1 ULB Miakatra hanohitra anao ilay hanorotoro anao ho singa maromaro. Mametraha mpiambina eo amin'ny mandan'ny tanàna, ambeno ireo lalana, atanjaho ny tenanareo, angony ireo tafikareo. BSB BSB: One who scatters advances against you, O Nineveh. Guard the fortress! Watch the road! Brace yourselves! Summon all your strength!
2 ULB Fa efa mamerina amin'ny laoniny ny voninahitr'i Jakoba tahaka ny voninahitr'Israely i Yaveh, na dia noravan'ny mpandroba aza izy ireo ary nopotehina ireo sampam-boalobony. BSB BSB: For the LORD will restore the splendor of Jacob like the splendor of Israel, though destroyers have laid them waste and ruined the branches of their vine.
3 ULB Ny ampingan'ireo lehilahy mahery dia mena, ary ireo lehilahy be herim-po miakanjo jaky; manjelatra ny metalin'ireo kalesy amin'ny andro ary efa natao ho vonona izany, ary ny lefona kypreso dia mihevaheva eny amin'ny rivotra. BSB BSB: The shields of his mighty men are red; the valiant warriors are dressed in scarlet. The fittings of the chariots flash like fire on the day they are prepared, and the spears of cypress have been brandished.
4 ULB Mirifatra eraky ny lalana ireo kalesy; mifanaretsaka etsy sy eroa eny amin'ny lalam-be izy ireo. Mitovy amin'ny fanilo izy ireo, ary mihazakazaka tahaka ny tselatra. BSB BSB: The chariots dash through the streets; they rush around the plazas, appearing like torches, darting about like lightning.
5 ULB Miantso ireo manam-pahefany ilay hanorotoro anao ho singa; mifamingana eny amin'ny lalany izy ireo; mandeha faingana izy ireo mba hanafika ny mandan'ny tanàna. Novononina ny fiarovana lehibe mba hiaro ireo mpanafika. BSB BSB: He summons his nobles; they stumble as they advance. They race to its wall; the protective shield is set in place.
6 ULB Ireo vavahady eo amin'ny renirano dia noterena sokafana, ary mirodana ho amin'ny faharavana ny lapa. BSB BSB: The river gates are thrown open and the palace collapses.
7 ULB Nendahina ny akanjon'i Hozaba ary nalaina; mitoloko tahaka ny voromailala sady miteha-tratra ireo mpanompo vaviny. BSB BSB: It is decreed that the city be exiled and carried away; her maidservants moan like doves, and beat upon their breasts.
8 ULB Tahaka ny ranom-parihy mitete i Ninive, ary mandositra toy ny rano mikoriana ny vahoakany. Ny hafa mihiaka hoe: "Mijanòna, mijanòna," nefa tsy misy mitodika. BSB BSB: Nineveh has been like a pool of water throughout her days, but now it is draining away. “Stop! Stop!” they cry, but no one turns back.
9 ULB Alaivo babo ny volavotsy, alaivo babo ny volamena, fa tsy hisy fiafarany izany, ho an'ny famirapiratr'ireo zava-tsarobidin'i Ninive rehetra. BSB BSB: “Plunder the silver! Plunder the gold!” There is no end to the treasure, an abundance of every precious thing.
10 ULB Foana sy ravarava i Ninive. Ory ny fon'ny olona rehetra, niara-valaketraka ny lohaliky ny olona rehetra, ao amin'ny olona rehetra ny fahoriam-be; hatsatra avokoa ny endrik'izy ireo. BSB BSB: She is emptied! Yes, she is desolate and laid waste! Hearts melt, knees knock, bodies tremble, and every face grows pale!
11 ULB Ankehitriny aiza ny lavaky ny liona, ilay toerana izay famahanana ny liona tanora, ilay toerana falehan'ny liona lahy sy vavy, miaraka amin'ireo zanaka liona, izay natahoran'izy ireo na inona na inona? BSB BSB: Where is the lions’ lair or the feeding ground of the young lions, where the lion and lioness prowled with their cubs, with nothing to frighten them away?
12 ULB Mamotipotika ireo hazany ho an'ny zanany ny liona; nanakenda ireo hazany ho an'ny liona vavy izy, ary nameno ny zohiny tamin'ireo haza, ny lavany amin'ny sisan-taolana voapotipotika. BSB BSB: The lion mauled enough for its cubs and strangled prey for the lioness. It filled its dens with the kill, and its lairs with mauled prey.
13 ULB "Indro, hanohitra anao Aho—izany no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro. Hodorako ao amin'ny setroka ireo kalesinao, ary handevona ireo liona tanoranao ny sabatra. Ho fongoriko amin'ny taninao ireo babonao, ary tsy ho re intsony ny feon'ireo mpitondra hafatrao." BSB BSB: “Behold, I am against you,” declares the LORD of Hosts. “I will reduce your chariots to cinders, and the sword will devour your young lions. I will cut off your prey from the earth, and the voices of your messengers will no longer be heard.”