1 ULB Ary rehefa tonga ny maraina, dia nitetika hanohitra an'i Jesosy mba hamono Azy ireo lehiben'ny mpisorona sy ny loholona rehetra. BSB BSB: When morning came, all the chief priests and elders of the people conspired against Jesus to put Him to death.
4 ULB ary niteny hoe: "Nanota aho tamin'ny namadihako rà tsy manan-tsiny." Fa izy ireo niteny hoe: "Ahoanay inona? Anao izany." BSB BSB: “I have sinned by betraying innocent blood,” he said. “What is that to us?” they replied. “You bear the responsibility.”
6 ULB Ireo lehiben'ny mpisorona naka ireo volafotsy ary niteny hoe: "Tsy ara-dalàna ny mametraka ity ao amin'ny fitehirizam-bola, satria ity dia vidin-drà." BSB BSB: The chief priests picked up the pieces of silver and said, “It is unlawful to put this into the treasury, since it is blood money.”
7 ULB Niara-niresaka ny olana izy ireo ary nividy ny sahan'ny mpanao vilany tanimanga izay handevenana ireo vahiny tamin'ireo vola. BSB BSB: After conferring together, they used the money to buy the potter’s field as a burial place for foreigners.
8 ULB Ary izany no antony niantsoana izany saha izany hoe: "Sahan'ny Rà" mandrak'androany. BSB BSB: That is why it has been called the Field of Blood to this day.
9 ULB Ary dia tanteraka izay voalaza tamin'ny mpaminany Jeremia, manao hoe: "Naka ny volafotsy telopolo izy ireo, vidy nanombanan'ireo vahoakan'Israely Azy, BSB BSB: Then what was spoken through Jeremiah the prophet was fulfilled: “They took the thirty pieces of silver, the price set on Him by the people of Israel,
10 ULB ary izy ireo nanome izany ho an'ny sahan'ny mpanao vilany tanimanga, araka ny natoron'ny Tompo ahy." BSB BSB: and they gave them for the potter’s field, as the Lord had commanded me.”
11 ULB Ary Jesosy nijoro teo anolohan'ny governora, ary ny governora nanontany Azy hoe, "Ianao va no mpanjakan'ireo Jiosy?" Jesosy namaly azy hoe: "Voalazanao." BSB BSB: Meanwhile Jesus stood before the governor, who questioned Him: “Are You the King of the Jews?” “You have said so,” Jesus replied.
12 ULB Fa rehefa nampangain'ireo lehiben'ny mpisorona sy ireo loholona Izy, dia tsy namaly na inona na inona. BSB BSB: And when He was accused by the chief priests and elders, He gave no answer.
13 ULB Dia niteny taminy Pilato hoe: "Tsy renao va ny fiampangana rehetra atao aminao?" BSB BSB: Then Pilate asked Him, “Do You not hear how many charges they are bringing against You?”
14 ULB Fa tsy namaly na dia teny iray aza Izy, gaga tanteraka noho izany ny governora. BSB BSB: But Jesus gave no answer, not even to a single charge, much to the governor’s amazement.
15 ULB Ary isakin'ny firavoravoana dia fomban'ny governora ny mamotsotra gadra iray voafidin'ny vahoaka. BSB BSB: Now it was the governor’s custom at the feast to release to the crowd a prisoner of their choosing.
16 ULB Tamin'io fotoana io, nanana gadra malaza ratsy antsoina hoe Barabasy izy ireo. BSB BSB: At that time they were holding a notorious prisoner named Barabbas.
17 ULB Noho izany rehefa niara-niangona izy ireo, dia hoy Pilato tamin'izy ireo hoe: "Iza no tianareo halefako ho anareo? Barabasy, sa Jesosy izay antsoina hoe Kristy?" BSB BSB: So when the crowd had assembled, Pilate asked them, “Which one do you want me to release to you: Barabbas, or Jesus who is called Christ?”
18 ULB Fantany fa nohon'ny fialonana no nanoloran'izy ireo an'i Jesosy taminy. BSB BSB: For he knew it was out of envy that they had handed Jesus over to him.
19 ULB Raha nipetraka teo amin'ny seza fitsarana izy, dia nandefa teny taminy ny vadiny ary nanao hoe: "Tsy manana na inona na inona atao amin'ity lehilahy tsy manan-tsiny ity aho. Fa ory loatra aho androany nohon'ny nofy azoko momba Azy." BSB BSB: While Pilate was sitting on the judgment seat, his wife sent him this message: “Have nothing to do with that innocent man, for I have suffered terribly in a dream today because of Him.”
20 ULB Ary ireo lehiben'ny mpisorona sy ireo loholona nandresy lahatra ny vahoaka mba hangataka an'i Barabasy, ary hampamono an'i Jesosy. BSB BSB: But the chief priests and elders persuaded the crowds to ask for Barabbas and to have Jesus put to death.
21 ULB Nanontany azy ireo ny Governora hoe: "Iza amin'izy roa no tianareo halefako ho anareo?" Hoy izy ireo hoe: "Barabasy." BSB BSB: “Which of the two do you want me to release to you?” asked the governor. “Barabbas,” they replied.
22 ULB Pilato niteny tamin'izy ireo hoe: "Inona no tokony ataoko amin'i Jesosy izay antsoina hoe Kristy?" Izy rehetra namaly hoe: "Fantsiho amin'ny hazofijaliana Izy." BSB BSB: “What then should I do with Jesus who is called Christ?” Pilate asked. They all answered, “Crucify Him!”
23 ULB Dia hoy Izy hoe: "Nahoana, inona no heloka nataony?" Fa vao mainka izy ireo nihiaka mafy hoe: "Fantsiho amin'ny hazofijaliana Izy." BSB BSB: “Why?” asked Pilate. “What evil has He done?” But they shouted all the louder, “Crucify Him!”
24 ULB Fa rehefa hitan'i Pilato fa tsy afaka hanao na inona na inona izy, kanefa efa nanomboka ny tabataba, dia naka rano izy, nanasa ny tanany teo anoloan'ny vahoaka, ary nanao hoe: "Tsy manan-tsiny amin'ny ràn'ity lehilahy tsy manan-tsiny ity aho. Fa asanareo izany." BSB BSB: When Pilate saw that he was accomplishing nothing, but that instead a riot was breaking out, he took water and washed his hands before the crowd. “I am innocent of this man’s blood,” he said. “You bear the responsibility.”
26 ULB Dia nalefany ho an'izy ireo Barabasy, fa nively karavasy an'i Jesosy izy ary nanolotra Azy ho fantsihina. BSB BSB: So Pilate released Barabbas to them. But he had Jesus flogged, and handed Him over to be crucified.
27 ULB Avy eo ireo miaramilan'ny governora naka an'i Jesosy hankao an-dapa ary nanangona ireo vondrona miaramila rehetra. BSB BSB: Then the governor’s soldiers took Jesus into the Praetorium and gathered the whole company around Him.
28 ULB Nanala ny fitafiany izy ireo ary nampanao akanjo jaky Azy. BSB BSB: They stripped Him and put a scarlet robe on Him.
29 ULB Nanamboatra satro-boninahitra tsilo izy ireo ary nametraka izany teo an-dohany, ary nametraka tehina teo amin'ny tanany ankavanana. Nandohalika teo anatrehany izy ireo ary naneso Azy, nanao hoe: "Arahaba, ry mpanjakan'ny Jiosy!" BSB BSB: And they twisted together a crown of thorns and set it on His head. They put a staff in His right hand, knelt down before Him, and mocked Him, saying, “Hail, King of the Jews!”
30 ULB Nororain'izy ireo Izy, ary nalain'izy ireo ny tehina dia nikapoka Azy im-be dia be teo amin'ny lohany. BSB BSB: Then they spit on Him and took the staff and struck Him on the head repeatedly.
31 ULB Rehefa avy naneso Azy izy ireo, dia nanala ny akanjo lavany ary nampitafy Azy ny fitafiany, ary nitondra Azy nivoaka mba hamantsika Azy amin'ny hazofijaliana. BSB BSB: After they had mocked Him, they removed the robe and put His own clothes back on Him. Then they led Him away to crucify Him.
32 ULB Rehefa nivoaka izy ireo, dia nahita lehilahy iray avy any Syrena antsoina hoe Simona, izay noteren'izy ireo hiaraka amin'izy ireo mba hampilanjaina ny hazofijaliany. BSB BSB: Along the way they found a man from Cyrene, named Simon, and they forced him to carry the cross of Jesus.
33 ULB Nankany amin'ny toerana antsoina hoe Golgota izy ireo, izay midika hoe "Toeran'ny Karandoha." BSB BSB: And when they came to a place called Golgotha, which means The Place of the Skull,
34 ULB Nomen'izy ireo divay mifangaro amin'ny afero Izy mba ho sotroina. Fa rehefa nandramany izany, dia tsy nisotro Izy. BSB BSB: they offered Him wine to drink, mixed with gall; but after tasting it, He refused to drink it.
35 ULB Rehefa nofantsihin'izy ireo tamin'ny hazofijaliana Izy, dia nataon'izy ireo loka ny fizarana ireo fitafiany, BSB BSB: When they had crucified Him, they divided up His garments by casting lots.
36 ULB ka nipetraka izy ireo ary nijanona niambina Azy. BSB BSB: And sitting down, they kept watch over Him there.
37 ULB Teo ambonin'ny lohany no nametrahan'izy ireo soratra milaza ny nanamelohana Azy, izay mivaky hoe: "Ity no Jesosy, mpanjakan'ireo Jiosy." BSB BSB: Above His head they posted the written charge against Him: THIS IS JESUS, THE KING OF THE JEWS.
38 ULB Nisy jiolahy roa nofantsihina niaraka taminy, ny iray teo ankavanany ary iray teo ankavia. BSB BSB: Two robbers were crucified with Him, one on His right and the other on His left.
39 ULB Ireo izay nandalo dia nanevateva Azy, nanivingivina ny lohan'izy ireo BSB BSB: And those who passed by heaped abuse on Him, shaking their heads
40 ULB ary nanao hoe: "Ianao izay handrava ny tempoly ary hanamboatra izany indray ao anatin'ny telo andro, vonjeo ny tenanao! Raha Ianao no Zanak'Andriamanitra, midinà avy eny amin'ny hazofijaliana!" BSB BSB: and saying, “You who are going to destroy the temple and rebuild it in three days, save Yourself! If You are the Son of God, come down from the cross!”
41 ULB Toy izany koa ireo lehiben'ny mpisorona naneso Azy, niaraka tamin'ireo mpanora-dalàna sy ireo loholona, ary niteny hoe: BSB BSB: In the same way, the chief priests, scribes, and elders mocked Him, saying,
42 ULB "Nanavotra ireo hafa Izy, fa tsy afaka manavotra ny tenany. Izy no mpanjakan'Israely. Avelao Izy hidina eny amin'ny hazofijaliana, ary dia hino Azy isika. BSB BSB: “He saved others, but He cannot save Himself. He is the King of Israel! Let Him come down now from the cross, and we will believe in Him.
43 ULB Natoky an'Andriamanitra Izy, avelao Andriamanitra hamonjy Azy izao, raha mankasitraka ny hanafaka Azy Andriamanitra. Fa na Izy aza dia niteny hoe: 'Izaho no Zanak'Andriamanitra.'" BSB BSB: He trusts in God. Let God deliver Him now if He wants Him. For He said, ‘I am the Son of God.’”
44 ULB Toy izany koa ireo jiolahy izay nofantsihina niaraka taminy niteny fanevatevana taminy ihany koa. BSB BSB: In the same way, even the robbers who were crucified with Him berated Him.
45 ULB Ary nanomboka tamin'ny ora fahaenina dia nandrakotra ny tany rehetra ny aizina ka hatramin'ny ora fahasivy. BSB BSB: From the sixth hour until the ninth hour darkness came over all the land.
46 ULB Teo amin'ny ora fahasivy, dia nihiaka tamin'ny feo mafy Jesosy ary nanao hoe: "Ely, Ely, lamà sabaktani?" Izay midika hoe: "Andriamanitro, Andriamanitro, nahoana no nandao Ahy Ianao?" BSB BSB: About the ninth hour Jesus cried out in a loud voice, “Eli, Eli, lema sabachthani?” which means, “My God, My God, why have You forsaken Me?” 47 ULB Rehefa ren'ny sasany tamin'ireo izay nitsangana teo izany, dia hoy izy ireo: "Miantso an'i Elia Izy." BSB BSB: When some of those standing there heard this, they said, “He is calling Elijah.”
48 ULB Teo no eo dia nihazakazaka ny iray tamin'izy ireo ary naka spaonjy, namonto izany tamin'ny vinaingitra, nametraka izany tamin'ny tohitohina bararata, ary nanome izany Azy mba ho sotroina. BSB BSB: One of them quickly ran and brought a sponge. He filled it with sour wine, put it on a reed, and held it up for Jesus to drink.
49 ULB Ny sasany tamin'izy ireo niteny hoe: "Avelao Izy. Hitantsika eo raha ho tonga hamonjy Azy Elia." BSB BSB: But the others said, “Leave Him alone. Let us see if Elijah comes to save Him.”
52 ULB Nisokatra ireo fasana, ary ny fatin'ireo olon'Andriamanitra maro izay nodimandry dia natsangana. BSB BSB: The tombs broke open, and the bodies of many saints who had fallen asleep were raised.
53 ULB Izy ireo dia nivoaka avy tao amin'ny fasana taorian'ny fitsanganany tamin'ny maty, niditra ny tanàna masina, ary niseho tamin'ny maro. BSB BSB: After Jesus’ resurrection, when they had come out of the tombs, they entered the holy city and appeared to many people.
54 ULB Ary ireo kapiteny sy ireo izay nijery an'i Jesosy rehefa nahita ny horohoron-tany sy ireo zavatra izay nitranga, dia lasa natahotra mafy ary nanao hoe: "Zanak'Andriamanitra marina ity." BSB BSB: When the centurion and those with him who were guarding Jesus saw the earthquake and all that had happened, they were terrified and said, “Truly this was the Son of God.”
55 ULB Nisy Vehivavy maro izay nanaraka an'i Jesosy hatrany Galilia mba hikarakara Azy teo nijery avy eny alavitra. BSB BSB: And many women were there, watching from a distance. They had followed Jesus from Galilee to minister to Him.
56 ULB Tamin'izy ireo Maria Magdalena, Maria renin'i Jakoba sy Josefa, ary ny renin'ireo zanakalahin'i Zebedio. BSB BSB: Among them were Mary Magdalene, Mary the mother of James and Joseph, and the mother of Zebedee’s sons.
57 ULB Rehefa hariva ny andro, dia nisy lehilahy iray manan-karena avy any Armatia tonga, antsoina hoe Josefa, izay mpianatr'i Jesosy ihany koa. BSB BSB: When it was evening, there came a rich man from Arimathea named Joseph, who himself was a disciple of Jesus.
58 ULB Nanatona an'i Pilato izy ary nangataka ny fatin'i Jesosy. Dia nobaikon'i Pilato omena azy izany. BSB BSB: He went to Pilate to ask for the body of Jesus, and Pilate ordered that it be given to him.
59 ULB Naka ny faty Josefa, namono izany tamin'ny lamba rongony madio, BSB BSB: So Joseph took the body, wrapped it in a clean linen cloth,
60 ULB ary nampandry izany tamin'ny fasany vaovao izay nolavahany tamin'ny vatolampy. Dia nanakodia vato lehibe hanohina ny varavaran'ny fasana izy ary nivoaka. BSB BSB: and placed it in his own new tomb that he had cut into the rock. Then he rolled a great stone across the entrance to the tomb and went away.
61 ULB Maria Magdalena sy ireo Maria hafa dia teo, nipetraka teo ampitan'ny fasana. BSB BSB: Mary Magdalene and the other Mary were sitting there opposite the tomb.
62 ULB Ny andro manaraka, izay andro aorian'ny Fanomanana, dia niara-niangona tamin'i Pilato ireo lehiben'ny mpisorona sy ireo Fariseo. BSB BSB: The next day, the one after Preparation Day, the chief priests and Pharisees assembled before Pilate.
63 ULB Hoy izy ireo hoe: "Tompoko, tadidinay fa tamin'ny mbola velona iny mpamitaka iny, dia hoy Izy hoe: 'Aorian'ny telo andro, dia hitsangana indray Aho.' BSB BSB: “Sir,” they said, “we remember that while He was alive that deceiver said, ‘After three days I will rise again.’
64 ULB Ka noho izany, mandidia mba ho ambenana ny fasana hatramin'ny andro fahatelo, raha tsy izany ireo mpianany mety ho avy ary hangalatra Azy dia hiteny amin'ny olona hoe: 'Nitsangana tamin'ny maty Izy', ary ny fitaka farany dia ho ratsy noho ilay tamin'ny voalohany." BSB BSB: So give the order that the tomb be secured until the third day. Otherwise, His disciples may come and steal Him away and tell the people He has risen from the dead. And this last deception would be worse than the first.”
65 ULB Hoy Pilato tamin'izy ireo hoe: "Makà mpiambina. Mandehana ary ambeno tsara araka izay vitanareo izany." BSB BSB: “You have a guard,” Pilate said. “Go, make the tomb as secure as you know how.”
66 ULB Dia nandeha izy ireo ary niambina ny fasana, nanisy tombo-kase ny vato ary nametraka ny mpiambina. BSB BSB: So they went and secured the tomb by sealing the stone and posting the guard.