1 ULB Rehefa vitan'i Jesosy izany teny rehetra izany, dia niteny tamin'ireo mpianany Izy hoe: BSB BSB: When Jesus had finished saying all these things, He told His disciples,
2 ULB "Fantatrareo fa afaka roa andro dia ho tonga ny Paska, ary hatolotra homboana amin'ny hazofijaliana ny Zanak'Olona." BSB BSB: “You know that the Passover is two days away, and the Son of Man will be handed over to be crucified.”
4 ULB Niara-nanao tetika izy ireo mba hisamborana mangina an'i Jesosy ary hamono Azy. BSB BSB: and they conspired to arrest Jesus covertly and kill Him.
5 ULB Fa hoy izy ireo hoe: "Tsy amin'ny fety, mba tsy hisian'ny korontana eo amin'ny olona." BSB BSB: “But not during the feast,” they said, “or there may be a riot among the people.”
6 ULB Ary Jesosy rehefa tao Betania tao an-tranon'i Simona boka, BSB BSB: While Jesus was in Bethany in the home of Simon the Leper,
7 ULB raha nipetraka nihinana teo amin'ny latabatra, dia nisy vehivavy iray nanana tavoara alabastara feno menaka lafo vidy nanatona Azy, dia nandraraka izany tamin'ny lohany. BSB BSB: a woman came to Him with an alabaster jar of expensive perfume, which she poured on His head as He reclined at the table.
8 ULB Fa rehefa hitan'ireo mpianany izany, dia tezitra izy ireo ka nanao hoe: "Inona no anton'izao fandaniana izao? BSB BSB: When the disciples saw this, they were indignant and asked, “Why this waste?
9 ULB Afaka namidy lafo ary nomena ireo mahantra io." BSB BSB: This perfume could have been sold at a high price, and the money given to the poor.”
10 ULB Fa Jesosy, nahafantatra izany, niteny azy ireo hoe: "Nahoana ianareo no manahiran-tsaina an-dravehivavy? Fa zavatra tsara no nataony tamiko. BSB BSB: Aware of this, Jesus asked, “Why are you bothering this woman? She has done a beautiful deed to Me.
11 ULB Eo aminareo mandrakariva ny mahantra, fa Izaho dia tsy ho eo aminareo mandrakariva. BSB BSB: The poor you will always have with you, but you will not always have Me.
12 ULB Fa rehefa nandraraka izany menaka manitra izany tamin'ny vatako izy, dia nataony ho an'ny fandevenana Ahy izany. BSB BSB: By pouring this perfume on Me, she has prepared My body for burial.
13 ULB Lazaiko marina aminareo, na aiza na aiza hitoriana ny filazantsara eto amin'izao tontolo rehetra izao, izay nataon'ity vehivavy ity dia ho lazaina ihany koa ho fahatsiarovana azy." BSB BSB: Truly I tell you, wherever this gospel is preached in all the world, what she has done will also be told in memory of her.”
14 ULB Avy eo iray tamin'ireo roa ambinifolo, izay nantsoina hoe Jodasy Iskariota, nankany amin'ny lehiben'ny mpisorona BSB BSB: Then one of the Twelve, the one called Judas Iscariot, went to the chief priests
15 ULB ary nanao hoe: "Omenareo ohatrinona aho hanolorako Azy aminareo?" Nandanja volafotsy madinika telopolo izy ireo ho azy. BSB BSB: and asked, “What are you willing to give me if I hand Him over to you?” And they set out for him thirty pieces of silver.
16 ULB Tamin'izany fotoana izany dia nitady fahafahana izy mba hanolorana Azy amin'izy ireo. BSB BSB: So from then on Judas looked for an opportunity to betray Jesus.
17 ULB Tamin'ny andro voalohan'ny mofo tsy misy lalivay dia nanatona an'i Jesosy ireo mpianatra ka niteny hoe: "Aiza no tianao hanomananay ho anao hihinana ny sakafon'ny paska?" BSB BSB: On the first day of the Feast of Unleavened Bread, the disciples came to Jesus and asked, “Where do You want us to prepare for You to eat the Passover?”
18 ULB Namaly Izy hoe: "Midira ao an-tanàna misy lehilahy iray ary lazao izy hoe: 'Hoy ny Mpampianatra hoe: "Efa akaiky ny fotoanako. Ato an-tranonao Aho no hanao ny paska miaraka amin'ireo mpianatro."'" BSB BSB: He answered, “Go into the city to a certain man and tell him that the Teacher says, ‘My time is near. I will keep the Passover with My disciples at your house.’”
19 ULB Nataon'ireo mpianatra araka izay nandidin'i Jesosy izany, ary nanomana ny sakafon'ny paska izy ireo. BSB BSB: So the disciples did as Jesus had directed them and prepared the Passover.
20 ULB Rehefa tonga ny hariva, dia nipetraka nihinana niaraka tamin'ny mpianatra roa ambin'ny folo Izy. BSB BSB: When evening came, Jesus was reclining with the twelve disciples.
21 ULB Rehefa nihinana izy ireo, dia hoy Izy hoe: "Lazaiko marina aminareo fa hisy iray aminareo hamadika Ahy." BSB BSB: And while they were eating, He said to them, “Truly I tell you, one of you will betray Me.”
22 ULB Nalahelo izy ireo ary nanomboka nanontany Azy ny tsirairay hoe: "Tsy ho izaho mihitsy, ry Tompo?" BSB BSB: They were deeply grieved and began to ask Him one after another, “Surely not I, Lord?”
23 ULB Namaly Izy hoe: "Izay niara-nanatsoboka ny tanany tamiko tao anaty lovia no ilay iray hamadika Ahy. BSB BSB: Jesus answered, “The one who has dipped his hand into the bowl with Me will betray Me.
24 ULB Handeha ny Zanak'Olona, araka izay efa voasoratra momba Azy. Nefa lozan'ny olona izay hamadika ny Zanak'Olona! Tsara kokoa ho an'izany olona izany no tsy teraka akory." BSB BSB: The Son of Man will go just as it is written about Him, but woe to that man by whom He is betrayed. It would be better for him if he had not been born.”
25 ULB Jodasy, izay hamadika Azy niteny hoe: "Izaho ve izany, Raby o?" Hoy Izy taminy hoe: "Voalazanao." BSB BSB: Then Judas, who would betray Him, said, “Surely not I, Rabbi?” Jesus answered, “You have said it yourself.”
26 ULB Raha mbola nihinana izy ireo, dia naka ny mofo Jesosy, nisaotra, ary nanapaka izany. Nomeny ireo mpianatra izany ary niteny hoe: "Raiso, hano. Ity no vatako." BSB BSB: While they were eating, Jesus took bread, spoke a blessing and broke it, and gave it to the disciples, saying, “Take and eat; this is My body.”
27 ULB Nandray ny kapoaka Izy ary nisaotra, ary nanome izany azy ireo ka niteny hoe: "Ianareo rehetra, sotroy ity. BSB BSB: Then He took the cup, gave thanks, and gave it to them, saying, “Drink from it, all of you.
28 ULB Fa ity ny ràn'ny fanekem-pihavanana arotsaka ho an'ny maro ho famelan-keloka. BSB BSB: This is My blood of the covenant, which is poured out for many for the forgiveness of sins.
29 ULB Fa lazaiko aminareo, fa tsy mba hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho, mandra-pihavin'ny fisotroana vaovao hiarahako aminareo any amin'ny fanjakan'ny Raiko." BSB BSB: I tell you, I will not drink of this fruit of the vine from now on until that day when I drink it anew with you in My Father’s kingdom.”
30 ULB Rehefa nihira hira fiderana izy ireo, dia nandeha tany amin'ny tendrombohitr'i Oliva. BSB BSB: And when they had sung a hymn, they went out to the Mount of Olives.
31 ULB Avy eo hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Ianareo rehetra dia handao Ahy nohon'ny amiko anio alina, fa voasoratra hoe: 'Hamely ny mpiandry ondry Aho dia hiparitaka ny ondry.' BSB BSB: Then Jesus said to them, “This very night you will all fall away on account of Me. For it is written: ‘I will strike the Shepherd, and the sheep of the flock will be scattered.’
32 ULB Fa aorian'ny fitsanganako amin'ny maty, dia hialoha lalana anareo any Galilia." BSB BSB: But after I have risen, I will go ahead of you into Galilee.”
33 ULB Fa Petera nanao taminy hoe: "Na dia handao nohon'ny aminao aza ny rehetra, izaho tsy mba handao mihintsy." BSB BSB: Peter said to Him, “Even if all fall away on account of You, I never will.”
34 ULB Hoy Jesosy taminy hoe: "Lazaiko marina aminao, fa anio alina raha mbola tsy maneno akoho, dia handà Ahy intelo ianao." BSB BSB: “Truly I tell you,” Jesus declared, “this very night, before the rooster crows, you will deny Me three times.”
35 ULB Petera niteny taminy hoe: "Na dia tsy maintsy ho faty miaraka aminao aza aho, dia tsy handà anao." Toy izany avokoa no nolazain'ireo mpianatra hafa. BSB BSB: Peter replied, “Even if I have to die with You, I will never deny You.” And all the other disciples said the same thing.
36 ULB Ary Jesosy nandeha niaraka tamin'izy ireo nankany amin'ny toerana antsoina hoe Getsemane ary nilaza tamin'ny mpianany hoe: "Mipetraha eto raha mbola handeha ery hivavaka Aho." BSB BSB: Then Jesus went with His disciples to a place called Gethsemane, and He told them, “Sit here while I go over there and pray.”
37 ULB Nitondra an'i Petera mbamin'ny zanak'i Zebedio roa lahy Izy ary nanomboka nalahelo sy ory. BSB BSB: He took with Him Peter and the two sons of Zebedee and began to be sorrowful and deeply distressed.
38 ULB Avy eo hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Fadiranovana ny fanahiko, toy ny efa ho faty. Mitoera eto ary mihambena miaraka amiko." BSB BSB: Then He said to them, “My soul is consumed with sorrow to the point of death. Stay here and keep watch with Me.”
39 ULB Nisintaka kely Izy, niankohoka ary nivavaka. Hoy Izy hoe: "Ry Raiko, raha azo atao, dia aoka esorina amiko ity kapoaka ity. Nefa, aoka tsy araky ny sitrapoko, fa ny sitraponao." BSB BSB: Going a little farther, He fell facedown and prayed, “My Father, if it is possible, let this cup pass from Me. Yet not as I will, but as You will.”
40 ULB Nanatona ireo mpianatra Izy ary nahita azy ireo resin-tory, ka hoy Izy tamin'i Petera hoe: "Inona, tsy mahavita miambina miaraka amiko na dia ora iray aza va ianareo? BSB BSB: Then Jesus returned to the disciples and found them sleeping. “Were you not able to keep watch with Me for one hour?” He asked Peter.
41 ULB Miambena ary mivavaha mba tsy ho azon'ny fakam-panahy ianareo. Mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no malemy." BSB BSB: “Watch and pray so that you will not enter into temptation. For the spirit is willing, but the body is weak.”
42 ULB Mbola nandeha fanindroany Izy ary nivavaka. Hoy Izy hoe: "Ry Raiko, raha toa tsy azo esorina amiko ity raha tsy misotro Aho, dia ho atao anie ny sitraponao." BSB BSB: A second time He went away and prayed, “My Father, if this cup cannot pass unless I drink it, may Your will be done.”
43 ULB Niverina indray Izy ary mbola nahita azy ireo natory, fa navesatra ny mason'izy ireo. BSB BSB: And again Jesus returned and found them sleeping, for their eyes were heavy.
44 ULB Ka nandao azy ireo indray Izy, lasa ary nivavaka fanintelony, nilaza ireo teny ireo ihany. BSB BSB: So He left them and went away once more and prayed a third time, saying the same thing.
45 ULB Avy eo Jesosy nanatona ireo mpianatra ka nanao tamin'izy ireo hoe: "Mbola matory sy miala sasatra va ianareo? Jereo, efa akaiky ny ora, ary ny Zanak'Olona dia hatolotra eo an-tanan'ireo mpanota. BSB BSB: Then He returned to the disciples and said, “Are you still sleeping and resting? Look, the hour is near, and the Son of Man is betrayed into the hands of sinners.
46 ULB Mitsangàna, andeha isika. Jereo, efa akaiky ilay hamadika Ahy." BSB BSB: Rise, let us go! See, My betrayer is approaching!”
48 ULB Ary nanome famantarana azy ireo ilay lehilahy hamadika an'i Jesosy, manao hoe: "Izay horohako, no Izy. Sambory Izy." BSB BSB: Now the betrayer had arranged a signal with them: “The One I kiss is the man; arrest Him.”
49 ULB Teo no eo ihany dia nanatona an'i Jesosy izy ary niteny hoe: "Finaritra, Raby!" Ary nanoroka Azy izy. BSB BSB: Going directly to Jesus, he said, “Greetings, Rabbi!” and kissed Him.
50 ULB Hoy Jesosy taminy hoe: "Ry sakaiza, ataovy izay nalehanao eto." Avy eo tonga izy ireo, naninjitra tanana tamin'i Jesosy, ary nisambotra Azy. BSB BSB: “Friend,” Jesus replied, “do what you came for.” Then the men stepped forward, seized Jesus, and arrested Him.
53 ULB Mieritreritra va ianareo fa tsy afaka miantso ny Raiko Aho, ary Izy dia afaka mandefa ho Ahy tafik'anjely mihoatra noho ny roa ambin'ny folo? BSB BSB: Are you not aware that I can call on My Father, and He will at once put at My disposal more than twelve legions of angels?
54 ULB Fa atao ahoana izany no hahatanteraka ny Soratra Masina, izay milaza fa tsy maintsy hitranga izany?" BSB BSB: But how then would the Scriptures be fulfilled that say it must happen this way?”
55 ULB Tamin'izany andro izany Jesosy niteny tamin'ny vahoaka hoe: "Tonga miaraka amin'ny sabatra sy langilangy hisambotra Ahy tahaka ny jiolahy va ianareo? Isan'andro dia nipetraka nampianatra teo amin'ny tempoly Aho, fa tsy nosamborinareo. BSB BSB: At that time Jesus said to the crowd, “Have you come out with swords and clubs to arrest Me as you would an outlaw? Every day I sat teaching in the temple courts, and you did not arrest Me.
56 ULB Fa izany rehetra izany dia nitranga mba hahatanteraka izay voasoratr'ireo mpaminany." Avy eo nandao Azy ireo mpianatra rehetra ka nandositra. BSB BSB: But this has all happened so that the writings of the prophets would be fulfilled.” Then all the disciples deserted Him and fled.
58 ULB Fa Petera nanaraka Azy avy eny alavitra nankany amin'ny kianjan'ny mpisoronabe. Niditra tao anatiny izy ary nipetraka niaraka tamin'ireo mpiandry raharaha mba hahita izay hiafarany. BSB BSB: But Peter followed Him at a distance, right up to the courtyard of the high priest. And he went in and sat down with the guards to see the outcome.
59 ULB Ary ireo lehiben'ny mpisorona sy ireo Synedriona rehetra dia nitady fiampangana tsy marina manohitra an'i Jesosy, mba mety ahafahan'izy ireo mamono Azy. BSB BSB: Now the chief priests and the whole Sanhedrin were seeking false testimony against Jesus in order to put Him to death.
60 ULB Tsy nahita na inona na inona izy ireo, na dia nisy mpijoro vavolombelona maro tsy marina tonga aza teo. Ary kelikely avy eo dia nisy roa tonga nanatona teo BSB BSB: But they did not find any, though many false witnesses came forward. Finally two came forward
61 ULB ary niteny hoe: "Io lehilahy io dia niteny hoe: 'Afaka mandrava ny Tempolin'Andriamanitra Aho ary manangana izany indray afaka telo andro.'" BSB BSB: and declared, “This man said, ‘I am able to destroy the temple of God and rebuild it in three days.’”
62 ULB Nitsangana ilay mpisoronabe ka nanao taminy hoe: "Tsy manan-kavaly va Ianao? Inona izany hiampangan'izy ireo Anao izany?" BSB BSB: So the high priest stood up and asked Him, “Have You no answer? What are these men testifying against You?”
63 ULB Fa nangina Jesosy. Hoy ny mpisoronabe taminy hoe: "Mandidy Anao amin'ny alalan'Andriamanitra velona aho, lazao aminay raha Ianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra." BSB BSB: But Jesus remained silent. Then the high priest said to Him, “I charge You under oath by the living God: Tell us if You are the Christ, the Son of God.”
64 ULB Jesosy namaly azy hoe: "Voalazanao. Fa lazaiko aminareo, manomboka izao dia ho hitanareo ny Zanak'Olona hipetraka eo an-tanana ankavanan'ny Hery, ary ho tonga eo amin'ny rahon'ny lanitra." BSB BSB: “You have said it yourself,” Jesus answered. “But I say to all of you, from now on you will see the Son of Man sitting at the right hand of Power and coming on the clouds of heaven.”
65 ULB Avy eo ny mpisoronabe nandrovitra ny ankanjony ary nilaza hoe: "Niteny ratsy Izy! Nahoana isika no mbola mila mpijoro vavolombelona? Indro, renareo ny fitenenan-dratsy izao. BSB BSB: At this, the high priest tore his clothes and declared, “He has blasphemed! Why do we need any more witnesses? Look, now you have heard the blasphemy.
66 ULB Inona no hevitrareo?" Namaly izy ireo ary nanao hoe: "Mendrika ny ho faty Izy." BSB BSB: What do you think?” “He deserves to die,” they answered.
67 ULB Avy eo izy ireo nandrora ny tavany sy nikapoka Azy, ary namely tehamaina Azy, BSB BSB: Then they spit in His face and struck Him. Others slapped Him
68 ULB ary nanao hoe: "Maminania aminay, ry Kristy. Iza no namely Anao?" BSB BSB: and said, “Prophesy to us, Christ! Who hit You?”
69 ULB Ary Petera nipetraka ivelan'ny kianja, ary nisy mpanompo vavy tonga nanatona azy niteny hoe: "Ianao ihany koa dia niaraka tamin'i Jesosin'ny Galilia." BSB BSB: Meanwhile, Peter was sitting out in the courtyard, and a servant girl came up to him. “You also were with Jesus the Galilean,” she said.
70 ULB Fa nandà izany teo anoloan'izy ireo izy, manao hoe: "Tsy fantatro izay resahanareo." BSB BSB: But he denied it before them all: “I do not know what you are talking about.”
71 ULB Rehefa nivoaka ny vavahady izy, dia nisy mpanompo vavy hafa nahita azy ary niteny tamin'ireo izay teo hoe: "Ity lehilahy ity ihany koa dia niaraka tamin'i Jesosy avy any Nazareta." BSB BSB: When Peter had gone out to the gateway, another servant girl saw him and said to the people there, “This man was with Jesus of Nazareth.”
72 ULB Mbola nandà indray izy niaraka tamin'ny fianianana hoe: "Tsy fantatro izany lehilahy izany!" BSB BSB: And again he denied it with an oath: “I do not know the man!”
73 ULB Nony afaka kelikely dia nanatona ireo izay nitsangana teo ary niteny tamin'i Petera hoe: "Ianao ihany koa dia tena iray amin'izy ireny, fa ny fomba firesakao dia miampanga anao." BSB BSB: After a little while, those standing nearby came up to Peter. “Surely you are one of them,” they said, “for your accent gives you away.”
74 ULB Avy eo izy nanomboka nanozona sy niniana ka nanao hoe: "Tsy fanatatro izany lehilahy izany." Ary teo no eo dia naneno ny akoho. BSB BSB: At that he began to curse and swear to them, “I do not know the man!” And immediately a rooster crowed.
75 ULB Tsaroan'i Petera ny teny nambaran'i Jesosy hoe: "Mbola tsy maneno akoho dia handà Ahy intelo ianao." Avy eo izy nivoaka ary nitomany fatratra. BSB BSB: Then Peter remembered the word that Jesus had spoken: “Before the rooster crows, you will deny Me three times.” And he went outside and wept bitterly.