2 ULB Fa amin'ny fitsarana nataonareo, no hitsarana anareo, ary amin' ny fandrefesana andrefesanareo, no handrefesana anareo. BSB BSB: For with the same judgment you pronounce, you will be judged, and with the measure you use, it will be measured to you.
3 ULB Nahaoana ianao no mijery ny singa-mololo kely izay ao anatin'ny mason'ny rahalahinao, nefa tsy tsikaritrao ny andry ao anaty masonao? BSB BSB: Why do you look at the speck in your brother’s eye but fail to notice the beam in your own eye?
4 ULB Ahoana no hitenenanao ny rahalahinao hoe: 'Avelaho aho hanala ny singa-mololo izay ao anaty masonao,' raha mbola ao anatin'ny masonao ilay andry? BSB BSB: How can you say to your brother, ‘Let me take the speck out of your eye,’ while there is still a beam in your own eye?
5 ULB Ry mpihatsaravelatsihy! Esory aloha ny andry izay ao anaty masonao, ary avy eo ianao hahita tsara rehefa manala ny singa-mololo izay eo amin'ny mason'ny rahalahinao. BSB BSB: You hypocrite! First take the beam out of your own eye, and then you will see clearly to remove the speck from your brother’s eye.
6 ULB Aza omena ny alika izay masina, ary aza hatsipy eo anoloan'ny kisoa ny vatosoanareo. Raha tsy izany dia mety ho voahitsany ny tongotr'izy ireo, ary avy eo hifotitra sy hamiravira anareo amin'ny fahapotehana. BSB BSB: Do not give dogs what is holy; do not throw your pearls before swine. If you do, they may trample them under their feet, and then turn and tear you to pieces.
7 ULB Mangataha, dia omena anareo izany. Mitadiava, dia hahita ianareo. Dondony, fa hisokatra ho anareo izany. BSB BSB: Ask, and it will be given to you; seek, and you will find; knock, and the door will be opened to you.
8 ULB Fa izay rehetra mangataka, dia mahazo; ireo rehetra izay mitady, dia mahita; ary ho an'ny olona mandondòna, dia ho vahana. BSB BSB: For everyone who asks receives; he who seeks finds; and to him who knocks, the door will be opened.
9 ULB Sa iza aminareo, raha angatahan'ny zanany mofo, no hanolotra vato ho azy? BSB BSB: Which of you, if his son asks for bread, will give him a stone?
10 ULB Na koa raha nangatahiny trondro, ka hanolotra bibilava azy? BSB BSB: Or if he asks for a fish, will give him a snake?
11 ULB Noho izany, raha ianareo izay ratsy aza mahay manome ireo fanomezana izay tsara ho an'ny zanakareo, moa tsy lehibe mihoatra va ny zavatra tsara omen'ny Rainareo izay any an-danitra ho an'ireo izay mangataka aminy? BSB BSB: So if you who are evil know how to give good gifts to your children, how much more will your Father in heaven give good things to those who ask Him!
12 ULB Noho izany, na inona na inona zavatra tianareo ho ataon'ny olona amin'ny tenanareo, dia tokony hanao toy izany amin'izy ireo ihany koa ianareo, fa izany no lalàna sy ireo mpaminany. BSB BSB: In everything, then, do to others as you would have them do to you. For this is the essence of the Law and the Prophets.
13 ULB Midira amin'ny vavahady tery. Fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny lalana mitondra any amin'ny fahaverezana, ary maro ireo olona izay mandeha amin'izany. BSB BSB: Enter through the narrow gate. For wide is the gate and broad is the way that leads to destruction, and many enter through it.
14 ULB Fa tery ny vavahady ary sarotra ny lalana izay mitarika mankany amin'ny fiainana, ary vitsy ireo izay mahita izany. BSB BSB: But small is the gate and narrow the way that leads to life, and only a few find it.
15 ULB Mitandrema amin'ireo mpaminany sandoka, izay manatona anareo amin'ny fitafian'ondry nefa amboadia tena mpihaza. BSB BSB: Beware of false prophets. They come to you in sheep’s clothing, but inwardly they are ravenous wolves.
17 ULB Mitovy amin'izany, ny hazo tsara rehetra dia mamokatra voa tsara, fa ny hazo ratsy dia mamokatra voa ratsy. BSB BSB: Likewise, every good tree bears good fruit, but a bad tree bears bad fruit.
18 ULB Ny hazo tsara dia tsy afaka ny hamokatra voa ratsy, na koa ny hazo ratsy dia tsy afaka mamokatra voa tsara. BSB BSB: A good tree cannot bear bad fruit, and a bad tree cannot bear good fruit.
19 ULB Ny hazo rehetra izay tsy mamokatra voa tsara dia kapaina ary hatsipy any anaty afo. BSB BSB: Every tree that does not bear good fruit is cut down and thrown into the fire.
20 ULB Ka noho izany, ho fantatrareo izy ireo amin'ny alalan'ny voany. BSB BSB: So then, by their fruit you will recognize them.
22 ULB Maro ireo olona hiteny amiko amin'izany andro izany hoe: 'Tompo, Tompo, tsy efa naminany tamin'ny anaranao ve izahay, tsy efa namoaka ireo demonia tamin'ny anaranao, ary nanao ireo asa lehibe tamin'ny anaranao?' BSB BSB: Many will say to Me on that day, ‘Lord, Lord, did we not prophesy in Your name, and in Your name drive out demons and perform many miracles?’
23 ULB Avy eo Aho hanambara amin'izy ireo ampahibemaso hoe: 'Tsy nahafantatra anareo mihitsy Aho! Mialà lavitra Ahy, ry mpanao ratsy!' BSB BSB: Then I will tell them plainly, ‘I never knew you; depart from Me, you workers of lawlessness!’
24 ULB Noho izany, ireo rehetra izay mandre ny teniko ary mankatoa izany dia ho tahaka ny olona hendry izay nanorina ny tranony eny ambony vatolampy. BSB BSB: Therefore everyone who hears these words of Mine and acts on them is like a wise man who built his house on the rock.
25 ULB Nirotsaka ny orana, tonga ny tondran-drano, ary nifofofofo sy namely ilay trano ny rivotra, fa tsy nianjera izany, satria nahorina teo ambony vatolampy. BSB BSB: The rain fell, the torrents raged, and the winds blew and beat against that house; yet it did not fall, because its foundation was on the rock.
26 ULB Fa ny rehetra izay mandre ireo teniko ka tsy mankatò azy ireny dia tahaka ny olona adala izay manorina ny tranony eny ambony fasika. BSB BSB: But everyone who hears these words of Mine and does not act on them is like a foolish man who built his house on sand.
27 ULB Nirotsaka ny orana, tonga ny tondra-drano, ary nifofofofo sy namely ilay trano ny rivotra, ka dia nianjera izany, ary feno ny faharavany." BSB BSB: The rain fell, the torrents raged, and the winds blew and beat against that house, and it fell—and great was its collapse!”
28 ULB Ary rehefa avy nanambara ireo teny ireo Jesosy, talanjona tamin'ny fampianarany ireo vahoaka, BSB BSB: When Jesus had finished saying these things, the crowds were astonished at His teaching,
29 ULB satria nampianatra azy ireo tahaka ny olona izay manana fahefana Izy, fa tsy tahaka ireo mpanora-dalànan'izy ireo. BSB BSB: because He taught as one who had authority, and not as their scribes.