1 ULB Ary tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folon'io volana io ihany dia nivory sy nifady hanina ny vahoakan'Israely, ary nitafy akanjo fisaonana izy ireo, ary nanosotra vovoka ny lohany. BSB BSB: On the twenty-fourth day of the same month, the Israelites gathered together, fasting and wearing sackcloth, with dust on their heads.
2 ULB Nanasaraka ny tenany tamin'ireo vahiny rehetra ny taranak'i Israely. Nitsangana ary niaiky ny fahotan'izy ireo sy ireo ratsy nataon'ny razambeny izy ireo. BSB BSB: Those of Israelite descent separated themselves from all the foreigners, and they stood and confessed their sins and the iniquities of their fathers.
3 ULB Nitsangana teo amin'ny toerany izy ireo, ary tamin'ny ampahefatry ny andro dia namaky ny tao amin'ny bokin'ny lalàn'i Yaveh Andriamaniny izy ireo. Fa tamin'ny ampahefatry ny andro hafa dia niaiky ny helony sy niankohoka teo anatrehan'i Yaveh Andriamaniny izy ireo. BSB BSB: While they stood in their places, they read from the Book of the Law of the LORD their God for a quarter of the day, and they spent another quarter of the day in confession and worship of the LORD their God.
4 ULB Ireo Levita, Jesoa, Bany, Kadmiela, Sebania, Bony, Serebia, Bany, ary Kenany, dia nijoro teo amin'ny tohatra ary niantso tamin'ny feo avo an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo. BSB BSB: And the Levites—Jeshua, Bani, Kadmiel, Shebaniah, Bunni, Sherebiah, Bani, and Chenani—stood on the raised platform and cried out in a loud voice to the LORD their God.
5 ULB Ary ireo Levita, Jesoa, sy Kadmiela, Bany, Hasbania, Serebia, Hodia, Sebania, ary Petahia, nanao hoe: "Mitsangàna ary miderà an'i Yaveh Andriamanitrareo mandrakizay doria." Hisaotra ny anaranao be voninahitra anie izy ireo, ary asandratra ambonin'ny fisaorana sy fiderana rehetra anie izany. BSB BSB: Then the Levites—Jeshua, Kadmiel, Bani, Hashabneiah, Sherebiah, Hodiah, Shebaniah, and Pethahiah—said, “Stand up and bless the LORD your God from everlasting to everlasting: Blessed be Your glorious name, and may it be exalted above all blessing and praise.
6 ULB Ianao no Yaveh. Ianao irery ihany. Ianao no nanao ny lanitra, ny lanitra avo indrindra, mbamin'ny miaramilany rehetra, sy ny tany sy izay rehetra eo aminy, ary ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy. Nanome aina azy rehetra Ianao, ary ny miaramilan'ny lanitra manompo Anao. BSB BSB: You alone are the LORD. You created the heavens, the highest heavens with all their host, the earth and all that is on it, the seas and all that is in them. You give life to all things, and the host of heaven worships You.
7 ULB Ianao no Yaveh, ilay Andriamanitra izay nifidy an'i Abrama, sy nitondra azy nivoaka an'i Oran'ny Kaldeana, ary nanome azy ny anarana Abrahama. BSB BSB: You are the LORD, the God who chose Abram, who brought him out of Ur of the Chaldeans and gave him the name Abraham.
8 ULB Ianao dia nahita fa nahatoky teo anatrehanao ny fony, ary Ianao nanao fanekena taminy mba hanome ny tanin'ireo Kananita, ireo Hetita, ireo Perizita, ireo Jebosita, ary ireo Girgasita ho an'ny taranany. Nitàna ny fampanantenanao Ianao satria Ianao dia marina. BSB BSB: You found his heart faithful before You, and made a covenant with him to give the land of the Canaanites and Hittites, of the Amorites and Perizzites, of the Jebusites and Girgashites—to give it to his descendants. You have kept Your promise, because You are righteous.
9 ULB Nahita ny fahorian'ny razanay tany Egypta Ianao, ary nahare ny fitarainan'izy ireo teo amin'ny Ranomasina Mena. BSB BSB: You saw the affliction of our fathers in Egypt; You heard their cry at the Red Sea.
10 ULB Nanome ireo famantarana sy fahagagana manohitra an'i Farao, sy ny mpanompony rehetra, ary ny olona rehetra tao amin'ny taniny Ianao, satria Ianao dia nahalala fa ireo Egyptiana dia nanao fihetsika an'avona tamin'izy ireo. Kanefa nanao anarana ho Anao Ianao izay mijoro mandrak'ankehitriny. BSB BSB: You performed signs and wonders against Pharaoh, all his officials, and all the people of his land, for You knew they had acted with arrogance against our fathers. You made a name for Yourself that endures to this day.
11 ULB Ary nanasaraka ny ranomasina teo anoloan'n'izy ireo Ianao, mba hahafahan'izy ireo mandeha afovoan'ny ranomasina amin'ny tany maina; ary nanipy ireo izay nanenjika azy ireo ho any amin'ny lalina, tahaka ny vato atsipy anaty rano lalina Ianao. BSB BSB: You divided the sea before them, and they crossed through it on dry ground. You hurled their pursuers into the depths like a stone into raging waters.
12 ULB Tamin'ny andrin-drahona no nitondranao azy ireo tamin'ny andro, ary andrin'afo kosa mandritra ny alina mba hitsilo ny lalana halehan'izy ireo. BSB BSB: You led them with a pillar of cloud by day and a pillar of fire by night, to light for them the way in which they should travel.
13 ULB Nidina tao an-tendrombohitra Sinay Ianao ary niresaka tamin'izy ireo avy tao amin'ny lanitra ary nanome azy ireo fitsipika mahitsy sy lalàna marina, baiko sy didy tsara. BSB BSB: You came down on Mount Sinai and spoke with them from heaven. You gave them just ordinances, true laws, and good statutes and commandments.
14 ULB Nampafahantarinao azy ireo ny andro Sabata masinao, ary nanome azy ireo didy, sy fitsipika, ary lalàna tamin'ny alalan'i Mosesy mpanamponao Ianao. BSB BSB: You revealed to them Your holy Sabbath and gave them commandments and statutes and laws through Your servant Moses.
15 ULB Nanome mofo avy any an-danitra azy ireo Ianao nohon'ny hanohanany, ary rano avy tamin'ny vatolampy nohon'ny hetahetany, ary Ianao niteny azy ireo mba hiditra haka ny tany nianiananao mba homena azy ireo. BSB BSB: In their hunger You gave them bread from heaven; in their thirst You brought them water from the rock. You told them to go in and possess the land that You had sworn to give them.
16 ULB Fa tsy nanaja anao izy ireo sy ny razanay, ary mafy loha, sady tsy nihaino ireo didinao izy ireo. BSB BSB: But they and our fathers became arrogant and stiff-necked and did not obey Your commandments.
17 ULB Nandà tsy hihaino izy ireo, ary tsy nisaina momba ireo fahagagana izay efa nataonao tamin'izy ireo, fa lasa mafy loha, ary tamin'ny fikomian'izy ireo dia nanondro mpitarika hiverina amin'ny fanandevozana izy ireo. Fa Ianao dia Andriamanitra izay feno famelan-keloka, be fahasoavana sy fangorahana, tsy mora tezitra, ary feno fitiavana tsy miova. Tsy nandao azy ireo Ianao. BSB BSB: They refused to listen and failed to remember the wonders You performed among them. They stiffened their necks and appointed a leader to return them to their bondage in Egypt. But You are a forgiving God, gracious and compassionate, slow to anger and rich in loving devotion, and You did not forsake them.
18 ULB Na dia efa nanana ilay ombilahy kely an'idina aza izy ireo ary nanao hoe: 'Ity no Andriamanitrareo izay nitondra anareo niakatra niala tany Egypta,' ary efa nanao faniratsirana lehibe, Ianao, tamin'ny fangoraham-ponao BSB BSB: Even when they cast for themselves an image of a calf and said, ‘This is your God who brought you up out of Egypt,’ and when they committed terrible blasphemies,
19 ULB dia tsy nandao azy ireo tany an'efitra. Ny andrin-drahona mitarika azy ireo amin'ny lalana dia tsy mba nandao azy ireo nandritra ny andro, na ny andrin'afon'ny alina mba hanazava ny lalan-kalehan'izy ireo. BSB BSB: You in Your great compassion did not forsake them in the wilderness. By day the pillar of cloud never turned away from guiding them on their path; and by the night the pillar of fire illuminated the way they should go.
20 ULB Nomenao azy ireo ny Fanahinao tsara mba hampianatra azy ireo, ary tsy niaro ny mananao tsy ho eo amin'ny vavan'izy ireo Ianao, ary ny rano nomenao azy ireo nohon'ny hetahetany. BSB BSB: You gave Your good Spirit to instruct them. You did not withhold Your manna from their mouths, and You gave them water for their thirst.
21 ULB Nandritra ny efapolo taona no namatsianao azy ireo tany an'efitra, ary tsy ory na inona na inona izy ireo. Ny akanjon'izy ireo dia tsy tonta ary ny faladian'izy ireo dia tsy nivonto. BSB BSB: For forty years You sustained them in the wilderness, so that they lacked nothing. Their clothes did not wear out and their feet did not swell.
22 ULB Nanome fanjakana sy vahoaka ho azy ireo Ianao, tamin'ny fanendrena azy ireo isaky ny vazan-tany. Ary naka ny tanin'i Siona mpanjakan'i Hesbona sy ny tanin'i Oga mpanjakan'i Basana ho fananana izy ireo. BSB BSB: You gave them kingdoms and peoples and allotted to them every corner of the land. So they took the land of Sihon king of Heshbon and of Og king of Bashan.
23 ULB Nataonao maro isa tahaka ny kintan'ny lanitra ny zanak'izy ireo, ary nentinao tany amin'ny tany izay nolazainao ny razambeny mba handehanana sy alaina ho fananana izy ireo. BSB BSB: You multiplied their descendants like the stars of heaven and brought them to the land You had told their fathers to enter and possess.
24 ULB Koa niditra ny vahoaka ary naka ny tany ho fananana ary Ianao nandresy ireo mponin'ny tany, dia ireo Kananita teo anatrehan'izy ireo. Nomenao ireo mba ho eo an-tanan'izy ireo, miaraka amin'ny mpanjakan'izy ireo sy ny vahoakan'ny tany, mba hahafahan'i Israely manao izay mahafinaritra azy eo amin'izy ire. BSB BSB: So their descendants went in and possessed the land; You subdued before them the Canaanites dwelling in the land. You delivered into their hands the kings and peoples of the land, to do with them as they wished.
25 ULB Nambabo ireo tanàna mimanda sy ny tany mamokatra izy ireo, ary nambabo ireo trano feno zava-tsoa, famorian-drano efa voahady, ireo tanim-boaloboka sy tanin'oliva, ary hazo fihinam-boa maro. Ary nihinana sy afa-po sy niha-natavy ary nanao izay nahafaly azy izy ireo nohon'ny fahatsaranao lehibe. BSB BSB: They captured fortified cities and fertile land and took houses full of all goods, wells already dug, vineyards, olive groves, and fruit trees in abundance. So they ate and were filled; they grew fat and delighted in Your great goodness.
26 ULB Ary lasa tsy mpankatò izy ireo ary nikomy hanohitra Anao. Natsipin'izy ireo tany an-damosiny ny lalànao. Namono ireo mpaminaninao izay nampitandrina azy mba hiverina aminao izy ireo, ary nanao faniratsirana lehibe izy ireo. BSB BSB: But they were disobedient and rebelled against You; they flung Your law behind their backs. They killed Your prophets, who had admonished them to return to You. They committed terrible blasphemies.
27 ULB Koa natolotrao teny am-pelatanan'ny fahavalony, izay nampijaly azy izy ireo. Tamin'ny fotoana nijaliany, dia nitaraina taminao izy ireo, ary Ianao nandre azy ireo avy any an-danitra, ary nohon'ny famindram-ponao lehibe dia nandefa mpamonjy mba hanavotra azy ireo eo an-tanan'ireo fahavalony Ianao. BSB BSB: So You delivered them into the hands of enemies who oppressed them, and in their time of distress they cried out to You. From heaven You heard them, and in Your great compassion You gave them deliverers who saved them from the hands of their enemies.
28 ULB Fa rehefa avy nitsahatra izy ireo, dia nanao ratsy teo anatrehanao indray, ary nandao azy ireo teo an-tanan'ny fahavalony Ianao, noho izany dia nifehy azy ireo ny fahavalony. Kanefa rehefa niverina sy nitaraina taminao izy ireo, dia nandre avy any an-danitra Ianao, BSB BSB: But as soon as they had rest, they again did evil in Your sight. So You abandoned them to the hands of their enemies, who had dominion over them. When they cried out to You again, You heard from heaven, and You delivered them many times in Your compassion.
29 ULB ary matetika Ianao no namonjy azy ireo nohon'ny famindram-ponao. Nampitandrina azy ireo ny amin'ny mba hiverenan'izy ireo amin'ny lalànao Ianao. Kanefa niavonavona sy tsy nihaino ny didinao izy ireo. Nanota nanohitra ny fitsipikao izay nanome aina ho an'izay nankatò azy izy ireo. Nanamafy ny hatony sy nampihemotra ny sorony ary nandà tsy hihaino izy ireo. BSB BSB: You admonished them to turn back to Your law, but they were arrogant and disobeyed Your commandments. They sinned against Your ordinances, by which a man will live if he practices them. They turned a stubborn shoulder; they stiffened their necks and would not obey.
30 ULB Fa taona maro no nandeferanao sy nampitandremanao azy ireo tamin'ny alalan'ireo mpaminaninao. Kanefa tsy nihaino izy ireo. Koa dia natolotrao ho eo an-tanan'ireo mponina manodidina izy ireo. BSB BSB: You were patient with them for many years, and Your Spirit admonished them through Your prophets. Yet they would not listen, so You gave them into the hands of the neighboring peoples.
31 ULB Kanefa nohon'ny halehiben'ny famindram-ponao dia tsy nandringana azy tanteraka Ianao, na nahafoy azy ireo, satria Ianao dia Andriamanitra be fahasoavana sy be indrafo. BSB BSB: But in Your great compassion, You did not put an end to them; nor did You forsake them, for You are a gracious and compassionate God.
32 ULB Ary noho izany, ry Andriamanitray—Ianao lehibe, mahery, ary mahatahotra izay nitandrina ny fanekenao sy ny fitiavanao tsy miovaova—aoka tsy ho kely Aminao izao zava-tsarotra rehetra izay nihatra taminay, tamin'ireo mpanjakanay, tamin'ireo andrian-dahinay, sy tamin'ireo mpisoronay, sy tamin'ireo mpaminaninay, sy tamin'ireo razambenay, ary tamin'ny vahoakanao rehetra hatramin'ny andron'ny mpanjakan'i Asyria ka mandrak'androany izao. BSB BSB: So now, our God, the great and mighty and awesome God who keeps His gracious covenant, do not view lightly all the hardship that has come upon us, and upon our kings and leaders, our priests and prophets, our ancestors and all Your people, from the days of the kings of Assyria until today.
33 ULB Ianao dia marina tamin'izay rehetra nanjo anay, satria Ianao dia nitondra am-pahatokiana, kanefa izahay no nanao fihetsika naneho faharatsiana. BSB BSB: You are just in all that has befallen us, because You have acted faithfully, while we have acted wickedly.
34 ULB Ireo mpanjakanay, ireo andrian-dahinay, ireo mpisoronay, ary ireo razambenay dia tsy nitandrina ny lalànao, na nitandrina ireo didy sy ireo lalàm-panekena izay nampitandremanao azy ireo. BSB BSB: Our kings and leaders and priests and fathers did not obey Your law or listen to Your commandments and warnings that You gave them.
35 ULB Na dia tamin'ny fanjakan'izy ireo manokana aza, raha nankafy ny soa lehibe nataonao taminy izy ireo, tamin'ny tany malalaka sy mamokatra izay nataonao teo anatrehan'izy ireo, dia tsy mba nanompo Anao izy ireo na niala tamin'ireo fomba ratsiny. BSB BSB: For even while they were in their kingdom, with the abundant goodness that You had given them, and in the spacious and fertile land that You had set before them, they would not serve You or turn from their wicked ways.
36 ULB Ankehitriny izahay dia andevo amin'ny tany nomenao ny razambenay mba hankafy ny vokatra sy ny fanomezana tsaran'izany, ary indro, andevo ao amin'izany izahay! BSB BSB: So here we are today as slaves in the land You gave our fathers to enjoy its fruit and goodness—here we are as slaves!
37 ULB Ny mpanan-karena nahazo tombony tamin'ny taninay dia mankany amin'ny mpanjaka izay napetrakao mba hanjaka eo aminay nohon'ny fahotanay. Izy ireo dia manapaka eo amin'ny tenanay sy ny biby fiompinay araka izay tiany. Anaty fahoriana lehibe izahay. BSB BSB: Its abundant harvest goes to the kings You have set over us because of our sins. And they rule over our bodies and our livestock as they please. We are in great distress.
38 ULB Noho izany rehetra izany, dia manao fanekena an-tsoratra entitra izahay. Ao amin'ny antontan-taratasy voatombo-kase ny anaran'ireo andrian-dahinay, ireo Levita, ary ireo mpisorona." BSB BSB: In view of all this, we make a binding agreement, putting it in writing and sealing it with the names of our leaders, Levites, and priests.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.