1 ULB Ary rehefa ren'i Sanbala fa nanangana ny manda izahay, dia nirehitra tao anatiny izany, ary nisafoaky ny hatezerana izy ka nanamavo ny Jiosy. BSB BSB: Now when Sanballat heard that we were rebuilding the wall, he was furious and filled with indignation. He ridiculed the Jews
2 ULB Hoy izy teo anatrehan'ireo rahalahiny sy ny tafik'i Samaria: "Fa inona ity ataon'ireo Jiosy kanosa ireo? Hamerina ny tanàna ho azy ireo angaha izy ireo? Hanolotra sorona angaha izy ireo? Ho vitain'izy ireo ao anatin'ny iray andro angaha ny asa? Hamelona ireo vato avy amin'ireo korontam-bato efa nodorana indray angaha izy ireo? BSB BSB: before his associates and the army of Samaria, saying, “What are these feeble Jews doing? Can they restore the wall by themselves? Will they offer sacrifices? Will they complete it in a day? Can they bring these burnt stones back to life from the mounds of rubble?”
3 ULB Tobia Amonita dia niaraka taminy, ary hoy izy hoe: "Raha mba nisy amboahaolo mantsy niakatra teo amin'izay atsangan'izy ireo, dia handrodana ny manda vaton'izy ireo izany!" BSB BSB: Then Tobiah the Ammonite, who was beside him, said, “If even a fox were to climb up on what they are building, it would break down their wall of stones!”
4 ULB Henoy, ry Andriamanitray, fa vaorabiraby izahay. Avereno amin'ny lohan'izy ireo ihany ny fitenenan-dratsin'izy ireo ary avelao izy ireo ho babo any amin'ny tany izay higadran'izy ireo. BSB BSB: Hear us, O God, for we are despised. Turn their scorn back upon their own heads, and let them be taken as plunder to a land of captivity.
5 ULB Aza manarona ny helok'izy ireo ary aza mamafa ny fahotany tsy ho eo anatrehanao, fa nihantsy ny fahatezeran'ny mpanorina ny manda izy ireo. BSB BSB: Do not cover up their iniquity or let their sin be blotted out from Your sight, for they have provoked the builders.
6 ULB Koa natsanganay ny manda ary nifandray teo amin'ny hatsasaky ny hahavony ny manda rehetra satria nanam-paniriana ny hiasa ireo olona. BSB BSB: So we rebuilt the wall until all of it was joined together up to half its height, for the people had a mind to work.
7 ULB Fa nony ren'i Sanbala, Tobia, ireo Arabo, ireo Amonita, ary ireo Asdodita fa nandroso ny asa fanamboarana ny mandan'i Jerosalema, ary efa hikatona ireo toerana vaky teo amin'ny manda, dia nirehin-katezerana lehibe tao anatin'izy ireo. BSB BSB: When Sanballat and Tobiah, together with the Arabs, Ammonites, and Ashdodites, heard that the repair to the walls of Jerusalem was progressing and that the gaps were being closed, they were furious,
8 ULB Niara-nikonokonona avokoa izy rehetra, ary tonga hiady tamin'i Jerosalema ka nahatonga savorovoro tao amin'izany. BSB BSB: and all of them conspired to come and fight against Jerusalem and create a hindrance.
9 ULB Fa nivavaka tamin'ny Andriamanitray izahay ary nametraka mpiambina hiaro amin'izy ireo andro aman'alina nohon'ny fampitahoran'izy ireo. BSB BSB: So we prayed to our God and posted a guard against them day and night.
10 ULB Dia hoy ireo vahoakan'i Joda hoe: "Mihalefy ny herin'ireo izay milanja enta-mavesatra. Be loatra ireo korontam-bato, ary tsy afaka mamerina manangana ny manda izahay." BSB BSB: Meanwhile, the people of Judah said: “The strength of the laborer fails, and there is so much rubble that we will never be able to rebuild the wall.”
11 ULB Hoy ireo fahavalonay hoe: "Tsy hahafantatra na hahita izy ireo ambara-pahatonganay eo amin'izy ireo ka hamono azy ireo, ary hampitsahatra ny asa." BSB BSB: And our enemies said, “Before they know or see a thing, we will come into their midst, kill them, and put an end to the work.”
12 ULB Tamin'izany fotoana izany dia tonga avy tany amin'ny lalana rehetra ireo Jiosy izay nonina teo akaikin'izy ireo ary niteny impolo taminay, nampitandrina anay ny amin'ny tetika izay ataon'izy ireo aminay. BSB BSB: At that time the Jews who lived nearby came and told us ten times over, “Wherever you turn, they will attack us.”
13 ULB Koa nametraka olona tany amin'ny faritra iva indrindra amin'ny manda teny amin'ny toerana miharihary aho. Nametraka ny fianakaviana tsirairay niaraka tamin'ny sabany, ny lefony, ary ny tsipìkany avy aho. BSB BSB: So I stationed men behind the lowest sections of the wall, at the vulnerable areas. I stationed them by families with their swords, spears, and bows.
14 ULB Dia nitazana aho, ary nitsangana, ka hoy aho tamin'ireo olona ambony, sy tamin'ireo mpanapaka, ary tamin'ny vahoaka sisa hoe: "Aza matahotra azy ireo. Tsarovy ny Tompo, izay lehibe sady mahagaga. Miadia ho an'ny fianakavianareo, ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy, ny vadinareo, ary ny ankohonanareo." BSB BSB: After I had made an inspection, I stood up and said to the nobles, the officials, and the rest of the people, “Do not be afraid of them. Remember the Lord, who is great and awesome, and fight for your brothers, your sons and your daughters, your wives and your homes.”
15 ULB Ary rehefa ren'ireo fahavalonay fa hainay ny paik'adin'izy ireo, ary nasavorovoron'Andriamanitra ny paik'adiny, dia niverina teo amin'ny manda izahay rehetra, samy tamin'ny asany avy. BSB BSB: When our enemies heard that we were aware of their scheme and that God had frustrated it, each of us returned to his own work on the wall.
16 ULB Koa nanomboka tamin'izany fotoana izany dia niasa ho an'ny fananganana ny manda fotsiny ny antsasak'ireo mpanompoko, ary ny antsasany nitazona lefona, ampinga, tsipìka, ary nanao akanjo fiarovana, raha nitsangana avy ao aorian'ireo vahoakan'i Joda rehetra kosa ireo mpitarika. BSB BSB: And from that day on, half of my servants did the work while the other half held spears, shields, bows, and armor. The officers stationed themselves behind all the people of Judah
17 ULB Niambina ny fitoeran'izy ireo ihany koa ireo mpiasa izay nanangana ny manda sy nilanja ny enta-mavesatra. Niasa tamin'ny tanana iray avy ny olona rehetra, ary tamin'ny tanana ilany no nitànan'izy ireo ny fiadiany. BSB BSB: who were rebuilding the wall. The laborers who carried materials worked with one hand and held a weapon with the other.
18 ULB Ny mpanangana rehetra dia nanao ny sabany teo anilany ary toy izany no niasany. Ilay iray izay nampaneno ny trompetra dia nijanona teo akaikiko. BSB BSB: And each of the builders worked with his sword strapped at his side. But the trumpeter stayed beside me.
19 ULB Dia hoy aho tamin'ireo olona ambony sy ireo manam-boninahitra ary tamin'ireo vahoaka sisa hoe: "Goavana sady mihitatra ny asa, ary misaratsaraka isika eto ambonin'ny manda, mifanalavitra. BSB BSB: Then I said to the nobles, the officials, and the rest of the people: “The work is great and extensive, and we are spread out far from one another along the wall.
20 ULB Aoka hiazakazaka ho eo amin'ny toerana andrenesanareo ny feon-trompetra ianareo ary hiangona eo. Hiady ho antsika ny Andriamanintsika." BSB BSB: Wherever you hear the sound of the horn, rally to us there. Our God will fight for us!”
21 ULB Koa nataonay ny asa. Ny antsasak'izy ireo nitazona lefona nanomboka vao mangiran-dratsy ka hatramin'ny fipoiran'ny kintana. BSB BSB: So we continued the work, while half of the men held spears from the break of dawn until the stars came out.
22 ULB Hoy ihany koa aho tamin'ireo olona tamin'izany fotoana izany hoe: "Aoka ny olona rehetra sy ny mpanompony handany ny alina eo afovoan'i Jerosalema, mba ho mpiambina antsika mandritra ny alina izy ireo ary ho mpiasa amin'ny andro." BSB BSB: At that time I also said to the people, “Let every man and his servant spend the night inside Jerusalem, so that they can stand guard by night and work by day.”
23 ULB Koa na izaho, na ireo rahalahiko, na ireo mpanompoko, na ireo lehilahin'ny mpiambina izay nanaraka ahy, dia tsy mba nisy nisolo akanjo izahay, ary nitana fiadiana ny tsirairay taminay, na dia handeha haka rano aza. BSB BSB: So neither I nor my brothers nor my servants nor the guards with me changed out of our clothes; each carried his weapon, even to go for water.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.