1 ULB Ary rehefa ren'i Sanbala, Tobia, ary Gasema Arabo sy ireo fahavalonay sisa fa efa nanamboatra ny manda indray aho ary tsy nisy faritra triatra nivoha intsony, na dia tsy mbola nanangana ireo varavarana teo am-bavahady aza aho, BSB BSB: When Sanballat, Tobiah, Geshem the Arab, and the rest of our enemies heard that I had rebuilt the wall and not a gap was left—though to that time I had not yet installed the doors in the gates—
2 ULB dia hoy i Sanbala sy Gasema tamiko, nanao hoe: "Andao, andeha isika hihaona any amin'ny lemak'i Ono any ho any." Nefa nikendry ny hanisy ratsy ahy izy ireo. BSB BSB: Sanballat and Geshem sent me this message: “Come, let us meet together in one of the villages on the plain of Ono.” But they were planning to harm me.
3 ULB Naniraka mpitondra hafatra tany amin'izy ireo aho, nanao hoe: "Manao asa lehibe aho, ka tsy afaka midina. Nahoana no tokony hitsahatra ny asa raha hilaozako izany ka midina any aminao aho?" BSB BSB: So I sent messengers to them, saying, “I am doing a great work and cannot come down. Why should the work stop while I leave it to go down to you?”
4 ULB Nandefa hafatra mitovy in'efatra tamiko izy ireo, ary novaliako mitovy isaky ny mandefa ireo. BSB BSB: Four times they sent me the same message, and each time I gave the same reply.
5 ULB Naniraka ny mpanompony taty amiko tahaka izany fanindiminy i Sanbala, nitondra taratasy misokatra teny an-tanany. BSB BSB: The fifth time, Sanballat sent me this same message by his young servant, who had in his hand an unsealed letter
6 ULB Voasoratra tao amin'izany hoe: "Voatatitra eo amin'ireo firenena izao, sady ambaran'i Gasema ihany koa, fa mitetika ny hikomy ianao sy ireo Jiosy, ka noho izany no anamboaranao ny manda indray. Araka ny lazain'ireto tatitra ireto, dia efa ho tonga mpanjakan'izy ireo ianao. BSB BSB: that read: “It is reported among the nations—and Geshem agrees—that you and the Jews are plotting to revolt, and this is why you are building the wall. According to these reports, you are to become their king,
7 ULB Efa nanendry mpaminany ihany koa ianao mba hanao izao fanambarana momba anao izao any Jerosalema, manao hoe: 'Misy mpanjaka any Joda!' Mahazo matoky ianao fa ho ren'ny mpanjaka ireo tatitra ireo. Noho izany tongava, andeha isika hifampiresaka." BSB BSB: and you have even appointed prophets in Jerusalem to proclaim on your behalf: ‘There is a king in Judah.’ Soon these rumors will reach the ears of the king. So come, let us confer together.”
8 ULB Dia nandefa teny tany aminy aho manao hoe: "Tsy nisy zavatra tahaka izany nitranga araka ny lazainao, fa tao am-ponao ihany no namoronanao ireo." BSB BSB: Then I sent him this reply: “There is nothing to these rumors you are spreading; you are inventing them in your own mind.”
9 ULB Fa te-hampitahotra anay izy reo, nieritreritra hoe: "Hampiraviravy ny tanan'izy ireo amin'ny fanaovana asa izy ireo, ka tsy ho vita izany." Nefa ankehitriny, ry Andriamanitra, mba atanjaho re ireto tanako." BSB BSB: For they were all trying to frighten us, saying, “Their hands will be weakened in the work, and it will never be finished.” But now, my God, strengthen my hands.
10 ULB Nankany an-tranon'i Semaia zanaka lahin'i Delaia zanaka lahin'i Mehetabela, izay tsy afa-nihetsika tao an-tranony aho. Hoy izy: "Andeha hihaona any an-tranon'Andriamanitra isika, ao anatin'ny tempoly, ary andeha hidiantsiaka ny varavaran'ny tempoly, satria tonga hamono anao izy ireo. Ho avy hamono anao izy ireo amin'ny alina." BSB BSB: Later, I went to the house of Shemaiah son of Delaiah, the son of Mehetabel, who was confined to his house. He said: “Let us meet at the house of God inside the temple. Let us shut the temple doors because they are coming to kill you—by night they are coming to kill you!”
11 ULB Namaly aho hoe: "Lehilahy tahaka ahy ve no andeha handositra? Hiditra ao an-tempoly mba hahazoany manavotra ny ainy ve ny lehilahy tahaka ahy? Tsy hiditra aho!" BSB BSB: But I replied, “Should a man like me run away? Should one like me go into the temple to save his own life? I will not go!”
12 ULB Tonga saina aho fa tsy Andriamanitra no naniraka azy, fa naminany nanohitra ahy izy. BSB BSB: I realized that God had not sent him, but that he had uttered this prophecy against me because Tobiah and Sanballat had hired him.
13 ULB Nanakarama azy i Tobia sy Sanbala. Nanakarama azy izy ireo mba hampitahotra ahy, mba hanaovako izay lazainy ka hanota, mba hanomezan'izy ireo anarana ratsy ho ahy hanalan'izy ireo baraka ahy. BSB BSB: He had been hired to intimidate me so that I would sin by doing as he suggested, so they could give me a bad name in order to discredit me.
14 ULB Tsarovy Tobia sy Sanbala, ry Andriamanitro ô, ary izay rehetra nataon'izy ireo. Tsarovy ihany koa Noadia mpaminany vavy sy ireo mpaminany sisa izay nanandrana ny hampitahotra ahy. BSB BSB: O my God, remember Tobiah and Sanballat for what they have done, and also Noadiah the prophetess and the other prophets who tried to intimidate me.
15 ULB Koa vita tamin'ny andro fahadimy amby roapolon'ny volana Elola ny manda, taorian'ny roa amby dimapolo andro. BSB BSB: So the wall was completed in fifty-two days, on the twenty-fifth of Elul.
16 ULB Rehefa ren'ireo fahavalonay rehetra izany, ireo firenena rehetra manodidina anay, dia natahotra izy ireo ary lavo mafy teo imason'izy ireo ihany. Fa fantatr'izy ireo fa vita tamin'ny fanampian'ny Andriamanitray ny asa. BSB BSB: When all our enemies heard about this, all the surrounding nations were afraid and disheartened, for they realized that this task had been accomplished by our God.
17 ULB Tamin'izany fotoana izany dia nandefa taratasy maro tany amin'i Tobia ireo manan-kaja tao Joda, ary tonga tany amin'izy ireo koa ny taratasin'i Tobia. BSB BSB: Also in those days, the nobles of Judah sent many letters to Tobiah, and Tobiah’s letters kept coming to them.
18 ULB Fa nisy maro tany Joda no voafatotry ny fianianana taminy, satria vinanto lahin'i Sekania zanaka lahin'i Ara izy. Ary Johanana zanany lahy efa nanambady ny zanaka vavin'i Mesolama zanaka lahin'i Berekia. BSB BSB: For many in Judah were bound by oath to him, since he was a son-in-law of Shecaniah son of Arah, and his son Jehohanan had married the daughter of Meshullam son of Berechiah.
19 ULB Niteny tamiko momba ireo asa soany ary nitatitra ireo teniko tany aminy ihany koa izy ireo. Nandefasana taratasy avy tamin'i Tobia aho mba hampitahorana ahy. BSB BSB: Moreover, these nobles kept reporting to me Tobiah’s good deeds, and they relayed my words to him. And Tobiah sent letters to intimidate me.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.