atsimo dia hiara-hitsangana amin'ireo lehilahin'ity taranaka ity amin'ny andron'ny fitsarana ary hanameloka izany. Tonga avy any amin'ny faran'ny tany izy mba handre ny fahendren'i Salomona, ary indro, misy olona lehibe noho Solomona eto. BSB BSB: The Queen of the South will rise at the judgment with this generation and condemn it; for she came from the ends of the earth to hear the wisdom of Solomon, and now One greater than Solomon is here.
43 ULB Rehefa nisy fanahy ratsy niala tao amin'ny lehilahy iray, dia mandalo tany karakaina izy ary mitady fitsaharana, nefa tsy mahita izany. BSB BSB: When an unclean spirit comes out of a man, it passes through arid places seeking rest and does not find it.
44 ULB Izany dia milaza hoe: 'Hiverina any amin'ny tranoko izay nihaviako aho.' Ary nony tonga, dia nahita fa voafafa ny trano ary nilamina. BSB BSB: Then it says, ‘I will return to the house I left.’ On its return, it finds the house vacant, swept clean, and put in order.
45 ULB Avy eo dia nandeha izany ary nitondra fanahy ratsy fito niaraka taminy izay ratsy mihoatra azy, ka niditra nonina tao izy rehetra. Avy eo niha-ratsy noho ny voalohany ny fiafaran'izany lehilahy izany. Ary ho tahaka izany koa ny amin'ity taranaka ratsy fanahy ity." BSB BSB: Then it goes and brings with it seven other spirits more wicked than itself, and they go in and dwell there. And the final plight of that man is worse than the first. So will it be with this wicked generation.”
46 ULB Raha mbola niteny tamin'ireo vahoaka Jesosy, dia indreo, ny reniny sy ireo rahalahiny nijoro tany ivelany, nitady hiresaka aminy. BSB BSB: While Jesus was still speaking to the crowds, His mother and brothers stood outside, wanting to speak to Him.
47 ULB Nisy olona iray niteny taminy hoe: "Jereo, ny reninao sy ireo rahalahinao mijoro ao ivelany, mitady iresaka aminao." BSB BSB: Someone told Him, “Look, Your mother and brothers are standing outside, wanting to speak to You.”
48 ULB Fa namaly Jesosy ary niteny tamin'ilay niteny Azy hoe, "Iza no reniko ary iza ireo rahalahiko?" BSB BSB: But Jesus replied, “Who is My mother, and who are My brothers?”
49 ULB Avy eo nahijiny tamin'ireo mpianany ny tanany ary niteny hoe: "Jereo, indreto ny reniko sy ireo rahalahiko! BSB BSB: Pointing to His disciples, He said, “Here are My mother and My brothers.
50 ULB Fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko izay any an-danitra, dia izany olona izany no rahalahiko, sy ny anabaviko, ary reniko." BSB BSB: For whoever does the will of My Father in heaven is My brother and sister and mother.”