2 ULB Noho izany rehefa maneho fihantrana ianareo, dia aza mitsoka trompetra misarika ny hafa tahaka ny ataon'ny mpiatsara velatsia any amin'ny synagoga sy eny amin'ny lalana, ka mba mety hahazo ny fideran'ny olona izy ireo. Lazaiko marina aminareo, fa izy ireo dia efa nandray ny valisoany. BSB BSB: So when you give to the needy, do not sound a trumpet before you, as the hypocrites do in the synagogues and on the streets, to be honored by men. Truly I tell you, they already have their full reward.
3 ULB Fa rehefa maneho fihantrana ianareo, aza atao fantatrin'ny tananareo havia izay ataon'ny tananareo havanana, BSB BSB: But when you give to the needy, do not let your left hand know what your right hand is doing,
4 ULB ka mba homena mangingina ny fanomezanareo. Avy eo ny Rainareo izay mahita amin'ny mangingina no hamaly soa anareo. BSB BSB: so that your giving may be in secret. And your Father, who sees what is done in secret, will reward you.
5 ULB Rehefa mivavaka ianareo, aza manao tahaka ny mpihatsaravelatsihy, fa izy ireo tia mijoro sy mivavaka eo amin'ny synagoga sy eo amoron-dalana, ka mba mety ho itan'ny olona. Lazaiko marina aminareo, fa izy ireo dia efa nandray ny valisoany. BSB BSB: And when you pray, do not be like the hypocrites. For they love to pray standing in the synagogues and on the street corners to be seen by men. Truly I tell you, they already have their full reward.
6 ULB Fa ianareo, rehefa mivavaka, midira ao amin'ny efi-tranonareo. Hidio ny varavarana, dia mivavaha amin'ny Rainareo izay ao amin'ny mangingina. Avy eo ny Rainareo izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly soa anareo. BSB BSB: But when you pray, go into your inner room, shut your door, and pray to your Father, who is unseen. And your Father, who sees what is done in secret, will reward you.
7 ULB Rehefa mivavaka ianareo, aza manao teny maro tsy misy ilàna azy tahaka ny ataon'ny Jentilisa, ny amin'ny fiheverany fa ho re izy ireo nohon'ny teny maro izay ataony. BSB BSB: And when you pray, do not babble on like pagans, for they think that by their many words they will be heard.
8 ULB Noho izany, aza manao tahaka azy ireo, fa ny Rainareo dia efa mahafantatra ireo zavatra izay ilainareo mialohan'ny angatahanareo Aminy. BSB BSB: Do not be like them, for your Father knows what you need before you ask Him.
9 ULB Noho izany mivavaha tahaka izao hoe: 'Rainay izay any an-danitra, ho hamasinina anie ny anaranao. BSB BSB: So then, this is how you should pray: ‘Our Father in heaven, hallowed be Your name.
10 ULB Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra. BSB BSB: Your kingdom come, Your will be done, on earth as it is in heaven.
11 ULB Omeo anay anio ny hanina sahaza ho anay. BSB BSB: Give us this day our daily bread.
12 ULB Mamelà ny helokay, tahaka ny hamelanay izay meloka taminay. BSB BSB: And forgive us our debts, as we also have forgiven our debtors.
13 ULB Ary aza mitondra anay amin'ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin'ny ratsy.'" BSB BSB: And lead us not into temptation, but deliver us from the evil one.’
14 ULB Fa raha mamela ny hadisoan'ny olona ianareo, dia hamela anareo ihany koa ny Rainareo izay any an-danitra. BSB BSB: For if you forgive men their trespasses, your heavenly Father will also forgive you.
15 ULB Fa raha tsy mamela ny hadisoan'izy ireo ianareo, dia tsy hamela ny hadisoanareo mihintsy ny Rainareo. BSB BSB: But if you do not forgive men their trespasses, neither will your Father forgive yours.
16 ULB Ankoatra izay, rehefa mifady hanina ianareo, aza mampiseho endrika mampalahelo tahaka ny ataon'ny mpiatsaravelatsihy, fa manaratsy tarehy izy ireo ka mba mety ho itan'ny olona fa tena mifady hanina. Lazaiko marina aminareo, fa efa nandray ny valisoany izy ireo. BSB BSB: When you fast, do not be somber like the hypocrites, for they disfigure their faces to show men they are fasting. Truly I tell you, they already have their full reward.
17 ULB Fa ianao, rehefa mifady hanina, osory menaka ny lohanao ary sasao ny tarehinao, BSB BSB: But when you fast, anoint your head and wash your face,
18 ULB ka mba tsy ho itan'ny hafa hoe mifady hanina, fa amin'ny Rainao izay ao amin'ny mangingina ihany; ary ny Rainao izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly soa anao. BSB BSB: so that your fasting will not be obvious to men, but only to your Father, who is unseen. And your Father, who sees what is done in secret, will reward you.
19 ULB Aza mitahiry ny harenareo ety an-tany, izay simbain'ny kalalao sy harafesina, ary hidiran'ireo mpangalatra an-keriny ka hangalatra. BSB BSB: Do not store up for yourselves treasures on earth, where moth and rust destroy, and where thieves break in and steal.
20 ULB Fa kosa, tehirizo ny harenareo any an-danitra, izay tsy ho simban'ny kalalao sy harafesina, ary tsy hidiran'ireo mpangalatra an-keriny ka hangalatra. BSB BSB: But store up for yourselves treasures in heaven, where moth and rust do not destroy, and where thieves do not break in and steal.
21 ULB Fa izay misy ny harenao, no itoeran'ny fonao ihany koa. BSB BSB: For where your treasure is, there your heart will be also.
22 ULB Ny maso no jiron'ny vatana. Noho izany, raha tsara ny masonao, dia ho feno fahazavana ny vatana rehetra. BSB BSB: The eye is the lamp of the body. If your eyes are good, your whole body will be full of light.
23 ULB Fa raha ratsy ny masonao, dia ho feno haizina ny vatanao rehetra. Noho izany, raha maizina ny fahazavanaizay ao anatinao amin'izao, manao ahoana ny halehibehin'izany haizana izany! BSB BSB: But if your eyes are bad, your whole body will be full of darkness. If then the light within you is darkness, how great is that darkness!
24 ULB Tsy misy afaka hanompo tompo roa, fa hankahala ny iray izy ary hitia ny iray, raha tsy izany hanolo-tena ho an'ny iray ka hankahala ny iray hafa. Ianao dia tsy afaka hanompo an'Andriamanitra sy ny harena. BSB BSB: No one can serve two masters: Either he will hate the one and love the other, or he will be devoted to the one and despise the other. You cannot serve both God and money.
25 ULB Noho izany lazaiko aminareo, aza miahiahy momba ny ainareo, izay hohaninareo na izay hosotroinareo- na momba ny vatanareo, izay hotafianareo. Fa tsy lehibe noho ny sakafo va ny fiainana, ary ny vatana lehibe noho ny fitafiana? BSB BSB: Therefore I tell you, do not worry about your life, what you will eat or drink; or about your body, what you will wear. Is not life more than food, and the body more than clothes?
27 ULB Iza aminareo no afaka manampy hakio iray amin'ny andro hiainany amin'ny fanahiana? BSB BSB: Who of you by worrying can add a single hour to his life?
28 ULB Nahoana ianareo no miahiahy momba ny fitafianareo? Saino ny momban'ny lilia eny amin'ny saha, ahoana ny fanirin'izy ireny. Tsy mba miasa izy ireny, ary tsy mamoly fitafiana. BSB BSB: And why do you worry about clothes? Consider how the lilies of the field grow: They do not labor or spin.
29 ULB Lazaiko aminareo, fa na i Solomona aza amin'ny voninahiny rehetra dia tsy nitafy tahaka ny iray amin'ireny. BSB BSB: Yet I tell you that not even Solomon in all his glory was adorned like one of these.
30 ULB Raha ampitafian'Andriamanitra tahaka izany ny ahitra any an-tsaha, izay rehetra misy anio sy rahampitso dia hatsipy ao am-patana, toy ny ahoana no ampitafiany anareo bebe kokoa, ianareo ry kely finoana? BSB BSB: If that is how God clothes the grass of the field, which is here today and tomorrow is thrown into the furnace, will He not much more clothe you, O you of little faith?
32 ULB Fa ireo Jentilisa mitady ireo zavatra ireo, ary ny Rainareo izay any an-danitra dia mahafantatra fa mila ireo ianareo. BSB BSB: For the Gentiles strive after all these things, and your heavenly Father knows that you need them.
33 ULB Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany dia homena anareo ireo zavatra ireo. BSB BSB: But seek first the kingdom of God and His righteousness, and all these things will be added unto you.
34 ULB Noho izany, aza miahiahy ny ampitso, fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an'ny andro tsirairay ny ratsy ao aminy. BSB BSB: Therefore do not worry about tomorrow, for tomorrow will worry about itself. Today has enough trouble of its own.