1 ULB Tamin'izany fotoana izany, Heroda mpanapaka nandre ny vaovao momba an'i Jesosy. BSB BSB: At that time Herod the tetrarch heard the reports about Jesus
2 ULB Hoy izy tamin'ireo mpanompony hoe: "I Jaona mpanao batisa izany; nitsangana tamin'ny maty izy. Noho izany dia miasa ao aminy ireo hery ireo." BSB BSB: and said to his servants, “This is John the Baptist; he has risen from the dead! That is why miraculous powers are at work in him.”
3 ULB Fa Heroda nisambotra an'i Jaona, namatotra azy, ary nandefa azy tany an-trano maizina noho i Herodiasy, vadin'i Filipo rahalahiny. BSB BSB: Now Herod had arrested John and bound him and put him in prison on account of Herodias, his brother Philip’s wife,
4 ULB Fa hoy Jaona taminy hoe: "Tsy ara-dalana ho anao ny manana azy ho vadinao." BSB BSB: because John had been telling him, “It is not lawful for you to have her.”
5 ULB Naniry ny hamono azy Heroda, saingy natahotra ireo vahoaka izy, satria noraisin'izy ireo toy ny mpaminany izy. BSB BSB: Although Herod wanted to kill John, he was afraid of the people, because they regarded John as a prophet.
6 ULB Fa rehefa tonga ny fitsingerenan'ny andro nahaterahan'i Heroda, dia nandihy teo afovoan'ireo vahiny nasaina ny zanaka vavin'i Herodiasy ka nahafinaritra an'i Heroda. BSB BSB: On Herod’s birthday, however, the daughter of Herodias danced before them and pleased Herod
7 ULB Ho setrin'izany, dia nampanantena tamin'ny fianianana izy ny hanome izay hangatahiny na inona na inona. BSB BSB: so much that he promised with an oath to give to her whatever she asked.
8 ULB Rehefa avy notoroan’ny reniny marika, dia hoy izy hoe: "Omeo ahy eto, ambonin'ny lovia, ny lohan'i Jaona mpanao Batisa." BSB BSB: Prompted by her mother, she said, “Give me here on a platter the head of John the Baptist.”
9 ULB Nalahelo mafy nohon'ny fangatahany ny mpanjaka, saingy nohon'ny voadiny sy noho ireo rehetra nisakafo niaraka taminy, dia nanome baiko izy fa tokony ho vita izany. BSB BSB: The king was grieved, but because of his oaths and his guests, he ordered that her wish be granted
10 ULB Naniraka ka nanapaka ny lohan'i Jaona tao an-tranomaizina izy. BSB BSB: and sent to have John beheaded in the prison.
11 ULB Avy eo nentina tamin'ny lovia ny lohany ary nomena ilay zazavavy ary nentiny teo amin'ny reniny izany. BSB BSB: John’s head was brought in on a platter and presented to the girl, who carried it to her mother.
12 ULB Avy eo dia tonga ireo mpianany, naka ilay faty, ary nandevina izany. Taorian'izany, dia nandeha izy ireo ary nilaza tamin'i Jesosy. BSB BSB: Then John’s disciples came and took his body and buried it. And they went and informed Jesus.
13 ULB Ary rehefa nandre izany Jesosy, dia niala avy teo tamina sambokely iray izy hankany amina toerana mitokana iray. Rehefa nandre izany ireo vahoaka, dia nanaraka Azy an-tongotra avy tany amin'ireo tanàn-dehibe. BSB BSB: When Jesus heard about John, He withdrew by boat privately to a solitary place. But the crowds found out about it and followed Him on foot from the towns.
14 ULB Avy eo Jesosy nankeo anoloan'izy ireo ary nahita ireo vahoaka maro be. Nangoraka azy ireo Izy ary nanasitrana ny aretin'izy ireo. BSB BSB: When He stepped ashore and saw a large crowd, He had compassion on them and healed their sick.
15 ULB Rehefa tonga ny hariva, dia nankeo aminy ireo mpianatra ary niteny hoe: "Ity dia toerana foana, ary efa tapitra sahady ny andro. Alefao ireo vahoaka, mba hahafahan'izy ireo mandeha any amin'ireo tanàna ary hividy sakafo ho an'ny tenan'izy ireo." BSB BSB: When evening came, the disciples came to Him and said, “This is a desolate place, and the hour is already late. Dismiss the crowds so they can go to the villages and buy themselves some food.”
16 ULB Fa Jesosy niteny azy ireo hoe: "Tsy mila mandeha lavitra izy ireo. Omenareo zavatra hanina izy ireo." BSB BSB: “They do not need to go away,” Jesus replied. “You give them something to eat.”
17 ULB Hoy izy ireo taminy hoe: "Mofo dimy sy hazandrano roa ihany no hanananay eto." BSB BSB: “We have here only five loaves of bread and two fish,” they answered.
18 ULB Hoy Jesosy hoe: "Ento aty amiko izany." BSB BSB: “Bring them here to Me,” Jesus said.
19 ULB Avy eo Jesosy nibaiko ireo vahoaka mba hipetraka eo amin'ny bozaka. Nalainy ireo mofo dimy sy hazandrano roa. Niandrandra tany an-danitra, dia nisaotra Izy ary nanapaka ireo mofo ka nomeny ireo mpianatra, ary ireo mpianatra nanome izany ho an'ireo vahoaka. BSB BSB: And He directed the crowds to sit down on the grass. Taking the five loaves and the two fish and looking up to heaven, He spoke a blessing. Then He broke the loaves and gave them to the disciples, and the disciples gave them to the people.
20 ULB Nihinana avokoa izy rehetra ary voky. Avy eo dia nangonin'izy ireo ny sisan'ireo poti-tsakafo ka nahafeno roambinifolo harona. BSB BSB: They all ate and were satisfied, and the disciples picked up twelve basketfuls of broken pieces that were left over.
21 ULB Teo amin'ny dimy arivo lahy teo ireo nihinana, ankoatra ireo zaza amam-behivavy. BSB BSB: About five thousand men were fed, besides women and children.
22 ULB Avy hatrany dia nasainy nankao amin'ny sambokely ary handeha hialoha Azy ho eny ampita ireo mpianany, raha mbola nandefa ireo vahoaka Izy. BSB BSB: Immediately Jesus made the disciples get into the boat and go on ahead of Him to the other side, while He dismissed the crowds.
23 ULB Taorian'ny nandefasany ireo vahoaka, dia nandeha niakatra teny an-tendrombohitra irery Izy mba hivavaka. Rehefa tonga ny hariva, dia irery teo Izy. BSB BSB: After He had dismissed them, He went up on the mountain by Himself to pray. When evening came, He was there alone,
24 ULB Ary ny sambo dia efa lasa lavitry ny tanety, natopatopan'ny onja, satria nitsoka nanohitra azy ireo ny rivotra. BSB BSB: but the boat was already far from land, buffeted by the waves because the wind was against it.
25 ULB Tamin'ny fiambenana fahefatry ny alina dia nanatona azy ireo Jesosy, nandeha teny ambony ranomasina. BSB BSB: During the fourth watch of the night, Jesus went out to them, walking on the sea.
26 ULB Rehefa nahita Azy nandeha teny ambony ranomasina ireo mpianatra, dia raiki-tahotra ka niteny hoe: "Matotoa io," ary dia nihiakiaka tamin-tahotra izy ireo. BSB BSB: When the disciples saw Him walking on the sea, they were terrified. “It’s a ghost!” they said, and cried out in fear.
27 ULB Fa Jesosy niteny tamin'izy ireo avy hatrany hoe: "Mahereza! Izaho ity! Aza matahotra." BSB BSB: But Jesus spoke up at once: “Take courage! It is I. Do not be afraid.”
30 ULB Fa rehefa nahita ny rivotra Petera, dia lasa natahotra. Raha iny izy nanomboka nilentika iny, dia nihiaka mafy izy sady niteny hoe: "Tompo, vonjeo aho!" BSB BSB: But when he saw the strength of the wind, he was afraid and, beginning to sink, cried out, “Lord, save me!”
31 ULB Avy hatrany Jesosy dia naninjitra ny tànany, nihazona an'i Petera, ary niteny taminy hoe: "Ianao ry kely finoana, fa maninona ianao no niahiahy?" BSB BSB: Immediately Jesus reached out His hand and took hold of Peter. “You of little faith,” He said, “why did you doubt?”
32 ULB Avy eo Jesosy sy Petera nandeha nihazo ny sambokely, nitsahatra nitsoka ny rivotra. BSB BSB: And when they had climbed back into the boat, the wind died down.
34 ULB Rehefa avy niampita izy ireo, dia tonga teny an-tanety tao Genesareta. BSB BSB: When they had crossed over, they landed at Gennesaret.
35 ULB Rehefa nahafantatra an'i Jesosy ireo lehilahy tao amin'izany toerana izany, dia nandefa hafatra teny amin'ny faritra manodidina rehetra, ary nentin'izy ireo teo Aminy izay olona narary rehetra. BSB BSB: And when the men of that place recognized Jesus, they sent word to all the surrounding region. People brought all the sick to Him
36 ULB Nitalaho Taminy izy ireo mba hahafahan'izy ireo mikasika ny moron'akanjony fotsiny ihany, ary maro ireo nikasika izany ka sitrana. BSB BSB: and begged Him just to let them touch the fringe of His cloak. And all who touched Him were healed.