1 ULB Rehefa nahita ireo vahoaka Jesosy, dia niakatra teo an-tendrombohitra. Rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ireo mpianany. BSB BSB: When Jesus saw the crowds, He went up on the mountain and sat down. His disciples came to Him,
2 ULB Nanokatra ny vavany Izy ary nampianatra azy ireo, manao hoe: BSB BSB: and He began to teach them, saying:
3 ULB "Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ireo ny fanjakan'ny lanitra. BSB BSB: “Blessed are the poor in spirit, for theirs is the kingdom of heaven.
4 ULB Sambatra ireo misaona, fa hampiononina izy ireo. BSB BSB: Blessed are those who mourn, for they will be comforted.
5 ULB Sambatra ireo malemy fanahy, fa izy ireo no handova ny tany. BSB BSB: Blessed are the meek, for they will inherit the earth.
6 ULB Sambatra ireo izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho vokisana izy ireo. BSB BSB: Blessed are those who hunger and thirst for righteousness, for they will be filled.
7 ULB Sambatra ireo mpamindra fo, fa hahazo famindram-po izy ireo. BSB BSB: Blessed are the merciful, for they will be shown mercy.
8 ULB Sambatra ireo madio am-po, fa hahita an'Andriamanitra izy ireo. BSB BSB: Blessed are the pure in heart, for they will see God.
10 ULB Sambatra ireo izay enjehina nohon'ny fahamarinana, fa azy ireo ny fanjakan'ny lanitra. BSB BSB: Blessed are those who are persecuted because of righteousness, for theirs is the kingdom of heaven.
11 ULB Sambatra ianareo raha maniratsira anareo sy manenjika anareo ny olona, ary miteny ny karazana lainga ratsy rehetra hanohitra anareo nohon'ny amiko. BSB BSB: Blessed are you when people insult you, persecute you, and falsely say all kinds of evil against you because of Me.
12 ULB Mifalia sy miravoravoa, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra. Fa toy izany ny fomba nanenjehan'ny olona ireo mpaminany izay niaina talohanareo. BSB BSB: Rejoice and be glad, because great is your reward in heaven, for in the same way they persecuted the prophets before you.
13 ULB Ianareo no siran'ny tany. Fa raha ny sira no tonga matsatso, amin'ny fomba ahoana no ampasira izany indray? Tsy ho tsara na amin'ny inona na amin'ny inona intsony izany fa hariana sy ho hitsahin'ny tongotry ny olona sisa. BSB BSB: You are the salt of the earth. But if the salt loses its savor, how can it be made salty again? It is no longer good for anything, except to be thrown out and trampled by men.
14 ULB Ianareo no fahazavan'izao tontonlo izao. Ny tanàna miorina eo amin'ny havoana dia tsy azo hafenina intsony. BSB BSB: You are the light of the world. A city on a hill cannot be hidden.
15 ULB Tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka izany any ambany harona, fa eo amin'ny fitoeran-jiro, ka manazava ny rehetra ao an-trano izany. BSB BSB: Neither do people light a lamp and put it under a basket. Instead, they set it on a stand, and it gives light to everyone in the house.
16 ULB Aoka hazava eo anoloan'ny olona toy izany fomba izany ny fahazavanareo mba ahitan'izy ireo ny asa tsara ataonareo ary ankalazany ny Rainareo izay any an-danitra. BSB BSB: In the same way, let your light shine before men, that they may see your good deeds and glorify your Father in heaven.
18 ULB Fa lazaiko marina aminareo fa mandra-pahalevon'ny lanitra sy ny tany, dia tsy ho foana amin'ny lalàna na dia litera iray sy tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanteraky ny zavatra rehetra. BSB BSB: For I tell you truly, until heaven and earth pass away, not a single jot, not a stroke of a pen, will disappear from the Law until everything is accomplished.
19 ULB Noho izany na iza na iza mandika na dia ny kely indrindra amin'ireo didy ireo sy mampianatra ny hafa anao toy izany dia ho antsoina hoe kely indrindra ao amin'ny fanjakan'ny lanitra. Fa na iza na iza mankatoa sy mampianatra ireo dia ho antsoina hoe lehibe ao amin'ny fanjakan'ny lanitra. BSB BSB: So then, whoever breaks one of the least of these commandments and teaches others to do likewise will be called least in the kingdom of heaven; but whoever practices and teaches them will be called great in the kingdom of heaven.
20 ULB Fa lazaiko aminareo fa raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra ao amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo. BSB BSB: For I tell you that unless your righteousness exceeds that of the scribes and Pharisees, you will never enter the kingdom of heaven.
21 ULB Efa renareo fa voalaza tamin'izy ireo fahiny hoe: 'Aza mamono olona,' ary 'Na iza na iza mamono olona dia ho helohina any amin'ny fitsarana.' BSB BSB: You have heard that it was said to the ancients, ‘Do not murder’ and ‘Anyone who murders will be subject to judgment.’
22 ULB Fa lazaiko aminareo fa izay rehetra tezitra amin'ny rahalahiny dia mendrika ny ho helohina any amin'ny fitsarana; ary na iza na iza miteny ny rahalahiny hoe: 'Ianao dia olom-poana!' dia ho helohina any amin'ny filan-kevitra; ary na iza na iza milaza hoe: 'Adala ianao!' dia mendrika ny ho any amin'ny farihy mirehitra afo. BSB BSB: But I tell you that anyone who is angry with his brother will be subject to judgment. Again, anyone who says to his brother, ‘Raca,’ will be subject to the Sanhedrin. But anyone who says, ‘You fool!’ will be subject to the fire of hell.
23 ULB Noho izany raha manolotra ny fanatitrao eo amin'ny alitara ianao ka tsaroanao teo fa manana alahelo aminao ny rahalahinao, BSB BSB: So if you are offering your gift at the altar and there remember that your brother has something against you,
24 ULB dia avelao eo anoloan'ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana zory ny lalanao. Mihavàna aloha amin'ny rahalahinao, ary avy eo miverena dia atolory ny fanatitrao. BSB BSB: leave your gift there before the altar. First go and be reconciled to your brother; then come and offer your gift.
25 ULB Mihavàna faingana amin'ny mpiampanga anao raha mbola miara-dia aminy any amin'ny fitsarana ianao, fandrao ny mpiampanga anao hanolotra anao amin'ny mpitsara, ary ny mpitsara mety hanolotra anao amin'ny manam-boninahitra, ka hatao ao an-trano maizina ianao. BSB BSB: Reconcile quickly with your adversary, while you are still on the way to court. Otherwise, he may hand you over to the judge, and the judge may hand you over to the officer, and you may be thrown into prison.
26 ULB Lazaiko marina aminareo, fa tsy ho afaka mivoaka ao mihintsy ianao mandra-pandohanao ny vola faran'ny kely indrindra amin'ny trosanao. BSB BSB: Truly I tell you, you will not get out until you have paid the last penny.
27 ULB Efa renareo fa voalaza hoe: 'Aza mijangajanga.' BSB BSB: You have heard that it was said, ‘Do not commit adultery.’
28 ULB Kanefa lazaiko aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy ka maniry azy dia efa nijangajanga tao am-pony sahady. BSB BSB: But I tell you that anyone who looks at a woman to lust after her has already committed adultery with her in his heart.
29 ULB Raha manafintohina anao ny masonao ankavanana, dia esory izany ary atsipazo lavitra anao. Fa tsara kokoa ho anao raha ny ampahany iray amin'ny vatanao no tokony ho simbaina fa tsy ny tenanao rehetra no atsipy any amin'ny helo. BSB BSB: If your right eye causes you to sin, gouge it out and throw it away. It is better for you to lose one part of your body than for your whole body to be thrown into hell.
30 ULB Raha manafintohina anao ny tananao ankavanana, dia tapaho ary atsipazo lavitra hiala aminao. Fa tsara kokoa ho anao raha ny ampahany iray amin'ny vatanao no tokony ho very fa tsy ny tenanao rehetra no atsipy any amin'ny helo. BSB BSB: And if your right hand causes you to sin, cut it off and throw it away. It is better for you to lose one part of your body than for your whole body to depart into hell.
31 ULB Ary efa voalaza ihany koa hoe: 'Na iza na iza misaraka amin'ny vadiny, dia aoka izy hanome azy ny taratasy fisaraham-panambadiana.' BSB BSB: It has also been said, ‘Whoever divorces his wife must give her a certificate of divorce.’
32 ULB Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra misaraka amin'ny vadiny, afa-tsy nohon'ny fijangajangana, dia mampijangajanga azy. Na iza na iza manambady azy aorian'ny fisarahany dia mijangajanga. BSB BSB: But I tell you that anyone who divorces his wife, except for sexual immorality, brings adultery upon her. And he who marries a divorced woman commits adultery.
33 ULB Ary koa, renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: 'Aza mianiana fianianana diso, fa ento eo anatrehan'ny Tompo ny fianiananao.' BSB BSB: Again, you have heard that it was said to the ancients, ‘Do not break your oath, but fulfill your vows to the Lord.’
34 ULB Fa Izaho kosa milaza aminareo, aza mianiana amin'ny zavatra rehetra, na amin'ny lanitra aza, fa seza fiandrianan'Andriamanitra izany; BSB BSB: But I tell you not to swear at all: either by heaven, for it is God’s throne;
35 ULB na amin'ny tany, fa fitoeran-tongony izany; na koa amin'ny Jerosalema, fa tanànan'ny mpanjaka lehibe izany. BSB BSB: or by the earth, for it is His footstool; or by Jerusalem, for it is the city of the great King.
36 ULB Aza mianiana amin'ny lohanao, fa tsy afaka manafotsy na manamainty ny singam-bolo iray ianao. BSB BSB: Nor should you swear by your head, for you cannot make a single hair white or black.
37 ULB Fa aoka ny teninao ho, 'Eny, eny,' na 'Tsia, tsia.' Izay mihoatra izany dia avy amin'ny ilay ratsy. BSB BSB: Simply let your ‘Yes’ be ‘Yes,’ and your ‘No,’ ‘No.’ Anything more comes from the evil one.
39 ULB Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe, aza manohitra izay ratsy. Fa kosa, na iza na iza mamely ny takolakao ankavanana dia atolory azy koa ny ilany. BSB BSB: But I tell you not to resist an evil person. If someone slaps you on your right cheek, turn to him the other also;
40 ULB Ary raha misy olona maniry ny hiaraka aminao ho any amin'ny fitsarana ka manendaka ny akanjonao, dia avelao ho azy ihany koa ny lambanao. BSB BSB: if someone wants to sue you and take your tunic, let him have your cloak as well;
41 ULB Na iza na iza manery anao andeha kilometatra iray, mandehana miaraka aminy amin'ny kilometatra roa. BSB BSB: and if someone forces you to go one mile, go with him two miles.
42 ULB Omeo izay mangataka aminao, ary aza mandà na iza na iza maniry ny hindrana aminao. BSB BSB: Give to the one who asks you, and do not turn away from the one who wants to borrow from you.
46 ULB Fa raha ireo izay tia anareo no tiavinareo, inona no valisoa azonareo? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao tahaka izany koa? BSB BSB: If you love those who love you, what reward will you get? Do not even tax collectors do the same?
47 ULB Raha ny rahalahinareo irery ihany no arahabainareo, inona no mba ataonareo mihoatra ny hafa? Moa na dia ny Jentilisa aza tsy mba manao tahaka izany koa? BSB BSB: And if you greet only your brothers, what are you doing more than others? Do not even Gentiles do the same?
48 ULB Noho izany dia tsy maintsy tanteraka ianareo, tahaka ny fahatanterahan'ny Rainareo izay any an-danitra. BSB BSB: Be perfect, therefore, as your heavenly Father is perfect.