1 ULB Rehefa nidina avy eny an-tendrombohitra Jesosy, dia vahoaka maro no nanaraka Azy. BSB BSB: When Jesus came down from the mountain, large crowds followed Him.
2 ULB Indro, nisy boka iray nanatona Azy ary nitsaoka teo anoloany, nanao hoe: "Tompo, raha sitrakao, dia afaka manadio ahy Ianao." BSB BSB: Suddenly a leper came and knelt before Him, saying, “Lord, if You are willing, You can make me clean.”
3 ULB Nanatsotra ny tanany Jesosy ary nikasika azy, nanao hoe: "Sitrako. Mahadiova." Teo no ho eo dia nadio tamin'ny fahabokany izy. BSB BSB: Jesus reached out His hand and touched the man. “I am willing,” He said. “Be clean!” And immediately his leprosy was cleansed.
4 ULB Hoy Jesosy taminy hoe: "Aoka mba tsy hilaza na inona na inona na amin'iza na amin'iza ianao. Mandehana amin'ny lalanao, ka asehoy amin'ny mpisorona ny tenanao ary atolory ilay fanatitra izay nodidian'i Mosesy, mba ho fijoroana vavolombelona amin'izy ireo." BSB BSB: Then Jesus instructed him, “See that you don’t tell anyone. But go, show yourself to the priest and offer the gift prescribed by Moses, as a testimony to them.”
5 ULB Rehefa niditra tao Kapernaomy Jesosy, dia nanatona Azy ny kapiteny iray ary nanontany Azy, BSB BSB: When Jesus had entered Capernaum, a centurion came and pleaded with Him,
6 ULB nanao hoe: "Tompo, mandry ao an-trano ny mpanompoko fa malemy ary ao anatin'ny fanaintainana mafy." BSB BSB: “Lord, my servant lies at home, paralyzed and in terrible agony.”
7 ULB Hoy Jesosy taminy hoe: "Ho avy Aho ary hanasitrana azy." BSB BSB: “I will go and heal him,” Jesus replied.
8 ULB Namaly ilay kapiteny ary nanao hoe: "Tompo, tsy mendrika aho ny tokony hidiranao ao ambany tafon-tranoko, teneno fotsiny ny teny dia ho sitrana ny mpanompoko. BSB BSB: The centurion answered, “Lord, I am not worthy to have You come under my roof. But just say the word, and my servant will be healed.
9 ULB Fa izaho ihany koa dia lehilahy izay napetraka ao ambany fahefana, ary manana miaramila izay feheziko aho. Miteny amin'ny anankiray aho hoe: 'Mandehana', dia mandeha izy, ary amin'ny hafa iray hoe: 'Avia,' dia manatona izy, ary amin'ny mpanompoko hoe: "Ataovy izao,' dia ataony izany." BSB BSB: For I myself am a man under authority, with soldiers under me. I tell one to go, and he goes, and another to come, and he comes. I tell my servant to do something, and he does it.”
10 ULB Rehefa ren'i Jesosy izany, dia gaga Izy ary niteny tamin'ireo izay nanaraka Azy hoe: "Lazaiko marina aminareo, fa tsy mbola nahita olona nanam-pinoana toy izany Aho teto Israely. BSB BSB: When Jesus heard this, He marveled and said to those following Him, “Truly I tell you, I have not found anyone in Israel with such great faith.
11 ULB Lazaiko aminareo, fa maro ny avy any atsinanana sy avy any andrefana no ho avy, ary izy ireo dia hipetraka eo an-databatra miaraka amin'i Abrahama, Isaka ary Jakoba, any amin'ny fanjakan'ny lanitra. BSB BSB: I say to you that many will come from the east and the west to share the banquet with Abraham, Isaac, and Jacob in the kingdom of heaven.
12 ULB Fa ireo zanaky ny fanjakana dia hatsipy any ivelan'ny aizina lavitra any, izay hisy fitomaniana sy fikitroha-nify." BSB BSB: But the sons of the kingdom will be thrown into the outer darkness, where there will be weeping and gnashing of teeth.”
13 ULB Hoy Jesosy tamin'ilay kapiteny hoe: "Mandehana! Araka ny ninoanao, dia aoka izany ho atao ho anao." Ary dia sitrana tamin'izany ora izany mihitsy ilay mpanompo. BSB BSB: Then Jesus said to the centurion, “Go! As you have believed, so will it be done for you.” And his servant was healed at that very hour.
15 ULB Nokasihan'i Jesosy ny tanany, ary niala taminy ny tazo. Dia nitsangana izy ary nanomboka nandroso sakafo Azy. BSB BSB: So He touched her hand, and the fever left her, and she got up and began to serve Him.
16 ULB Rehefa tonga ny hariva, dia maro ireo nofehezin'ny demony noentin'ny olona teo amin'i Jesosy. Nandroaka ireo fanahy tamin'ny teny Izy ary nanasitrana ireo rehetra izay narary. BSB BSB: When evening came, many who were demon-possessed were brought to Jesus, and He drove out the spirits with a word and healed all the sick.
17 ULB Toy izany no nahatanteraka izay nambara tamin'Isaia mpaminany, nanao hoe: "Izy tenany naka ny faharariantsika sy nitondra ireo aretintsika." BSB BSB: This was to fulfill what was spoken through the prophet Isaiah: “He took up our infirmities and carried our diseases.”
18 ULB Ary rehefa hitan'i Jesosy ireo vahoaka nanodidina Azy, dia nanome toromarika mba hialana ho eny ampitan'ny ranomasina Galilia Izy. BSB BSB: When Jesus saw a large crowd around Him, He gave orders to cross to the other side of the sea.
19 ULB Avy eo ny mpanora-dalàna iray nanatona Azy ary nanao hoe: "Ry mpampianatra, hanaraka Anao aho na aiza na aiza alehanao." BSB BSB: And one of the scribes came to Him and said, “Teacher, I will follow You wherever You go.”
20 ULB Hoy Jesosy taminy hoe: "Ny amboahaolo manan-davaka, ary ireo voron'ny lanitra manana akany, fa ny Zanak'Olona tsy manana na aiza na aiza ampandriana ny lohany." BSB BSB: Jesus replied, “Foxes have dens and birds of the air have nests, but the Son of Man has no place to lay His head.”
21 ULB Iray hafa tamin'ireo mpianatra niteny taminy hoe: "Tompo, avelao aho aloha andeha ary andevina ny raiko." BSB BSB: Another of His disciples requested, “Lord, first let me go and bury my father.”
22 ULB Fa hoy Jesosy taminy hoe: "Manaraha Ahy, ary avelao ny maty andevina ny maty ao aminy manokana." BSB BSB: But Jesus told him, “Follow Me, and let the dead bury their own dead.”
23 ULB Rehefa niditra tao amin'ny sambokely iray Jesosy, dia nanaraka Azy tao anatin'io ireo mpianany. BSB BSB: When He got into the boat, His disciples followed Him.
24 ULB Indro, nisy tafio-drivotra lehibe nitranga teo amin'ny ranomasina, ka dia rakotry ny onja ny sambo. Fa resin-tory Jesosy. BSB BSB: Suddenly a violent storm came up on the sea, so that the boat was engulfed by the waves. But Jesus was sleeping.
25 ULB Nankeo Aminy ireo mpianatra ary namoha Azy, nanao hoe: "Vonjeo isika, Tompo; ho faty isika!" BSB BSB: The disciples went and woke Him, saying, “Lord, save us! We are perishing!”
26 ULB Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Nahoana ianareo no matahotra, ry kely finoana?" Dia nitsangana Izy avy eo ary niteny mafy ny rivotra sy ny ranomasina. Dia nisy fitoniana be avy teo. BSB BSB: “You of little faith,” Jesus replied, “why are you so afraid?” Then He got up and rebuked the winds and the sea, and it was perfectly calm.
27 ULB Gaga ireo lehilahy ary niteny hoe: "Fa karazana lehilahy inona ity, fa na dia ny rivotra sy ranomasina aza mankatoa Azy?" BSB BSB: The men were amazed and asked, “What kind of man is this? Even the winds and the sea obey Him!”
28 ULB Rehefa tonga teny ampita sy teo amin'ny tanànan'ny Gadarenesa Jesosy, dia nisy lehilahy roa izay nofehezin'ny demonia nifanena Taminy. Izy ireo dia nivoaka avy any amin'ireo fasana ary tena nahery setra, noho izany dia tsy nisy mpandeha afaka nandalo izany lalana izany. BSB BSB: When Jesus arrived on the other side in the region of the Gadarenes, He was met by two demon-possessed men coming from the tombs. They were so violent that no one could pass that way.
29 ULB Indro, nihiaka mafy izy ireo ary nanao hoe: "Moa mpifaninona akory izahay sy Ianao, ry Zanak'Andriamanitra? Tonga eto va Ianao hampihorohoro anay mialohan'ny fotoana voatondro?" BSB BSB: “What do You want with us, Son of God?” they shouted. “Have You come here to torture us before the appointed time?”
30 ULB Ary nisy andian-kisoa maro nisakafo teo, tsy dia lavitra azy ireo. BSB BSB: In the distance a large herd of pigs was feeding.
31 ULB Mbola niangavy an'i Jesosy ihany ireo demonia ary nanao hoe: "Raha mandroaka anay Ianao, dia alefao ao anatin'ireo andian-kisoa ireo izahay." BSB BSB: So the demons begged Jesus, “If You drive us out, send us into the herd of pigs.”
32 ULB Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Mandehana!" Dia nivoaka ireo demonia ka nankao amin'ireo kisoa; ary indro, ireo andiany rehetra nirifatra nidina ny tendrombohitra mideza nankany an-dranomasina ary maty tao anaty rano izy ireo. BSB BSB: “Go!” He told them. So they came out and went into the pigs, and the whole herd rushed down the steep bank into the sea and died in the waters.
33 ULB Ireo izay nikarakara ireo kisoa dia nihazakazaka ary nankany amin'ny tanàna izy ireo ary nitatitra ny zavatra rehetra, ary indrindra izay nitranga tamin'ireo lehilahy izay nofehezin'ireo demonia. BSB BSB: Those tending the pigs ran off into the town and reported all this, including the account of the demon-possessed men.
34 ULB Indro, nivoaka ireo tao an-tanàna rehetra mba hihaona amin'i Jesosy. Rehefa hitan'izy ireo Izy, dia nangataka Azy mba handao ny faritanin’izy ireo. BSB BSB: Then the whole town went out to meet Jesus. And when they saw Him, they begged Him to leave their region.