2 ULB Nanjavona tamin'ny tany ny olona mahatoky, tsy misy olo-mahitsy ao amin'ny olombelona rehetra. Manotrika handatsa-drà avokoa izy rehetra; ny tsirairay mihaza ny rahalahiny amin'ny harato ny ihany. BSB BSB: The godly man has perished from the earth; there is no one upright among men. They all lie in wait for blood; they hunt one another with a net.
3 ULB Mailaka amin'ny fanaovan-dratsy ny tanan'izy ireo: mitaky vola ireo mpanapaka, vonona amin'ny kolikoky ny mpitsara, ary milaza amin'ireo hafa izay tiany ho azo ny lehilahy matanjaka. Dia toy izany no iarahany miteti-dratsy. BSB BSB: Both hands are skilled at evil; the prince and the judge demand a bribe. When the powerful utters his evil desire, they all conspire together.
4 ULB Ny tsara indrindra amin'izy ireo dia tahaka ny roy, ny mahitsy indrindra dia fefy tsilo. Izany dia andro efa voalazan'ireo mpitilinao mialoha, dia ny andro famaizana anareo. Izao no fotoan'ny fahaverezan-kevitr'izy ireo. BSB BSB: The best of them is like a brier; the most upright is sharper than a hedge of thorns. The day for your watchmen has come, the day of your visitation. Now is the time of their confusion.
5 ULB Aza mahatoky mpiara-belona; aza mametra-pitokiana amin'ny namana. Tandremo izay lazainao na dia amin'ny vehivavy izay mandry eo an-tsandrinao aza. BSB BSB: Do not rely on a friend; do not trust in a companion. Seal the doors of your mouth from her who lies in your arms.
7 ULB Fa raha izaho aloha, dia hijery an'i Yaveh aho, hiandry ny Andriamanitry ny famonjena ahy aho; handre ahy ny Andriamanitro. BSB BSB: But as for me, I will look to the LORD; I will wait for the God of my salvation. My God will hear me.
8 ULB Aza mifaly amiko, ry fahavaloko. Fa rehefa lavo aho, dia hiarina indray. Raha mipetraka ao amin'ny aizina aho, dia Yaveh no ho fahazavana ho ahy. BSB BSB: Do not gloat over me, my enemy! Though I have fallen, I will arise; though I sit in darkness, the LORD will be my light.
9 ULB Satria nanota tamin'i Yaveh aho, dia hizaka ny hatezerany mandra-pandahany ny teniko, sy hanatanterahany fitsarana ho ahy. Hitondra ahy ho eo amin'ny fahazavana Izy, ary hahita Azy manavotra ahy ao amin'ny fahamarinany aho. BSB BSB: Because I have sinned against Him, I must endure the rage of the LORD, until He argues my case and executes justice for me. He will bring me into the light; I will see His righteousness.
10 ULB Dia hahita izany ireo fahavaloko, ka ny henatra no hanarona izay niteny tamiko hoe: "Aiza Yaveh Andriamanitrao?" Hijery azy ny masoko; ho voahosihosy tahaka ny fotaka eny an-dalana izy. BSB BSB: Then my enemy will see and will be covered with shame—she who said to me, “Where is the LORD your God?” My eyes will see her; at that time she will be trampled like mud in the streets.
11 ULB Ho tonga ny andro hananganana ny mandanao; amin'izany andro izany dia hitarina hatrany lavitra ireo faritaninao. BSB BSB: The day for rebuilding your walls will come—the day for extending your boundary.
12 ULB Amin'izany andro izany dia ho tonga aminao ny vahoakanao, avy any Asyria sy ireo tanàna any Egypta, avy any Egypta ka hatrany amin'ny renirano lehibe, Eofrata, avy amin'ny ranomasina ka hatrany amin'ny ranomasina, ary avy amin'ny tendrombohitra ka hatrany amin'ny tendrombohitra. BSB BSB: On that day they will come to you from Assyria and the cities of Egypt, even from Egypt to the Euphrates, from sea to sea and mountain to mountain.
13 ULB Ireo tany ireo dia hilaozana noho ny vahoaka izay mipetraka ao ankehitriny, noho ny vokatry ny asan'izy ireo. BSB BSB: Then the earth will become desolate because of its inhabitants, as the fruit of their deeds.
14 ULB Ambeno amin'ny tsora-kazonao ny vahoakanao, dia ny ondry aman'osin'ny lovanao. Mitoetra irery any an'ala izy ireo, eo afovoan'ny tanimboly. Aoka izy ireo hiraoka any Basana sy Gileada tahaka ny tamin'ny andro fahiny. BSB BSB: Shepherd with Your staff Your people, the flock of Your inheritance. They live alone in a woodland, surrounded by pastures. Let them graze in Bashan and Gilead, as in the days of old.
15 ULB Tahaka ny tamin'ny andro izay nivoahanao ny tany Egypta, dia haneho fahagagana azy ireo Aho. BSB BSB: As in the days when you came out of Egypt, I will show My wonders.
16 ULB Hahita ary ho menatry ny heriny rehetra ireo firenena. Hitampim-bava izy ireo; harenina ny sofin'izy ireo. BSB BSB: Nations will see and be ashamed, deprived of all their might. They will put their hands over their mouths, and their ears will become deaf.
17 ULB Hilelaka ny vovoka tahaka ny bibilava, tahaka ny zava-boaary izay mikisaka amin'ny tany izy ireo. Hivoaka avy ao an-davany amin-tahotra izy ireo; ho avy amin-tahotra eo Aminao izy ireo, ry Yaveh Andriamanitray, ary hatahotra noho Ianao. BSB BSB: They will lick the dust like a snake, like reptiles slithering on the ground. They will come trembling from their strongholds in the presence of the LORD our God; they will tremble in fear of You.
18 ULB Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Ianao izay manala fahotana, Ianao izay mandalo ambonin'ny heloky ny sisa tavela amin'ny lovanao? Tsy mitàna ny fahatezeranao mandrakizay Ianao, satria tianao ny maneho ny famindram-ponao aminay. BSB BSB: Who is a God like You, who pardons iniquity and passes over the transgression of the remnant of His inheritance—who does not retain His anger forever, because He delights in loving devotion?
19 ULB Hangoraka anay indray Ianao; hanitsaka ireo helokay ao ambany tongotrao Ianao. Hanary ny otanay rehetra ao amin'ireo lalin'ny ranomasina Ianao. BSB BSB: He will again have compassion on us; He will vanquish our iniquities. You will cast out all our sins into the depths of the sea.
20 ULB Hanome ny marina ho an'i Jakoba sy famindram-po ho an'i Abrahama Ianao, tahaka ny nianiananao tamin'ireo razambenay tamin'ireo andro fahiny. BSB BSB: You will show faithfulness to Jacob and loving devotion to Abraham, as You swore to our fathers from the days of old.