1 ULB Ny fanjakan'ny lanitra dia ho tahaka ny virjina folo izay naka ny jirony ka nandeha nihaona tamin' ny mpampakatra. BSB BSB: “At that time the kingdom of heaven will be like ten virgins who took their lamps and went out to meet the bridegroom.
2 ULB Adala ny dimy tamin'izy ireo fa ny dimy kosa hendry. BSB BSB: Five of them were foolish, and five were wise.
3 ULB Ary rehefa nitondra ireo jirony ireo virjina adala, dia tsy nitondra solika niaraka taminy. BSB BSB: The foolish ones took their lamps but did not take along any extra oil.
4 ULB Fa ireo virijina hendry kosa dia nitondra fitahirizan-tsolika niaraka tamin'ny jirony. BSB BSB: But the wise ones took oil in flasks along with their lamps.
5 ULB Ary raha tara ny mpampakatra, dia rendremana izy rehetra ka natory. BSB BSB: When the bridegroom was delayed, they all became drowsy and fell asleep.
6 ULB Fa tamin'ny sasak'alina dia nisy niantso mafy hoe: "Indro, ny mpampakatra! mivoaha mba hiaona aminy." BSB BSB: At midnight the cry rang out: ‘Here is the bridegroom! Come out to meet him!’
7 ULB Avy eo niharina ireo virijina rehetra ka nikarakara ny jirony. BSB BSB: Then all the virgins woke up and trimmed their lamps.
8 ULB Hoy ireo adala tamin'ireo hendry hoe: "Mba omeo ampahany amin'ny solikareo izahay fa efa ho faty ny jironay. BSB BSB: The foolish ones said to the wise, ‘Give us some of your oil; our lamps are going out.’
9 ULB Fa namaly ireo hendry ka niteny hoe: "Sao dia tsy ho ampy ho anay sy ho anareo, fa mandehana kosa any amin'ireo mpivarotra ka mividiana ho an'ny tenanareo." BSB BSB: ‘No,’ said the wise ones, ‘or there may not be enough for both us and you. Instead, go to those who sell oil and buy some for yourselves.’
10 ULB Raha nandeha nividy izy ireo, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa vonona dia niara-nandeha taminy ho ao amin'ny fanasam-panambadiana, ka nihidy ny vavahady. BSB BSB: But while they were on their way to buy it, the bridegroom arrived. Those who were ready went in with him to the wedding banquet, and the door was shut.
11 ULB Rehefa afaka izany dia tonga ihany koa ireo virjiny sasany ka niteny hoe: 'Tompoko, Tompoko, mba vahao izahay'. BSB BSB: Later the other virgins arrived and said, ‘Lord, lord, open the door for us!’
12 ULB Fa namaly izy ka niteny hoe: 'Lazaiko marina aminareo, tsy mahafantatra anareo aho.' BSB BSB: But he replied, ‘Truly I tell you, I do not know you.’
13 ULB Koa noho izany mihambena, fa tsy fantatrareo ny andro na ny ora. BSB BSB: Therefore keep watch, because you do not know the day or the hour.
14 ULB Fa izany dia tahaka ny lehilahy iray izay handeha ho any amin'ny firenen-kafa. Niantso ny mpanompony izy ka nampitantana azy ireo ny hareny. BSB BSB: For it is just like a man going on a journey, who called his servants and entrusted them with his possessions.
15 ULB Ny iray tamin'izy ireo nomeny talenta dimy, ny iray hafa nomeny roa, ary ny iray hafa kosa nomeny talenta iray. Ny tsirairay dia samy nandray talenta araka izay fahaizany avy, ary nandeha tamin'ny diany izany lehilahy izany. BSB BSB: To one he gave five talents, to another two talents, and to another one talent—each according to his own ability. And he went on his journey.
16 ULB Ny iray izay naharay talenta dimy dia nihainga teo noho eo ka nampiasa azy ireo ary nahazo talenta dimy hafa. BSB BSB: The servant who had received the five talents went at once and put them to work and gained five more.
17 ULB Toy izany koa ilay iray izay naharay talenta roa nahazo roa hafa. BSB BSB: Likewise, the one with the two talents gained two more.
18 ULB Fa ilay mpanompo iray izay naharay talenta iray kosa, nandeha ka niady lavaka tamin'ny tany, ary nandevina ny volan'ny tompony. BSB BSB: But the servant who had received the one talent went off, dug a hole in the ground, and hid his master’s money.
19 ULB Ary taorian'ny fotoana ela dia niverina ny tompon'ireo mpanompo ireo ary nandamin-draharaha tamin'izy ireo. BSB BSB: After a long time the master of those servants returned and settled accounts with them.
20 ULB Niditra ilay mpanompo izay naharay talenta dimy no sady nitondra talenta dimy hafa. Hoy izy hoe: "Tompoko, nomenao talenta dimy aho. Indro, nanatombo talenta dimy hafa aho." BSB BSB: The servant who had received the five talents came and presented five more. ‘Master,’ he said, ‘you entrusted me with five talents. See, I have gained five more.’
21 ULB Hoy ny tompony taminy hoe: "Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky! Nahatoky tamin'ny zavatra vitsivitsy ianao. Izaho hampihandraikitra anao amin'ny zavatra maro. Midira amin'ny fifalian'ny tomponao." BSB BSB: His master replied, ‘Well done, good and faithful servant! You have been faithful with a few things; I will put you in charge of many things. Enter into the joy of your master!’
22 ULB Ilay mpanompo izay naharay talenta roa dia nanatona sy niteny hoe: "Tompoko, nomenao talenta roa aho, indro, nanatombo talenta roa hafa aho". BSB BSB: The servant who had received the two talents also came and said, ‘Master, you entrusted me with two talents. See, I have gained two more.’
23 ULB Niteny azy ny tompony hoe: 'Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky! Nahatoky tamin'ny zavatra vitsivitsy ianao. Izaho hampihandraikitra anao amin'ny zavatra maro. Midira amin'ny fifalian'ny tomponao.' BSB BSB: His master replied, ‘Well done, good and faithful servant! You have been faithful with a few things; I will put you in charge of many things. Enter into the joy of your master!’
24 ULB Avy eo ilay mpanompo izay naharay talenta iray nanatona no sady niteny hoe: "Tompoko, fantatro fa lehilahy hentitra hianao. Mijinja eny amin'izay tsy namafazanao ianao, no sady manangom-bokatra eny amin'izay tsy namboleanao. BSB BSB: Finally, the servant who had received the one talent came and said, ‘Master, I knew that you are a hard man, reaping where you have not sown and gathering where you have not scattered seed.
25 ULB Natahotra aho, ka nandeha ary nanafina ny talentanao tao anatin'ny tany. Jereo, indro izay anao." BSB BSB: So I was afraid and went out and hid your talent in the ground. See, you have what belongs to you.’
26 ULB Ary namaly azy ny tompony ka nanao taminy hoe: 'Ianao ry mpanompo ratsy sady malaina, fantatrao fa izaho dia mijinja eny amin'izay tsy namafazako sy manangom-bokatra eny amin'izay tsy namboleko. BSB BSB: ‘You wicked, lazy servant!’ replied his master. ‘You knew that I reap where I have not sown and gather where I have not scattered seed.
27 ULB Noho izany dia tokony nomenao ny mpanjana-bola ny volako, ka rehefa niverina aho dia nandray ny ahy miaraka amin'ny tombony. BSB BSB: Then you should have deposited my money with the bankers, and on my return I would have received it back with interest.
28 ULB Noho izany alaivo any aminy ny talenta ary omeo ho an'ilay mpanompo izay manana talenta folo izany. BSB BSB: Therefore take the talent from him and give it to the one who has ten talents.
29 ULB Fa izay rehetra manana dia homena be kokoa- mihoatra lavitra aza. Fa ho an'ireo izay tsy manana na inona na inona kosa, na izay hananany aza dia ho esorina aminy. BSB BSB: For everyone who has will be given more, and he will have an abundance. But the one who does not have, even what he has will be taken away from him.
30 ULB Ario any amin'ny maizina any ivelany ny mpanompo tsy mendrika, any no misy ny fitomaniana sy ny fikitroha- nify. BSB BSB: And throw that worthless servant into the outer darkness, where there will be weeping and gnashing of teeth.’
32 ULB Ary ny firenena rehetra dia hangonina eo anatrehany, ary hanavaka ny olona iray amin'iray hafa Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin'ny osy. BSB BSB: All the nations will be gathered before Him, and He will separate the people one from another, as a shepherd separates the sheep from the goats.
33 ULB Hametraka ny ondry ho eo ankavanany izy, fa ny osy eo ankaviany. BSB BSB: He will place the sheep on His right and the goats on His left.
34 ULB Ary ny mpanjaka hiteny amin'ireo izay eo an-tanana ankavanany hoe: 'Avia, ianareo izay notahian'ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay efa voahomana ho anareo hatrizay nanorenana an'izao tontolo izao. BSB BSB: Then the King will say to those on His right, ‘Come, you who are blessed by My Father, inherit the kingdom prepared for you from the foundation of the world.
35 ULB Fa noana Aho dia nomenareo sakafo; nangetaheta Aho dia nomenareo ho sotroina; nivahiny Aho dia nampandrosoinareo; BSB BSB: For I was hungry and you gave Me something to eat, I was thirsty and you gave Me something to drink, I was a stranger and you took Me in,
36 ULB nitanjaka Aho dia nampitafinareo; narary Aho nokarakarainareo; ary tany am-ponja Aho dia nakany Amiko ianareo.' BSB BSB: I was naked and you clothed Me, I was sick and you looked after Me, I was in prison and you visited Me.’
37 ULB Ary ireo marina dia hamaly sy hiteny hoe: 'Tompo, oviana izahay no nahita Anao noana ka namahana Anao? Na nangetaheta ka nampisotroinay? BSB BSB: Then the righteous will answer Him, ‘Lord, when did we see You hungry and feed You, or thirsty and give You something to drink?
38 ULB Oviana Ianao no hitanay nivahiny ka nampandrosoinay? Na nitanjaka ka nampitafianay? BSB BSB: When did we see You a stranger and take You in, or naked and clothe You?
39 ULB Oviana izahay no nahita Anao narary na tany am-ponja ka nakany aminao? BSB BSB: When did we see You sick or in prison and visit You?’
40 ULB Ary ny Mpanjaka namaly ka niteny azy ireo hoe: 'Lazaiko marina aminareo, izay nataonareo tamin'ireny rahalahiko kely indrindra ireny, dia nataonareo tamiko.' BSB BSB: And the King will reply, ‘Truly I tell you, whatever you did for one of the least of these brothers of Mine, you did for Me.’
42 ULB satria noana Aho, fa tsy nomenareo sakafo; nangetaheta Aho, fa tsy nomenareo hosotroina; BSB BSB: For I was hungry and you gave Me nothing to eat, I was thirsty and you gave Me nothing to drink,
43 ULB nivahiny Aho, fa tsy nampandrosoinareo; nitanjaka Aho, nefa tsy nampitafinareo; narary sy tao am-ponja Aho, fa tsy nokarakarainareo.' BSB BSB: I was a stranger and you did not take Me in, I was naked and you did not clothe Me, I was sick and in prison and you did not look after Me.’
44 ULB Ary dia hamaly koa izy ireo ka hiteny hoe: 'Tompo! Oviana izahay no nahita Anao noana, na nangetaheta, na nivahiny, na nitanjaka, na narary, na tany am-ponja, ka tsy nanompo Anao? BSB BSB: And they too will reply, ‘Lord, when did we see You hungry or thirsty or a stranger or naked or sick or in prison, and did not minister to You?’
45 ULB Ary Izy hamaly azy ireo ka hiteny hoe: 'Lazaiko marina aminareo, fa izay tsy nataonareo tamin'iray tamin'ireo madinika ireo, dia tsy nataonareo tamiko.' BSB BSB: Then the King will answer, ‘Truly I tell you, whatever you did not do for one of the least of these, you did not do for Me.’