1 ULB Niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy Izy: BSB BSB: Then the LORD said to Moses,
2 ULB "Manaova trompetra volafotsy roa. Amin'ny tefy tanana no hanaovanao ny volafotsy. Tsy maintsy mampiasa ireo trompetra ianao hiantsoana ny fiangonana miaraka sy hiantsoana ny fiangonana hamindra ny tobin'izy ireo. BSB BSB: “Make two trumpets of hammered silver to be used for calling the congregation and for having the camps set out.
3 ULB Ireo mpisorona dia tsy maintsy hitsoka ireo trompetra mba hiantsoana ny fiangonana rehetra hitambatra eo anoloanao eo amin'ny fidirana mankao amin'ny trano-lay fihaonana. BSB BSB: When both are sounded, the whole congregation is to assemble before you at the entrance to the Tent of Meeting.
4 ULB Raha trompetra iray ihany no tsofin'ireo mpisorona, dia hivory eo aminao ireo mpitarika, ireo lohan'ny fokon'Israely. BSB BSB: But if only one is sounded, then the leaders, the heads of the clans of Israel, are to gather before you.
5 ULB Rehefa mitsoka famantarana mafy ianareo, dia hanomboka ny dian'izy ireo ny toby any atsinanana. BSB BSB: When you sound short blasts, the camps that lie on the east side are to set out.
6 ULB Rehefa mitsoka ny fanairana mafy fanindroany ianareo, dia hanomboka ny dian'izy ireo ny toby any atsimo. Tsy maintsy mitsoka fanairana mafy ho an'ny diany izy ireo. BSB BSB: When you sound the short blasts a second time, the camps that lie on the south side are to set out. The blasts are to signal them to set out.
7 ULB Rehefa mivory miaraka ny fiangonana, dia tsofy ireo trompetra, fa tsy mafy loatra. BSB BSB: To convene the assembly, you are to sound long blasts, not short ones.
8 ULB Ireo zanaka lahin'i Arona, ireo mpisorona, no tsy maintsy mitsoka ireo trompetra. Izany dia ho lalàna mandrakariva ho anareo hatramin'ny taranak'ireo vahoakanao. BSB BSB: The sons of Aaron, the priests, are to sound the trumpets. This shall be a permanent statute for you and the generations to come.
9 ULB Rehefa mandeha miady any amin'ny taninareo hanohitra ny mpifanandrina izay mampahory anareo ianareo, dia tsy maintsy hampaneno fanairana amin'ireo trompetra. Izaho, Yaveh Andriamanitrareo, no hahatsiaro anareo ka hamonjy anareo amin'ireo fahavalonareo. BSB BSB: When you enter into battle in your land against an adversary who attacks you, sound short blasts on the trumpets, and you will be remembered before the LORD your God and saved from your enemies.
10 ULB Ary koa, amin'ireo fotoanan'ny fankalazana, dia ireo firavoravoana mahazatra sy amin'ireo fiandohan'ireo volana, dia tsy maintsy hitsoka ireo trompetra ianareo ho fankalazana ny fanatitra doranareo sy ireo sorona hafa ho an'ny fanati-pihavananareo. Hatao izany ho fahatsiarovanareo Ahy, ilay Andriamanitrareo. Izaho no Yaveh Andriamanitrareo." BSB BSB: And on your joyous occasions, your appointed feasts, and the beginning of each month, you are to blow the trumpets over your burnt offerings and peace offerings to serve as a reminder for you before your God. I am the LORD your God.”
11 ULB Tamin'ny taona faharoa, tamin'ny volana faharoa, tamin'ny andro faha roapolon'ny volana, dia niakatra avy eo amin'ny tabernakelin'ny lalàn'ny fanekena ny rahona. BSB BSB: On the twentieth day of the second month of the second year, the cloud was lifted from above the tabernacle of the Testimony,
13 ULB Nanao ny dian'izy ireo voalohany, araka ny didin'i Yaveh izay nomeny tamin'ny alalan'i Mosesy izy ireo. BSB BSB: They set out this first time according to the LORD’s command through Moses.
14 ULB Ny toby ambanin'ny fanevan'ny taranak'i Joda no nivoaka voalohany, namoaka ireo fiadiany avy. Nasona zanaka lahin'i Aminadaba nitarika ny tafik'i Joda. BSB BSB: First, the divisions of the camp of Judah set out under their standard, with Nahshon son of Amminadab in command.
15 ULB Netanela zanaka lahin'i Zoara nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'Isakara. BSB BSB: Nethanel son of Zuar was over the division of the tribe of Issachar,
16 ULB Eliaba zanaka lahin'i Helona nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'i Zebolona. BSB BSB: and Eliab son of Helon was over the division of the tribe of Zebulun.
17 ULB Ireo taranak'i Gersona sy Merary, izay niandraikitra ny tabernakely, dia nampidina ny tabernakely ary nianga tamin'ny dian'izy ireo. BSB BSB: Then the tabernacle was taken down, and the Gershonites and the Merarites set out, transporting it.
18 ULB Avy eo, ireo tafika teo ambanin'ny fanevan'ny tobin'i Robena dia niainga. Elizora zanaka lahin'i Sedeora nitarika ny tafik'i Robena. BSB BSB: Then the divisions of the camp of Reuben set out under their standard, with Elizur son of Shedeur in command.
19 ULB Selomiela zanaka lahin'i Zorisaday nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'i Simeona. BSB BSB: Shelumiel son of Zurishaddai was over the division of the tribe of Simeon,
20 ULB Eliasafa zanaka lahin'i Doela nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'i Gada. BSB BSB: and Eliasaph son of Deuel was over the division of the tribe of Gad.
21 ULB Niainga ireo Kehatita. Nitondra ny fitaovana masina tao amin'ny fitoerana masina. Ny sasany dia nanangana ny tabernakely mialohan'ny nahatongavan'ny Kehatita teo amin'ny toby manaraka. BSB BSB: Then the Kohathites set out, transporting the holy objects; the tabernacle was to be set up before their arrival.
22 ULB Ireo tafika teo ambanin'ny fanevan'ny taranak'i Efraima no niainga nanaraka. Elisama zanaka lahin'i Amihoda nitarika ny tafik'i Efraima. BSB BSB: Next, the divisions of the camp of Ephraim set out under their standard, with Elishama son of Ammihud in command.
23 ULB Gamaliela zanaka lahin'i Pedazora nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'i Manase. BSB BSB: Gamaliel son of Pedahzur was over the division of the tribe of Manasseh,
24 ULB Abidana zanaka lahin'i Gideony nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'i Benjamina. BSB BSB: and Abidan son of Gideoni was over the division of the tribe of Benjamin.
25 ULB Ireo tafika izay nitoby teo ambany fanevan'ny taranak'i Dana no niainga farany. Ahiezera zanaka lahin'i Amisaday nitarika ny tafik'i Dana. BSB BSB: Finally, the divisions of the camp of Dan set out under their standard, serving as the rear guard for all units, with Ahiezer son of Ammishaddai in command.
26 ULB Pagiela zanaka lahin'i Okrana nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'i Asera. BSB BSB: Pagiel son of Ocran was over the division of the tribe of Asher,
27 ULB Ahira zanaka lahin'i Enana nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'i Naftaly. BSB BSB: and Ahira son of Enan was over the division of the tribe of Naphtali.
28 ULB Tamin'izany fomba izany no niaingan'ireo tafiky ny vahoakan'Israely tamin'ny diany. BSB BSB: This was the order of march for the Israelite divisions as they set out.
29 ULB Niresaka tamin'i Hobaba zanaka lahin'i Regoela Midianita i Mosesy. Regoela no rain'ny vadin'i Mosesy. Niresaka tamin'i Hobaba i Mosesy ka niteny hoe: "Andeha hankany amin'ny toerana izay nofaritan'i Yaveh izahay. Hoy Yaveh: 'Homeko anareo izany.' Ndeha hiaraka aminay dia hanaovanay soa ianareo. Yaveh efa nampanantena ny hanao soa ny Israely." BSB BSB: Then Moses said to Hobab, the son of Moses’ father-in-law Reuel the Midianite, “We are setting out for the place of which the LORD said: ‘I will give it to you.’ Come with us, and we will treat you well, for the LORD has promised good things to Israel.”
30 ULB Fa hoy Hobaba tamin'i Mosesy: "Tsy andeha hiaraka aminao aho. Handeha ho any amin'ny taniko sy ny oloko aho." BSB BSB: “I will not go,” Hobab replied. “Instead, I am going back to my own land and my own people.”
31 ULB Ary dia namaly Mosesy hoe: "Aoka re mba tsy handao anay ianao. Ianao mahalala ny hitobiana any an'efitra. Tokony hitandrina anay ianao. BSB BSB: “Please do not leave us,” Moses said, “since you know where we should camp in the wilderness, and you can serve as our eyes.
32 ULB Raha andeha hiaraka aminay ianao, dia hataonay aminao araka ny soa izay nataon'i Yaveh taminay." BSB BSB: If you come with us, we will share with you whatever good things the LORD gives us.”
33 ULB Nandeha niala ny tendrombohitr'i Yaveh nandritra ny telo andro izy ireo. Ny fiaran'ny faneken'i Yaveh nandeha teo alohan'izy ireo nandritra ny hateloana mba hitady toerana hialana sasatra ho azy ireo. BSB BSB: So they set out on a three-day journey from the mountain of the LORD, with the ark of the covenant of the LORD traveling ahead of them for those three days to seek a resting place for them.
34 ULB Ny rahon'i Yaveh dia teo ambonin'izy ireo tamin'ny andro raha nandeha izy ireo. BSB BSB: And the cloud of the LORD was over them by day when they set out from the camp.
35 ULB Rehefa miainga ny fiara, dia miteny Mosesy hoe: "Mitsangàna, ry Yaveh. Ahelezo ireo fahavalonao. Ampandosiro hiala eo Aminao izay mankahala Anao." BSB BSB: Whenever the ark set out, Moses would say, “Rise up, O LORD! May Your enemies be scattered; may those who hate You flee before You.”
36 ULB Rehefa mijanona ny fiara, dia miteny Mosesy hoe: "Miverena, ry Yaveh, amin'ny Israely an'aliny maro." BSB BSB: And when it came to rest, he would say: “Return, O LORD, to the countless thousands of Israel.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.