1 ULB Ny fanambarana mahakasika an'i Ninive. Ny bokin'ny fahitan'i Nahoma, ilay Elkosita. BSB BSB: This is the burden against Nineveh, the book of the vision of Nahum the Elkoshite:
2 ULB Andriamanitra saro-piaro sy mamaly faty Yaveh. Mamaly faty sy feno fahatezerana Yaveh. Mamaly ratsy amin'ireo mpifanandrina aminy Yaveh, ary manohy ny fahatezerany ho an'ny fahavalony Izy. BSB BSB: The LORD is a jealous and avenging God; the LORD is avenging and full of wrath. The LORD takes vengeance on His foes and reserves wrath for His enemies.
3 ULB Mahari-po sy lehibe amin'ny heriny Yaveh; tsy hanambara ireo fahavalony ho tsy manan-tsiny velively Izy. Hanao ny lalany ao amin'ny tafio-drivotra Yaveh, ary ny rahona no vovoky ny tongony. BSB BSB: The LORD is slow to anger and great in power; the LORD will by no means leave the guilty unpunished. His path is in the whirlwind and storm, and clouds are the dust beneath His feet.
4 ULB Miteny mafy ny ranomasina Izy ka manamaina izany; mandritra ny renirano rehetra Izy. Ketraka i Basana, ary i Karmela ihany koa; malazo ireo voninkazon'i Libanona. BSB BSB: He rebukes the sea and dries it up; He makes all the rivers run dry. Bashan and Carmel wither, and the flower of Lebanon wilts.
5 ULB Mihovitra amin'ny fanatrehany ireo tendrombohitra, ary mietry ireo havoana; mirodana amin'ny fanatrehany ny tany, eny tokoa, ny tany sy izay olona rehetra monina ao aminy. BSB BSB: The mountains quake before Him, and the hills melt away; the earth trembles at His presence—the world and all its dwellers.
6 ULB Iza no hahajoro eo anatrehan'ny fahatezerany? Iza no hahatohitra ny firehetan'ny hatezerany? Miraraka tahaka ny afo ny fahatezerany, novakivakiany ireo vatolampy. BSB BSB: Who can withstand His indignation? Who can endure His burning anger? His wrath is poured out like fire; even rocks are shattered before Him.
7 ULB Tsara Yaveh, fiarovana mafy amin'ny andro fahoriana; ary mahatoky amin'izay mialoka aminy Izy. BSB BSB: The LORD is good, a stronghold in the day of distress; He cares for those who trust in Him.
8 ULB Fa hanapitra tanteraka ireo fahavalony amin'ny tondra-drano manafotra kosa Izy; hanenjika azy ireo any amin'ny haizina Izy. BSB BSB: But with an overwhelming flood He will make an end of Nineveh and pursue His enemies into darkness.
9 ULB Mitetika inona anoherana an'i Yaveh ianareo ry vahoaka? Hamarana tanteraka izany Izy; tsy hisandratra fanindroany ny fahoriana. BSB BSB: Whatever you plot against the LORD, He will bring to an end. Affliction will not rise up a second time.
10 ULB Fa ho raiki-tahotra tahaka ny kirihitra tsilo; ho safotry ny zava-pisotrony; ho levon'ny afo tanteraka tahaka ny mololo maina izy ireo. BSB BSB: For they will be entangled as with thorns and consumed like the drink of a drunkard—like stubble that is fully dry.
11 ULB Nisandratra tao aminao, ry Ninive, ny olona izay nikasa zava-dratsy hanoherana an'i Yaveh, dia olona izay namporisika faharatsiana. BSB BSB: From you, O Nineveh, comes forth a plotter of evil against the LORD, a counselor of wickedness.
12 ULB Izao no lazain'i Yaveh: "Na dia ao amin'ny tanjany tanteraka ary maro isa aza izy ireo, dia ho ringana izy ireo; tsy hisy olony intsony. Fa ianao, ry Joda: Na dia nampahory anao aza Aho, dia tsy hampahory anao intsony Aho. BSB BSB: This is what the LORD says: “Though they are allied and numerous, yet they will be cut down and pass away. Though I have afflicted you, O Judah, I will afflict you no longer.
13 ULB Ary hanapaka ny ziogan'ireo olona ao aminao Aho; hanapaka ireo fatoranao Aho." BSB BSB: For I will now break their yoke from your neck and tear away your shackles.”
14 ULB Efa nanome baiko momba anao Yaveh, ry Ninive: "Tsy hisy intsony ny taranaka hitondra ny anaranao. Hamongotra ireo sarin-javatra voasokitra sy ireo sarin-javatra an-idina amin'ireo tranon'ireo andriamanitrao Aho. Hiady ireo fanasanao Aho, satria tsinontsinona ianao." BSB BSB: The LORD has issued a command concerning you, O Nineveh: “There will be no descendants to carry on your name. I will cut off the carved image and cast idol from the house of your gods; I will prepare your grave, for you are contemptible.”
15 ULB Indro, eny an-tendrombohitra ny tongotry ny olona izay mitondra vaovao mahafaly, izay manambara fiadanana! Ankalazao ireo firavoravoanareo, ry Joda, ary efao ireo voadinareo, fa tsy handositra anareo intsony ny ratsy fanahy; ringana tanteraka izy. BSB BSB: Look to the mountains—the feet of one who brings good news, who proclaims peace! Celebrate your feasts, O Judah; fulfill your vows. For the wicked will never again march through you; they will be utterly cut off.