1 ULB Tamin'izany andro izany dia nandeha nitory tany an'efitr'i Jodia i Jaona mpanao Batisa manao hoe: BSB BSB: In those days John the Baptist came, preaching in the wilderness of Judea
2 ULB "Mibebaha, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra." BSB BSB: and saying, “Repent, for the kingdom of heaven is near.”
3 ULB Fa izy no ilay nolazain'Isaia mpaminany, manao hoe: "Misy feo iray miantso mafy any an'efitra hoe: 'Amboary ny lalan'ny Tompo, ahitsio ny lalany.'" BSB BSB: This is he who was spoken of through the prophet Isaiah: “A voice of one calling in the wilderness, ‘Prepare the way for the Lord, make straight paths for Him.’”
4 ULB Ary Jaona nitafy volon-drameva sy nanao fehikibo hoditra tamin'ny valahany. Valala sy tantely remby no nataony fihinana. BSB BSB: John wore a garment of camel’s hair, with a leather belt around his waist. His food was locusts and wild honey.
5 ULB Ary Jerosalema, Jodia manontolo, sy ny faritra rehetra manodidina ny reniranon'i Jordana dia nanatona azy. BSB BSB: People went out to him from Jerusalem and all Judea and the whole region around the Jordan.
6 ULB Nataony batisa teny amin'ny reniranon'i Jordana izy ireo, rehefa niaiky ny fahotany. BSB BSB: Confessing their sins, they were baptized by him in the Jordan River.
7 ULB Fa nony nahita ireo Fariseo sy Sadoseo maro nanatona azy mba ho atao batisa izy, dia hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Ry taranaka menarana feno poizina, iza no nampitandrina anareo hitsoaka ny fahatezerana izay ho avy? BSB BSB: But when John saw many of the Pharisees and Sadducees coming to his place of baptism, he said to them, “You brood of vipers, who warned you to flee from the coming wrath?
8 ULB Mamoaza voa miendrika ny fibebahana. BSB BSB: Produce fruit, then, in keeping with repentance.
9 ULB Ary aza misaina ny hilaza anankam-po hoe: 'Manana an'i Abrahama ho rainay izahay.' Fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra dia mahavita manangana zanaka ho an'i Abrahama na dia avy amin'ireto vato ireto aza. BSB BSB: And do not presume to say to yourselves, ‘We have Abraham as our father.’ For I tell you that out of these stones God can raise up children for Abraham.
10 ULB Ary efa napetraka eo am-pototrin'ny hazo ny famaky. Koa ireo hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia ho kapaina ary hatsipy any anaty afo. BSB BSB: The axe lies ready at the root of the trees, and every tree that does not produce good fruit will be cut down and thrown into the fire.
11 ULB Manao batisa anareo amin'ny rano ho amin'ny fibebahana aho. Fa mahery noho izaho izy izay tonga aoriako, ary izaho dia tsy mendrika akory na dia ny hitondra ny kapany aza. Hanao Batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo Izy. BSB BSB: I baptize you with water for repentance, but after me will come One more powerful than I, whose sandals I am not worthy to carry. He will baptize you with the Holy Spirit and with fire.
12 ULB Efa eny an-tanany ny fikororohany mba hanadiovana ny famoloany ary hanangonana ny variny any an-tsompitra. Fa izy dia handoro ireo akofa amin'ny afo izay tsy mety maty." BSB BSB: His winnowing fork is in His hand to clear His threshing floor and to gather His wheat into the barn; but He will burn up the chaff with unquenchable fire.”
13 ULB Avy eo Jesosy avy tany Galilia ka tonga teo amin'ny reniranon'i Jordana mba ho ataon'i Jaona batisa. BSB BSB: At that time Jesus came from Galilee to the Jordan to be baptized by John.
14 ULB Nefa i Jaona dia niezaka nanakana azy, manao hoe: "Izaho no mila ataonao batisa, nefa ianao indray va no manatona ahy?" BSB BSB: But John tried to prevent Him, saying, “I need to be baptized by You, and do You come to me?”
15 ULB Jesosy namaly ary niteny taminy hoe: "Ekeo izany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra." Avy eo Jaona nanaiky azy. BSB BSB: “Let it be so now,” Jesus replied. “It is fitting for us to fulfill all righteousness in this way.” Then John permitted Him.
17 ULB Ary indro, nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: "Ity no Zanako malalako. Izay sitrako indrindra." BSB BSB: And a voice from heaven said, “This is My beloved Son, in whom I am well pleased!”