1 ULB Ankehitriny mihainoa izay lazain'i Yaveh: "Mitsangàna ary alaharo eo anatrehan'ireo tendrombohitra ny raharahanareo; aoka ireo havoana handre ny feonareo. BSB BSB: Hear now what the LORD says: “Arise, plead your case before the mountains, and let the hills hear your voice.
2 ULB Mihainoa ny adin'i Yaveh, ianareo tendrombohitra, sy ianareo fanambany maharitry tany. Fa manana ady amin'ny vahoakany Yaveh, ary hiady hanohitra ny Israely eo amin'ny fitsarana Izy." BSB BSB: Hear, O mountains, the LORD’s indictment, you enduring foundations of the earth. For the LORD has a case against His people, and He will argue it against Israel:
3 ULB "Ry oloko, inona no nataoko anareo? Ahoana no nandrerahako anareo? Mijoroa vavolombelona hanohitra Ahy! BSB BSB: ‘My people, what have I done to you? Testify against Me how I have wearied you!
4 ULB Fa nentiko niakatra hivoaka ny tany Egypta ianareo ary navotako hivoaka ny trano fanandevozana. Naniraka an'i Mosesy, Arona, ary Miriama taminareo Aho. BSB BSB: For I brought you up from the land of Egypt and redeemed you from the house of slavery. I sent Moses before you, as well as Aaron and Miriam.
5 ULB Ry oloko, tsarovy izay noheverin'i Balaka mpanjakan'i Moaba, sy ny fomba namalian'i Balama zanak'i Beora azy raha nandeha nankany Sitima ka hatrany Gilgala ianareo, mba hahafahanareo mahafantatra ny asa-marin'i Yaveh." BSB BSB: My people, remember what Balak king of Moab counseled and what Balaam son of Beor answered. Remember your journey from Shittim to Gilgal, so that you may acknowledge the righteousness of the LORD.’”
6 ULB Inona no tokony ho entiko ho an'i Yaveh, raha miankohoka eo amin'Andriamanitra Avo aho? Tokony ho tonga eo Aminy miaraka amin'ny fanatitra dorana, amin'ny zanak'omby herintaona ve aho? BSB BSB: With what shall I come before the LORD when I bow before the God on high? Should I come to Him with burnt offerings, with year-old calves?
7 ULB Moa ve Yaveh hankasitraka ondrilahy an'arivony, na onin-diloilo an'aliny? Tokony hanolotra ny lahimatoako noho ny heloko ve aho, ilay naterako noho ny fahotako ihany? BSB BSB: Would the LORD be pleased with thousands of rams, with ten thousand rivers of oil? Shall I present my firstborn for my transgression, the fruit of my body for the sin of my soul?
9 ULB Manao fanambarana amin'ny tanàna ny feon'i Yaveh— na ny fahendrena aza ankehitriny dia miaiky ny anaranao: "Henoy ny tsora-kazo, sy ny olona izay nametraka izany tamin'ny fitoerany. BSB BSB: The voice of the LORD calls out to the city (and it is sound wisdom to fear Your name): “Heed the rod and the One who ordained it.
10 ULB Misy harena ao an-tranon'ny ratsy fanahy tsy marina, ary fandrefesana mandainga izay fahavetavetana. BSB BSB: Can I forget any longer, O house of the wicked, the treasures of wickedness and the short ephah, which is accursed?
11 ULB Tokony hihevitra ny olona ho tsy manan-tsiny ve Aho raha mampiasa mizàna mandainga izy, miaraka amin'ny harona fandanjana mamitaka? BSB BSB: Can I excuse dishonest scales or bags of false weights?
12 ULB Feno herisetra ny mpanan-karena, efa nilaza lainga ireo mponina, ary mpamitaka ny lelany ao am-bavany. BSB BSB: For the wealthy of the city are full of violence, and its residents speak lies; their tongues are deceitful in their mouths.
13 ULB Noho izany dia namely anao tamin'ny ratra maharary Aho, efa nataoko ho rava noho ireo fahotanao ianao. BSB BSB: Therefore I am striking you severely, to ruin you because of your sins.
14 ULB Hihinana ianao fa tsy ho afa-po; hitoetra ao anatinao ny hanoananao. Hanangona harena ianao fa tsy hahangona, ary izay voahangonao dia homeko ny sabatra. BSB BSB: You will eat but not be satisfied, and your hunger will remain with you. What you acquire, you will not preserve; and what you save, I will give to the sword.
15 ULB Hamafy ianao fa tsy hijinja; hanitsakitsaka oliva ianao fa tsy hihosotra diloilo; hanosihosy voaloboka ianao fa tsy mba hisotro divay. BSB BSB: You will sow but not reap; you will press olives but not anoint yourselves with oil; you will tread grapes but not drink the wine.
16 ULB Ireo fitsipika nataon'i Omry dia efa voatandrina, ary ireo asan'ny taranak'i Ahaba rehetra. Mandeha araka torohevitr'izy ireo ianao. Koa hataoko, ho faharavana, ianao ry tanàna, ary zavatra mampisitrisitra ianareo ry mponina, ary hizaka latsa tahaka ny vahoakako ianareo." BSB BSB: You have kept the statutes of Omri and all the practices of Ahab’s house; you have followed their counsel. Therefore I will make you a desolation, and your inhabitants an object of contempt; you will bear the scorn of the nations.”