1 ULB Ary Yaveh niteny tamin'i Mosesy tany an'efitr'i Sinay, tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona faharoa taorian'ny nivoahan'izy ireo ny tany Egypta. Hoy Izy hoe: BSB BSB: In the first month of the second year after Israel had come out of the land of Egypt, the LORD spoke to Moses in the Wilderness of Sinai:
2 ULB "Aoka ny vahoakan'ny Israely hitandrina ny Paska amin'ny fotoana raikitra amin'ny taona. BSB BSB: “The Israelites are to observe the Passover at its appointed time.
3 ULB Amin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ity volana ity, no tsy maintsy hitandremanao ny Paska amin'ny fotoana raikitra amin'ny taona. Hitandrina izany ianao, araho ny didy amam-pitsipika rehetra, ary ankatoavy ny didy rehetra izay mifandraika amin'izany." BSB BSB: You are to observe it at the appointed time, at twilight on the fourteenth day of this month, in accordance with its statutes and ordinances.”
4 ULB Koa, niteny tamin'ny vahoakan'ny Israely i Mosesy fa tokony hitandriana ny firavoravoan'ny Paska izy ireo. BSB BSB: So Moses told the Israelites to observe the Passover,
5 ULB Dia nitandrina ny Paska tamin'ny volana voalohany izy ireo, tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folon'ny volana, tamin'ny hariva, tany an'efitr'i Sinay. Nankatoa ny zavatra rehetra izay nandidian'i Yaveh hataon'i Mosesy ny vahoakan'ny Israely. BSB BSB: and they did so in the Wilderness of Sinai, at twilight on the fourteenth day of the first month. The Israelites did everything just as the LORD had commanded Moses.
6 ULB Ary nisy olona sasany naloto tamin'ny fatin'ny olona iray. Tsy afaka nitandrina ny Paska tamin'izany andro izy ireo. Dia nankeo anatrehan'i Mosesy sy Arona izy ireo tamin'izany andro izany. BSB BSB: But there were some men who were unclean due to a dead body, so they could not observe the Passover on that day. And they came before Moses and Aaron that same day
7 ULB Hoy ireo olona ireo tamin'i Mosesy hoe: "Maloto nohon'ny fatin'olona izahay. Nahoana no tsy avelanao hanatitra sorona ho an'i Yaveh amin'ny fotoana raikitra amin'ny taona eo amin'ny vahoakan'ny Israely izahay?" BSB BSB: and said to Moses, “We are unclean because of a dead body, but why should we be excluded from presenting the LORD’s offering with the other Israelites at the appointed time?”
8 ULB Hoy Mosesy tamin'izy ireo: "Andraso aloha aho hihaino izay handidian'i Yaveh ny aminareo." BSB BSB: “Wait here until I find out what the LORD commands concerning you,” Moses replied.
9 ULB Niteny tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy izy hoe: BSB BSB: Then the LORD said to Moses,
10 ULB "Mitenena amin'ny vahoakan'ny Israely. Lazao hoe, 'Raha misy maloto eo aminareo na ny taranakareo nohon'ny fatin'olona, na amin'ny dia lavitra, dia tsy afaka mitandrina ny Paska ho an'i Yaveh izy ireo.' BSB BSB: “Tell the Israelites: ‘When any one of you or your descendants is unclean because of a dead body, or is away on a journey, he may still observe the Passover to the LORD.
11 ULB Aoka hitandrina ny Paska amin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana faharoa izy ireo. Mofo tsy misy masirasira sy anana mangidy no tsy maintsy hihinanany izany. BSB BSB: Such people are to observe it at twilight on the fourteenth day of the second month. They are to eat the lamb, together with unleavened bread and bitter herbs;
12 ULB Tsy tokony hamela izany mandra-maraina izy ireo, na hanapaka ny taolany. Aoka hanaraka ny didy amam-pitsipika rehetra amin'ny Paska izy ireo. BSB BSB: they may not leave any of it until morning or break any of its bones. They must observe the Passover according to all its statutes.
13 ULB Fa ny olona izay madio sy tsy nandia lavitra, nefa tsy mitandrina ny Paska, izany olona izany dia hofongorana tsy ho eo amin'ny olony satria tsy nanatitra ny fanatitra izay takian'i Yaveh amin'ny fotoana raikitra amin'ny taona izy. Izany olona izany dia hilanja ny helony. BSB BSB: But if a man who is ceremonially clean and is not on a journey still fails to observe the Passover, he must be cut off from his people, because he did not present the LORD’s offering at its appointed time. That man will bear the consequences of his sin.
14 ULB Raha misy vahiny monina eo aminao ary mitandrina ny Paska ho voninahitr'i Yaveh, aoka izy hitandrina izany sy hanao ireo didiny rehetra, ary hankatoa ireo fitsipiky ny Paska, ary mankatoa ny lalàna amin'izany. Aoka hanana lalàna mitovy ho an'ireo vahiny sy ny rehetra izay efa teraka ao amin'ilay tany ianao." BSB BSB: If a foreigner dwelling among you wants to observe the Passover to the LORD, he is to do so according to the Passover statute and its ordinances. You are to apply the same statute to both the foreigner and the native of the land.’”
15 ULB Tamin'ny andro nametrahana ny tabernakely, ny rahona nandrakotra ny tabernakely, ilay lain'ny lalàn'ny fanekena. Tamin'ny hariva ny rahona dia teo ambonin'ny tabernakely. Niseho toy ny afo mandra-maraina izany. BSB BSB: On the day that the tabernacle, the Tent of the Testimony, was set up, the cloud covered it and appeared like fire above the tabernacle from evening until morning.
16 ULB Nitohy tahak'izany foana izany. Nandrakotra ny tabernakely ny rahona ary niseho ho toy ny afo amin'ny alina. BSB BSB: It remained that way continually; the cloud would cover the tabernacle by day, and at night it would appear like fire.
17 ULB Na oviana na oviana ny rahona no nampiakarina avy teo amin'ny lay, dia niainga tamin'ny diany ny vahoakan'Israely. Na taiza na taiza no nijanonan'ny rahona, dia nitoby teo ny vahoakan'ny Israely. BSB BSB: Whenever the cloud was lifted from above the Tent, the Israelites would set out, and wherever the cloud settled, there the Israelites would camp.
18 ULB Araka ny didin'i Yaveh, ny vahoakan'ny Israely dia nandeha, ary tamin'ny didiny, no nitobian'izy ireo. Raha nijanona teo ambonin'ny tabernakely ny rahona, dia nijanona tany amin'ny tobiny izy ireo. BSB BSB: At the LORD’s command the Israelites set out, and at the LORD’s command they camped. As long as the cloud remained over the tabernacle, they remained encamped.
19 ULB Rehefa nitoetra andro maro teo amin'ny tabernakely ny rahona, dia nankatoa ny toro-lalan'i Yaveh izy ireo ary tsy nandeha. BSB BSB: Even when the cloud lingered over the tabernacle for many days, the Israelites kept the LORD’s charge and did not set out.
20 ULB Indraindray ny rahona dia nitoetra andro vitsy teo amin'ny tabernakely. Tamin'izany toe-javatra izany, dia nankatoa ny didin'i Yaveh izy ireo—nitoby ary nanohy ny diany indray tamin'ny didiny. BSB BSB: Sometimes the cloud remained over the tabernacle for only a few days, and they would camp at the LORD’s command and set out at the LORD’s command.
21 ULB Indraindray ny rahona dia nijanona nitoby hatramin'ny hariva ka mandra-maraina. Raha niakatra ny maraina ny rahona, dia nandeha izy ireo. Raha nitohy ny andro na ny alina izany, dia rehefa niakatra ihany ny rahona vao nanohy nandeha izy ireo. BSB BSB: Sometimes the cloud remained only from evening until morning, and when it lifted in the morning, they would set out. Whether it was by day or by night, when the cloud was taken up, they would set out.
22 ULB Na indroa andro, na iray volana, na herintaona no nijanonan'ny rahona teo ambonin'ny tabernakely, raha mbola nijanona teo koa izany, dia nijanona tao an-tobiny ary tsy nandeha ny vahoakan'Israely. Fa isaky ny nakarina ny rahona, dia nanainga tamin'ny diany izy ireo. BSB BSB: Whether the cloud lingered for two days, a month, or longer, the Israelites camped and did not set out as long as the cloud remained over the tabernacle; but when it was lifted, they would set out.
23 ULB Nitoby araka ny didin'i Yaveh izy ireo. Nankatoa ny didin'i Yaveh izay nomena avy tamin'i Mosesy izy ireo. BSB BSB: They camped at the LORD’s command, and they set out at the LORD’s command; they carried out the LORD’s charge according to His command through Moses.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.