1 ULB Tamin'izany andro izany Jesosy nandeha nivoaka ny trano ary nipetraka teo amoron'ny ranomasina. BSB BSB: That same day Jesus went out of the house and sat by the sea.
2 ULB Nisy vahoaka maro niangona nanodidina Azy, ka dia niditra tao an-tsambokely Izy ary nipetraka tao amin'izany, raha nitsangana teo amoron-dranomasina kosa ny vahoaka rehetra. BSB BSB: Such large crowds gathered around Him that He got into a boat and sat down, while all the people stood on the shore.
3 ULB Avy eo Jesosy nilaza zavatra maro tamin'izy ireo tamin'ny alalan'ny fanoharana. Hoy Izy hoe: "Indro, nisy mpamboly iray nandeha nivoaka hamafy voa. BSB BSB: And He told them many things in parables, saying, “A farmer went out to sow his seed.
4 ULB Raha izy namafy iny, dia nisy voa sasany latsaka teny amoron-dalana, ary tamy ireo vorona ka nandrapaka ireo. BSB BSB: And as he was sowing, some seed fell along the path, and the birds came and devoured it.
5 ULB Ireo voa hafa indray dia latsaka teny amin'ny tany be vato, izay tsy nahazoan'ireo nofon-tany tsara. Avy hatrany dia naniry ireo, satria tsy lalina ny tany. BSB BSB: Some fell on rocky ground, where it did not have much soil. It sprang up quickly because the soil was shallow.
6 ULB Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia maina ireo satria tsy nisy fakany, ary dia nalazo. BSB BSB: But when the sun rose, the seedlings were scorched, and they withered because they had no root.
7 ULB Nilatsaka teo amin'ny tsilo ireo voa hafa. Naniry ireo tsilo ary nangenja azy ireo. BSB BSB: Other seed fell among thorns, which grew up and choked the seedlings.
8 ULB Ireo voa hafa nilatsaka tamin'ny tany tsara ary namoa voany, ny sasany avo zato heny, ny sasany enim-polo, ary ny sasany telo-polo. BSB BSB: Still other seed fell on good soil and produced a crop—a hundredfold, sixtyfold, or thirtyfold.
9 ULB Izay manan-tsofina, aoka izy hiaino." BSB BSB: He who has ears, let him hear.”
10 ULB Tamy ireo mpianatra ary niteny an'i Jesosy hoe: "Nahoana Ianao no miresaka amin'ireo vahoaka amin'ny alalan'ny fanoharana?" BSB BSB: Then the disciples came to Jesus and asked, “Why do You speak to the people in parables?”
11 ULB Namaly Jesosy ary niteny azy ireo hoe: "Ianareo no nomena tombony hahafantatra ireo zava-miafin'ny fanjakan'ny lanitra, fa ho azy ireo dia tsy nomena izany. BSB BSB: He replied, “The knowledge of the mysteries of the kingdom of heaven has been given to you, but not to them.
12 ULB Satria na iza na iza manana, dia ho be kokoa aza no homena. Fa na iza na iza kosa tsy manana, na izay hananany aza ho esorina aminy. BSB BSB: Whoever has will be given more, and he will have an abundance. Whoever does not have, even what he has will be taken away from him.
13 ULB Izany no antony hiresahako amin'izy ireo amin'ny alalan'ny fanoharana: Na dia mijery aza izy ireo, dia tsy mahita; ary na dia mihaino aza izy ireo, dia tsy mandre, na mahazo. BSB BSB: This is why I speak to them in parables: ‘Though seeing, they do not see; though hearing, they do not hear or understand.’
14 ULB Amin'izy ireo ny faminanian'Isaia no tanteraka, izay milaza hoe: 'Rehefa mihaino dia handre ianareo, saingy tsy hahazo mihitsy; rehefa mijery dia hahita ianareo, saingy tsy hahatakatra. BSB BSB: In them the prophecy of Isaiah is fulfilled: ‘You will be ever hearing but never understanding; you will be ever seeing but never perceiving.
15 ULB Fa lasa donto ny fon'ity vahoaka ity, ary mafy sofina izy ireo, ary nakipin'izy ireo ny masony, mba tsy hahita amin'ny mason'izy ireo, na handre amin'ny sofin'izy ireo, na hahazo amin'ny fon'izy ireo, ka hibebaka indray izy ireo, ary hanasitrana azy ireo Aho.' BSB BSB: For this people’s heart has grown callous; they hardly hear with their ears, and they have closed their eyes. Otherwise they might see with their eyes, hear with their ears, understand with their hearts, and turn, and I would heal them.’
16 ULB Fa sambatra ny masonareo, satria mahita; ary ny sofinareo, satria mandre. BSB BSB: But blessed are your eyes because they see, and your ears because they hear.
17 ULB Lazaiko marina aminareo fa mpaminany sy olo-marina maro no naniry ny hahita ireo zavatra izay hitanareo, kanefa tsy nahita an'ireo. Naniry ny handre ireo zavatra izay renareo izy ireo, kanefa tsy nandre an'ireo. BSB BSB: For truly I tell you, many prophets and righteous men longed to see what you see but did not see it, and to hear what you hear but did not hear it.
18 ULB Koa mihainoa ary ny fanoharana ny amin'ny mpamboly iray izay namafy ny voany. BSB BSB: Consider, then, the parable of the sower:
19 ULB Rehefa misy mandre ny tenin'ny fanjakana kanefa tsy mahazo izany, dia tonga ilay ratsy ary manongotra izay nafafy tao am-pony. Io ilay voa nafafy teny amoron-dalana. BSB BSB: When anyone hears the message of the kingdom but does not understand it, the evil one comes and snatches away what was sown in his heart. This is the seed sown along the path.
20 ULB Ilay nafafy teny amin'ny tany be vato dia ny olona izay mandre ny teny ary avy hatrany dia mandray azy am-pifaliana, BSB BSB: The seed sown on rocky ground is the one who hears the word and at once receives it with joy.
21 ULB saingy tsy mbola miorim-paka ao anatiny izy ary dia maharitra vetivety ihany. Rehefa tonga ny fahoriana na ny fanenjehana nohon'ny amin'ny teny, dia malaky tafintohina izy. BSB BSB: But since he has no root, he remains for only a season. When trouble or persecution comes because of the word, he quickly falls away.
22 ULB Ilay nafafy teny amin'ny tsilo, io dia ny olona izay mandre ny teny, saingy ny fiahiahian'izao tontolo izao sy ny fitaky ny harena no mangeja ny teny, ary dia lasa tsy mamoa izy. BSB BSB: The seed sown among the thorns is the one who hears the word, but the worries of this life and the deceitfulness of wealth choke the word, and it becomes unfruitful.
23 ULB Ilay nafafy teo amin'ny tany tsara, io no olona izay mandre ny teny ary mahazo izany. Mamoa voankazo izy ary mahatonga ny voa iray, hanome avo zato heny mihoatra izay nambolena, ny sasany enim-polo, ny sasany avo telo-polo heny." BSB BSB: But the seed sown on good soil is the one who hears the word and understands it. He indeed bears fruit and produces a crop—a hundredfold, sixtyfold, or thirtyfold.”
25 ULB Fa raha natory iny ny olona, dia tonga ny fahavalony ary namafy voan-tsimparifary ihany koa tao amin'ireo vary ary nandeha. BSB BSB: But while everyone was asleep, his enemy came and sowed weeds among the wheat, and slipped away.
26 ULB Rehefa nitsiry ireo vary ary avy eo namokatra ireo voany, dia nipoitra ihany koa ireo voan-tsimparifary. BSB BSB: When the wheat sprouted and bore grain, then the weeds also appeared.
27 ULB Tonga ireo mpanompon'ny tompon-tany ary niteny taminy hoe: 'Tompoko, tsy namafy voa tsara tao amin'ny sahanao va ianao? Nahoana izy ankehitriny no misy voan-tsimparifary?' BSB BSB: The owner’s servants came to him and said, ‘Sir, didn’t you sow good seed in your field? Where then did the weeds come from?’
28 ULB Hoy izy tamin'izy ireo hoe: 'Nisy fahavalo nanao izany.' Hoy ireo mpanompo taminy hoe: 'Koa tianao va ny handehananay manongotra azy ireo?' BSB BSB: ‘An enemy did this,’ he replied. So the servants asked him, ‘Do you want us to go and pull them up?’
29 ULB Ilay tompon-tany niteny hoe: 'Tsia. Satria raha manongotra ireo tsimparifary ianareo, dia mety hanongotra ny fakan'ireo vary miaraka amin'ireo koa. BSB BSB: ‘No,’ he said, ‘if you pull the weeds now, you might uproot the wheat with them.
30 ULB Avelao hiara-haniry izy roa hatramin'ny fijinjana. Amin'ny fotoam-pijinjana dia hiteny amin'ny mpijinja aho hoe: "Esory aloha ireo ahi-dratsy ary fehezo ho fatorana maromaro mba handorana azy ireo, fa angony ao amin'ny fitoeram-bokatro kosa ireo vary."'" BSB BSB: Let both grow together until the harvest. At that time I will tell the harvesters: First collect the weeds and tie them in bundles to be burned; then gather the wheat into my barn.’”
31 ULB Avy eo Jesosy naneho fanoharana iray hafa tamin'izy ireo. Hoy Izy hoe: "Ny fanjakan'ny lanitra dia toy ny voatsinampy izay nalain'ny lehilahy iray ary nafafiny teo amin'ny sahany. BSB BSB: He put before them another parable: “The kingdom of heaven is like a mustard seed that a man took and planted in his field.
32 ULB Io voa io tokoa no voa kely indrindra amin'ny voa hafa rehetra. Fa rehefa naniry izany, dia lehibe noho ireo zava-maniry ao amin'ny saha. Lasa hazo izany, mba hiavian'ireo voron'ny habakabaka ary hanao ny tranon'izy ireo eo amin'ireo rantsany." BSB BSB: Although it is the smallest of all seeds, yet it grows into the largest of garden plants and becomes a tree, so that the birds of the air come and nest in its branches.”
33 ULB Avy eo Jesosy nilaza fanoharana iray hafa. "Ny fanjakan'ny lanitra dia toy ny lalivay izay nalain'ny vehivavy iray ary nafangarony tamina lafarinina intelo famarana mandra-piakatry ny foto-koba manontolo." BSB BSB: He told them still another parable: “The kingdom of heaven is like leaven that a woman took and mixed into three measures of flour, until all of it was leavened.”
34 ULB Fanoharana no nanambaran'i Jesosy ireo zava-drehetra ireo tamin'ny vahoaka; ary tsy nilaza na inona na inona tamin'izy ireo afa-tsy tamin'ny fanoharana Izy. BSB BSB: Jesus spoke all these things to the crowds in parables. He did not tell them anything without using a parable.
35 ULB Izany dia mba hahatanteraka izay nolazaina tamin'ny alalan'ny mpaminany, rehefa niteny Izy hoe: "Izaho hiloa-bava amin'ny alalan'ny fanoharana. Hilaza zavatra izay nafenina hatrizay nanorenana izao tontolo izao Aho." BSB BSB: So was fulfilled what was spoken through the prophet: “I will open My mouth in parables; I will utter things hidden since the foundation of the world.”
36 ULB Avy eo Jesosy nandao ireo vahoaka ary nankao an-trano. Nankeo aminy ireo mpianany ary niteny hoe: "Azavao aminay ny fanoharana momba ilay tsimparifarin'ny saha." BSB BSB: Then Jesus dismissed the crowds and went into the house. His disciples came to Him and said, “Explain to us the parable of the weeds in the field.”
37 ULB Namaly Jesosy ary niteny hoe: "Ilay mamafy voa tsara dia ny Zanak'Olona. BSB BSB: He replied, “The One who sows the good seed is the Son of Man.
38 ULB Ny saha dia izao tontolo izao; ary ny voa tsara, ireo no zanaky ny fanjakana. Ny tsimparifary dia ireo zanak'ilay ratsy, BSB BSB: The field is the world, and the good seed represents the sons of the kingdom. The weeds are the sons of the evil one,
39 ULB ary ny fahavalo izay namafy azy ireo dia ny devoly. Ny fijinjana dia ny fiafaran'izao tontolo izao, ary ny mpijinja dia ireo anjely. BSB BSB: and the enemy who sows them is the devil. The harvest is the end of the age, and the harvesters are angels.
40 ULB Noho izany, tahaka ny anangonana sy andorana ireo tsimparifary amin'ny afo, no atao koa amin'ny fiafaran'izao tontolo izao. BSB BSB: As the weeds are collected and burned in the fire, so will it be at the end of the age.
41 ULB Haniraka ireo anjeliny ny Zanak'Olona, ary ho angonin'izy ireo hiala amin'ny fanjakany ireo zavatra rehetra izay mahatonga fahotana, sy ireo izay manao ratsy. BSB BSB: The Son of Man will send out His angels, and they will weed out of His kingdom every cause of sin and all who practice lawlessness.
42 ULB Ho atsipin'izy ireo ao amin'ny lafaoro lehibe mirehitra afo izy ireo, izay hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. BSB BSB: And they will throw them into the fiery furnace, where there will be weeping and gnashing of teeth.
43 ULB Avy eo hamiratra toy ny masoandro ao amin'ny fanjakan'ny Rain'izy ireo ny olo-marina. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino. BSB BSB: Then the righteous will shine like the sun in the kingdom of their Father. He who has ears, let him hear.
44 ULB Ny fanjakan'ny lanitra dia toy ny harena izay miafina ao amin'ny saha iray. Nisy lehilahy nahita izany ary nafeniny. Nandeha tamin'ny hafaliany izy, nivarotra izay rehetra nananany, ary nividy io saha io. BSB BSB: The kingdom of heaven is like treasure hidden in a field. When a man found it, he hid it again, and in his joy he went and sold all he had and bought that field.
45 ULB Ary koa, ny fanjakan'ny lanitra dia toy ny lehiahy izay mpivarotra mitady voahangy lafo vidy. BSB BSB: Again, the kingdom of heaven is like a merchant in search of fine pearls.
46 ULB Rehefa nahita voahangy iray izay tena lafo vidy izy, dia nandeha ka nivarotra izay rehetra nananany ka nividy izany. BSB BSB: When he found one very precious pearl, he went away and sold all he had and bought it.
47 ULB Ary koa, ny fanjakan'ny lanitra dia toy ny harato izay natsipy tany an-dranomasina, ary nanangona ireo karazan-java-manan'aina rehetra. BSB BSB: Once again, the kingdom of heaven is like a net that was cast into the sea and caught all kinds of fish.
48 ULB Rehefa feno izany, dia nosintonin'ireo mpanarato ho eo amoron-dranomasina. Avy eo izy ireo nipetraka ka nanangona ireo zavatra tsara ho ao amin'ny fitoerany, fa ireo zavatra tsy ilaina kosa narian'izy ireo. BSB BSB: When it was full, the men pulled it ashore. Then they sat down and sorted the good fish into containers, but threw the bad away.
49 ULB Ho toy izany amin'ny fiafaran'izao tontolo izao. Ho avy ireo anjely ary hanasaraka ireo ratsy fanahy amin'ireo marina. BSB BSB: So will it be at the end of the age: The angels will come and separate the wicked from the righteous
50 ULB Ho atsipin'izy ireo ao amin'ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy ireo, izay hisy ny fitomaniana sy fikitroha-nify. BSB BSB: and throw them into the fiery furnace, where there will be weeping and gnashing of teeth.
51 ULB Azonareo ve izany zavatra rehetra izany?" Hoy ireo mpianany taminy hoe: "Eny." BSB BSB: Have you understood all these things?” “Yes,” they answered.
52 ULB Avy eo Jesosy niteny tamin'izy ireo hoe: "Noho izany ny mpanora-dalana rehetra izay lasa mpianatra eo amin'ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano iray, izay mamoaka ireo zavatra tranainy sy ireo zavatra vaovao avy ao amin'ny hareny." BSB BSB: Then He told them, “For this reason, every scribe who has been discipled in the kingdom of heaven is like a homeowner who brings out of his storeroom new treasures as well as old.”
53 ULB Avy eo rehefa nahavita ireo fanoharana ireo Jesosy, dia niala tamin'izany toerana izany Izy. BSB BSB: When Jesus had finished these parables, He withdrew from that place.
54 ULB Avy eo Jesosy niditra tao amin'ny taniny manokana ary nampianatra ireo vahoaka tao amin'ny synagogan'izy ireo. Vokatr'izany dia talanjona izy ireo ary niteny hoe: "Avy aiza no ahazoan'ity lehilahy ity ny fahendreny sy ireo fahagagana ireo? BSB BSB: Coming to His hometown, He taught the people in their synagogue, and they were astonished. “Where did this man get such wisdom and miraculous powers?” they asked.
56 ULB Tsy miaraka amintsika va ireo anabaviny rehetra? Avy aiza no nahazoany ireo zavatra rehetra ireo?" BSB BSB: Aren’t all His sisters with us as well? Where then did this man get all these things?”
57 ULB Tohina nohon'ny aminy izy ireo. Fa hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Tsy misy mpaminany tsy misy hajany raha tsy ao amin'ny fireneny sy ao amin'ny fianakaviany ihany." BSB BSB: And they took offense at Him. But Jesus said to them, “Only in his hometown and in his own household is a prophet without honor.”
58 ULB Tsy dia nanao fahagagana be tao Izy nohon'ny tsy finoan'izy ireo. BSB BSB: And He did not do many miracles there, because of their unbelief.