2 ULB dia nisy iray tamin'ireo rahalahiko, i Hanany, no tonga niaraka tamina olona maromaro avy any Joda, ary nanontany azy ireo momba ireo Jiosy izay tafandositra, sy ireo Jiosy sisa tavela tany, ary momba an'i Jerosalema aho. BSB BSB: Hanani, one of my brothers, arrived with men from Judah. So I questioned them about the remnant of the Jews who had survived the exile, and also about Jerusalem.
3 ULB Hoy izy ireo tamiko hoe: "Ireo izay tafavoaka velona tamin'ny fahababoana any amin'ny faritany dia anaty fangorohoroana sy fahafaham-baraka lehibe satria vaky nirodana ny mandan'i Jerosalema, ary voadoro tamin'ny afo ny vavahadiny." BSB BSB: And they told me, “The remnant who survived the exile are there in the province, in great trouble and disgrace. The wall of Jerusalem is broken down, and its gates have been burned with fire.”
4 ULB Vantany vao nandre ireo teny ireo aho, dia nipetraka ka nitomany, ary nalahelo sy nifady hanina ary nivavaka tamin'ny Andriamanitry ny lanitra hatrany aho nandritra ny andro maro. BSB BSB: When I heard these words, I sat down and wept. I mourned for days, fasting and praying before the God of heaven.
5 ULB Dia hoy aho hoe: "Ianao no Yaveh, Andrimanitry ny lanitra, ilay Andriamanitra lehibe sady mahagaga, izay mitàna ny fanekena sy mihazona ny fitiavana ho an'ireo izay tia Azy ary mitandrina ireo didiny. BSB BSB: Then I said: “O LORD, God of heaven, the great and awesome God who keeps His covenant of loving devotion with those who love Him and keep His commandments,
6 ULB Henoy ny fivavahako ka sokafy ny masonao, mba handrenesanao ny vavaky ny mpanomponao izay hivavahako eo anatrehanao andro aman'alina ho an'ny vahoakan'Israely mpanomponao ankehitriny. Miaiky ny fahotan'ny vahoakan'Israely, izay nanotanay taminao aho. Izaho sy ny ankohonan-draiko dia samy nanota. BSB BSB: let Your eyes be open and Your ears attentive to hear the prayer that I, Your servant, now pray before You day and night for Your servants, the Israelites. I confess the sins that we Israelites have committed against You. Both I and my father’s house have sinned.
7 ULB Nanao izay tena ratsy taminao izahay, ary tsy mba nitandrina ireo didy, ireo lalàna, ary ireo fitsipika izay nandidianao an'i Mosesy mpanomponao. BSB BSB: We have behaved corruptly against You and have not kept the commandments, statutes, and ordinances that You gave Your servant Moses.
8 ULB Mba tsarovy re ny teny izay nandidianao an'i Mosesy mpanomponao hoe: "Raha tsy mahatoky ianareo, dia ho aparitako eny amin'ireo firenena, BSB BSB: Remember, I pray, the word that You commanded Your servant Moses when You said, ‘If you are unfaithful, I will scatter you among the nations,
9 ULB fa raha miverina amiko ianareo ary manaraka ny didiko ka manao izany, na dia niely tany ambanin'ny lanitra lavitra indrindra aza ny vahoakanao, dia hanangona azy ireo avy any Aho ka hitondra azy ireo any amin'ny toerana izay nofidiako hampitoerana ny anarako.' BSB BSB: but if you return to Me and keep and practice My commandments, then even if your exiles have been banished to the farthest horizon, I will gather them from there and bring them to the place I have chosen as a dwelling for My Name.’
10 ULB Ary mpanomponao sy olonao izy ireo, izay navotanao tamin'ny herinao lehibe sy ny tananao mahery. BSB BSB: They are Your servants and Your people. You redeemed them by Your great power and mighty hand.
11 ULB Yaveh ô, mitalaho aminao aho, henoy re ny vavaky ny mpanomponao sy ny vavak'ireo mpanomponao izay manaja ny anaranao fatratra. Ary ambino ny mpanomponao anio, ary hiantrao eo imason'io lehilahy io izy." Fa nanompo ho mpitondra kapoaka teo amin'ny mpanjaka aho. BSB BSB: O Lord, may Your ear be attentive to my prayer and to the prayers of Your servants who delight to revere Your name. Give Your servant success this day, I pray, and grant him mercy in the sight of this man.” (At that time I was the cupbearer to the king.)
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.